2010–2019
Fenitry ny Tempoly
Oktobra 2012


Fenitry ny Tempoly

Ireo fenitra avo dia avo arahin’ ity Fiangonana ity mikasika ny fanorenana tempoly dia ohatra, ary tena tandindona mihitsy aza, ho an’ ny fomba tokony hitondrantsika ny fiainantsika manokana.

Raha nitsidika ny Tempoly tsara tarehin’ i Brigham City Utah aho vao tsy ela izay, dia nahatsiaro ny zavatra iray izay niainako raha niandraikitra ny fandrindrana ny varavarana misokatra sy ny famerenana ny fanokanana ary ny lanonana ara-kolotsaina tany amin’ ilay Tempoly manan-tantaran’ i Laie Hawaii.

Volana vitsivitsy mialohan’ ny fahavitan’ ilay asa fanarenana goavana dia nasaina aho hiaraka hitsidika an’ ilay tempoly niaraka tamin’ ny Loholona William R. Walker, Tale Mpanatanteraka ao amin’ ny Departemantan’ ny Tempoly, sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ ny Departemantan’ ny Tempoly. Ankoatr’ izay dia nanatrika teo koa ny mpikambana samihafa tao amin’ ilay orinasa mpanao ny asa fanarenana. Anisan’ ny tanjona tamin’ ilay fitsidihana ny hijery ny fivoaran’ ny asa vita sy ny hatsarany. Tamin’ ny fotoana nanaovana io fitsidihana io dia teo amin’ ny 85 isan-jato teo ny fahavitan’ ny asa.

Rehefa niroso nitety ny tao anatin’ ny Tempoly izahay dia nandinika sy nihaino ny Loholona Walker sy ireo mpiara-miasa taminy aho teo am-pandinihan’ izy ireo ny asa sy teo am-piresahan’ izy ireo tamin’ ilay tompon’ andraikitr’ ilay orinasa. Nisy fotoana nahatazanako lehilahy iray nisafo ireo rindrina tamin’ ny tanana isaky ny nifindra efitra izahay. Fotoana fohy aorian’ ny fanaovany izany dia ampifampikasohany ny rantsantanany ary dia miteny amin’ ilay tompon’ andraikitr’ ilay orinasa izy hoe: “Mahatsapa marokoroko aho eto amin’ ity rindrina ity. Tsy mifanaraka amin’ ny fenitry ny tempoly ny marokoroko. Mila mamerina mandalotra io rindrina io ianareo mba hampalama azy tsara.” Noraisin’ ilay tompon’ andraikitra an-tsoratra tsara ny fanamarihana tsirairay.

Rehefa nanatona ny faritra iray tao amin’ ilay tempoly izahay, faritra izay tsy ho hitan’ ny mason’ ny olona firy, dia najanon’ iny olona iny ihany izahay ary nosarihany ny sainay hifantoka amin’ ny varavarankely iray tsara tarehy vao napetaka, izay vita amin’ ny fitaratra misy firaka. Teo amin’ ny 60 santimetatra teo ny sakan’ ilay varavarankely ary teo amin’ ny iray metatra sy valopolo teo ny halavany, ary nahitana nisy endrika jeometrika kely vita tamin’ ny fitaratra miloko teo aminy. Nanondro efajoro kely iray mirefy 5 santimetatra izy, izay fitaratra miloko anisan’ ny endrika tsotra, ary dia nilaza hoe “Mitongilana ity efajoro ity.” Nojereko ilay efajoro ary amiko dia nahitsy tsara ny nametahana azy. Kanefa rehefa nandinika akaikikaiky kokoa aho sady nampiasa fitaovana handrefesana dia nahita fa nisy tsy nety, ary tena nitongilana teo amin’ ny 3 milimetatra teo io efajoro kely io. Nomena torolalana avy teo ilay tompon’ andraikitra fa ilaina ny manolo io varavarankely io satria tsy manaraka ny fenitry ny tempoly.

Miaiky aho fa nanaitra ahy ny ilana ny fanoloana varavarankely iray manontolo noho ny tsy fetezana kely izay zara fa tsikaritra. Azo antoka fa tsy hisy na iza na iza hahafantatra na hahatsikaritra an’ io varavarankely io noho izy teo amin’ ny faritra iray ao amin’ ny tempoly izay tsy dia hitan’ ny olona loatra.

Raha nandeha fiara nody avy tany amin’ ny tempoly aho tamin’ io andro io dia nandinika ny zavatra izay nianarako avy tamin’ io zavatra niainako io—na, ny marimarina kokoa, ny zavatra izay noheveriko fa nianarako. Efa herinandro maromaro taty aoriana, raha nasaina nitsidika ilay tempoly izay efa vita aho, vao lasa nazava kokoa ny fahatakarako ny zavatra niainako tamin’ ilay fitsidihana teo aloha.

