Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?

Nataon’ ny Loholona Robert C. Gay

Ao amin’ ny Fitopololahy


Tokony [hafointsika] ny fahotantsika rehetra na bitika na goavana, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay izay valisoa avy amin’ ny Ray

Nametraka izao fanontaniana manaraka izao tamin’ ireo Mpianany ny Mpamonjy indray andro manao hoe: “Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?”1

Io no fanontaniana iray izay nampianarin’ ny raiko ahy mba hodinihiko am-pitandremana taona maro lasa izay. Rehefa nihalehibe aho dia nampandraiketin’ ireo ray aman-dreniko asa fanao andavanandro tao an-trano, ary nanome vola kely ahy izy ireo ho tambin’ izany asa izany. Matetika aho no mampiasa io vola io, izay 50 cents mahery kely isan-kerinandro, hijerena sarimihetsika. Tamin’ izany andro izany ny vidin’ ny tapakila fijerena sarimihetsika ho an’ ny ankizy 11 taona dia nitentina teo amin’ ny 25 cents eo ho eo. 25 cents ny ambiny tavela ho ahy hividianana vatomamy, izay 5 cents ny anankiray. Sarimihetsika miaraka amin’ ny vatomamy dimy! Tsy nisy zavatra tsara mihoatra noho izany mety ho azo tamin’ ilay vola.

Nizotra tsara ny zava-drehetra hatramin’ ny faha-12 taonako. Teo am-pilaharana aho indray tolakandro no nahatsikaritra fa ny vidin’ ny tapakila ho an’ ny 12 taona dia 35 cents, ary midika izany hoe mihena roa ny vatomamy ho azoko. Koa satria tsy mbola vonona tsara aho ny hanao izany fahafoizan-tena izany, dia hoy aho tamin’ ny tenako, “Mitovy amin’ ny endrikao tamin’ ny herinandro ihany ny endrikao izao.” Koa dia nandroso aho ary nangataka tapakila 25 cents. Tsy niahiahy akory na dia kely aza ilay mpandray vola. Ary dia vatomamy dimy toy ny mahazatra no novidiako fa tsy telo fotsiny.

Faly loatra tamin’ ny zavatra vitako aho, ka nony avy teo dia nody faingana ho any an-trano mba hilaza amin’ ny dadako izany tombony goavana azoko izany. Raha nilaza taminy ny antsipiriany aho, dia tsy niteny na inona na inona izy. Rehefa tapitra ny teniko, dia nijery ahy fotsiny izy ary niteny hoe: “Anaka, dia hatakalonao vola 5 cents ve ny fanahinao?” Nampanenina ilay foko izay vao 12 taona ireo teny izay nataony ireo. Ary lasa lesona izay tsy adinoko mihitsy izany hatramin’ izao.

Taona maro taty aoriana dia izaho indray no nametraka an’ io fanontaniana io ihany tamin’ ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray izay somary nalaindaina. Lehilahy nahafinaritra izy io, izay tena tia ny fianakaviany. Saingy tsy nandeha tany am-piangonana izy efa ho taona maro izay. Nanan-janaka lahy iray manan-talenta izy, izay mpilalao fanatanjahan-tena tao anaty ekipa iray matihanina mitetitety faritra ary manao fanazaran-tena sy milalao amin’ ny andro Alahady. Io ekipa io dia efa nandresy im-betsaka tamin’ ny fiadiana ho tompon-daka avo lenta. Rehefa nihaona izahay dia nampahatsiahiviko azy fa amin’ ny maha-mpihazona fisoronana azy dia nampanantenaina izy fa raha milofo amin’ ny fianianany sy ny fanekempihavanany dia handray “izay rehetra ananan’ ny Rain[tsika].”2 Avy eo dia nanontaniako izy hoe: “Moa ve ny fiadiana ho tompon-daka nasionaly dia mahaleo ny zava-drehetra ananan’ ny Ray?” Namaly moramora izy hoe: “Azoko ny tianao hambara” ary avy eo dia namandrika fotoana hihaonana tamin’ ny evekany izy.

Ankehitriny dia toa mora tokoa ny ho voasarika ho tafiditra lalina amin’ ireo zavatra araka izao tontolo izao izay lazaina amintsika fa tsara—na dia eo aza ireo faniriana tsara ananantsika. Izao tontolo izao dia manery antsika “[hibanjina] ny any ivelan’ ny tanjona.”3 Nisy olona iray nanontany ahy vao tsy ela akory hoe: “Mampaninona moa izay misotro indray mandeha fotsiny?” Moa ve hitanao fa fanontanian’ ny fahavalo izany? I Kaina dia nanontany hoe: “Iza moa ny Tompo no tokony hahafantatra azy aho?”4 ary avy eo dia namery ny fanahiny izy. Rehefa manamarin-tena isika noho ny fahavitana fahotana madinika dia mandresy i Satana. Fizokiana sy lova no natakalo ronono iray tavoahangy,5 na anarana diso tsipelina,6 na voanemba masaka.7

