Mijery ny Hafa Araka Izay Mety ho Ahatongavany

Nataon’ ny Filoha Thomas S. Monson


Tokony hampitombo ny fahaizantsika mijery ireo lehilahy tsy amin’ ny endriny amin’ izao fotoana izao isika fa amin’ ny zavatra mety ho vitany.

Ry rahalahiko malala, rakotra mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra ity Foiben’ ny Fihaonambe ity indroa isan-taona eo am-pivoriantsika miaraka mba hihaino ireo hafatra manentana fanahy. Misy fahatsapana ara-panahy mahafinaritra izay mameno ny fivoriamben’ ny fisoronana ato amin’ ny Fiangonana. Misandrahaka avy eto amin’ ny Foiben’ ny Fihaonambe izany fahatsapana ara-panahy izany ary mipaka any amin’ ny trano fivoriana tsirairay izay iangonan’ ireo zanakalahin’ Andriamanitra. Azo antoka fa nahatsapa tanteraka izany fanahy izany isika androany hariva.

Taona maro lasa izay, talohan’ ny nanorenana ity Foiben’ ny Fihaonambe mahafinaritra ity, dia nisy mpivahiny iray nitsidika ny Temple Square eto Salt Lake City ka nanatrika fivoriana iray tamin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana natao tao amin’ ny Tabernakely. Nihaino ireo hafatra avy amin’ ireo Rahalahy izy ary nampandry sofina tsara tamin’ ireo vavaka. Nankafy ny hira mahafinaritra nataon’ ny Amboarampeon’ ny Taberanakely izy ary nitolagaga tamin’ ny firentin’ ny ôrga tsara tarehin’ ny Tabernakely. Rehefa tapitra ny fotoana dia nisy olona naheno azy niteny hoe: “Hamoizako ny fananako rehetra raha toa ka fantatro fa marina ny zavatra nolazain’ ireo mpandahateny androany.” Ny tiany ho tenenina raha ny marina dia hoe: “Inay aho mba nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara.”

Tsy misy zavatra hafa eto amin’ ity izao tontolo izao ity izay hanome toky sy fiadanana bebe kokoa mihoatra ny fananana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana. Mino aho fa manana fijoroana ho vavolombelona daholo ireo lehilahy na zatovolahy tsirairay eto anio hariva, na dia samy hafa aza ny tanjak’ izany. Raha misy aminareo mahatsapa fa mbola tsy manana fijoroana ho vavolombelona miorim-paka araka izay irianareo dia mamporisika anareo aho hanao asa mba hananana fijoroana ho vavolombelona toy izany. Raha matanjaka sy mafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananareo dia manaova zavatra mba hitohizan’ izany. Endrey ny fitahiana raisintsika noho ny fananana fahalalana ny fahamarinana.

Ny hafatro anio hariva ry rahalahy dia izao: maro ireo olona izay tsy manana fijoroana ho vavolombelona na manana fa kely, ankehitriny, izay afaka sy maniry ny handray ny fijoroana ho vavolombelona toy izany raha toa isika ka manao ezaka mizara ny fijoroantsika ho vavolombelona ary manampy azy ireo hiova. Amin’ ny toe-javatra sasantsasany dia isika no afaka manome antony tokony hiovan’ izy ireo. Ny horesahako voalohany aloha dia momba ireo olona izay mpikambana kanefa tsy manolo-tena feno amin’ ny filazantsara ankehitriny.

Taona maro lasa izay no nandrenesako hafatra mahery vaika, tsy hay adinoina ary mifono antony manosika hanao zavatra, nandritra ny fivorian’ ireo reny sy zanakavavy, tamin’ ny fihaonambem-paritra natao tany Helsinki, Finlande. Na dia efa ho 40 taona aza izay no lasa hatramin’ ny fotoana nandrenesako izany dia tsy hadinoko io hafatra io. Nilaza ilay mpandahateny, tao anatin’ireo fahamarinana maro novelabelariny, fa ilain’ ny vehivavy iray ny ilazana aminy hoe tsara tarehy izy. Ilainy ny ilazana aminy hoe ankasitrahana ny zavatra ataony. Ary ilainy ny ilazana aminy hoe manana ny lanjany izy.

