2010–2019
Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotana ny Maty
Oktobra 2012


Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotana ny Maty

“Ary hamboleny ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin’ny ray, ary hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka.”

Nanambara fotopampianarana ambony dia ambony mikasika ny ôrdônansy masin’ny batisa tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Tonga izany fanambarana izany tamin’ny fotoana nampianaran’ireo fiangonana Kristianina hafa fa ny toe-panahinao amin’ny fotoana ahafatesanao no mamaritra tanteraka sy mandrakizay izay hiafaran’ny fanahy. Nampianatra izy ireo fa izay vita batisa dia hahazo fifaliana mandrakizay ary ireo hafa rehetra kosa dia hiaina fijaliana mandrakizay ka tsy hanana fanantenana ny hahazo fanavotana.

Ilay fanambaran’ny Tompo hoe ny batisa dia azo tanterahana amin’ny alalan’ny fisoloana tena ny maty, amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mifanaraka amin’izany, dia niaro ny fahamarinan’ilay fanambarany manao hoe: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.”1 Ny batisa isoloana tena dia afaka manome amim-pamindram-po izany ôrdônansy tena ilaina izany ho an’ireo olona mendrika efa maty izay tsy nahazo izany nandritra ny fiainana tety an-tany.

Vavolombelona iray hafa mikasika ny maha-tonga lafatra sy tsy manam-petra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany fotopampianarana lehibe izany. Nanao izay ahafahan’ny olona mibebaka rehetra hahazo famonjena Izy. Nandresy ny fahafatesana ny Sorompanavotany ary nataony izay ahafahan’ireo olona mendrika efa nodimandry mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena amin’ny alalan’ny fisoloana tena azy ireo.

Tao anatin’ny taratasy iray izay nosoratana efa maherin’ny 150 taona lasa izay no nilazan’i Joseph Smith hoe: “Ireo Olomasina dia manana tombontsoa hatao batisa ho an’ireo … havany efa maty … izay nandray ny Filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy … tamin’ny alalan’ireo … izay nirahina mba hitory any amin’izy ireo.”2 Nanampy izy taty aoriana hoe: “Ireo olomasina izay tsy miraharaha ny hanao izany ho an’ireo havany efa maty dia mampidi-doza ny famonjena ny tenany manokana.”3

Nomen’ny mpampinany Elia an’i Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ireo fanalahidin’ny fanaovana asa isoloana tena4 mba hanatanterahana ny fampanantenan’ny Tompo hoe: “Ary hamboleny ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin’ny ray, ary hitodika amin’ny rai ny ny fon’ny zanaka.”5

Tamin’ny alalan’ny fanambarana fanampiny nomena an’i Joseph Smith sy ireo mpaminany taty aoriana dia lasa nisy ny fahatakarana sy ny fanaovana ny asa any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izay manohana izany. Nanantitrantitra ny ilana haingana ny hanaovana ireo ôrdônansy ho an’ny tenantsika sy ho an’ireo razambentsika ny mpaminany rehetra nanomboka tamin’i Joseph Smith.

Asa iray mizara roa ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana. Mifandray izy roa ireo tahaka ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Mety tsy afaka hanao ireo asa roa ireo ny mpikambana sasany noho ny olana ara-pahasalamana na ny halaviran’ny tempoly.

Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter hoe:

“Tsy maintsy tanterahantsika ny asa fanaovana ôrdônansin’ny fisoronana any amin’ny tempoly izay ilaina ho an’ny fisandratan’ny tenantsika; avy eo dia tsy maintsy ataontsika izay asa ilaina ho an’ireo izay tsy nanana fahafahana hanaiky izany teto an-tany. Misy dingana roa ny fomba fanaovana asa ho an’ny hafa: voalohany, amin’ny alalan’ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana mba hahafantarana hoe iza ireo razambentsika, ary faharoa, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly mba hanomezana azy ireo ilay tombontsoa mitovy amin’izay nomena ny velona.

