Arovy ny Ankizy

Nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


Tsy tokony hisy hahavita hanohitra ny fiangaviana mba hiraisantsika hina hampitombo ny firaharahiantsika izay mahasoa ny zanatsika sy ny hoavin’ireo zanatsika—dia ny taranaka vao misondrotra.

Afaka mahatadidy ny fahatsapana nananantsika avokoa isika rehetra rehefa misy zaza mikiakiaka sy manainga tanana manakatra antsika satria mila fanampiana. Omen’ny Ray any an-danitra be fitiavana antsika ireo fahatsapana ireo mba hitaomana antsika hanampy ireo zanany. Aoka ianareo mba hahatsiaro indray ireo fahatsapana ireo eto am-piresahako mikasika ny andraikitsika hiaro sy hanao asa soa ho an’ireo zanaka.

Miteny avy amin’ny fomba fijery araka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho, ka tafiditra ao anatin’izany ny drafitry ny famonjeny. Izany no antsoko. Ireo mpitondra eo an-toerana ao amin’ny Fiangonana dia manana andraikitra hisahana faritra iray, toy ny paroasy na tsatòka, fa ny Apôstôly kosa dia tompon’andraikitra hijoro ho vavolombelona amin’izao tontolo izao. Zanak’Andriamanitra avokoa ny ankizy rehetra any amin’ny firenena tsirairay, sy ny volon-koditra tsirairay ary ny finoana tsirairay.

Na dia tsy miresaka pôlitika na pôlitikam-panjakana aza aho, toy ireo mpitondra fiangonana hafa dia tsy afaka miresaka mikasika izay mahasoa ny ankizy aho raha tsy miresaka ihany koa mikasika ireo safidy ataon’ny olom-pirenena, sy ireo tompon’andraiki-panjakana, ary ireo mpiasa ao amin’ireo fikambanana tsy miankina. Eo ambanin’ny fitarihan’ny Mpamonjy avokoa isika rehetra mba hifankatia sy hifampikarakara, ary indrindra hanao izany ho an’ireo malemy sy tsy misy mpiaro.

Tena malemy tokoa ny ankizy. Kely hery na tsy manana mihitsy izy ireo mba hiarovany ny tenany na ho angoniny ho azy ary kely ny hery fandresen-dahatra ananany eo amin’ny zavatra maro izay tena ilain’izy ireo amin’izay mahasoa azy. Mila ny hafa hiteny ho azy ireo ny ankizy, ary mila olona mandray fanapahan-kevitra izay mametraka ny mahasoa azy ireo ho any alohan’ireo zavatra mahaliana ireo olon-dehibe izay feno fitiavan-tena.

I.

Isika rehetra manerana izao tontolo izao dia tohina noho ny amin’ireo ankizy an-tapitrisany izay iharan’ireo heloka bevava sy fitiavan-tena mamohehatra ataon’ireo olon-dehibe.

Any amin’ny firenena miady sasany, dia angalarina mba ho lasa miaramila ao amin’ny andian-tafika mpikomy ireo ankizy.

Voatombantomban’ny tatitra iray avy amin’ny Firenena Mikambana fa ankizy manakaiky ny roa tapitrisa no simban’ny fivarotan-tena sy ny pôrnôgrafia isan-taona.1

Raha jerena amin’ny fomba fijery araka ny drafitry ny famonjena, dia iray amin’ireo fanararaotana loza be indrindra atao amin’ny ankizy ny fanakanana azy tsy ho teraka. Hironan’ny olona maneran-tany izany. Tao anatin’ny 25 taona dia ny tahan’ny fahaterahana teo amin’ny firenena teto Etazonia no ambany indrindra,2 ary ny tahan’ny fahaterahana any amin’ny ankamaroan’ny firenena Eorôpeana sy Aziana dia nijanona ho ambanin’ny fetran’ny fanoloana fotsiny ny isan’izay maty nandritra ny taona maro. Tsy olana ara-pivavahana fotsiny ihany izany. Koa satria mihena ny isan’ireo taranaka vao misondrotra, dia mihalefy ary farany dia hanjavona tanteraka ireo kolontsaina eny fa na dia ireo firenena aza.