Ry rahalahy, hitako fa mitovy amin’ ny vehivavy koa ny lehilahy raha amin’ izay lafiny izay. Ilaintsika ny ampahafantarana antsika hoe ilaina ny zavatra ataontsika, ary hoe mahavita azy sy manana ny lanjany isika. Tokony homena fahafahana hanompo isika. Azontsika katsahina amim-bavaka ireo fomba hanampiantsika ireo mpikambana izay lasa malaina na misalasala hirotsaka amin’ ny fahazotoana feno. Ny fangatahana azy ireo hanompo amin’ ny anjara asa sasany mihitsy no mety ho tena antony aharisika azy ireo hiverina amin’ ny fahazotoana tanteraka. Kanefa toa miahotra ny hanao izany ireo mpitarika izay afaka manampy azy ireo amin’ izany lafiny izany. Mila mahatadidy isika fa afaka miova ny olona. Afaka miala amin’ ireo fahazaran-dratsiny izy ireo. Afaka mibebaka tamin’ ny fandikan-dalany izy ireo. Afaka mihazona amim-pahamendrehana ny fisoronana izy ireo. Ary afaka manompo ny Tompo amim-pahazotoana. Ndeha hizarako ohatra vitsivitsy ianareo.

Nanana fahafahana aho niaraka tamin’ ny Filoha N. Eldon Tanner, mpanolotsain’ ny Filoha David O. McKay, nanatrika fihaonamben’ ny tsatòka tany Alberta, Canada fony vao voantso mpikambana ato amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo. Novakian’ ny filohan’ ny tsatòka nandritra ilay fivoriana ny anaran’ ireo rahalahy efatra izay hotohanana amin’ ny fanendrena azy ho loholona. Fantatry ny Filoha Tanner ireo lehilahy ireo satria efa nisy fotoana nipetraka tamin’ izany faritra izany izy. Kanefa fantany sy tadidin’ ny Filoha Tanner izy ireo tamin’ ny toetrany taloha ary tsy fantany fa efa nanova ny fiainany ary mendrika tanteraka ny ho tonga loholona.

Namaky ny anaran’ ilay lehilahy voalohany ny filohan’ ny tsatòka ary nangataka azy mba hitsangana. Nibitsibitsika tamiko ny Filoha Tanner hoe: “Jereo anie izy e! Tena tsy nieritreritra mihitsy aho hoe handray ny Fisoronana Melkizedeka izy.” Namaky ny anarana faharoa ilay filohan’ ny tsatòka ary dia nitsangana izany lehilahy izany. Nodomin’ ny Filoha Tanner indray aho ary nozarainy tamiko ny fahatairany. Ary dia toy izany hatrany tamin’ ireo rahalahy efatra.

Nanana fahafahana hiarahaba ireo lehilahy efatra ireo izaho sy ny Filoha Tanner taorian’ ny fivoriana. Nasehon’ izy ireo fa afaka miova ny olona.

Fanta-daza tamin’ ny ezaka nataony hanova ny toetran’ ireo lehilahy tao amin’ ny fonjany i Clinton Duffy, izay lehilahy lehiben’ ny fonja taty Amerika, nandritra ireo taona faha-40 sy faha-50. Nilaza ny olona mpitsikera iray hoe: “Tokony ho fantatrao fa tsy manova ireo teboteboka eo amin’ ny volony ny leoparda!”

Namaly ilay lehiben’ ny fonja Duffy hoe: “Tokony ho fantatrao fa tsy leoparda no hiarahako miasa. Olombelona no hiarahako miasa ary ny olona dia afaka miova isan’ andro.”1

Taona maro lasa izay dia andraikitro ny ho filohan’ ny Misiônan’ i Canada. aNanana sampana iray izay izahay tany, izay nanana mpihazona fisoronana vitsy dia vitsy. Misiônera foana no niahy io sampana io hatrizay. Nandray fahatsapana mahery vaika aho fa ilaina ny hoe mpikambana ao amin’ ny sampana ihany no miahy izany.

Nanana olon-dehibe iray izay izahay, izay mpikambana ao amin’ ny sampana ary diakona ao amin’ ny Fisoronana Aharôna saingy tsy manatrika na mandray anjara feno izy ka tsy azo naroso tao amin’ ny fisoronana. Nahatsapa ho notaomin’ ny Fanahy aho hiantso azy ho filohan’ ny sampana. Hotsaroako hatrany ilay andro izay nanaovako tafa sy dinika niaraka taminy. Nolazaiko taminy fa nanentana ny fanahiko ny Tompo mba hiantso azy ho filohan’ ny sampana. Rehefa avy nanda im-betsaka izy, ary rehefa avy nahazo fankaherezana maro avy tamin’ ny vadiny, dia naneho ny fanekeny hanompo izy. Notendreko ho mpisorona izy.