“Kanefa maro amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no voafetra ny fahafahany mankany amin’ny tempoly. Manao izay vitany izy ireo. Manao fikarohana mikasika ny tantaram-pianakaviana izy ireo ary mangataka olona hafa hanao ny ôrdônansin’ny tempoly. Etsy ankilany kosa, misy mpikambana sasany izay manao ny asa any amin’ny tempoly saingy tsy mahavita manao fikarohana mikasika ny tantaram-pianakaviana miompana amin’ny razambeny manokana. Na dia manao asa fanompoana masina aza izy ireo eo amin’ny fanampiana ny hafa dia manary fitahiana noho ny tsy fikarohany ireo havany nodimandry araka ny torolalana masina nomena tamin’ny alalan’ireo mpaminanin’ny andro farany.…

“… Nianatra aho fa ireo izay mirotsaka amin’ny fanaovana fikarohana mikasika ny tantaram-pianakaviana ary avy eo manatanteraka ny fanaovana ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo olona izay hitan’izy ireo ny anarany dia hahazo fifaliana fanampiny amin’ny fahazoana ny ampahany roa amin’ilay fitahiana.”6

Tian’ny Ray any an-danitra isika handray ny ampahany roa amin’ilay fitahiana azo avy amin’izany asa isoloana tena izay manan-danja izany. Nitarika ny hafa Izy mba hampiseho antsika hoe ahoana no ahafahana mahazo izany. Miankina aminao sy amiko ny fakana ireo fitahiana ireo.

Ho fotoana nolaniana tamin’ny zavatra tsara ny fanaovanao asa any amin’ny tempoly na inona izany na inona, fa ny fanaovanao ôrdônansy isoloanao tena ny iray amin’ireo razambenao dia hahatonga ny fotoana lany any amin’ny tempoly ho masina kokoa, ary vao mainka ho lehibe kokoa aza ireo fitahiana ho azo. Nanambara ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny mitady sy mamantatra ireo razamben-tsika manokana no adidy faran’izay lehibe tsy maintsy ataontsika.”7

Moa ve ianareo tanora maniry ny hanana fomba azo antoka hamongorana ny fitarihan’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo? Mirotsaha lalina amin’ny fikarohana ireo razambenareo, omano ny anarany hanaovana ireo ôrdônansy masina isoloana tena any amin’ny tempoly ary avy eo mandehana any amin’ny tempoly mba hijoro eo amin’ny toerany sy hisolo tena azy ireo handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Rehefa mihalehibe ianareo dia ho afaka ny handray anjara amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy hafa koa. Tsy mahita fiarovana lehibe kokoa hafa noho izany aho eo anatrehan’ny fitarihan’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo.

Tany amin’ny Misionan’i Rosia Rostov-na-Donu, dia nahazo fanasana ireo zatovo mba hirakitra anarana miisa 2.000 ary hanomana farafahakeliny anarana iray avy amin’ny fianakaviany manokana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Nahazo fanasana handeha hanao dia lavitra nankany amin’ny Tempolin’i Kiev Ukraine izay vao naorina ireo izay nahatanteraka an’io tanjona io. Nizara ny zavatra niainany ny zatovolahy iray: “Nandany fotoana maro nilalaovana jeu vidéo aho. Tsy nanana fotoana nilalaovana intsony aho rehefa nanomboka nirakitra anarana. Nieritreritra aho tamin’ny voalohany hoe: ‘Andray! Nahoana aho no tsy afaka hilalao mihitsy!’ Rehefa tapitra ilay fandaharan’asa dia very hatramin’ilay fahalianako hilalao aza… . Zavatra azontsika atao eto an-tany ny fanaovana tetiarana ary hitoetra any an-danitra izany.”

Olomasina mahatoky maro no manao asa fikarohana mikasika ny razambeny ary mampiasa ilay fomba ahafahana mamandrika anarana ao amin’ny FamilySearch mba ho ireo olona ao amin’ny fianakaviany ihany no hisolo tena hanatanteraka ireo ôrdônansy. Ny fanapahan-kevitra hoe hamandrika anarana dia hanomezana fotoana ampy nefa tsy lava loatra mba hahafahan’ny olona tsirairay manatanteraka ôrdônansy ho an’ny razambeny sy izay olona misy rohim-pihavanana akaiky aminy. Misy anarana 12 tapitrisa ankehitriny ary ôrdônansy an-tapitrisany mifanaraka amin’izany izay nofandrihana. Anarana maro no efa voafandrika nandritra ny taona maro. Tsy isalasalana fa efa tsindrindaona ireo razambe izay efa hita ary mientanentana rehefa nahazoana lalana ny ahafahana manatanteraka ireo ôrdônansy ho an’ny anarany. Kanefa mety tsy ho tena faly izy ireo rehefa voatery manohy miandry ny fotoana hanatanterahana ireo ôrdônansiny.

