Aiza no Misy ny Lay?

Nataon’ny Filoha Henry B. Eyring

Mpanolotsaina Voalohany Ao amin’ny Fiadidiana Voalohany


Ilay lay izay toa manakana ireo fanampiana avy any amin’Andriamanitra dia tsy mandrakotra an’Andriamanitra saingy mandrakotra antsika kosa indraindray. Tsy miafina na oviana na oviana Andriamanitra, kanefa isika dia miafina indraindray.

Tao anatin’ny fahoriany lalina tao amin’ny fonjan’i Liberty, dia nihiaka i Joseph Smith Mpaminany hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao? Ary aiza no misy ny lay izay mandrakotra ny toerana fiafenanao?”1 Maro amintsika rehefa ao anatin’ny fahorian’ny tenantsika manokana, no mahatsapa fa lavitra antsika Andriamanitra. Ilay lay izay toa manakana ireo fanampiana avy any amin’Andriamanitra dia tsy mandrakotra an’Andriamanitra saingy mandrakotra antsika kosa indraindray. Tsy miafina na oviana na oviana Andriamanitra, kanefa isika dia miafina indraindray, rakotry ny lain’ireo famporisihina izay mitarika antsika hanalavitra an’Andriamanitra ary mahatonga azy ho toa lavitra sy tsy azo atonina. Ny fanirian’ny tenantsika manokana fa tsy ilay fahatsapana hoe: “Hatao anie ny sitraponao,”2 dia miteraka ny fahatsapana fa misy lay manakona an’Andriamanitra. Afaka mahita antsika sy mifandray amintsika foana Andriamanitra, saingy mety tsy vonona ny hihaino na hanaiky ny sitrapony sy ny fotoany isika.

Ny fahatsapantsika ho tafasaraka amin’Andriamanitra dia hihena rehefa mihalasa toy ny zazakely eo anatrehany isika. Tsy mora izany rehefa manana fiantraikany toy izany eo amin’ny fahavononantsika ireo hevitry ny olombelona hafa eto amin’ity tontolo ity. Saingy hanampy antsika hahafantatra ity fahamarinana ity izany, manao hoe: Akaiky antsika sy mahalala ny fisiantsika Andriamanitra ary tsy miafina velively amin’ireo zanany mahatoky.

Ny zafikeliko vavy telo taona dia naneho ny herin’ny tsy fananan-tsiny sy ny fanetren-tena mba hampifandray antsika amin’Andriamanitra. Nandeha niaraka tamin’ny fianakaviany hamonjy ny varavarana misokatra tao amin’ny Tempolin’i Brigham City ao Utah izy. Nijery ny manodidina izy tao amin’ny iray tamin’ireo efitra tao amin’izany trano tsara tarehy izany ary nanontany hoe: “Neny a, aiza i Jesoa?” Nazavain’ny reniny taminy fa tsy hahita an’i Jesoa tao amin’ny tempoly izy, fa ho afaka kosa hahatsapa ny fitaomam-panahiny ao am-pony. Nandray tsara tamim-pitandremana ny valintenin’ny reniny i Eliza ary toa afa-po tamin’izany. Dia nofaranany tamin’ny hoe: “Lasa nandeha nanampy olona hafa i Jesoa.”

Tsy nisy lay nandrakotra ny fahatakaran’i Eliza na nanohintohina ny fahitany ny zava-misy marina. Akaiky azy Andriamanitra, ary nahatsapa ho akaiky an’Andriamanitra izy. Fantany fa tranon’ny Tompo ny tempoly ary nahatakatra ihany koa izy fa i Jesoa Kristy izay nitsangana tamin’ny maty sy feno voninahitra dia manana vatana ary tsy afaka mandeha afa-tsy amin’ny toerana iray ihany amin’ny fotoana iray.3 Raha tsy ao an-tranony Izy, dia fantatr’ilay zafikeliko fa tsy maintsy any amin’ny toeran-kafa. Ary araka izay fantany momba ny Mpamonjy, dia fantany fa tsy maintsy any rehetra any manao soa amin’ny zanaky ny Rainy i Jesoa. Mazava tsara fa nanantena ny hahita an’i Jesoa izy, tsy noho ny fitadiavany porofo mahagaga ny amin’ny fisiany fa satria tia Azy tsotra izao ilay zafikeliko.