Fiantombohan’ ny fiainam-baovao ho an’ ity lehilahy ity izany. Novainy haingana ny lamim-piainany ary nanome toky ahy izy fa hiaina ireo didy araka ny nantenaina ho ataony. Tao anatin’ ny volana vitsivitsy dia naroso ho loholona izy. Nankany amin’ ny tempoly sy nofehezina tany izy sy ny vadiny ary ny fianakaviany taty afara. Nandeha nanao misiôna ireo zanany ary nanambady tany amin’ ny tranon’ ny Tompo.

Indraindray afaka manampy ireo rahalahy handray ilay dingana mankany amin’ ny fanoloran-tena sy ny fahazotoana tanteraka ny famelana azy ireo hahafantatra fa ilaina sy manan-danja izy ireo. Marina izany ho an’ ireo mpihazona ny fisoronana na firy taona na firy taona. Andraikitsika ny manome azy ireo fahafahana hiaina araka izay tokony ho fomba iainany. Afaka manampy azy ireo handresy ny fahalemeny isika. Tokony hampitombo ny fahaizantsika mijery ireo lehilahy tsy amin’ ny endriny amin’ izao fotoana izao isika fa amin’ ny zavatra mety ho vitany rehefa mandray ny fijoroana ho vavolombelon’ ny filazantsaran’ i Kristy izy ireo.

Indray mandeha izay aho nanatrika fivoriana tany Leadville, Colorado. I Leadville dia tanàna iray hita amin’ ny toerana izay any amin’ ny 3.000 m no haamboniny. Tsaroako izany fivoriana manokana izany tsy noho ny haambon’ ny toerana nitrangany, fa indrindra koa noho ny zavatra izay nitranga tamin’ io hariva io. Vitsy ny mpihazona ny fisoronana nanatrika teo tamin’ izay. Teo ambany fiahian’ ny misiônera hatrany koa izany tahaka ilay sampana tany amin’ ny Misiônan’ i Canada.

Nahafinaritra ny fivorianay io takariva io kanefa teo am-pihirana ny hira famaranana izahay no tonga tamiko ny fientanam-panahy fa tokony ho mpikambana ao amin’ ny sampana no hiahy izany sampana izany. Nitodika tamin’ ilay filohan’ ny misiôna aho ary nanontany hoe: “Moa tsy misy olona afaka miahy ity sampana ity ve eto—olona avy eto an-toerana?”

Namaly izy hoe: “Tsy mahalala aho na dia iray aza.”

Nodinihako tsara ireo lehilahy nipetraka teo amin’ ny laharan-tseza telo voalohany nandritra ny fihirana. Toa niantefa tamin’ ny iray tamin’ireo rahalahy ny saiko. Hoy aho tamin’ ilay filohan’ ny misiôna hoe: “Afaka manompo ho filohan’ ny sampana ve izy?”

Namaly izy hoe: “Tsy fantatro. Mety ho afaka angamba.”

Hoy aho hoe: “Filoha a! Asaiko hiaraka amiko any amin’ ny efitrano ilany izy ary ho ataoko dinidinika. Manaova lahateny aorian’ ny hira famaranana mandrapiverinay.”

Namarana ny fijoroany ho vavolombelona ilay filohan’ ny misiôna rehefa niverina niditra ny efitrano izahay roa. Nanolotra ny anaran’ ilay rahalahy aho mba ho filoha vaovaon’ ny sampana. Nanomboka tamin’ io andro io ka hatramin’ izao dia notarihan’ ny mpikambana eo an-toerana hatrany io vondrona ao Leadville, Colorado, io.

Azo ampiharina amin’ ireo tsy mpikambana koa izany fitsipika izany ry rahalahy. Tokony hampitombo ny fahaizantsika mijery ireo lehilahy tsy araka ny maha-izy azy isika fa amin’ ny zavatra mety ho vitany rehefa tonga mpikamban’ ny Fiangonana izy ireo, rehefa manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ary rehefa miaina mifanaraka amin’ ny fampianarana ao anatin’ izany.

Tamin’ ny taona 1961 dia nisy fihaonambe maneran-tany iray izay natao ho an’ ny filohan’ ny misiôna, ary nentina taty Salt Lake City ny filohan’ ny misiôna rehetra mba hanatrika ireo fivoriana ireo. Tonga taty Salt Lake City aho avy any Toronto, Canada, izay misiôna nisy ahy.

