2010–2019
Ny Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ ny Fiangonana
Oktobra 2012


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ ny Fiangonana

Angatahina isika hanohana an’ i Thomas Spencer Monson ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary Filohan’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany; i Henry Bennion Eyring ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany; ary i Dieter Friedrich Uchtdorf ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Angatahina isika hanohana an’ i Boyd Kenneth Packer ho Filohan’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo, ary hanohana an’ ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ izany kôlejy izany: Boyd K. Packer, L. Tom Perry, Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks, M. Russell Ballard, Richard G. Scott, Robert D. Hales, Jeffrey R. Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, ary i Neil L. Andersen.

Ireo izay manohana dia iangaviana haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany koa.

Angatahina isika hanohana ireo mpanolotsaina ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia iangaviana haneho izany.

Raha misy manohitra, aoka haneho tahaka izany ihany koa.

Ny Loholona Jay E. Jensen dia nisaorana tamin’ ny naha-mpikambana azy tao amin’ ny Fiadidian’ ireo Kôlejin’ ny Fitopololahy.

Ireo izay afaka hiaraka aminay haneho fankasitrahana azy, dia afaka maneho izany.

Angatahina isika hanohana ny Loholona Craig C. Christensen ho mpikambana ao amin’ ny Fiadidian’ ireo Kôlejin’ ny Fitopololahy.

Izay rehetra manohana dia iangaviana haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana sy hanehoana fankasitrahana an’ ny Loholona Marlin K. Jensen noho ny asa fanompoana tsara indrindra vitany tamin’ ny naha-Mpahay Tantara sy Mpirakitra An-tsoratra an’ ny Fiangonana azy.

Izay rehetra manohana dia iangaviana haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ny Loholona Steven E. Snow ho Mpahay Tantara sy Mpirakitra An-tsoratra an’ ny Fiangonana.

Izay rehetra manohana dia iangaviana haneho izany.

Izay rehetra manohitra.

Aroso amintsika ny hisaorana ny Loholona isany Keith K. Hilbig, Jay E. Jensen, Marlin K. Jensen, ary Octaviano Tenorio tamin’ ny naha-mpikambana azy tao amin’ ny Kôlejy Voalohan’ ny Fitopololahy ary hanendry azy ireo ho Manampahefana Ambony misotro ronono.

Aroso amintsika ny hisaorana ny Loholona isany Keith R. Edwards sy Larry W. Gibbons tamin’ ny naha-mpikambana azy tao amin’ ny Kôlejy Faharoan’ ny Fitopololahy.

Ireo izay te-hiaraka haneho fankasitrahana an’ ireo Rahalahy ireo noho ny asa fanompoana tsara dia tsara vitany dia iangaviana haneho izany.

Angatahina isika hanohana an’ ireo Manampahefana Ambony hafa, sy ireo Fitopololahin’ ny Vondrom-paritra ary ireo fiadidian’ ireo vondrona fanampiny araka izay misy ankehitriny.

Ireo izay manohana dia iangaviana haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Misaotra, ry rahalahy sy anabavy isany, noho ny fanohananareo, ny finoanareo, ny fanoloran-tenanareo ary noho ny vavakareo.