Antony iray mahatonga ny tahan’ny fahaterahana hihena ny fanalan-jaza. Voatombantombana fa mihoatra ny 40 tapitrisa isan-taona ny fanalan-jaza manerana izao tontolo izao.3 Maro ireo lalàna izay manome alalana na mampandroso ny fanalan-jaza, saingy faharatsiana lehibe izany ho antsika. Fanararaotana hafa atao amin’ny ankizy izay mitranga mandritra ny fitondrana vohoka ny fahasimban’ny zaza ao an-kibo izay ateraky ny tsy fahampian’ny sakafo mahavelona hanin’ny reniny sy ny fihinanana fanafody.

Toy ny fanesoana mampalahelo ihany ny hoe maro be ireo zaza vonoina na simbaina alohan’ny hahaterahany nefa maro be ireo mpivady tsy mety mahazo zaza no mitady zanaka hatsangana.

Ny fanararaotana ny zaza na ny tsy firaharahiana ny ankizy izay mitranga aorian’ny fahaterahana dia hita miharihary kokoa. Zaza efa ho valo tapitrisa no maty alohan’ny faha-dimy taonany manerana izao tontolo izao, ary ny ankabeazany dia avy amin’ny aretina izay sady azo sitranina no azo sorohina.4 Ary ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana dia nitatitra fa iray amin’ny ankizy efatra no tsy mitombo ara-tsaina sy ara-batana araka ny tokony ho izy, noho ny tsy fahampian-tsakafo.5 Noho ny fipetrahanay sy fandehananay any amin’ny toerana maro samihafa manerana izao tontolo izao, dia mahita betsaka amin’izany izahay mpitondra ato amin’ny Fiangonana. Nanao tatitra mikasika ireo zaza miaina ao anatin’ny toe-javatra “mihoatra noho izay azontsika eritreretina” ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany. Hoy ny reny iray tany Philippines hoe: “Indraindray izahay dia tsy manana vola ampy hividianana sakafo, saingy tsy maninona izany satria manome ahy fahafahana hampianatra ireo zanako momba ny finoana. Mifamory izahay ary mivavaka mba hahazo fampiononana, ary mahita ny Tompo mitahy anay ireo ankizy.”6 Tao Afrika Atsimo, dia nifanena tamin’ny zazavavy kely iray izay nanirery sy nalahelo ny mpiasa ao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany iray. Rehefa namaly tamin’ny feo malefaka ireo fanontaniana feno fitiavana ilay zazavavy, dia nilaza fa tsy nanana reny sy ray ary renibe izy—fa raibe ihany no mikarakara azy.7 Hitovizan’ny olona maro ny zavatra mampalahelo toy izany eo amin’ny kaontinanta iray izay ahitana mpitaiza maro matin’ny SIDA.

Simba noho ny tsy firaharahiana ireo zazakely sy ireo tanora eny fa na dia any amin’ireo firenena manan-karena aza. Ireo zaza mihalehibe ao anatin’ny fahantrana dia tsy voakarakara tsara ara-pahasalamana ary tsy manana fahafahana ampy mba hianatra. Izy ireo ihany koa dia miaina ao anatin’ny tontolo feno loza eo amin’ ilay manodidina azy izay azo tsapain-tanana sy ilay manodidina azy ara-kolontsaina ary avy amin’ny tsy firaharahian’ireo ray aman-dreniny ihany koa. Vao haingana ny Loholona Jeffrey R.Holland no nizara ny zavatra niainan’ny pôlisy Olomasin’ny Andro Farany iray. Nandritra ny fanadihadiana iray nataony, dia nahita ankizy kely dimy nifampisisika ary niezaka natory tsy nisy lafika natoriana teo amin’ny tany maloto tao amin’ny trano iray izy raha toa kosa ka mbola nisotro sy nanao fety tao amin’izany trano izany niaraka tamin’ny olona hafa ny renin’izy ireo. Tsy nisy sakafo hanamaivanana ny hanoanan’izy ireo tao amin’ilay efitrano. Rehefa avy nampatory ireo ankizy teo amin’ny fandriana vonjimaika iray ilay pôlisy, dia nandohalika sy nivavaka mba tsy ho azon-doza izy ireo. Rehefa nandeha namonjy ny varavarana izy, dia nanaraka azy ny iray tamin’izy ireo, izay enin-taona teo ho eo, nandray ny tanany, ary dia niangavy azy hoe: “Afaka manangana ahy ve ianao azafady?”8

Tsaroantsika ny fampianaran’ny Mpamonjy antsika rehefa naka ankizy iray ho eo anoloan’ireo mpanara-dia Azy Izy sady niteny hoe:

“Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.

“Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy” (Matio 18:5–6).

Rehefa heverintsika ireo loza izay tokony hiarovana ireo ankizy, dia tokony hampidirintsika ao ihany koa ny fanararaotana ara-tsaina. Ireo ray aman-dreny na mpitaiza hafa na mpampianatra na ny olona mitovy amin’izany izay manivaiva, sy mampahory, na manala baraka ny ankizy na ny tanora dia afaka mampitondra fijaliana maharitra kokoa noho ny fanararaotana ara-batana. Ny fanaovana izay hahatsapan’ny ankizy iray ho tena tsy manan-danja, tsy tiana, na tsy ilaina dia afaka mampitondra fahoriana goavana sy maharitra amin’ny toe-pony sy ny fivoarany.9 Ireo tanora izay miady amin’ny toe-javatra tsy mahazatra toy ny fifanintonan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy dia tena malemy dia malemy tokoa ary mila olona tia sy mahatakatra izany—fa tsy fampahoriana na fanilihana.10

Amin’ny alalan’ny fanampian’ny Tompo, dia afaka mibebaka sy miova isika ary ho tia sy hanampy kokoa ireo ankizy—ny zanatsika sy ireo manodidina antsika.

II.

Misy ohatra vitsivitsy amin’ny fampitahorana ara-batana sy ara-pihetseham-po atao amin’ny ankizy izay mitovy lanja amin’ireo fampitahorana miseho avy amin’ny fifandraisany amin’ireo ray aman-dreniny na ny mpitaiza azy ireo. Ny Filoha Thomas S. Monson dia niresaka mikasika ilay antsoiny hoe ny “zavatra maharikoriko atao” amin’ny fanararaotana ny ankizy, izay nandratrana na nanimban’ny ray na reny ankizy iray, na ara-batana na ara-panahy.11 Feno alahelo aho raha tsy maintsy nandalina ireo porofo mahatsiravina mikasika ny tranga toy izany nandritra ny fotoana niasako tao amin’ny Fitsarana Ambony tao Utah.

Tena manan-danja tokoa amin’ny fahasambaran’ny ankizy ny hoe vita fanambadiana ara-dalàna ireo ray aman-dreniny na tsia, ny toetoetra sy ny faharetan’ny fanambadiana, ary amin’ny ankapobeny, ny kolontsaina sy ny zavatra andrasana avy amin’ny fanambadiana ary ny fomba fanolokoloana ny ankizy any amin’ny toerana ipetrahan’izy ireo. Nanazava ny manam-pahaizana roa mikasika ny fianakaviana hoe: “Tao anatin’ny tantara hatrizay, ny fanambadiana dia rafitra natao voalohany indrindra mba hananana zanaka sy hanabeazana ny zanaka. Nitondra ilay fifamatorana ara-kolontsaina izay mikatsaka ny hampifandray ny ray amin’ireo zanany amin’ny alalan’ny famatorana azy amin’ny renin’ireo zanany izany. Kanefa tato ho ato dia nanjary tsy nomena lanja lehibe toy izany intsony ireo ankizy.”12

Ny mpampianatra lalàna iray tao Harvard dia namariparitra ireo lalàna manan-kery ankehitriny sy ny fihetsika manoloana ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana: “Ny tantaran’ny Amerikana [ankehitriny] mikasika ny fanambadiana, araka izay ambaran’ny lalàna sy hita ao anatin’ny literatiora malaza maro, dia mitovitovy amin’izao: ny fanambadiana dia fifandraisana izay misy mba hanomezana fahafaham-po ireo mpivady voalohany indrindra. Raha mitsahatra amin’izany asa izany ny fanambadiana, dia tsy misy tokony homena tsiny ary afaka mampitsahatra izany araka ny sitrapony ireo mpivady. … Zara raha hita ao amin’ilay tantara ny ankizy; toy ny mpandray anjara tsy dia manan-danja loatra izy ireo ka tsy ilaina ny mampiditra azy ao anatin’izany.”13

