2010–2019
Fitsapana ny Finoanao
Oktobra 2012


Fitsapana ny Finoanao

Toy ilay afo midedadeda izay manova ny vy ho tsy, rehefa mitoetra ho mahatoky isika mandritra ny fizahan-toetra ny finoantsika, dia misy fandiovana ara-panahy mitranga ary dia mitombo ny herintsika ara-panahy.

Folo taona lasa izay raha nipetraka tany Sao Paulo, Brésil, izaho sy i Kathy vadiko, dia ny Filoha David Marriott no filohan’ ny Misionan’ i Interlagos tao Sao Paulo, Brésil. Nipetraka teo akaikinay izy sy i Neill vadiny ary ireo zanakalahiny dia i Will sy i Wesley ary i Trace. Nandao ny fonenany izy ireo, sy ny asa fihariany ary ny maro tamin’ ireo fianakaviany, satria nanaiky ny antso avy tany amin’ ny mpaminany dia ny hanompo hanao asa fitoriana.

Indray tolakandro dia niantso ahy ny Filoha Marriott. Voahosin’ ny kamiò i Georgia zanakavavin’ izy ireo izay sarobidy sy marina, 21 taona ary efa tao amin’ ny kilasy ambony tamin’ ny fianarana fitendrena lokanga, tao amin’ ny Oniversiten’ i Indiana, raha iny izy nitaingina bisikileta iny ka nandeha nody avy namonjy fivoriam-piangonana. Raha ny tatitra voalohany dia hoe tsy dia naninona i Georgia. Ora vitsivitsy taty aoriana anefa dia niharatsy be ny toe-pahasalamany.

Nanomboka nifady hanina sy nivavaka ho an’ i Georgia ireo tapaka sy namana mba hisian’ ny fahagagana. Nandeha fiara manidina avy tany Brésil ny reniny ny alin’ iny. Rehefa tonga teo amin’ ny seranam-piaramanidina izy dia notsenain’ ireo zanany vavy sy ny zanany lahy hafa. Namihina azy izy ireo ary nanazava tao anatin’ ny ranomaso fa teo anilan’ i Georgia izy mianadahy tamin’ ny fotoana nialany aina.

Nandinika ny fianakaviana Marriott aho tamin’ ny fotoana niainan’ izy ireo io fahoriana io sy nandritra ireo volana sy taona taorian’ izany. Nitomany izy ireo, nivavaka, niresaka momba an’ i Georgia izy ireo ary nahatsapa fahoriana sy alahelo lalina saingy tsy nihozongozona ny finoany. Tamin’ ny fivoriana aninkeheo maraina dia nahare mikasika ny finoana mitovy amin’ izany isika teo amin’ ny fiainana mahafinaritra izay an’ ny fianakaviana Bowen sy Wilberger.1

Ny fanomezam-pahasoavan’ ny finoana dia fanafiana ara-panahy tsy hay vidiam-bola. “Ary izao no fiainana mandrakizay,” hoy i Jesoa nivavaka, “dia ny mahafantatra Anao, Izy Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” 2

Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Zananilahy izay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika no ivon’ ny finoantsika. Izany dia tohanan’ ny fahalalantsika fa naverina tamin’ ny laoniny teto ambonin’ ny tany ny filazantsara, fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’ i Môrmôna, ary misy mpaminany sy apôstôly amin’ izao andro izao mihazona ny fanalahidin’ ny fisoronana. Ankamamiantsika ny finoantsika, miezaka isika hanamafy orina ny finoantsika, mivavaka mba hanana finoana lehibe kokoa, ary manao izay rehetra tratran’ ny herintsika mba hiarovana ny finoantsika.

Ny Apôstôly Petera dia namaritra zavatra iray izay nantsoiny hoe “fizahan-toetra ny finoanareo.”3 Efa niaina izany izy. Tsarovy ny tenin’ i Jesoa manao hoe:

“Ry Simona, … Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.

“Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao.”4

Nankahery ireo namany hafa i Petera taty aoriana hoe: “Aza gaga,” hoy izy, “noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo.”5

Ireny fizahan-toetra mahamay ireny dia natao hahatonga anareo ho mafy orina kokoa, saingy izy ireny dia afaka mampihena na mandrava mihitsy aza ny fitokianareo amin’ ilay Zanak’Andriamanitra ary mampihena ny fahavononanareo hitandrina ny fampanantenana nomenareo Azy. Miafina ireny fizahan-toetra ireny matetika, ka mahatonga azy ho saro-pantarina. Mamaka ao amin’ ireo fahalementsika, sy ao amin’ izay mora asiana ao amintsika, ary ao amin’ izay maha-mora tohina antsika izy ireny, na ao amin’ ireo zavatra izay manan-danja indrindra amintsika. Ny fitsapana iray izay tena misy kanefa azo atrehina tsara dia mety ho fizahan-toetra mahamay ho an’ ny olona iray hafa.

