2010–2019
Fantaro Tsara ny Andraikitrareo
Oktobra 2012


Fantaro Tsara ny Andraikitrareo

Tokony ho fantatsika tsara ny andraikitsika ary tokony hanohy amim-pinoana isika rehefa miantehitra amin’ilay herin’ny Sorompanavotana izay mampahery, mampatanjaka sy manome fahafahana hanao zavatra ary manasitrana.

Naniry ny hahafantatra bebe kokoa mikasika an’ireo vehivavy izay nanompo talohako taorian’ny niantsoana ahy ho ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany aho. Variana tamin’ny fampianarana nomen-drahavavy Zina D. Young aho, izay mpanolotsaina voalohany tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany faharoa. Hoy izy hoe: “Ry rahavavy, tokony hahafantatra tsara ny andraikitsika isika.”1 Nisaintsaina mikasika ny teny hoe misaintsaina tsara syandraikitra aho ary nanao fikarohana fanampiny tao amin’ny soratra masina.

Nampianatra an’ireo Olomasina tamin’ny androny i Paoly ao amin’ny Testamenta Vaovao manao hoe:

“Fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky. …

“Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro: koa aoka … hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.”2

Nampianatra ny vahoaka mikasika ireo andraikitra masin’ireo izay miditra manao fanekempihavanana amin’Andriamanitra i Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Ary ankehitriny, satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany ary te-hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany;

“Eny ary te-hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra, ary amin’ny toerana rehetra. …

“Ankehitriny, lazaiko aminareo, raha izany no fanirian’ny fonareo, inona no misakana ny tsy anaovana batisa anareo amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona eo anoloany fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo, fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny mba hahazoany mampidina bebe kokoa ny Fanahiny aminareo?

“Ary ankehitriny nony efa nandre izany teny izany ny vahoaka dia niteha-tànana noho ny fifaliana ary niantso hoe: Izany no fanirian’ny fonay.”3

Nahatonga ahy hieritreritra mikasika ireo “andraikitra” izay tokony ho fantatsika tsara amin’izao androntsika izao ny fanambarana nataon-drahavavy Young sy ireo soratra masina ireo.

Rehefa atao batisa isika dia miditra ao amin’ny fanekempihavanana iray. Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe: “Rehefa manao fanekempihavanana sy mitandrina izany isika dia miala amin’izao tontolo izao ary miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”4

Miova isika. Lasa olona hafa ary manao zavatra amin’ny fomba hafa isika. Lasa hafa ny zavatra henointsika sy vakiantsika ary lazaintsika, ary hafa ny zavatra hanaovantsika satria lasa zanakavavin’Andriamanitra isika izay voafatotra Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.

Mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika rehefa raisina ho mpikambana, izany hoe manana zo hanana ny fitarihana tsy tapaka avy amin’ilay mpikambana iray ao amin’Ny Andriamanitra mba hitarika antsika sy hankahery antsika ary hiaro antsika. Mampitandrina antsika Izy rehefa alaim-panahy hanalavitra an’ireo fanekempihavanantsika isika ary hiverina any amin’izao tontolo izao. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer fa tsy misy na iza na iza amintsika “hanao fahadisoana tena lehibe ka hoe tsy nahazo fampitandremana mialoha tamin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina.”5

Mba hahazoana izany fanomezana izany sy mba hananana ny Fanahy miaraka amintsika dia tsy maintsy mendrika isika sy malina eo amin’ny fanaraha-maso ny toe-pontsika. Moa ve malefaka ny fontsika? Manana fo feno fanetren-tena sy manaiky ampianarina ary feno fitiavana ve isika? Sa ve ilay fontsika lasa nihamafy tsikelikely rehefa navelantsika hanembantsembana antsika amin’ireo bitsika izay azo antoka fa avy amin’ny Fanahy ny sofintsika ireo tabataba maron’izao tontolo izao?

Lasa miova sy mahafantatra tsara an’Andriamanitra ny fontsika rehefa atao batisa isika. Eto amin’ilay diantsika eto an-tany dia mila manontany tsy tapaka ny tenantsika hoe: “Raha efa nandalo fiovam-po [aho], … tsapa[ko] ve izany ankehitriny?”6 Ary raha mbola tsy tsapako izany dia maninona moa raha miezaka ny mahatsapa izany aho?

Maro tamin’ireo Olomasina tany am-piandohana no “nahatsapa fiovana mahery vaika tao am-po[ny].”7 Nanomana azy ireo handray ireo fitahian’ny tempoly mba hampatanjaka azy ireo eo amin’ny andraikiny izany. Ireo Olomasina fahiny tany Nauvoo dia nandeha “tany amin’ny tempoly andro aman’alina”8 mba handray ireo ôrdônansy sy hanao ireo fanekempihavanana alohan’ny nanombohany ny diany nankany andrefana.