Nampianatra ireo mpitondra antsika ato amin’ny Fiangonana fa ny fiheverana “ny fanambadiana ho toy ny fifanarahana ihany izay azo atao rehefa mahafinaritra … ary hatsahatra raha vao misy fahasarotana iray mipoitra … dia faharatsiana izay mendrika fanamelohana henjana,” indrindra fa rehefa hoe “natao mba hijaly ireo ankizy.”14 Ary ny fisaraham-panambadiana dia misy fiantraikany amin’ny zanaka. Mihoatra ny antsasak’ireo fisaraham-panambadiana tao anatin’ireo taona vitsivitsy tato ho ato no mpivady tsy nanana afa-tsy zanaka vitsy.15

Maro ireo ankizy izay mety ho nahazo fitahiana ny mba hahazo ny fitaizan’ny rainy sy ny reniny miaraka raha toa ka mba nanaraka ilay fampianarana nentanim-panahy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ireo ray aman-dreny izay manao hoe: “Ny Mpivady dia manana andraikitra feno voninahitra mba hifankatia sy hifampikarakara ary hanao toy izany koa amin’ny zanany. … Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo, ary ny hampianatra azy mba hifankatia sy hifanompo.”16 Ny fomba fampianarana tsara indrindra ny zanaka dia amin’ny alalan’ny ohatra asehon’ireo ray aman-dreniny. Tsy azo ihodivirana ny hampianaran’ireo ray aman-dreny misara-panambadiana lesona ratsy ho an’ireo zanany.

Marina tokoa fa indraindray dia ilaina ny fisaraham-panambadiana mba ho soa ho an’ireo zanaka, saingy vitsy dia vitsy ny toe-javatra toy izany.17 Amin’ny ankabeazan’ireo adin’ny mpivady dia tokony hanome lanja misimisy kokoa izay mahasoa ny zanany ireo ray aman-dreny miady. Afaka manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny fanampian’ny Tompo. Ny zanaka dia mila ny hery ara-pihetseham-po sy hery manokana avy amin’ny fitaizan’ny ray sy ny reny miaraka izay miray hina amin’ny fanambadian’izy ireo sy ny tanjon’izy ireo. Amin’ny maha-taizan’ny vehivavy mananotena ny tenako, dia fantatro avy amin’ny zavatra niainako fa tsy ho afaka hotanterahina foana izany, saingy izany no tsara indrindra tokony hokatsahina raha azo atao.

Ny zanaka no voa voalohany amin’ireo lalàna ankehitriny izay manome alalana ny antsoina hoe “fisaraham-panambadiana tsy hananan-tsiny.” Araka ny fomba fijerin’ireo zanaka, dia mora loatra ny fisaraham-panambadiana. Raha haravona ireo fikarohana mikasika ny fiaraha-monina natao nandritra ny folo taona, dia namintina an’izao ny manam-pahaizana tena mitandrina iray: “ny rafitry ny fianakaviana izay mitondra ny vokatra tsara indrindra ho an’ny zanaka, raha atao ny salan’isa, dia ireo ray aman-dreny roa niteraka azy ireo ary tsy nisara-panambadiana.”18 Nilaza ny mpanoratra iray ao amin’ny New York Times hoe “ny zava-misy izay tena mahavariana dia ny hoe na dia nihen-danja aza ny fanambadiana nentin-drazana eto Etazonia … dia nitombo ny porofo amin’ny fanomezan’ilay rafitra lanja an’izay mahasoa ny zanaka.”19 Izany zava-misy izany dia tokony hanome fitarihana manan-danja ireo ray aman-dreny ary tokony hampiasain’izy ireo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana. Ilaintsika ihany koa ireo mpanao pôlitika, sy mpanao lalàna, ary tompon’andraikitra ambony mba hijery misimisy kokoa izay tsara indrindra ho an’ny ankizy eo anatrehan’ny fitadiavana tombontsoa miharo fitiavan-tenan’ireo mpifidy sy ireo olona izay tsy miaro afa-tsy ny tombontsoan’ny lehibe.