Ahoana no ahafahanareo “[m]iorina mafy […] sady tsy miova”6 rehefa mandalo fizahan-toetra ny finoana ianareo? Miroboka ao anatin’ ireo zavatra izay tena nanampy anareo hanorina ny fototry ny finoanareo ianareo: mampihatra finoana an’ i Kristy, mivavaka, mandalina ny soratra masina, mibebaka, mitandrina ny didy, ary manompo ny hafa.

Rehefa miatrika ny fizahan-toetra ny finoana ianareo—na inona na inona ataonareo, dia tsy hanalavitra ny Fiangonana ianareo! Ny fihatahanareo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra mandritra ny fizahan-toetra ny finoana dia toy ny mandao ilay toerana azo antoka misy tafo mahatanty rivodoza rehefa injay iny tazana iny ilay rivodoza manatona.

Hoy ny Apôstôly Paoly hoe: “Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ ny olona masina sady ankohonan’ Andriamanitra.”7 Miaro ny finoana ananantsika isika rehefa eo anivon’ ny toerana masina, dia ny Fiangonana. Miara-miangona amin’ ireo izay mpino isika mba hivavaka sy hikatsaka valiny amin’ ireo vavaka ataontsika. Midera an-kira isika, mizara fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, mifanompo ary mahatsapa ny Fanahin’ ny Tompo. Mandray ny fanasan’ ny Tompo isika, sy mandray ireo fitahiana avy amin’ ny fisoronana ary manatrika ireo fivoriana any amin’ ny tempoly. Nanambara ny Tompo hoe: “Miharihary ao amin’ ny ordônans[y] … ny herin’ ny toetra araka an’ Andriamanitra.”8 Rehefa miatrika fisedrana ny finoana ianareo—dia mitoera eo amin’ ny toerana azo antoka ao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra. Misy toerana ho anao foana ao. Tsy misy fizahan-toetra lehibe loatra ka hoe tsy ho vitantsika ny mandresy izany miaraka.9

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “[Nihen-danja haingana dia haingana] ny fironan’ ny teo-tsaina ara-pahadiovam-pitondrantena eto anivon’ ny fiaraha-monina. Ireo toetra … izay tsy azo nekena sy maneho tsy fahadiovam-pitondrantena ankehitriny dia … raisin’ ny … maro ho toy ny azo ekena.10

Maro ireo tanora tokan-tena ato am-piangonana izay efa tonga taona efa elaela ihany. Na dia tsy mitovy amin’ izay noeritreretin’ izy ireo aza ny fiainany amin’ izao fotoana izao dia mitandrina ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondran-tena izy ireo.11 Izany dia mety ho fizahan-toetra ho an’ ny finoany. Ambarako eto ny fanajako lalina sy ny fiderako an’ ireo mpianatr’ i Kristy ireo.

“Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ ny fananahana.”12 Tao amin’ ny Testamenta Vaovao dia nampiakarin’ ny Mpamonjy ho ambony kokoa ny fenitry ny fahadiovam-pitondran-tena ho arahin’ ireo izay mpanara-dia Azy raha nanambara izy hoe “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy … dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.”13 Nampianatra antsika Izy mba tsy hanameloka ny hafa, kanefa dia tsy natahotra ny hiteny mivantana Izy manao hoe: “Mandehana,” hoy Izy, “dia aza manota intsony.”14

Ny fianakavianay dia manana namana iray izay. Mety mahafantatra olona toa azy io ianao, na mety ho toa azy io koa ianao. Mahatoky hatrany izy, manompo amin’ ny fomba tena mihaja ato am-piangonana, derain’ ny olona eo amin’ ny lafiny arak’ asa, ary tian’ ireo fianakaviany tokoa, ary na dia nieritreritra ny hanambady sy ny hanan-janaka azy izy dia mbola vehivavy tokan-tena. “Efa nandray fanapahan-kevitra aho,” hoy izy, “ny hametraka … ny fitokiako amin’ ny Jesoa Kristy. Ny fandehanana matetika any amin’ ny tempoly dia manampy ahy hifantoka kokoa amin’ ny mandrakizay. Mampahatsiahy ahy izany fa tsy irery aho na oviana na oviana. Manam-pinoana aho … fa tsy misy … fitahiana ho esorina … raha toa aho … ka mitoetra ho mahatoky amin’ ireo fanekempihavanana nataoko, anisan’ izany ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondran-tena.”15