Rehefa dinihantsika ireo fifanakalozana kely na lehibe izay maha-voan’ ny fakam-panahy antsika eo amin’ ny fiainantsika, ny azontsika atao dia na manamarin-tena amin’ ny zavatra ataontsika, toa an’ i Kaina, na mikatsaka ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny fanontaniana tokony hoeritreretintsika dia tsy hoe moa ve isika manao zavatra izay ilaina ahitsy, satria efa manao zavatra ohatr’ izany foana. Fa ny fanontaniana dia ny hoe moa ve isika “hihemotra” sa “hamita” ny asa izay takian’ ny Tompo mba hataontsika?8

Tian’ ny Tompo ny fahamarinantsika nefa angatahiny amintsika kosa ny hibebaka sy hankatò tsy an-kiato. Ao amin’ ny Baiboly no ahitantsika fa tovolahy iray mpanankarena sy mpitandrina ny didy no nandohalika teo anoloan’ ny Mpamonjy ary nanontany Azy izay tokony hataony mba hananany ny fiainana mandrakizay. Nihodina tamin’ alahelo izy raha niteny ny Mpamonjy nanao hoe: “Diso zavatra iray loha ianao: … amidio izay rehetra anananao.”9

Kanefa dia lehilahy iray hafa mpanankarena ihany koa saingy olon’ izao tontolo izao, dia ny lehiben’ ny mpanjaka Lamanita, rain’ i Lamônia, no nametraka fanontaniana mitovy amin’ izany mikasika ny fiainana mandrakizay nanao hoe: “Inona no ataoko mba ho azo aterak’ Andriamanitra aho, rehefa ongotana hiala ato an-tratrako izao faharatsiam-panahy izao ka handraisako ny Fanahiny[?] … Hafoiko ny fanjakako mba hahazoako mandray izany fifaliana lehibe izany.”10

Tsaroanao ve ny valiny nomen’ ny Tompo ny mpanjaka tamin’ ny alalan’ i Aharôna Mpanompony? “Raha mibebaka amin’ ny fahotanao rehetra ianao, ary miankohoka eo anoloan’ Andriamanitra sy miantso ny anarany amim-pinoana sady mino fa ianao dia handray, amin’ izany dia handray ny fanantenana izay irinao ianao.”11

Rehefa nahatakatra ireo teny mitaky fahafoizan-tena ireo ny mpanjaka dia nanetry ny tenany ary nandohalika sy nivavaka nanao hoe: “Andriamanitra ô, … hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako anao.”12

Izao no takalo izay angatahin’ ny Mpamonjy amintsika: tokony hahafoy ny fahotantsika rehetra isika na bitika na goavana, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay izay valisoa avy amin’ ny Ray. Tokony hadinointsika ireo tantara fialan-tsiny, ireo fanazavana, ireo tetik’ ady fiarovan-tena, ireo fanemorana, ireo endrika ivelany, sy ny fireharehan’ ny tena manokana, ary ny fitsaratsarana ny hafa any an-tsaina, ary ny fanaovana ireo zavatra amin’ ny fomba itiavantsika azy. Tokony mampihataka ny tenantsika amin’ ny fomban’ izao tontolo izao isika ka mandray ny endrik’ Andriamanitra eo amin’ ny tarehintsika.13

Ry rahalahy sy anabavy isany, tokony ho tsaroantsika fa io zavatra nampandraiketina io dia mihoatra noho ny tsy fanaovana zavatra ratsy fotsiny. Koa satria miasa mafy ny fahavalontsika, dia tokony hiasa ihany koa isika fa tsy hitoetra ao amin’ ny “toetry ny fahadontoana.”14 Ny dikan’ ny hoe fandraisana ny endrik’ Andriamanitra dia hoe fifanompoan’ ny tsirairay. Misy ireo fahotana noho ny zavatra tsy mety ataontsika, ary misy koa ireo fahotana noho ny zavatra izay tsy ataontsika kanefa tokony hataontsika, ary tokony samy hialantsika ireo roa ireo.

Nandritra ny naha-filohan’ ny misiôna ahy tany Afrika, dia nampianarina an’ io fahamarinana lehibe io foana aho. Teny an-dàlana hamonjy fivoriana aho no nahita zazalahy iray manirery izay nidradradradra nitomany tery an-tsisin-dàlana. Nisy teny avy tao anatiko niteny hoe: “Mijanòna ary ampio io zazalahy io.” Haingana tahaka ny nandrenesako io feo io ihany koa ary tsy nisy iray segondra no nitadiavako fialan-tsiny tao an-tsaiko hoe: “Tsy afaka mijanona ianao. Ho tara ianao. Ianao no manam-pahefana mpiahy ka tsy tokony ho tara.”