Manimba ny zanaka ihany koa ny fanambadiana izay tsy mety tanteraka. Misy ihany koa ireo toe-javatra vitsivitsy mikasika izay mahasoa ireo taranaka vao misondrotra no mbola manahiran-tsaina kokoa noho ilay tatitra noresahina teo, dia izao hoe ny 41 isan-jaton’ny zaza teraka teto Etazonia no nateraky ny vehivavy tsy manambady.20 Miatrika fanamby goavana ireo reny tsy manambady, ary hita mazava tsara fa betsaka ny zavatra tsy azon’ireo zanany raha ampitahaina amin’ireo zanaka notaizain’ny ray aman-dreny vita fanambadiana.21

Ny ankamaroan’ireo ankizy naterak’ireo reny tsy manambady—58 isan-jato—dia teraka avy amin’ny olon-droa manao tokantranomaso.22 Na inona na inona no lazaintsika mikasika ny tokantranomason’ireo olon-droa miaraka ireo dia maneho ny fanadihadiana fa matiantoka kokoa ny zanak’izy ireo raha mitaha amin’ny hafa.23 Manan-danja ho an’ny ankizy ny zavatra mikasika ny fahamafisan’orin’ny fanambadiana.

Tokony hanaiky ny fatiantoka tahaka izany eo amin’ireo zaza taizain’ireo olon-droa miaraka izay lahy samy lahy na vavy samy vavy ihany koa isika. Ny literatiora mikasika ny fandalinana ny fiaraha-monina dia azo resahina sy azo hanaovana ady hevitra pôlitika mikasika ny fiantraikan’izany maharitra eo amin’ny ankizy indrindra indrindra, satria araka ny nolazain’ny mpanoratra iray ao amin’ny New York Times dia, “fanandramana eo amin’ny fiaraha-monina ny fanambadiana eo amin’ny lahy samy lahy sy vavy samy vavy, ary toa ny ankabeazan’ireo fanandramana rehetra dia ho elaela vao ho takatra ny vokatr’izany.”24

III.

Niteny ho an’ny ankizy aho—ny ankizy rehetra na aiza na aiza. Mety handa ny sasany amin’ireo ohatra ireo ny olona sasany, saingy tsy tokony hisy hahavita hanohitra ny fiangaviana mba hiraisantsika hina hampitombo ny firaharahiantsika izay mahasoa sy ny hoavin’ireo zanatsika—dia ny taranaka vao misondrotra.

Miresaka mikasika ireo zanak’Andriamanitra isika, ary amin’ny alalan’ny fanampiany izay mahery tokoa, dia afaka hanampy bebe kokoa azy ireo isika. Ao anatin’ity fiangaviana ity, dia tsy ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no hiresahako, fa ny olona avy amin’ny finoana hafa rehetra koa sy ireo olona hafa izay manana rafitry ny soatoavina izay mahatonga azy ireo hampandefitra ny zavatra ilainy manokana amin’ny an’ny hafa indrindra ho an’izay mahasoa an’ireo ankizy.25

Ireo olona tia mivavaka ihany koa dia mahalala ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao fa ireo ankizy madinika izay madio no ohatra lehibe indrindra ho antsika amin’ny fanetren-tena sy ny fanekena handray fampianarana.

“Lazaiko aminareo marina tokoa: raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo.

“Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 18:3–4).

Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna Ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty nampianatra ny Nefita fa tsy maintsy mibebaka izy ireo ary atao batisa “ary tonga tahaka ny ankizy madinika” fa raha tsy izany dia tsy afaka ny handova ny fanjakan’Andriamanitra izy ireo (3 Nefia 11:38; jereo ihany koa ny Môronia 8:10).

Mivavaka aho mba hanetry tena tahaka ny ankizy madinika isika ary hanome tanana mba hiaro ireo ankizy madinitsika, satria izy ireo no hoavintsika sy hoavin’ny Fiangonantsika, ary ny firenentsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar referencias

  1.  

    1. Jereo ny UNICEF, The State of the World’s Children 2005: Childhood under Threat (2004), 26.

  2.  

    2. Jereo ny Haya El Nasser, “National Birthrate Lowest in 25 Years,” USA Today, 26 Jolay 2012, A1.

  3.  