Afaka nanambara ny fampiononana izay ilaintsika sy tadiavintsika rehetra tamin’ilay sainy sy fony mbola zazakely ny Fanahy. Velona i Jesoa Kristy, mahafantatra antsika Izy, miahy antsika, ary mikarakara antsika. Tsy mila mahita an’i Jesoa Kristy isika ao anatin’ny fotoan’ny fanaintainana, ny maha irery, na fisavorovoroan-kevitra mba hahafantarantsika fa mahafantatra ny toe-javatra iainantsika Izy, ary mahafantatra ny iraka izay nampanaovina Azy dia ny hitahy.

Fantatro avy tamin’ny zavatra niainako manokana fa ny zavatra niainan’i Eliza dia afaka hiainantsika, na dia aty aoriana lavitry ny nandaozantsika ny fahazazana aza. Nandritra ireo taona voalohany nanombohako niasa, dia niezaka mafy aho mba hahazo asa maharitra mandra-pisotro ronono amin’ny maha-mpampianatra ahy ao amin’ny Oniversite an’i Stanford. Nieritreritra aho fa nanome fiainana tsara ho an’ny tenako sy ho an’ny fianakaviako. Nonina akaikin’ireo ray aman-drenin’ny vadiko teo anivon’ny manodidina maha-te honina izahay. Raha araka ny fenitra eto amin’izao tontolo izao, dia tena nahita fahombiazana aho. Saingy nomen’ny Fiangonana fahafahana handao an’i Californie aho ary handeha tao amin’ny Ricks College ao Rexburg, Idaho. Ireo tanjoko teo amin’ny lafiny arak’asa nandritra ny fiainako dia mety ho lay nampisaraka ahy tamin’ny Ray be fitiavana izay nahalala bebe kokoa mihoatra noho ny tenako izay hoentin’ny hoaviko. Saingy notahiana aho mba hahalala fa na inona na inona fahombiazako teo amin’ny asako sy teo amin’ny fiainam-pianakaviako hatreo amin’izay fotoana izay dia fanomezana avy amin’Andriamanitra. Ary noho izany, dia nandohalika nivavaka toy ny zazakely aho mba hangataka izay tokony nataoko. Afaka nandre feo malefaka tao an-tsaiko aho izay niteny hoe: “Sekoliko ity.” Tsy nisy lay nanasaraka ahy tamin’Andriamanitra. Nampifanarahako tamim-pinoana sy fanetren-tena tamin’ny sitrapony ny ahy, ary nahatsapa ny fiahiany sy ny maha-akaiky Azy aho.

Ireo taona niasako tao Ricks College, izay niezahako hikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra ary ny hanao izany, dia nihazona ny lay tsy handrakotra ahy na hanakantsakana ilay anjara andraikitr’Andriamanitra izay ataony hatrany eo amin’ny fiainako. Rehefa nikatsaka ny hanao ny asany aho, dia nahatsapa ho akaiky Azy sy nahatsapa fahatokian-tena fa fantany ny zavatra iainako ary tena nitsinjo ahy lalina mba hahazoako fifaliana Izy. Koa satria nanana zavatra azo natolotra ny tao Standford, dia nanomboka tonga teo anoloako ireo famporisihana araka izao tontolo izao. Tolotr’asa iray izay tena nahasarika tokoa ny iray, izay natolotra raha vao nahavita ny fahadimy taona naha-filoha ahy tao Ricks College aho. Nieritreritra mikasika ilay tolotr’asa aho sy nivavaka mikasika izany ary nifanakalo hevitra mikasika izany tamin’ny Fiadidiana Voalohany mihitsy aza. Namaly tamim-pitiavana sy tamim-pihomehezana kely izy ireo fa tsy nanome torolalana velively. Nihaino ahy nanazava ilay tolotr’asa voaraiko avy tamin’ny orin’asa goavana iray teo ny Filoha Spencer W. Kimball ary niteny hoe: “Ry Hal a! Toa tena zavatra tsara izany! Ary raha sendra mila anao izahay dia fantatray hoe aiza no ahitanay anao.” Ho fantatr’izy ireo ny toerana ahitana ahy, saingy ireo faniriako mba hahazo fahombiazana teo amin’ny lafiny arak’asa dia nanorina lay izay ho nanasarotra ny fitadiavako an’Andriamanitra sy ho nanasarotra ny fihainoako ary ny fanarahako ireo fanasany.

