2010–2019
Tongasoa eto amin’ ny Fihaonambe
Oktobra 2012


Tongasoa eto amin’ ny Fihaonambe

Enga anie isika hihaino amim-pitandremana ireo hafatra …, mba hahafahantsika mahatsapa ny Fanahin’ ny Tompo sy mahazo ny fahalalana izay iriany ho azontsika.

Araka ny fahitako azy dia feno daholo ny seza rehetra—afa-tsy ny vitsivitsy etsy aoriana etsy. Mbola misy azo hatsaraina. Izany dia natokana ho an’ ireo izay mety ho somary tara noho ny fitohanan’ ny fifamoivoizana, mba hahafahan’ izy ireo hahita toerana rehefa tonga.

Tena andro lehibe izao—andron’ ny fihaonambe. Vao naheno amboaram-peo mahafinaritra isika teo izay nihira hira mahatalanjona. Isaky ny maheno ôrga aho na pianô dia mahatsiaro ny reniko, izay niteny hoe: “Tiako daholo ireo zavatra rehetra hiderana anao, sy ireo mari-pahaizana rehetra azonao ary ireo asa rehetra vitanao. Fa ny hany mampalahelo ahy dia ny tsy naharetanao tamin’ ny pianô.” Misaotra, ry Neny! Inay anie aho naharitra tamin’ izany.

Tena mahafinaritra, ry rahalahy sy anabaviko isany, ny miarahaba anareo tonga soa amin’ izao Fihaonamben’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany fanao Isaky ny Tapa-taona faha-182 izao.

Hatramin’ ny fotoana nihaonantsika farany enim-bolana lasa izay, dia tempoly vaovao telo no notokanana, ary tempoly iray no naverina notokanana indray. Tombontsoa lehibe ho ahy ny nitokana tamin’ ny volana Mey teo ny Tempolin’ i Kansas City any Missouri izay kanto dia kanto, sy nanatrika ny lanonana ara-kolontsaina izay niaraka tamin’ izany. Hiresaka misimisy kokoa mikasika io lanonana io aho mandritra ny lahateniko rahampitso maraina.

Tamin’ ny volana Jona, dia nitokana ilay tempoly izay efa ela no niandrasana azy tao Manaus, any Brésil ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, ary tamin’ ny voalohandohan’ ny volana Septambra dia namerina nitokana ny tempolin’ i Buenos Aires any Argentine ny Filoha Henry B. Eyring, izay vao nasiam-panavaozana, ary izany dia tempoly iray izay tombontsoa manokana ho ahy ny nitokana azy efa saika ho 27 taona lasa izay. Vao tapa-bolana lasa izay, dia nitokana ny Tempolin’ i Brigham City izay maha-te-ho tia tao amin’ ilay tanàna izay nahaterahany sy nitaizana azy ny Filoha Boyd K. Packer.

Araka ny efa nolazaiko tany aloha tany dia tsy misy trano amboarin’ ny Fiangonana ka manan-danja kokoa noho ny tempoly, ary dia faly isika manana tempoly 139 am-perinasa maneran-tany, miampy 27 hafa efa nambara na eo an-dalam-panamboarana. Feno fankasitrahana isika noho ireo trano masina ireo sy ireo fitahiana izay entin’ izy ireo eo amin’ ny fiainantsika.

Faly aho anio maraina manambara aminareo tempoly anankiroa fanampiny izay, ao anatin’ ny volana sy taona vitsivitsy ho avy, dia haorina any amin’ ireto toerana ireto: Tucson, Arizona, sy Arequira, Pérou. Homena amin’ ny fotoana manaraka ny antsipiriany mikasika ireo tempoly ireo rehefa azo ny fahazoan-dalana hanangana sy fankatoavana ilaina.

Rahalahy sy ranabavy, izao aho dia hiresaka lohahevitra iray hafa—dia ny asa fitoriana.