Mamporisika anareo izay manana anarana maro dia maro efa nanaovana famandrihana izahay mba hizara azy ireny mba hahafahan’ireo olona izay fianakavianareo lavitra na ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy tsatòka manampy anareo hamita ilay asa. Azonareo atao izany amin’ny alalan’ny fizarana ireo karatry ny tempoly misy ny anaran’ireo izay nodimandry amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy tsatòka izay vonona ny hanampy, na koa amin’ny alalan’ny fampiasana ilay rafitra ho an’ny solosaina hoe FamilySearch mba handefasana mivantana ireo anarana any amin’ny tempoly. Io safidy farany io dia zavatra iray efa fanaon’i Cindy Blevins avy any Casper, Wyoming nandritra ny taona maro.

Natao batisa fony izy mbola zatovo Rahavavy Blevins ary izy irery no hany olona tao amin’ny fianakaviany lasa mpikamban’ny Fiangonana. Nahavita asa tetiarana goavana izy. Saingy be loatra ireo anarana tokony ho sahanina raha ho azy sy ny fianakaviany mivantana. Noho izany dia nandefa ireo anarana ireo tany amin’ny tempoly Rahavavy Blevins, izay lazainy fa matetika vita ao anatin’ny herinandro vitsivitsy ary raha ny mahazatra dia ataon’ny any amin’ny iray amin’ireo tempoly roa izay akaiky indrindra avy eo amin’ny tranony izany. Nilaza izy fa tiany ny mieritreritra hoe mety anisan’ireo izay manampy amin’ny famitana ilay asa ho an’ny razambeny ny namany sy ny mpifanolobodirindrina aminy ao amin’ny paroasiny sy ny tsatòkany. Mankasitraka ny fanaovan’izy ireo izany izy.

Tian’i Jeanene vady malalako ny manao fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana. Fony mbola kely ny zanakay dia mandrindra fotoana izy mba hitaizany ny zanaky ny namany ary avy eo mba hitaizan’ny namany ny zanany mba hahafahany manana ora vitsy ao anatin’ny herinandro vitsivitsy manao fikarohana mikasika ny razambenay. Taorian’ny nandaozan’ilay zanakay farany ny tokantranonay dia nirakitra an’izao tao anatin’ny diariny i Jeanene: “Vao avy nandray fanapahan-kevitra iray aho ary te hitsangana sy hikiakiaka mafy momba izany. Lasa efitrano fanaovako tetiarana ny efitrano fatorian’i Mike teo aloha. Hary fitaovana ao anatin’izany sady ahafahana mandamina ireo firaketana no azo hiasana. Ankehitriny ny fiainako dia hifantoka amin’ny fanaovana fikarohana manan-danja momba ny fianakaviana sy ny fandefasana anarana any amin’ny tempoly. Tena faly aho ary tsy andriko izay hanombohana izany.”8

Toy izao indray ny zavatra iray hafa voasoratra tao anatin’izany diary izany: “Niseho tamiko ny fahagagana tao amin’ny birao misahana ny Tantaram-pianakaviana hiasan’i Mel Olsen izay nampiseho ahy tamin’ny taratasy vita printy ny firafitry ny tetiarako rehetra izay fantatra ary nalaina avy tamin’ ireo firaketana amin’ny alalan’ny solosaina ao amin’ny Ancestral File (firaketana ireo razambe) izay vao navaozina ary nalefa tany amin’ny vondrona mpanao asa tetiarana. Ny ankamaroan’izy ireo dia avy amin’ny firaketana naterak’ilay fandaharan’asan’ny Fiangonana nampiasaina nandritra ny taona maro izay namporisihana ireo mpikambana hanangona ny tantaran’ny fianakaviany ahitana taranaka efatra nifamdimby amin’ny razambeny. Sahiran-tsaina aho rehefa nieritreritra ilay asa lehibe izay niandry ahy, dia ny hanangona ireo firaketana rehetra mikasika ny fikarohana nataoko momba ny razambeko avy amin’ireo fikambanan’ny fianakaviana mba hampidirana azy rehetra ao amin’ny solosaina ka ho tafiditra ao anatin’ilay fanapariahana voalohany an’ny Ancestral File azo ampiasaina amin’ny solosaina. Ary indreo izy ireo, mahafinaritra, voalamina sy natao printy tamin’ny laser ary nipetraka teo amin’ilay latabatra teo anoloako. Tena faly sady sahiran-tsaina aho ka dia nipetraka fotsiny teo, talanjona, ary nanomboka nitomany satria faly loatra. … Ho an’ny olona iray izay nanao fikarohana tsy tapaka ary nifofotra nandritra ny telopolo taona dia tena mahafaly ny fampidirana ao amin’ny solosaina ireo firaketana ireo. Tena faly aho rehefa mieritreritra an’ireo olona an-tapitrisany izay ankehitriny na atsy ho atsy hampiditra ao amin’ny solosaina ireo firaketana matevina dia matevina azo tamin’ireo fanisam-bahoaka sy avy amin’ireo firaketana amin’ny kapila nataon’ny fikambanana tsy miankina. Tena asan’ny Tompo ity ary izy no mitantana izany.”9