Rehefa namakafaka izany ny vadiko, dia nanana fahatsapana mahery fa tsy tokony hiala any Ricks College izahay. Dia hoy aho hoe: “Mety tsara amiko izany.” Saingy nisisika mafy niteny tamim-pahendrena izy fa tsy maintsy mahazo ny fanambarana ho ahy manokana aho. Ary noho izany dia nivavaka indray aho. Tamin’izay fotoana izay dia nahazo fanambarana aho, tamin’ny endrika feo tao an-tsaiko izay nilaza hoe: “Mbola avelako hijanona elaela ao Ricks College ianao.” Ny fanirian’ny tenako manokana dia mety nanakorontana ny fahitako ny zava-misy marina ary nanasarotra ny fahazoako fanambarana.

Telopolo andro taorian’ny nitahiana ahy tamin’ny fanapahan-kevitra nentanim-panahy mba handa ilay tolotr’asa ary hijanona tao Ricks College, dia vaky ilay Toho-drano Lehiben’i Teton teo akaiky teo. Fantatr’Andriamanitra fa ho vaky ilay toho-drano ary hila fanampiana ny olona an-jatony maro. Navelany hikatsaka torohevitra sy hahazo alalana avy Aminy hijanonana ao Ricks College aho. Fantany ireo antony rehetra izay mety maha-sarobidy ny hiasako tao amin’ilay sekoly sy tao Rexburg. Ka dia nangataka matetika tamin’ny Ray any an-danitra tamin’ny alalan’ny vavaka aho mba hanirahany ahy hanao ireo zavatra izay hanampy ireo olona izay nanana fananana sy fiainana potika. Nandany ora maro niarahana niasa tamin’ireo maro hafa aho nanaisotra ny fotaka sy rano tamin’ireo trano. Ny faniriako te-hahafantatra sy hanao ny sitrapony dia nanome ahy fahafahana hivelatra ara-panahy.

Maneho fomba iray hafa izay ahafahantsika mametraka sakana amin’ny fahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra na ny fahatsapana ny fitiavany antsika izany zava-nitranga izany: tsy afaka misisika hanaraka ny fandaharam-potoan tsika isika rehefa manana ny Azy manokana ny Tompo. Nieritreritra aho fa efa ampy ny fotoana niasako tao Rexburg ka maika ny hifindra aho. Indraindray dia manamaizina ny fahitantsika ny sitrapony ho antsika ny fisisihantsika hanao zavatra araka ny fandaharam-potoantsika.

Nangataka ny hamaizan’ny Tompo ireo izay nanenjika ny mpikamban’ny Fiangonana tao Missouri i Joseph Mpaminany fony izy tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Izany vavaka izany dia nataony mba hangatahana kapoka azo antoka fa hisy ary eo noho eo. Saingy namaly ny Tompo fa “tsy [ho ao anatin’ny] taona maro,”4 no hamaliany ireo fahavalon’ny Fiangonana. Hoy izy ao amin’ny andininy faha-24 sy faha-25 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha-121:

“Indro, mahita sy mahalala ny asany rehetra ny masoko, ary efa notehiriziko ho azy rehetra ny famaliana faingana amin’ny fotoany;

“Fa efa voatendry ny fotoana ho an’ny olona tsirairay, araka ny asany avy.”5

Manaisotra ny lay isika rehefa mahatsapa sy mivavaka hoe: “Atao anie ny sitraponao” sy “amin’ny fotoanao.” Tokony ho haingana tokoa amintsika ny fotoany satria fantatsika fa ny tsara indrindra ihany no tiany ho azontsika.

Nandany taona maro ny iray tamin’ireo vinanto vaviko nahatsapana fa nametraka lay nandrakofana azy Andriamanitra. Izy dia reny tanora nanan-janaka telo kanefa mbola naniry zanaka hafa. Taorian’ny fahafahan-jaza in-droa, dia nanjary lasa alahelo be ilay vavaka fitalahoany. Raha mbola niampy ireo taona tsy nahazoany zaza dia nahatsapa ho nalaim-panahy ho tezitra izy. Rehefa niditra nianatra ilay zanany farany indrindra, dia toa naneso ny fifantohany tamin’ny maha-reny azy ny fahabangana tao an-tranony ary torak’izay ihany koa ireo fitondrana vohoka tsy noheverina ary tsy nilain’ireo olom-pantany mihitsy aza. Nahatsapa ho nanolo-tena sy nanokan-tena toa an’i Maria izy, izay nilaza hoe: “Inty ny ankizivavin’ny Tompo.”6 Fa saingy na niteny ireo teny ireo tao am-pony aza izy, dia tsy nahare na inona na inona ho valin’izany.