Nandritra ny fotoana naharitraritra izay dia namela ireo zatovolahy avy amin’ ny firenena vitsivitsy ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo hanompo amin’ ny faha-18 taonany rehefa mendrika izy ireo, sy mahavita izany ary nahavita ny fianarana tao amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa, ary naneho ny faniriany amin-kitsimpo hanompo. Lalàna nampiharina tamin’ ny firenena voatondro manokana izany ary nahafahan’ ny zatovolahy an’ arivony nanatontosa asa fitoriana mendri-kaja sy nanatanteraka ihany koa ny fanompoam-pirenena izay notakiana taminy ary nahafahany nanohy fianarana.

Nahitana vokatra tsara ny zavatra natao tamin’ ireo zatovolahy 18 taona ireo. Nanome tatitra ny filohan’ ny misiônan’ izy ireo fa mpankatò, mahatoky, matotra, ary manompo amim-pahombiazana izy ireo toy ireo misiônera efa zokiny miara-manompo aminy ao amin’ ny misiôna misy azy. Ny fahatokian’ izy ireo, sy ny fankatoavany ary ny fahamatorany no namporisika anay hanam-paniriana hampihatra izany asa fanompoana aloha kely izany ho an’ ireo zatovolahy rehetra, na aiza na aiza firenena iaviany.

Fifaliana ho ahy ny manao fanambarana izay tonga dia manan-kery manomboka izao hoe ireo zatovolahy mendrika sy afaka manao asa fitoriana izay nahavita ny fianarana avy ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa na sekoly mitovy amin’izany, na aiza na aiza toerana ipetrahan’izy ireo dia hanana safidy hirotsaka ho misiônera hanao asa fitoriana manomboka 18 taona fa tsy 19 taona intsony. Tsy milaza aho akory hoe ny zatovolahy rehetra dia hanompo—na tokony—hanompo amin’ ny taona aloha kokoa toy izany. Fa hoe azo dinihina ny hanatanterahana izany arakaraka ny toe-javatra iainan’ ny tsirairay, sy ny fanapahan-kevitr’ ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana.

Rehefa nandinika tamim-bavaka ny mikasika ny taona ahafahan’ ny zatovolahy hanomboka ny asa fitoriana izahay dia nandinika ihany koa ny taona mety ahafahan’ ny zatovovavy manompo. Faly aho androany manambara aminareo fa ireo zatovovavy izay afaka manao izany sy mendrika ary manana faniriana ny hanompo dia afaka hirotsaka ho misiônera hanao asa fitoriana manomboka 19 taona fa tsy 21 taona intsony.

Hamafisinay fa ny asa fitoriana dia adidin’ ny fisoronana—ary entaninay ireo zatovolahy rehetra izay mendrika, sy matanjaka ara-batana ary salama ara-tsaina mba hanaiky ny antso mba hanompo. Maro koa ireo zatovovavy izay manompo, saingy izy ireo dia tsy iharan’ izany adidy eo an-tsorok’ ireo zatovolahy izany. Manome toky anefa izahay ho an’ ireo rahavavy ato am-piangonana, fa mitondra anjara biriky manan-danja izy ireo eo amin’ ny asa fitoriana, ary raisina an-tanan-droa ny asa fanompoana atolotr’ izy ireo.

Mbola mila mpivady zokiolona fanampiny ihany isika. Raha mamela izany ny toe-javatra iainanareo, raha efa afaka misotro ronono ianareo, ary raha mamela izany ny toe-pahasalamanareo, dia mamporisika anareo aho mba hanolo-tena ho amin’ ny asa fanompoana amin’ ny fotoana feno. Samy hahazo fifaliana lehibe kokoa ireo mpivady eo am-piarahan’ izy ireo manompo ireo zanaky ny Raintsika.

Ankehitriny ry rahalahiko sy anabaviko isany, enga anie isika hihaino amim-pitandremana ireo hafatra izay hatolotra mandritra ireo roa andro misesy, mba hahafahantsika mahatsapa ny Fanahin’ ny Tompo sy mahazo ny fahalalana izay iriany ho azontsika. Ny mba hiainantsika izany no vavaka angatahako, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.