Nandritra ny fivoriana iray, i N. Eldon Tanner, izay Mpanampy ny Kôlejin’ ny Roambinifololahy tamin’ izany, dia vao avy niverina tamin’ ny traikefa voalohany niahiany ireo misiôna Britanika sy Eorôpa andrefana. Nitantara momba ny misiônera iray izay misiônera nahita fahombiazana indrindra tamin’ ireo rehetra izay nataony tafa sy dinika izy. Nilaza izy fa rehefa nanao tafa sy dinika an’ io misiônera io, dia nilaza taminy hoe: “Ataoko angamba fa anaran’ olona avy amin’ ny mpikambana daholo ireo olona izay nataonao batisa tonga ato am-piangonana e?”

Namaly ilay tovolahy hoe: “Tsia, tamin’ ny alalan’ ny fikarohanay manokana no nahitanay azy rehetra.”

Nanontanian-dRahalahy Tanner taminy izay zavatra nampiavaka ny fomba fiasany—nahoana no nahita fahombiazana mahatalanjona toy izany izy nefa ireo hafa tsy mahita fahombiazana. Nilaza ilay zatovolahy fa niezaka nanandrana nanao batisa ny olona tsirairay izay nihaona taminy izy. Nolazainy fa raha mandondona varavarana izy ka nahita lehilahy iray nifoka sigara sy nitafy akanjo tonta ary toa tsy liana amin’ ny na inona na inona—indrindra fa ny fivavahana—dia alain’ ilay misiônera sary ao an-tsaina izany lehilahy izany amin’ ny lafi-toe-javatra hafa. Jereny ao an-tsainy izany lehilahy izany miaratra tsara, manao akanjo fotsy sy pataloha fotsy. Ary azon’ ilay misiônera sary an-tsaina ny tenany mitarika izany lehilahy izany ho ao amin’ ny ranon’ ny batisa. Hoy izy: “Rehefa toy izany no fomba hijereko ny olona iray dia manana hery aho hizarana ny fijoroako ho vavolombelona aminy amin’ ny fomba izay hahakitika ny fony.”

Manana andraikitra isika hijery amin’ io fomba io ireo namantsika, sy mpiara-miasa amintsika ary mpiara-monina amintsika. Averiko indray, andraikitsika ny manana fomba fijery mifantoka amin’ ny olona tsirairay tsy amin’ ny maha-izy azy ankehitriny fa kosa amin’ ny mety ho zava-bitany amin’ ny hoavy. Miangavy anareo aho mba ho amin’ io fomba io no handrasanareo azy ireo.

Ry rahalahy, nilaza zavatra ny Tompo mikasika ny maha-manan-danja ity fisoronana hazonintsika ity. Nolazainy tamintsika fa mandray izany isika niaraka tamin’ ny fianianana sy fanekempihavanana. Nanome torolalana ho antsika Izy fa tokony ho mahatoky sy marina isika amin’ ireo zavatra rehetra raisintsika, ary manana andraikitra hitandrina ity fanekempihavavana ity hatramin’ ny farany. Ary amin’ izany dia homena antsika izay rehetra ananan’ ny Ray.2

Ny herim-po no teny ilaintsika ho re sy hazonina ao am-po—herim-po hitodi-damosina amin’ ireo fakam-panahy, herim-po hanandratra ny feontsika hijoro ho vavolombelona amin’ ireo izay rehetra mihaona amintsika, ary mahatsiaro fa tokony hanana fahafahana handre ilay hafatra ny olon-drehetra. Tsy mora ho an’ ny ankamaroantsika ny manao izany, kanefa afaka mino ny tenin’ i Paoly ho an’ i Timoty isika:

“Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.

“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika.”3

Niaraka tamin’ ny Rahalahy John H. Groberg tany amin’ ny nosikely Tonga aho ny volana Mey 1974. Nihaona tamin’ ny mpanjakan’ i Tonga izahay ary tamin’ ny fihaonana manana endriny ôfisialy no nihaonanay taminy. Nifampizara ireo zavatra mahafinaritra izahay. Na izany aza, talohan’ ny niainganay dia nilaza zavatra tsy dia mahazatra loatra i John Groberg. Hoy izy: “Ry Mpanjaka, tena tokony ho tonga Môrmôna ianao sy ny vahoakanao, amin’ izay dia ho voavaha ireo olanao sy ny olana atrehin’ izy ireo.”

Nitsiky ilay mpanjaka ary namaly hoe: “Mety ho marina ny voalazanao ry John Groberg.”

Azoko an-tsaina ny Apôstôly Paoly nanoloana an’ i Agripa. Toa reko ny valintenin’ i Agripa tamin’ ny fijoroana ho vavolombelon’ i Paoly hoe: “Ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.”4 Nanana herim-po hizara ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ ny mpanjaka iray ny Rahalahy Groberg.