Tamin’ny fanantenana hampitraka ny fanahiny no nanasan’ny vadiny ilay vinantovaviko handeha hanao dia eo amin’ny lafin’ny asa miaraka aminy ho any Californie. Rehefa nanatrika fivoriana ilay zanako lahy, dia nandehandeha nanaraka ilay morontsiraka tsara tarehy sy tsy nisy na inona na inona izy. Nivavaka tamin’ny feo mafy tamin’ilay fony efa ho tresaka izy. Izay no fotoana voalohany indrindra tsy nangatahany zaza iray hafa, fa nangatahany tanjona masina iray. “Ray any an-danitra ô!” hoy izy nitomany, “Homeko anao ny fotoanako rehetra; ampahafantaro ahy ny fomba hampiasako izany.” Naneho ny fahavononany hitondra ny fianakaviany na aiza na aiza hangatahana mba handehanan’izy ireo izy. Nitondra fahatsapana feno fiadanana tsy nampoizina izany vavaka izany. Tsy hisalasalana fa tsy nanome fahafaham-po ny fanirian’ny sainy izany, saingy izay no fotoana voalohany indrindra tao anatin’ireo taona maro nampitonian’ilay vavaka ny fony.

Nanaisotra ny lay ilay vavaka ary nanokatra ny varavarankelin’ny lanitra. Tao anatin’ny roa herinandro dia nahafantatra izy fa nanan’anaka. Vao feno herin-taona monja ilay zazakely vaovao raha naharay antso handeha hanao iraka ny zanako lahy sy ny vinanto vaviko. Noho izy nampanantena ny handeha ary hanao ny zava-drehetra na aiza na aiza, dia nanala ny tahotra tao anatiny ilay vinantovaviko ary nitondra ny zanany tany am-pitan-dranomasina. Nahazo zaza iray hafa izy tany amin’ny sahan’ny misiôna, nandritra ny andro iray famindrana toerana ny misiônera.

Ny fanoloran-tena tanteraka amin’ny sitrapon’ny lanitra, toa izay nataon’ity reny tanora ity, dia tena ilaina amin’ny fanaisorana ireo lay ara-panahy izay apetratsika indraindray eo ambonin’ny lohantsika. Saingy tsy manome antoka izany fa ho azontsika eo no ho eo ny valin’ny vavaka ataontsika.

Toa marina hatrany ny fon’i Abrahama efa hatramin’ny ela talohan’ny nananan’i Saraha an’i Isaka ary talohan’ny nahazoan’izy ireo ny tany nampanantenaina azy. Nanana tanjona hafa hotanterahina mialoha izany ny lanitra. Tsy ny fanorenana ny finoan’i Abrahama sy i Saraha ihany no tafiditra tao anatin’ireo tanjona ireo fa ny fampianarana azy ireo ihany koa ireo fahamarinana mandrakizay izay nozarain’izy ireo tamin’ny hafa teny amin’ny lalan-davitra sy miolikolika nalehan’izy ireo ho any amin’ilay tany nomanina ho azy ireo. Mazàna dia toa an’ny maharitra be ireo fotoana ampiandrasan’ny Tompo, ary maharitra mandritra ny fiainana iray manontolo ny sasany. Saingy natao mandrakariva izy ireny mba hahazoana fitahiana. Tokony tsy ho raisina ho fotoana maha irery sy rakotr’alahelo ary tsy hisian’ny faharetana ny fotoana hiandrasana.