Rehefa niditra ilay Tempolin’ i Laie Hawaii izay vao navaozina tanteraka aho dia talanjona noho ny hatsarany sy ny kalitaon’ ny zava-bita. Takatrareo tsara ny fahalianako hahita ireo rindrina izay nisy “marokoroko” sy ilay varavarankely izay nisy “tsy nety.” Naverin’ ilay orinasa nolalorina ho malama tsara ve ireo rindrina? Moa ve tena nosoloina tokoa ilay varavarankely? Rehefa nanatona ireo rindrina izay nisy narokoroko aho dia taitra raha nahita fa nisy temotra tsara tarehy izao nandrakotra ireo rindrina rehetra. Ny tonga tato an-tsaiko voalohany dia hoe “Izao izany no fomba namahan’ ilay orinasa an’ ilay olana hoe misy marokoroko—norakofany ilay izy.” Saingy tsy izay, nampahafantarina ahy fa efa tao anatin’ ny drafitra hatrany am-piandohana ny hoe handrakofana temotra an’ ireo rindrina ireo. Nanontany tena aho hoe fa nahoana no dia noraisina ho zava-dehibe ny marokoroko kely izay zara fa tsapa raha toa ka efa tsy maintsy ho rakofana temotra ihany izany. Avy teo dia tsy andriko izay hanatonana an’ ilay faritra nisy an’ ilay varavarankely nisy tsy fetezana ary taitra aho raha nahita zavamaniry tao anaty tavimboninkazo avo hatreny amin’ ny tampon’ ny efitrano, izay napetraka teo anoloan’ ilay varavarankely mihitsy. Nieritreritra indray aho hoe: “Izao izany no fomba namahan’ ilay orinasa ilay olana tamin’ ilay efajoro kely nitongilana—nafeniny ilay izy.” Rehefa nanatona kokoa aho dia nakisako ireo ravin’ ilay zavamaniry ary nitsiky aho raha nahita fa tena nosoloina tokoa ilay varavarankely. Ankehitriny dia nipetaka tsara ary nahitsy tsara teo amin’ ilay rafitra manontolo ilay efajoro kely izay nitongilana teo aloha teo. Nampahafantarina ahy fa efa tao anatin’ ny drafitra hatrany am-boalohany ny hisian’ ny zavamaniry iray eo anoloan’ io varavarankely io.

Fa nahoana no nilana asa fanampiny na fanoloana mihitsy aza ny marokoroko kely sy ny varavarankely iray izay misy tailana kely kanefa tsy hisy tanan’ olona na mason’ olona hahita na hahatsapa izany akory. Nahoana ny mpanatanteraka asa iray no notakiana hanaraka fenitra avo lenta toy izany?

Rehefa nivoaka ny tempoly aho sady lasa saina, dia nahita ny valiny notadiaviko raha nitraka nijery ny endrika ivelany izay nasiam-panavaozana ary nahita ireto teny ireto, “Fahamasinana ho an’ ny Tompo, ny Tranon’ ny Tompo.”

Tena araka io voalaza io mihitsy ireo tempolin’ ity Fiangonana ity. Ireny trano masina ireny dia naorina mba ho ampiasaintsika, ary ao anatin’ ny rindrin’ izy ireny no hanatanterahana ôrdônansy masina sy mitondra famonjena. Fa tsy tokony hisy fisalasalana raha ny mikasika ny hoe tranon’ iza marina moa io trano io. Ny fitakiantsika fenitra mazava tsara mikasika ny fanorenana trano hatrany amin’ ny pitsopitsony kely indrindra dia tsy hoe hanehoantsika fotsiny ny fitiavantsika sy ny fanajantsika an’ i Jesoa Kristy Tompo, fa hanaporofointsika amin’ ny mpitazana rehetra ihany koa fa hajaintsika sy deraintsika koa Izy izay tompon’ ilay trano.