Misy namana lehilahy iray hafa nanao asa-fitoriana amin’ ny fotoana feno tena niavaka, ary nandranto fianarana entitra dia entitra taorian’ izany. Nanantena ny hanana tokan-trano izy. Ny fizahan-toetran’ ny finoany dia izao: ny fahatsapana ho voasarika amin’ ny lehilahy toa azy. Vao tsy ela izy no nanoratra taty amiko nanao hoe: “Nampanantenaina ahy tao amin’ ny tso-dranon’ ny patriarika fa indray andro any aho dia hanana ny fianakaviako manokana. Tsy fantatro raha amin’ ity fiainana ity na amin’ ilay fiainana manaraka no hitrangan’ izany. Fa ny zavatra fantatro dia hoe tsy te-hanao na inona na inona izay mety hampidi-doza ireo fitahiana izay nampanantenain’ Andriamanitra ahy sy an’ ireo taranako ho avy aho. … Fanamby ny fiainana ny [lalàn’ ny fahadiovam-pitondran-tena], fa moa ve tsy ny hiatrika fanamby no antony nahatongavantsika tety an-tany sy ny haneho amin’ Andriamanitra ny fitiavantsika sy ny fanajantsika Azy amin’ ny alalan’ ny fitandremana ireo didiny? Sambatra aho manana fahasalamana tsara, manana ny filazantsara, manana fianakaviana tia ahy, sy namana mahatoky maro. Feno fankasitrahana aho noho ireo fitahiana maro izay ananako.”16

Manohitra izao tontolo izao manao hoe: “Ahoana no hahafahanareo mitaky zavatra betsaka toy izany?” Mamaly ny Tompo hoe:

“Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako. …

“Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany no hahavon’ ny lalako noho ny lalanareo, sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.”17

Ireo namanay anankiroa mpanara-dia an’ i Kristy voalazako teo ireo sy ny olona an’ alin-kisa mitovy aminy, dia nahatsapa ny fampanatenana nataon’ ny Mpamonjy hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”18

Inty koa misy fizahan-toetra iray. Nisy hatrany ny olom-bitsy izay te-hanoso-potaka ny Fiangonana sy handrava ny finoana. Mampiasa ny Internet izy ireo amin’ izao andro izao.

Ny fampahalalana sasany mikasika ny Fiangonana, na dia mandresy lahatra tahaka ny inona aza, dia tsy marina tsotra izao. Tsaroako fa tamin’ ny 1985 dia nisy mpiara-miasa tamiko niditra tao amin’ ny birao fiasako tany Floride. Nisy lahatsoratra iray tao amin’ ny gazetiboly Time teny aminy izay nitondra ny lohateny hoe “Challenging Mormonism’s Roots” (na hoe: Mampametra-panontaniana ny tantaran’ ny nihandohan’ ny fivavahana môrmôna.) Io lahatsoratra io dia miresaka momba ny taratasy iray izay hita vao tsy ela akory tamin’ izany, izay voalaza fa nosoratan’ i Martin Harris hono, ary toa hoe nifanohitra tamin’ ny fitantaran’ i Joseph Smith mikasika ny nahitana an’ ireo takela-bolamenan’ ny Bokin’ i Môrmôna hono.19

Nanontany ahy ilay mpiara-miasa tamiko hoe haharava ny Fiangonana Môrmôna ve ity vaovao farany ity. Ilay lahatsoratra dia nilaza mikasika ny lehilahy iray izay nilaza fa hiala ny Fiangonana noho io taratasy io. Taty aoriana dia maro hafa no voatatitra fa niala tamin’ ny Fiangonana.20 Azoko antoka fa fizahan-toetra ho an’ ny finoan’ izy ireo izany.

Volana vitsivitsy taty aoriana, dia hitan’ ireo manam-pahaizana (ary niaiky ilay tompon’ antoka) fa sandoka tanteraka ilay taratasy. Tsaroako ny nanantenako tokoa fa hiverina ireo izay niala tamin’ ny Fiangonana noho io fitaka io.

