2010–2019
Ny Fifaliana avy amin’ ny Fisoronana
Oktobra 2012


Ny Fifaliana avy amin’ ny Fisoronana

Ndeha isika handray sy hahatakatra ny fahagagana sy tombontsoa avy amin’ ny fisoronana. Ndeha isika hanaiky sy hitia ireo andraikitra izay hangatahina ho tanterahantsika.

Ny Fifaliana avy amin’ ny Fisidinana

Nanapa-kevitra izaho sy ny kapiteny roa mpanamory fiaramanidina, taona maro lasa izay, hanatanteraka ny nofinofinay fony zazalahy kely dia ny hamerina ny fiaramanidina simba efa antitra iray amin’ ny laoniny. Niara-nividy fiaramanidina Piper Cub tranainy iray, nivoaka tamin’ ny taona 1938 izahay, ary nanomboka niasa mba hamerenana izany tamin’ ny endriny tany am-piandohana. Asa miaro fitiavana ilay vinankasa. Nanana lanjany manokana ho ahy izany satria tamin’ ny fiaramanidina tahaka an’ io no nianarako nanamory fiaramanidina fony aho zatovolahy.

Naorina voalohany ity fiaramanidina ity 35 taona monja taorian’ ny nanaovan’ i Wright mirahalahy ilay sidina manan-daza voalohany. Mampahatsiaro ahy ho antitra be na ny mieritreritra an’ izany fotsiny aza.

Tsy nisy famelomana mandeha amin’ ny herinaratra ilay fitaovana ary rehefa mamelona ny maotera avy eny amin’ ny toeran’ ny mpanamory ianao dia misy olon-kafa ety ambany mihazona ilay “hélice” ary manodina izany mafy araka izay vitany mandrapihodin’ ilay maotera amin’ ny herin’ ny tenany ihany. Fotoana mampientanentana sy mitaky fahasahiana foana isaky ny famelomana ilay fitaovana.

Rehefa mahazo haavo indray ilay Piper Cub dia hita taratra mazava fa tsy natao ho haingam-pandeha izany. Raha ny marina dia toa ireny tsy mihetsika ireny izany raha sendra ny tafio-drivotra manohitra ny lalan-kizorany. Tsaroako ny fisidinana niarahako tamin’ ny zanako lahy kely, Guido, avy eny ambonin’ ny autobahn tany Alemana ary azoko antoka fa nisongona anay mora foana ireo fiarakodia tety ambany!

Kanefa tena tiako izany fiaramanidina kely izany! Izany no fomba tsara indrindra hiainana ny zava-mahatalanjona sy ny hatsaran’ izany hoe misidina izany. Afaka mandre, sy mahatsapa, sy manimbolo, sy manandrana ary mahita ny hoe ahoana izany misidina izany ianao. Nambaran-dry Wright mirahalahy araka izao izany: “Tsy misy [na inona na inona] azo oharina amin’ ny fifalian’ ireo mpanamory fiaramanidina rehefa entin’ ny rivotra amin’ ireo elatra fotsy lehibe izy ireo.”1

Tetsy andanin’ izany kosa dia nanana tombontsoa aho nitaingina fiaramanidina mpiady F-18 raitra iray niaraka tamin’ ireo ekipa mpanao fampisehoana sidina Blue Angels malaza eran-tany, avy ao amin’ ny Tafika an’ habakabak’ i Etazonia. Izany rehetra izany dia toy ireny hoe mitaingina fiaramanidina manaraka avy ety ambony ny fizotran’ ny fahatsiarovana ireny satria saika ho 50 taona katroka amin’ ity andro ity no nahavitako ny fiofanana mba ho tonga mpanamory an’ ady ao amin’ ny tafika an’ habakabaka.