Ao amin’ ilay fanambarana nomena an’ i Joseph Smith mikasika ny tokony hanorenana tempoly ao Nauvoo dia nanome torolalana ny Tompo hoe:

“Avia ianareo, miaraka amin’ ny volamenanareo rehetra sy ny volafotsinareo, ary ny vatosoanareo sy ny rakitry ny ela rehetra anareo; ary miaraka amin’ ireo rehetra izay manana fahalalana momba ny rakitry ny ela, … ary mitondra … ny hazo sarobidy rehetra eto an-tany;

“… Ary manorena trano ho an’ ny anarako mba hitoeran’ ny Avo Indrindra.”1

Izany dia manaraka lamina iray izay napetrak’ i Solomona Mpanjaka ao amin’ ny Testamenta Taloha raha nanorina tempoly ho an’ ny Tompo izy ka tsy nampiasa afa-tsy izay akora sy taozavatra faran’ izay tsara indrindra.2 Amin’ izao andro izao dia manohy manaraka izany lamina izany isika, miaraka amin’ ny fitandremana araka izay mety, rehefa manorina ireo tempolin’ ny Fiangonana.

Nianatra aho fa na dia mety tsy hisy mason’ olombelona sy tànan’ olombelona hahita na hahatsapa mihitsy aza ny tsy fetezana kely iray, dia fantatry ny Tompo hoe hatraiza ny habetsaky ny ezaka nataontsika sy ny hoe nanao izay tsara indrindra azontsika natao ve isika sa tsia. Marina koa izany raha mikasika ny ezaka ataon’ ny tenantsika manokana hananana fiainana mendrika ireo fitahiana entin’ ny tempoly. Nanoro hevitra ny Tompo hoe:

“Ary raha toa ka manorina trano ho Ahy amin’ ny anaran’ ny Tompo ny oloko ary tsy mamela zavatra tsy madio hiditra izany mba tsy haloto izany, dia hitoetra amin’ izany ny voninahitro;

“Eny, hanatrika ao Aho satria hiditra ao Aho, ary ny madio am-po rehetra izay hiditra ao dia hahita an’ Andriamanitra.

“Fa raha maloto izany, dia tsy hiditra ao Aho ary tsy ho ao ny voninahitro; fa tsy hiditra ao amin’ ny tempoly tsy madio Aho.”3

Toy ilay mpanorina trano, rehefa mahafantatra zavatra izay tsy mifanaraka amin’ ny fampianaran’ ny Tompo isika eo amin’ ny fiainantsika manokana, rehefa latsa-danja noho izay tratry ny herintsika ny ezaka vitantsika, dia tokony hanao faingana izay hanitsiana izay zavatra tsy mety rehetra isika, ka miaiky fa tsy afaka manafina ny fahotantsika amin’ ny Tompo isika. Mila mahatsiaro isika fa “rehefa miezaka ny hanafina ny fahotantsika isika, … dia indro, misintona ny lanitra; [ary] malahelo ny Fanahin’ ny Tompo.”4

Nianatra koa aho fa ireo fenitra avo dia avo arahin’ ity Fiangonana ity mikasika ny fanorenana tempoly dia ohatra, ary tena tandindona mihitsy aza, ho an’ ny fomba tokony hitondrantsika ny fiainantsika manokana. Azontsika ampiharina amin’ ny tenantsika manokana ireo fampianaran’ ny Apôstôly Paoly izay nomena ho an’ ny Fiangonana fahiny raha nilaza izy hoe:

“Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?

“Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimban’ Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’ Andriamanitra, dia hianareo izany.”5

Isika tsirairay avy dia vita avy amin’ ny akora faran’ izay tsara indrindra, ary dia isika izao no vokatry ny asa-tanan’ Andriamanitra izay mahatalanjona. Saingy rehefa mandingana ny taona maha-tompon’ andraikitra isika ary miditra eo amin’ ny sehatra hiadian’ ny fahotana sy ny fakam-panahy, dia lasa mety mila fanavaozana sy asa fanarenana ny tempolintsika manokana. Angamba mety misy rindrina marokoroko ao anatintsika ao izay tokony ho lalorina, na varavarankely ao amin’ ny fanahintsika izay tokony ho soloina mba hahafahantsika mitoetra amin’ ny toerana masina. Soa ihany fa ny fenitry ny tempoly izay takiana mba ho arahintsika dia tsy ny fahatanterahana, na dia mikatsaka ny hahatratra izany aza isika, fa ny hitandremantsika kosa ireo didy sy ny hiezahantsika araka izay tratrantsika ny hiaina toy ny mpianatr’ i Jesoa Kristy. Ny vavaka ataoko dia ny hiezahantsika rehetra hanana fiainana mendrika ireo fitahiana entin’ ny tempoly, amin’ ny alalan’ ny fanaovana izay tsara indrindra vitantsika, sy ny fanaovana izay fanatsarana rehetra ilaina ary ny fanesorana izay tsy mety sy tsy fahatanterahana mba hahafahan’ ny Fanahin’ Andriamanitra hitoetra mandrakariva ao amintsika. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.