Misy olona vitsivitsy izay mametra-panontaniana ny amin’ ny finoan’ izy ireo rehefa mahita fanambarana iray nataon’ ny mpitarika iray tato amin’ ny Fiangonana am-polon-taonany maro lasa izay, izay toa tsy mifanaraka amin’ ny fotopampianarantsika. Misy fitsipika iray manan-danja izay mitantana ny fotopampianaran’ ny Fiangonana. Ampianarin’ ireo mpikambana 15 ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo izany fotopampianarana izany. Tsy miafina ao anatin’ ny andalan-tsoratra iray saro-takarina ao anaty lahateny iray izany. Ampianarina imbetsaka ary ampianarin’ ny olona maro ny fitsipika marina. Tsy sarotra hita ny fotopampianarantsika.

Olona marin-toetra kanefa tsy tonga lafatra ireo mpitarika ato amin’ ny Fiangonana. Tsarovy ny tenin’ i Môrônia: “Aza manameloka ahy noho ny tsy fahatanterahako, na ny raiko …, fa aleo kosa manati-tsaotra an’ Andriamanitra fa Izy no efa naneho taminareo ny tsy fahatanterahanay mba hahazoanareo mianatra ny ho hendry kokoa noho izahay.”21

Hoy i Joseph Smith hoe: “Tsy nilaza taminareo mihitsy aho hoe tanteraka aho; saingy tsy nisy hadisoana mihitsy tao amin’ ireo fanambarana izay nampianariko.”22 Ny fahagagana avy amin’ ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ ny tantaran’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany sy izay tanjona hiafarany dia tsy ho takatra raha tsy amin’ ny alalan’ ny fikatsahana ara-panahy ihany. Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson hoe “Ny olona tsirairay amin’ ny farany dia tsy maintsy hiatrika ny rindrin’ ny finoana, ary eo izy no … tsy maintsy maneho ny safidiny.”23 Aza taitra rehefa hitranga aminao izany!

Raha jerena ifotony dia tena hizaha-toetra tokoa ireo fizahan-toetra. Mety hisy fanaintainana, fikorontanan-tsaina, alina tsy ahitan-tory, ary ondana kotsan-dranomaso. Saingy tsy tokony hiteraka fahafatesana ara-panahy ireo fizahan-toetra antsika. Tsy tokony hanala antsika amin’ ireo fanekempihavanana nataontsika na hanala antsika tsy ho ao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra izy ireo.

“Tsarovy … fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ ny hantsan’ ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”24

Toy ilay afo midedadeda izay manova ny vy ho lasa tsy, rehefa mitoetra ho mahatoky isika mandritra ny fizahan-toetra ny finoan tsika, dia misy fandiovana ara-panahy mitranga ary dia mitombo ny herin-tsika ara-panahy.

Nohazavain’ny Loholona D. Todd Christofferson ny zavatra nianarany avy tamin’ ny fizahan-toetra iray niainan’ ny tenany manokana: “Na dia nijaly aza aho tamin’ izany, rehefa manao jeritodika aho ankehitriny dia feno fankasitrahana fa tsy nisy vahaolana haingana ho an’ ilay olana izay nananako. Ny nahavoatery ahy hitodika tamin’ Andriamanitra hikatsaka fanampiana saika isan’andro nandritra ny taona maromaro no tena nampianatra ahy ny fomba hivavahana sy ny hahazoana valim-bavaka ary nampianatra ahy tamin’ ny fomba tena azo tsapain-tanana mba hanam-pinoana an’ Andriamanitra. Lasa nahafantatra ny Mpamonjy ahy sy ny Raiko any An-danitra aho tamin’ ny lafiny iray ary tamin’ ny fomba lalina kokoa izay tsy ho tanteraka raha tsy nisy an’ io, na izay mety ho nitaky fandaniana fotoana lava be kokoa vao ho tanteraka. … Nianatra nitoky tamin’ ny Tompo amin’ ny foko manontolo aho. Nianatra niara-nandeha Taminy isan’ andro isan’ andro.”25

Nofaritan’ i Petera ireo zavatra iainana ireo hoe “tsara lavitra noho ny volamena.”26 I Môrônia dia nanampy hoe fijoroana ho vavolombelona no azo aorian’ ny “fizahan-toetra ny finoanareo.”27

Tany am-piandohana aho dia niresaka momba ny fianakaviana Marriott. Tamin’ ny herinandro lasa izaho sy i Kathy vadiko dia niaraka tamin’ izy ireo teo amin’ ny fasana nilevenan’ i Georgia. Folo taona izay no lasana. Niresaka momba ny fitiavana sy ireo fahatsiarovana nananany momba an’ i Georgia ny fianakaviany sy ireo namany. Nisy balaonina fotsy maromaro nabontsina tamin’ ny heliôma mba hankalazana ny fiainany. Tao anatin’ ny ranomaso no niresahan’ ny renin’ i Georgia tamin’ ny fomba feno fitiavana mikasika ny finoana sy ny fahatakarana lehibe kokoa izay azony, ary ny rain’ i Georgia dia nilaza tamiko moramora mikasika ilay “fijoroana ho vavolombelona” nampanantenaina ka efa tonga taminy.