Mazava ho azy fa samihafa tanteraka amin’ ny fisidinana amin’ ilay Piper Cub ny zavatra niainana tamin’ ilay F-18. Nampiseho ahy ny hakanton’ ny fisidinana amin’ ny fomba haingam-pandeha kokoa izany. Tahaka ny fampiharana ny lalàn’ ny haitohidrivotra amin’ ny fomba tonga lafatra kokoa izany. Na izany aza, nampahatsiahy ahy teo no ho eo koa ny fisidinana niaraka tamin’ ireo Blue Angels fa natao ho an’ ny tanora ny manamory fiaramanidina mpiady. Izao indray no voalazan-dry Wright mirahalahy: “Fa hafa noho ny zavatra hafa rehetra kosa, ny zavatra tsapa [amin’ ny fisidinana] dia fahatsapana fiadanana tonga lafatra, miaro fientanentanana izay faran’ ny mampihenjana ny hozaketsika tsirairay.”2 Ankoatr’ izany, maneho fomba iray hafa tanteraka amin’ ny fananana “anjely” manodidina anao sy manohana anao ny fisidinana miaraka amin’ ireo Blue Angels.

Raha manontany ahy ianareo hoe iza amin’ ireo fisidinana roa nataoko ireo no tiako kokoa dia tsy azoko antoka hoe afaka miteny aho. Raha ny endriny ivelany dia samy hafa be izy ireo, raha izay fotsiny no ambara. Amin’ ny endriny hafa kosa anefa dia misy itoviana tokoa izy ireo.

Samy nahatsapako ny fientanentanana, sy ny hatsarana ary ny fifaliana entin’ izany hoe misidina izany na ny Piper Cub na ny F-18. Takatro avy tamin’ ny fisidinako azy roroa ny tian’ ny mpahaitononkalo lazaina rehefa nanoratra izy hoe: “[misitaka] manalavitra ny fifandraisana mankahalan’ ny Tany ary [misidina] ny habakabaka amin’ ireo ela-bolafotsin’ ny fihomehezana.”3

Fisoronana Mitovy Na aiza Na aiza

Ankehitriny, mety hanontany tena ianareo hoe inona no ifandraisan’ ireo traikefam-pisidinana samihafa be roa ireo amin’ ny fivoriantsika androany na amin’ ny fisoronana izay hazonintsika na amin’ ny asa fanompoan’ ny fisoronana izay tiantsika rehetra?

Ry rahalahy, moa tsy marina ve fa samy hafa be daholo ny zavatra iainan’ ny tenantsika manokana eo amin’ ny asa fanompoana ato amin’ ny fisoronana? Afaka miteny isika hoe misidina amin’ ny fiaramanidina F-18 ny sasany aminareo, raha toa ka misidina amin’ ireo Piper Cubs kosa ny hafa. Mipetraka amin’ ny paroasy sy tsatòka ny sasany aminareo izay ahitana mpihazona ny fisoronana mazoto avokoa ny antso tsirairay, manomboka amin’ ny mpanampin’ ny lehiben’ ny vondron’ ny mpisorona avo ka hatrany amin’ ny mpitantsoratra ao amin’ ny kôlejin’ ny diakona. Tombontsoa ho anareo ny handray anjara ao amin’ ny fikambanana iray ao amin’ ny paroasy izay misy olona ampy hanompo.

Ny hafa kosa dia miaina any amin’ ny faritr’ izao tontolo izao izay tsy ahitana afa-tsy mpikamban’ ny Fiangonana sy mpihazona ny fisoronana vitsy dia vitsy. Mety hahatsapa ho irery ianareo sy itambesaran’ ny enta-mavesatra amin’ ireo zava-drehetra ilaina atao. Ho anareo dia mety hitaky fandraisan’ anjara mivantana be tokoa avy aminareo ny fampandehanana ilay milina mpampandeha ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana. Indraindray aza dia toa tsy mandroso mihitsy ny fahitana ny sampana na paroasinareo.

Na izany aza, na inona na inona andraikitra hazoninareo na toe-javatra iainanareo dia fantatsika fa misy fifaliana miavaka azo avy amin’ ny asa fanompoana feno fanoloran-tena ao amin’ ny fisoronana.

Tiako foana ny misidina amin’ ny fiaramanidina, na izany amin’ ny Piper Cub, na amin’ ny F-18, na amin’ ny fiaramanidina hafa. Rehefa misidina amin’ ny Piper Cub aho dia tsy mitaraina amin’ ny tsy fahampian’ ny hafainganam-pandeha. Rehefa amin’ ny F-18 aho dia tsy mikintokintoka na dia mampahafantatra ahy amin’ ny fomba tsy misy indra-fo ny fahamarinan’ ny fahanterako aza ny vokatr’ ireo fihetsika mihodinkodina.