Efa nahita tsara ny vokatr’ity asa tena lehibe ity aho ka fantatro fa ireo fanalahidy izay nomen’i Elia an’i Joseph Smith dia manome fahafahana ny fontsika ho voafatotra ary ahafahantsika tsirairay ho voafatotra amin’ireo razambentsika izay miandry ny fanampiantsika. Handray ireo ôrdônansin’ny famonjena izay ahafahan’izy ireo hahazo fifaliana mandrakizay ny razambentsika amin’ny alalan’ireo ezaka ataontsika any amin’ny tempoly eto an-tany, amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fahefana nomen’ny Mpamonjy.

Taloha ireo olona izay nentanin’ny faharesen-dahatra lalina mikasika ny fahamasinan’ity asa ity dia niatrika tamim-pahatokiana ilay fanamby, izay toy ireny hoe ny tenany samirery no tsy maintsy hijinja ny vokatra rehetra niakatra any Nebraska. Ankehitriny dia, fitaovana fijinjana maro no miasa. Afaka miaraka manatanteraka ary hiaraka hanatanteraka ilay asa takiana isika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa mikasika ny fon’ny maro amin’ireo zanaky ny Ray ny Fanahin’i Elia, izay mahatonga ny asa ho an’ny maty handeha haingana kokoa noho ny hatramin’izay.

Saingy ahoana ny aminao? Moa ve efa nivavaka momba ny asa ho an’ireo razambenao ianao? Avelao ireo zavatra izay tsy dia manan-danja loatra eo amin’ny fiainanao. Manapaha hevitra hanao zavatra izay hisy vokany mandrakizay. Angamba efa nahazo bitsika ianao mba hanao fikarohana momba ireo razambenao saingy mahatsapa fa tsy mpahay tetiarana ianao. Hitanao ve izao fa tsy ilaina hoe mpahay tetiarana izany intsony ianao? Izany rehetra izany dia manomboka amin’ny fitiavana sy ny faniriana amin-kitsimpo hanampy ireo izay any ankoatry ny voaly izay tsy afaka manampy ny tenany. Manaova fikarohana etsy sy eroa. Hisy olona ao amin’ny faritra misy anao izay afaka manampy anao hahita fahombiazana.

Asa ara-panahy ity asa ity, asa goavana iarahan’ireo avy ao amin’ny lafiny roa amin’ny voaly manao, ka misy fanampiana omena avy amin’ireo faritra roa ireo. Afaka mitondra anjara biriky mafonja ianao na aiza na aiza misy anao eto an-tany rehefa miaraka amin’ny vavaka, ny finoana, ny fahavononana, ny fahavitrihana, ary ny fahafoizan-tena. Manomboha dieny izao. Mampanantena anao aho fa hanampy anao hahita lalana ny Tompo. Ary hitondra fahatsapana fifaliana ao aminao izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jaona 3:5.

  2. History of the Church, 4:231.

  3. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 471–72.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 .

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2; nampiana fanamafisana.

  6. Howard W. Hunter, “A Temple-Motivated People,” Liahona, Mey 1995, 5–6.

  7. Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 29 Feb. 2012; nampiana fanamafisana.

  8. Jeanene Watkins Scott, diary manokana, Apr. 1988.

  9. Jeanene Watkins Scott, diary manokana, Sept. 23, 1989.