Tonga miaraka amin’ ny finoana ny fizahan-toetra ny finoana, izay miteraka finoana bebe kokoa. Ny teny manome toky mampionona nataon’ ny Tompo tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith ihany no fampanantenana izay ataony aminareo ao amin’ ny fizahan-toetra anareo, manao hoe: “Koa hazòny ny lalanao … , aza matahotra … , fa homba anao mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.”28 Ny amin’ izany no ijoroako ho vavolombelona, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Shayne M. Bowen, “Because I Live, Ye Shall Live Also,” sy ny Ann M. Dibb, “I Know It. I Live It. I Love It,” tamin’ ny fivoriana Sabotsy maraina tamin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana Oktôbra 2012.

  2. Jaona 17:3.

  3. 1 Petera 1:7.

  4. Lioka 22:31–32.

  5. 1 Petera 4:12; nampiana fanamafisana.

  6. Almà 1:25.

  7. Efesiana 2:19.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20.

  9. Jereo ny Mosià 18:8.

  10. Thomas S. Monson, (“Mitsangàna amin’ ny Toerana Masina,” Liahona, Nôv. 2011, 82).

  11. Jereo ny Ezra Taft Benson, “The Law of Chastity,” New Era, Jan. 1988, 4–7; “The Law of Chastity” ao amin’ ny Brigham Young University 1987–88 Speeches (1988), 1–5, speeches.byu.edu; jereo ihany koa ny Fitsipiky ny Filazantsara (2009), 224–32.

  12. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ izao tontolo izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  13. Matio 5:28.

  14. John 8:11.

  15. Taratasy avy amin’ olona manokana, 2012.

  16. Taratasy avy amin’ olona manokana, 2012.

  17. Isaia 55:8–9.

  18. Jaona 14:27.

  19. Jereo ny Richard N. Ostling, “Challenging Mormonism’ s Roots,” Time, 20 Mey 1985, 44.

  20. Jereo ny Gordon B. Hinckley, “Lord, Increase Our Faith,” Ensign, Nôv. 1987, 52.

  21. Môrmôna 9:31.

  22. Enseignement des Présidents de l’ Église : Joseph Smith (2007), 522.

  23. Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon Is the Word of God,” Tambuli, Mey 1988, 6.

  24. Helamàna 5:12.

  25. D. Todd Christofferson, “Give Us This Day Our Daily Bread,” (Takariva amorom-patan’ ny Church Educational System, 9 Jan. 2011), lds.org/broadcasts.

  26. 1 Petera 1:7; jereo koa ny 1 Petera 4:13.

  27. Etera 12:6.

  28. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:9; Hoy ny Filoha George Q. Cannon hoe: “Na sarotra toy ny inona aza ilay fizahan-toetra, na hatraiza na hatraiza ny halalin’ ny fijaliana, na manao ahoana na manao ahoana ny halehiben’ ny fahoriana, dia tsy handao antsika velively [Andriamanitra]. Tsy mbola nanao an’ izany Izy, ary tsy hanao mihitsy. Tsy afaka manao izany Izy. Tsy izany no toetrany. Olona tsy miovaova Izy; tsy miova omaly, tsy miova anio, ary mbola ho toy izany Izy mandritra ireo taona mandrakizay izay ho avy. Nahita an’ io Andriamanitra io isika. Nataontsika namantsika Izy, tamin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny Filazantsarany; ary hitoetra eo anilantsika Izy. Mety handalo ao amin’ ny memy mirehitra afo isika; mety hiampita rano lalina; fa tsy ho may isika na koa ho difotra. Hivoaka avy ao amin’ ireny fizahan-toetra rehetra ireny isika, tsara kokoa sy madio kokoa, raha toa fotsiny isika ka mitandrina ny Didiny” (“Remarks,” Deseret Evening News, Mar. 7, 1891, 4); jereo koa ny Jeffrey R. Holland, “Come unto Me,” Ensign, Apr. 1998, 16–23.