Na dia tsy fotoantsika foana aza ny fotoany, dia afaka mahazo toky isika fa mihazona ny toky nomeny ny Tompo. Ho an’ny sasany aminareo izay mahatsapa fa sarotra atonina izy, dia mijoro ho vavolombelona aho fa ho avy ny andro izay hifanatrehantsika Aminy. Toy ny tsy hisian’ny zavatra manakantsakana ny fijereny antsika ankehitriny, dia tsy hisy na inona na inona hanakantsakana antsika tsy ahita Azy. Hijoro tsirairay eo anatrehany avokoa isika rehetra. Tahaka ilay zafikeliko vavy, dia te-hahita an’i Jesoa Kristy isika amin’izao fotoana izao, saingy ho mahafinaritra kokoa ilay fihaonantsika Aminy izay tena hitranga tokoa eo amin’ny toeram-pitsarana raha manao ho laharana voalohany ireo zavatra izay mahatonga Azy hanana fifandraisana akaiky amintsika isika. Rehefa manompo azy isika, dia tonga tahaka Azy, ary mahatsapa ho akaiky Azy rehefa manakaiky ilay andro izay tsy hisy na inona na inona hanakona antsika tsy hahita.

Azo atao mitohy ny fanatonana an’Andriamanitra. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Avia hianareo izay notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao.”7 Ary avy eo dia niteny tamintsika Izy hoe amin’ny fomba ahoana:

“Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta aho, dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;

“Tsy nanan-kitafy [Aho], dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo.

“Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina? Na nangetaheta ka nampisotroinay?

“Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay; na tsy nanankitafy ka notafianay?

“Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?

“Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”8

Rehefa manao izay tiany ho ataontsika ho an’ny zanaky ny Rainy isika, dia raisin’ny Tompo ho hatsaram-panahy atao Aminy izany, ary hahatsapa ho akaiky kokoa Azy isika rehefa mahatsapa ny fitiavany sy ny fankasitrahany. Ho tonga tahaka Azy isika rehefa mandeha ny fotoana ary hieritreritra ny Andron’ny Fitsarana amin-kafaliana sy fanantenana.

Ilay lay izay toa nanafina anareo tsy ho hitan’Andriamanitra dia mety ho ny tahotra noho ny olona, fa tsy ilay faniriana hanompo ny hafa. Ny hany fanirian’ny Tompo dia ny hanampy ny olona. Maro aminareo, tahaka ahy koa, no nahatsapa tahotra tamin’ny fanatonana olona iray izay tohina noho ianareo na nandratra ny fonareo. Na izany aza anefa dia efa nahita ny Tompo nanalefaka fo maro im-betsaka aho, ao anatin’izany ny ahy. Noho izany dia mametraka fanamby ho anareo aho ny handeha any amin’ny olona iray ho an’ny Tompo, na dia eo aza ny tahotra izay mety hanananareo, mba hanolotra fitiavana sy fahaizana mamela heloka. Mampanantena anareo aho fa rehefa manao izany ianareo, dia hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy an’izany olona izany sy ny fitiavany anareo, ary tsy ho toy ny hoe tonga avy lavitra be izany. Ho anareo, dia mety ho ao amin’ny fianakaviana no hisy izany fanamby izany, mety ho eo anivon’ny fiaraha-monina iray na mety ho manerana ny firenena iray.

Saingy rehefa mandeha ho an’ny Tompo ianareo mba hitahy ny hafa, dia hahatsikaritra sy hamaly soa izany Izy. Raha manao izany matetika na maharitra araka ny tokony ho izy ianareo, dia hahatsapa fiovana eo amin’ny toetranareo manokana, avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tsy hahatsapa ho akaiky Azy fotsiny ianareo, fa hahatsapa bebe kokoa ihany koa fa mihalasa tahaka Azy. Ary aorian’izay, rehefa mahita Azy ianareo, izay ho hitantsika rehetra, dia ho toy ny nahitan’i Môrônia izany no hahitanao azy ihany koa rehefa niteny izy hoe: “Ary ankehitriny aho dia manao veloma anareo rehetra. Handeha tsy ho ela aho hiala sasatra ao am-paradisan’Andriamanitra, ambara-pikamban’ny fanahiko sy ny vatako indray, ka hitondrana ahy mpandresy eny amin’ny habakabaka, hihaona aminareo eo anoloan’ny toeram-pitsarana mahafinaritr’Ilay Jehovah Lehibe, ny Mpitsara Mandrakizain’ny velona sy ny maty. Amena.”9

Raha manompo amim-pinoana, sy amim-panetren-tena, ary amin’ny faniriana hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia mijoro ho vavolombelona aho fa hahafinaritra ny toeram-pitsaran’Ilay Jehovah Lehibe. Hahita Ilay Raintsika be fitiavana sy ny Zanany tahaka ny hahitany antsika amin’izao fotoana izao isika—amin’ny fahatakarana sy fitiavana tonga lafatra. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.