Marina tokoa fa misy zavatra tsy tanteraka hatrany amin’ ny toe-javatra rehetra. Eny, mora tokoa ny mahita zavatra hitarainana hatrany.

Kanefa ry rahalahy, mpihazona ny Fisoronana Masina isika, araka ny Lamin’ ny Zanakalahin’ Andriamanitra! Samy nametrahan-tanana teo ambony lohantsika isika tsirairay ary nandray ny fisoronan’ Andriamanitra. Samy nomena fahefana isika sy andraikitra hiasa amin’ ny Anarany ho mpanompony eto an-tany. Na amin’ ny paroasy lehibe isika na sampana kely dia samy nantsoina mba hanompo, sy hitahy ary hanao zavatra amin’ ny fomba rehetra mba ho an’ izay mahasoa ny olon-drehetra sy ny zava-drehetra nampandraiketina antsika. Moa ve misy zavatra mandrisika mihoatra izany?

Ndeha isika hahatakatra, sy hankasitraka ary hahatsapa ny fifaliana avy amin’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana.

Ny Fifaliana avy amin’ ny Fisoronana

Nitarika ny lalan-kizoran’ ny fiainako manontolo ny fitiavako misidina amin’ ny fiaramanidina. Kanefa na dia mamelombelon’ aina sy mahafinaritra tahaka ny ahoana aza ny traikefa niainako tamin’ ny naha-mpanamory ahy dia mbola lalindalina kokoa, sy nitondra fifaliana kokoa ary latsa-paka lavitra kokoa ny zavatra niainako amin’ ny maha-mpikambana ahy amin’ ity Fiangonana ity. Rehefa nirotsaka tamin’ ny asa fanompoana tato am-piangonana aho dia nahatsapa ny hery tsitohan’ Andriamanitra sy ny halehiben’ ny famindram-pony.

Nikasika ny habakabaka aho tamin’ izaho nanamory. Nahatsapa ny fitiavana sy fiahian’ ny lanitra aho amin’ ny maha-mpikamban’ ny Fiangonana ahy.

Tsindraindray aho dia manimanina izany hoe mipetraka ao amin’ ny toeran’ ny mpanamory izany. Kanefa mahasolo izany mora foana ny fanompoana miaraka amin’ ireo rahalahy sy rahavavy eto am-piangonana. Tsy ho atakaloko na inona na inona eto amin’ izao tontolo izao ny fahafahako mahatsapa ny fiadanana sy fifaliana mahatalanjona izay azo avy amin’ ny maha-mpandray anjara kely ao amin’ ity foto-kevitra sy asa lehibe ity.

Ankehitriny dia tafavory eto isika amin’ ny maha-vondrona lehibe mpihazona ny fisoronana antsika. Fifaliana sy tombontsoa masina ho antsika ny manompo ny Tompo sy ny mpiara-belona amintsika, ny manolo-tena araka izay tsara indrindra vitantsika amin’ ilay asa mendri-kaja fanampiana ny hafa sy fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Fantatsika sy takatsika fa ny fisoronana dia ilay hery sy fahefana mandrakizain’ Andriamanitra. Mora amintsika ny manao tsianjery izany famaritana izany avy amin’ ny fitadidiantsika. Na izany aza anefa, moa ve tena takatsika ny lanjan’ izay lazaintsika? Averiko indray: ny fisoronana dia ilay hery sy fahefana mandrakizain’ Andriamanitra.

Saintsaino izany. Tamin’ ny alalan’ ny fisoronana no naharian’ Andriamanitra sy hitantanany ny lanitra sy ny tany.