    3. Jereo ny Gilda Sedgh, and others, “Induced Abortion: Incidence and Trends Worldwide from 1995 to 2008,” The Lancet, vol. 379, no. 9816 (18 Feb 2012), 625–32.

  4.  

    4. Jereo ny UNICEF, “Young Child Survival and Development,” http://www.unicef.org/childsurvival/index.html.

  5.  

    5. Jereo ny Organisation Mondiale de la Santé, World Health Statistics 2012 (2012), 109, 118.

  6.  

    6. Tatitra nataon’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, 13 Sept 2012.

  7.  

    7. Tatitra nataon’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany.

  8.  

    8. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Israël, ton Dieu t’appelle,” (Fotoambavaky ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 9 Sept. 2012), lds.org/broadcasts ; jereo ihany koa ny R. Scott Lloyd, “Zion Not Only Where, but How We Live Hoy ny Loholona Holland, Deseret News, 10 Sept. 2012, B2.

  9.  

    9. Jereo ny Kim Painter, “Parents Can Inflict Deep Emotional Harm,” USA Today, 30 Jolay 2012, B8; Rachel Lowry, “Mental Abuse as Injurious as Other Forms of Child Abuse, Study Shows,” Deseret News, 5 Aog. 2012, A3.

  10.  

    10. Jereo ny “End the Abuses,” Deseret News, 12 Jiona 2012, A10.

  11.  

    11. Thomas S. Monson, “A Little Child Shall Lead Them,” Liahona, Jiona 2002, 2

  12.  

    12. W. Bradford Wilcox sy Elizabeth Marquardt, eds., The State of Our Unions: Marriage in America (2011), 82.

  13.  

    13. Mary Ann Glendon, Abortion and Divorce in Western Law: American Failures, European Challenges (1987), 108.

  14.  

    14. David O. McKay, “Structure of the Home Threatened by Irresponsibility and Divorce,” Improvement Era, Jiona 1969, 5.

  15.  

    15. Jereo ny Diana B. Elliott and Tavia Simmons, “Marital Events of Americans: 2009,” American Community Survey Reports, Aog. 2011.

  16.  

    16. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  17.  

    17. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Divorce,” Liahona, Mey 2007, 71.

  18.  

    18. Charles Murray, Coming Apart: The State of White America, 1960–2010 (2012), 158.

  19.  

    19. Ross Douthat, “Gay Parents and the Marriage Debate,” New York Times, 11 Jiona 2012, http://douthat.blogs.nytimes.com/2012/06/11/gay-parents-and-the-marriage-debate.

  20.  

    20. Jereo ny Joyce A. Martin and others, “Births: Final Data for 2010,” National Vital Statistics Reports, vol. 61, no. 1 (Aog. 2012), 10.

  21.  

    21. Jereo ny William J. Doherty and others, Why Marriage Matters: Twenty-One Conclusions from the Social Sciences (2002); W. Bradford Wilcox and others, Why Marriage Matters: Thirty Conclusions from the Social Sciences, 3rd ed. (2011).

  22.  

    22. Jereo ny Martin, “Births: Final Data for 2010,” 10–11.

  23.  

    23. Jereo ny Wilcox, Why Marriage Matters.

  24.  

    24. Ross Douthat, “Gay Parents and the Marriage Debate.” Ny fanadihadiana farany sy lalina indrindra dia nahafahana nahita fatiantoka lehibe izay notaterin’ireo tanora mihoatra ny 18 taona izay manana ray aman-dreny nanana fifandraisana tamin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy talohan’ny faha-18 taonan’izy ireo (jereo ny Mark Regnerus, “How Different Are the Adult Children of Parents Who Have Same-Sex Relationships? Findings from the New Family Structures Study,” Social Science Research, vol. 41 [2012], 752–70).

  25.  

    25. Ny Olomasin’ny Andro Farany dia tena manolo-tena manokana amin’ny maha-ray aman-dreny noho ny maha-iray amin’ireo tanjona manan-danja indrindra izany eo amin’ny fiainana (jereo ny Pew Research Center’s Forum on Religion and Public Life, Mormons in America: Certain in Their Beliefs, Uncertain of Their Place in Society, 12 Jan. 2012, 10, 16, 51).