An’ arivony maro ny eo anivontsika anio hariva no misiôneran’ ny Tompo manompo amin’ ny fotoana feno. Nandao ny tokantranony, ny fianakaviany, ny namany ary ny fianarany izy ireo, mba hamaliana ilay antso, ary nandeha nanompo. Ireo izay tsy mahatakatra izany dia manontany hoe: “Nahoana no manaiky ny antso amim-pahazotoana sy vonona ny hanolotra be an-tsitrapo toy izany izy ireny?”

Afaka mamaly izy ireo, araka ny tenin’ i Paoly, ilay misiônera lehibe tamin’ ny andro fahiny, manao hoe: “Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!”5

Ny soratra masina dia ahitana ny fanambarana manan-danja indrindra, ny andraikitra manan-kery indrindra, ary ny didy mazava indrindra izay nomen’ ny Tompo efa nitsangana tamin’ ny maty tamin’ izy niseho tamin’ ireo Galiliana mpianany iraika ambin’ ny folo. Hoy izy:

“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.

“koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina:

“sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.”6

Izany didy masina izany, miaraka amin’ ny fampanantenana be voninahitra, no teny filamatra ho antsika ankehitriny, toy ny tamin’ ny mitataovovonan’ ny fotoana ihany koa. Ampahany fototra amin’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ny asa fitoriana ny filazantsara. Efa toy izany hatrany ary mbola ho izany hatrany. Araka ny nambaran’ ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Rehefa nodinihana ny zavatra rehetra izay voalaza, dia ny mitory ny filazantsara no andraikitra lehibe sy manan-danja indrindra.”7

Ao anatin’ ny roa taona dia hamarana ny asany amin’ ny fotoana feno ary hody any an-tokantranony sy eo anivon’ ireo tiany ireo misiônera amin’ ny fotoana feno rehetra izay manompo ato amin’ ny tafika masin’ Andriamanitra. Eto anivon’ ireo Fisoronana Aharôna an’ ny Fiangonana ny solon’ izy ireo anio hariva. Ry zatovolahy, moa ve vonona ianareo? Moa ve vonona hiasa ianareo? Moa ve vonona hanompo ianareo?

Nazavain’ ny Filoha John Taylor toy izao izany fangatahana izany: “Ny karazan-dehilahy tianay ho mpizara ity hafatry ny filazantsara ity dia lehilahy izay manam-pinoana an’ Andriamanitra. Lehilahy izay manam-pinoana amin’ ny fivavahany. Lehilahy izay manaja ny fisoronany; … lehilahy heniky ny Fanahy Masina sy ny herin’ Andriamanitra … lehilahy manan-kaja, marin-toetra, masina ary madio.”8

Ry rahalahy, nodidiana hizara ny filazantsaran’ i Kristy isika tsirairay avy. Tsy hiteny velively ny fitarainana manao hoe: “Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika”9 ireo izay manodidina antsika raha toa ka miaina mifanaraka amin’ ny fenitra atolotr’ Andriamanitra isika.

Nanome toky antsika ilay Mpiandry Ondry marin’ ny fanahy, ilay misiônera izay nanavotra ny zanak’ olombelona:

“Ary raha toa aza ka miasa amin’ ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko!

“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko, akory ny ho halehiben’ ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!”10

Momba Ilay niteny izany teny izany no hanambarako ny fijoroako ho vavolombelona manokana. Zanak’ Andriamanitra, sy Mpanavotra ary Mpamonjy antsika Izy.

Mivavaka aho mba hananantsika herim-po ho tonga naman’ ireo hafa, mba hananantsika fahasahiana hanandrana hatrany, ary hanana ilay fanetren-tena ilaina hikatsahana fitarihana avy amin’ ny Ray eo am-panatanterahantsika ny didy ny hitory ny filazantsara. Eto am-pelantanantsika ny andraikitra ry rahalahy. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar referencias

  1.  

    1. Ao amin’ ny Bill Sands, The Seventh Step (1967), 9.

  2.  

    2. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–39.

  3.  

    3.  2 Timoty 1:7–8.

  4.  

    4.  Asan’ ny Apôstôly 26:28.

  5.  

    5.  1 Korintiana 9:16.

  6.  

    6.  Matio 28:18–20.

  7.  

    7.  Enseignements des Présidents de l’ Église: Joseph Smith (2007), 330.

  8.  

    8.  Enseignements des Présidents de l’ Église: John Taylor(2001), 73.

  9.  

    9.  Jeremia 8:20.

  10.  

    10.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16.