Rehefa tonga tany amin’ ny trano fivoriana aho dia naheno ilay feo teo ihany izay niteny indray hoe: “Mandehana manampy ilay zazalahy.” Ka dia nomeko ny mpikambana iray tato amin’ ny Fiangonana antsoina hoe Afasi ny fanalahidin’ ny fiarako ary niangaviako izy mba hitondra ilay zazalahy ho aty amiko. Afaka 20 minitra taty aoriana dia nahare kapoka kely teo an-tsoroko aho. Efa tao ivelany ilay zazalahy kely.

Teo ho eo amin’ ny 10 taona teo izy. Fantatray teo fa efa maty ny rainy, ary ny reniny dia tany am-ponja. Tany amin’ ireo faritra mahantra any Accra no nipetraka izy, tao amin’ ny mpikarakara iray izay nanome sakafo sy toerana hatoriana ho azy. Mba hahafahany mahazo izany dia nila nivarotra trondro maina teny an-dalàna izy. Kanefa taorian’ io andro niantsoantsoana mpividy io, dia nisava ny paosiny izy ary nahita fa nisy loaka izany. Very avokoa ny vola rehetra azony. Fantatray sy i Afasi avy hatrany fa raha toa ka niverina nody tsy nitondra vola izy, dia ho lazaina fa mpandainga, ary mety ho nokapohina mihitsy aza, ary avy eo dia horoahina ho eny amin’ ny arabe. Tao anatin’ io fotoana nahaheniky ny tahotra sy tebiteby azy io no nahitako azy voalohany. Nampitonianay ny tahotra izay nananany, nomenay vola izy mba hanoloana ireo vola izay very ary nentinay niverina hody any amin’ ilay mpikarakara azy izy.

Rehefa teny an-dalana hody aho ny harivan’ iny, dia tonga saina noho ny fahamarinana roa lehibe. Ny voalohany dia nahafantatra aho, mihoatra noho ny teo aloha fa mahatsiaro antsika tsirairay Andriamanitra ary tsy mba handao antsika na oviana na oviana; ary ny faharoa dia nahafantatra aho hoe tokony hihaino lalandava ny feon’ ny Fanahy ao anatintsika isika ary mandeha “avy hatrany”15 na aiza na aiza hitarihan’ izany antsika, na dia eo aza ny tahotsika na ny zavatra hafa mety hanakana.

Indray andro ireo mpianatra dia nanontany ny Mpamonjy ny amin’ izay lehibe indrindra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra. Noteneniny izy ireo mba hiova, sy hanetry tena, ary hankatò tahaka ny zazakely. Avy eo dia hoy Izy: “Ny Zanak’ Olona dia tonga mba hamonjy [izay] very.”16 Tamin’ io fehezan-teny iray io fotsiny no namaritany ny asa nanirahana antsika. Isika dia mila manavotra—ireo izay very, sy ireo izay heverina ho farany indrindra, ary ireo izay heverina ho kely indrindra. Tsy ampy ny miala amin’ ny ratsy fotsiny; tsy maintsy “miaritra ny hazofijaliany”17 ary “hazoto hirotsaka,”18 hanampy ireo hafa amin’ ny fiovam-po. Tokony hotsenaintsika amim-pangorahana sy am-pitiavana ilay zanaka adala,19 tokony hovaliantsika ny tomanin’ ireo kamboty sy ny ratran’ ireo izay ao anatin’ ny haizina sy ny fahakiviana.20 ary ny antson’ ireo fianakaviana mila vonjy. “Tsy ilain’ i Satana ho lasa toa an’ i Kaina sy Jodasy avokoa ny olon-drehetra. … ” hoy ny Loholona Neal A. Maxwell. “Ampy azy ny manao izay ahatonga … ireo olona mahavita azy mba hihevitra ny tenany ho sady tsy ho an’ ny atsy no tsy an’ ny aroa.”21

Taorian’ ny fihaonamben’ ny tsatòka iray vao haingana dia nisy zatovolahy iray nanatona ahy ary nanontany hoe: “Moa tia ahy ve Andriamanitra?” Enga anie ny fiainantsika feno fanompoana haneho fa tsy manadino na iza na iza Andriamanitra.

Ho an’ ilay fanontaniana hoe: “Inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?” dia tian’ i Satana isika mba hivarotra ny fiainantsika ho takalon’ ny vatomamy sy ny fiadiana ho tompon-daka eto amin’ ity izao tontolo izao ity. Miantso antsika nefa ny Mpamonjy, ary tsy manolotra valisoa araka izao tontolo izao, mba hanakalozantsika ny fahotantsika, sy mba hakantsika eo amintsika ny Endriny, ary mba hanampiantsika ireo izay azontsika taomina mba hanao toy izany ihany koa. Avy amin’ izany no ahafahantsika mahazo izay rehetra ananan’ Andriamanitra, dia izay nolazaina tamintsika fa mihoatra noho ny rakitsoan’ ny tany.22 Azonao sary an-tsaina ve izany?