Amin’ ny alalan’ izany hery izany no anavotany sy anandratany ireo Zanany, mba hahatanteraka “ny tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizain’ ny olona.”4

Ny fisoronana, araka ny nanazavan’ ny Mpaminany Joseph Smith azy, no “fomba izay nanombohan’ ilay Tsitoha nampahafantatra ny Voninahiny nandritra ny … fahariana ity tany ity, ary amin’ ny alalan’ izany no nanohizany nanehoany ny Tenany tamin’ ny zanak’ olombelona amin’ izao fotoana izao, ary amin’ ny alalan’ izany no hampahafantarany ny Tanjony hatrany amin’ ny fiafaran’ ny zavatra rehetra.”5

Nomen’ ilay Raintsika heni-kery any an-danitra antsika—olona mety maty izay, araka ny famaritana, misy tsiny sy tsy tanteraka—ny fahefan’ ny fisoronana. Nomeny antsika ilay fahefana hiasa amin’ ny Anarany ho an’ ny famonjena ny Zanany. Amin’ ny alalan’ io fahefana lehibe io no ahazoantsika lalana hitory ny filazantsara, hanatanteraka ireo ôrdônansin’ ny famonjena, hanampy amin’ ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany ary hitahy sy hanompo ny fianakaviantsika sy ny mpiara-belona amintsika.

Natao ho an’ ny Rehetra

Ity no fisoronana masina izay hazonintsika.

Tsy azo vidiana na didiana ny fisoronana na izay mety asa mifandraika amin’ izany. Tsy azo taomina, resena lahatra, na terena noho ny toerana tanana, na noho ny harena na ny fahefana ananana ny fampiasana ny fisoronana. Hery ara-panahy izay miasa araka ny lalàn’ ny lanitra izy io. Avy amin’ ilay Raintsika rehetra any an-danitra lehibe izany. Ny heriny dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana,6 fa tsy amin’ ny fitiavan-tena.

I Kristy no loharanon’ ny tena fahefana sy herin’ ny fisoronana marina eto an-tany.7 Asany ity, izay hananantsika tombontsoa ny fahafahana hanampy amin’ izany. “Ary tsy misy afaka manampy amin’ ity asa ity, raha tsy manetry tena izy ary feno fitiavana, manana finoana, fanantenana ary fiantrana, mahonon-tena amin’ ny zava-drehetra na inona na inona hankinina hotandremany.”8

Tsy miasa mba hikatsaka ny tombontsoan’ ny tenantsika manokana isika fa mikatsaka ny hanompo sy hanampy ireo hafa. Tsy mampiasa hery isika rehefa mitarika fa kosa “fandresen-dahatra, … fahari-po, … hatsaram-panahy sy … hamoram-po, ary … fitiavana tsy mihatsaravelatsihy.”9

Afaka mahazo ny fisoronan’ Andriamanitra Tsitoha ireo lehilahy mendrika na aiza na aiza no misy azy ireo—na manao ahoana ny firazanany, na tsotra manao ahoana ny toe-javatra hiainany, na any amin’ ny faritra akaiky indrindra na lavitra indrindra amin’ izao tontolo izao. Tsy ilàna vola aman-karena ny fahazoana izany. Raha holazaiko amin’ ny teniko ny voalazan’ i Isaia mpaminany fahiny, dia hoe: ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna!10

Ary noho ilay Sorompanavotana mandrakizay sy tsy takatry ny saina nataon’ i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, dia afaka mahazo ny fisoronan’ Andriamanitra eny fa na dia ireo izay nanao hadisoana na tsy mendrika teo aloha aza. Afaka “mitsang[ana] ary mamirapi[ratra]”11 ianareo amin’ ny alalan’ ireo dingan’ ny fibebahana izay manadio sy mandrendrika ara-panahy. Noho ilay fitiavana tsy manam-petra sy mamela heloky ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika dia afaka mampiandrandra ny masonareo ianareo, tonga madio sy mendrika, ary lasa zanakalahin’ Andriamanitra miaina am-pahamarinana sy mendri-kaja—mpihazona mendrika an’ ilay fisoronana masina indrindra an’ Andriamanitra Tsitoha.