Tamin’ ny diako vao tsy ela tany Nicaragua, dia nahatsikaritra takelaka iray aho tao amin’ ny trano iray tsotsotra izay an’ ny fianakaviana iray novangianay. Toy izao no voasoratra tamin’ izany, “Ny fijoroako ho vavolombelona no fananana sarobidy indrindra ananako.” Mitovy hevitra amin’ izany koa aho. Ny fijoroako ho vavolombelona no harenan’ ny fanahiko, ary amin’ ny fahamarinana avy ao am-poko no hametrahako aminareo ny fijoroako ho vavolombelona fa ity fiangonana ity no Fiangonana marina izay an’ Andriamanitra, ary ny Mpamonjy antsika no mijoro eo amin’ ny lohany sy mitarika azy amin’ ny alalan’ ireo mpaminany nofinidiny. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar las referencias

  1.  

    1.  Matio 16:26.

  2.  

    2.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38.

  3.  

    3.  Jakôba 4:14 ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna.

  4.  

    4.  Mosesy 5:16.

  5.  

    5. Ny ronono iray tavoahangy sy ny erotra (izay matavy tsara) no fototry ny disadisa teo amin’ ny vadin’ i Thomas B. Marsh sy Ramatoa Harris, izay nifanaiky fa hifanambatra vokatra mba hanaovana frômazy. Rehefa hitan’ i Ramatoa Harris fa Ramatoa Marsh dia tsy nanao ny ero-dronono tao anatin’ ny ronono fa nitazona izany ho azy samirery, dia nimenomenona izy ary dia niady ireo vehivavy ireo. Nakarin’ i Thomas Marsh tany amin’ ny eveka ny raharaha, ary ny eveka dia niandany tamin-dramatoa Harris. Rehefa niainga avy tany amin’ ny eveka izany ilay raharaha dia nandalo tany amin’ ny filan-kevitra avo, ary teo amin’ ny Fiadidiana Voalohany, ireo rehetra ireo dia samy niombon-kevitra ny amin’ ny fahadisoan-dramatoa Marsh. Nahatonga fifandrafiana teo amin’ i Thomas Marsh sy ireo Rahalahy izany. Fotoana fohy taorian’ izany dia nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ ny mpitsara tao Missouri i Thomas Marsh fa ireo Môrmôna dia manohitra ny fanjakan’ i Missouri. (Jereo ny Geroge A. Smith, “Discourses,” Deseret News, 16 Apr. 1856, 44.)

  6.  

    6. Rehefa nanolotra antso an’ i Simonds Ryder ny Mpaminany Joseph Smith mba hanao asa fanompoana dia nahita i Ryder fa ny anarany dia voasoratra hoe “Rider” tao amin’ ny fanambarana voarakitra. Tafintohina izy, ary izany no nitarika azy tamin’ ny apôstazia, ary taty aoriana dia lasa nitarika azy handray anjara tamin’ ny fanosorana tara sy volon’ akoho tamin’ ny mpaminany. Tsy nahafantatra i Ryder fa i Joseph Smith mazàna dia manonona ireo fanambarana amin’ ireo mpitan-tsoratra ary tsy nanana anjara tamin’ ny tsipelina. (Jereo ny Milton V. Backman Jr., The Heavens Resound: A History of the Latter-day Saints in Ohio, 1830–1838 [1983], 93–94; Donald Q. Cannon sy Lyndon W. Cook, eds., Far West Record: Minutes of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 1830–1844 [1983], 286.)

  7.  

    7. Ao amin’ ny Genesisy toko faha-25, no hianarantsika fa Esao dia nivarotra ny fizokiany tamin’ i Jakôba mba hahazoana “mofo sy voanemba masaka” (andininy faha 34).

  8.  

    8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19.

  9.  

    9. Jereo ny Marka 10:21–22.

  10.  

    10.  Almà 22:15.

  11.  

    11.  Almà 22:16.

  12.  

    12.  Almà 22:18.

  13.  

    13. Jereo ny Almà 5:14–19.

  14.  

    14.  Almà 60:7.

  15.  

    15.  Marka 1:18.

  16.  

    16.  Matio 18:11.

  17.  

    17.  Jakôba 1:8 ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna.

  18.  

    18.  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27.

  19.  

    19. Jereo ny Lioka 15:11--32.

  20.  

    20. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–16.

  21.  

    21. Neal A. Maxwell, Deposition of a Disciple (1976), 88.

  22.  

    22. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38.