Ny Fahagagana sy Tombontsoa avy amin’ ny Fisoronana

Mahatsapa alahelo ho an’ ireo izay tsy mahatakatra sy tsy mankasitraka ny fahagagana sy tombontsoa avy amin’ ny fisoronana aho. Toy ireny mpandeha amin’ ny fiaramanidina izay mandany ny fotoany mimenomenona noho ny haben’ ny fonosam-boanjo ireny izy ireo nefa eo am-pisidinana mamakivaky ny habakabaka, any lavitra ambonin’ ny rahona—zavatra izay nirian’ ireo mpanjaka fahiny sy tian’ izy ireo iainana indray mandeha monja na dia handaniany ny fananany rehetra aza!

Ry rahalahy, fitahiana ho antsika ny manana anjara amim-panetren-tena amin’ ity fahefana sy hery lehiben’ ny fisoronana ity. Ndeha atopintsika ny masontsika ary hijery, sy hamantatra ary hanaiky ity fahafaha-manao zavatra tsara ity araka ny tena maha-izy azy.

Afaka hiaina ny tena dika marin’ ity fanambarana ity isika, dia hoe: “Fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo”12 amin’ ny alalan’ ny asa fanompoana marina, feno fitiavana ary fanoloran-tena ato amin’ ny fisoronana.

Ndeha isika handray sy hahatakatra ny fahagagana sy tombontsoa avy amin’ ny fisoronana. Ndeha isika hanaiky sy hitia ireo andraikitra izay hangatahina ho tanterahantsika—ao amin’ ny tokantranontsika sy any amin’ ny vondrona misy antsika ao amin’ ny Fiangonana, na manao ahoana na manao ahoana no mety habe na hakelin’ izany. Ndeha isika hampitombo tsy tapaka ny fahamarinan-toetra, sy ny fanoloran-tena ary ny asa fanompoana ato amin’ ny fisoronana. Ndeha isika hikaroka ilay fifaliana avy amin’ ny fanaovana asa fanompoana ato amin’ ny fisoronana!

Ny fomba tsara indrindra ahafahantsika manao izany dia amin’ ny alalan’ ny fampiharana ny fitsipiky ny fahalalana, sy ny fankatoavana ary ny finoana.

Voalohany, midika izany fa mila mahafantatra sy miaina ny fotopampianaran’ ny fisoronana hita ao amin’ ny teny nambaran’ Andriamanitra isika. Zava-dehibe ny hahatakarantsika ny fanekempihavanana izay ifotoran’ ny fitantanana ny fisoronana.13

Manaraka, aoka isika hanam-pahendrena sy hiasa tsy tapaka sy amim-boninahitra avy amin’ ity fahalalana azo ity. Hiaina fifaliana amin’ ny asa fanompoana ato amin’ ny fisoronana isika rehefa mankato ny lalàn’ Andriamanitra, sy mifehy ny saintsika sy ny vatantsika, ary mampifanaraka ny asa ataontsika amin’ ny fiainana am-pahamarinana fakan-tahaka nampianarin’ ireo mpaminany.

Ary farany, aoka isika hampiorim-paka ny finoantsika an’ i Jesoa Kristy Tompontsika. Ndeha isika handray ny anarany eo amintsika ary hanolo-tena isan’ andro mba hanaraka indray ilay lalan’ ny maha-mpianatra. Aoka ny asantsika no hahatonga lafatra ny finoantsika.14 Amin’ ny maha-mpianany antsika dia afaka ny ho tonga lafatra tsikelikely isika amin’ ny alalan’ ny fanompoana ny fianakaviana, sy ny mpiara-belona ary an’ Andriamanitra.

Mahazo fampanantenana isika ny handray fahalalana mahatalanjona, sy fiadanana ary fanomezam-pahasoavan’ ny fanahy rehefa manompo ao amin’ ny fisoronana amin’ ny fontsika, sy ny herintsika, sy ny saintsika ary ny tanjatsika rehetra. Rehefa manaja ny fisoronana masina isika dia manaja antsika koa Andriamanitra ary “[h]ijoro tsisy tsiny eo [anoloany isika] amin’ ny andro farany.”15

Ny vavaka ataoko dia ny mba hananantsika maso hahita sy sofina handre ary fo hahalala ny fahagagana sy fifaliana avy amin’ ny fisoronana izay an’ Andriamanitra lehibe sy tsitoha, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.