Nilaza an’izao i Sarah Rich, izay rahavavy iray tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana tany Nauvoo: “Nandray fitahiana maro izahay tao amin’ny tranon’ny Tompo, izay nitondra fifaliana sy fampaherezana ho anay tao anatin’ireo fahorianay rehetra ary nanome fahafahana anay mba hanana finoana an’Andriamanitra, noho ny fahafantarana fa hitarika sy hanohana anay Izy mandritra ilay dia any amin’ny tany tsy fantatra iray izay miandry anay.”9

Nifoha mba handray andraikitra izy ireo niaraka tamin’ilay fo niova tamin’ny alalan’ny finoana ny Mpamonjy sy ny fianteherana tamin’ilay herin’ny Sorompanavotany. Fantatr’izy ireo lalina tao am-pony fa nisy olona iray—ny Mpamonjy—izay nahatakatra ny fahorian’izy ireo manokana satria nozakainy ho azy ireo izany tao amin’ny Sahan’i Getsemane ary teo amin’ny hazo fijaliana. Tsapany ny tahotr’izy ireo, ny ahiahin’izy ireo, ny fanaintainan’izy ireo ary ny fahatsapan’izy ireo ho irery. Nozakainy ny fahoriana, ny fanenjehana, ny hanoanana, ny harerahana nianjady tamin’izy ireo ary ny famoizana olon-tiana. Ary satria nizaka ireo zavatra rehetra ireo Izy dia afaka niteny tamin’izy ireo hoe: “Mankanesa atỳ Amiko izay mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”10

Dia tonga izy ireo. Natoky sy nanaraka ny mpaminany izy ireo. Fantatr’izy ireo fa ho lava ny dia ary ho sarotra ny andraikiny. Fantatr’izy ireo fa hitaky fahafoizan-tena izany, saingy voaomana ara-panahy izy ireo rehefa notohanan’ny finoany sy nifikitra tamin’ireo fanekempihavanany.

Nanoratra hafatra teo amin’ny efitranon’ny mpivory tao amin’ilay tempoly izay noterena mba hilaozan’izy ireo ny andian’Olomasina iray talohan’ny nandaozana an’i Nauvoo. Mivaky toy izao izany: “Nahita ny fahafoizan-tenanay ny Tompo: avia manaraha anay.”11

Vao haingana aho no nandray anjara tamin’ny fanaovana dian’ny mpisava lalana niaraka tamin’ny zatovolahy sy zatovovavy tao amin’ny paroasiko. Nanontany tena aho isa-maraina hoe: “Inona no zavatra tokony hataoko hanehoako fahafoizan-tena? Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatra nasehon’izy ireo?”

Ny andro faharoan’ilay dia, dia nitarika an’ireo saretinay tao anatin’ny 13 km izahay ary tonga teo amin’ny toerana iray tao anatin’ilay lalana aleha izay nantsoina hoe “the women’s pull.” Nosarahana ny lehilahy sy ny vehivavy ary nasaina nandeha aloha niakatra ilay havoana ireo lehilahy. Rehefa nanomboka nitarika ireo saretinay izahay dia nitraka nijery ireo rahalahy mpihazona ny fisoronana, tanora sy efa lehibe, nilahatra tamin’ny sisiny roan’ny lalana ary nanala satroka ho mari-panajana an’ireo vehivavy.

Mora ny nandeha tamin’ilay lalana tamin’ny voalohany saingy vetivety dia tafiditra tao anaty fasika lalina izahay ary lasa nideza be ilay havoana. Nanondrika ny lohako sy teo am-panosehana faran’izay heriko aho rehefa nahatsapa fa nisy nisintona ilay sarety, dia nitraka aho ary nahita an’i Lexi, iray amin’ireo zatovovavinay sy mpifanolobodirindrina amiko. Efa nahasintona ny saretiny hatreny amin’ny tampony izy ary rehefa nahita ny filanay fanampiana dia nihazakazaka niverina. Rehefa tonga teny amin’ny tampony izahay dia naniry mafy aho ny hiverina hihazakazaka hanampy ireo izay nanaraka ahy, saingy sempotra be aho ary nidobodoboka be ny foko ka tonga tao an-tsaiko nihoatra ny indray mandeha ny teny hoe aretim-po! Nijery tamim-pankasitrahana an’ireo zatovovavy aho izay nametraka ny saretiny ary nihazakazaka nanampy.

Naka fotoana vitsivitsy izahay mba hiraketana ireo zavatra tsapanay tao amin’ny diarinay rehefa tonga teny amin’ny tampony daholo ny rehetra. Nanoratra aho hoe: “Tsy niomana tsara ara-batana aho ka tsy nanana tanjaka hanampiana ireo izay nanaraka ahy. Mety tsy mila mamerina mitarika sarety intsony aho, saingy tsy ho avelako halemy ara-panahy velively ny rahavaviko, tsia!”

Izany zavatra masina niainako izany dia nampifoha ahy ara-panahy amin’ireo andraikitro eo anatrehan’ny fianakaviako sy ny hafa. Nieritreritra ny zavatra nianarako aho nandritra ny dianay.

Voalohany, nieritreritra an’ireo rahavavy izay nisintona irery ny saretiny aho ary mbola manohy izany ankehitriny. Saika ny 20 isan-jato teo ho eo tamin’ireo vehivavy tao amin’izany vondron-tsarety tany am-piandohana izany dia irery, na farafahakeliny teny amin’ny ampahan-dalana sasany. Ireo vehivavy ireo dia tsy nanambady ny sasany, na reny tokan-tena sy maty vady. Maro no reny tokan-tena.12 Samy niaraka niasa izy ireo—zanakavavin’ny fanekempihavanana, tanora sy lehibe izay samy manana ny toe-javatra iainany ary iray lalana sy iray tanjona.

Ireo izay nihazakazaka nanampy ny rahavaviny sahirana dia nampahatsiaro ahy ireo mpanavotra, izay hita sy tsy hita maso, izay mailaka mandinin-javatra, dia mahita filana fanampiana ary mandeha manampy.

Nieritreritra an’ity tenin’ny Tompo ity aho: “Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.”13

Lehilahy mahatoky sy mpankatò ary nitandrina ny fanekempihavanany no nilahatra tamin’ny sisiny roan’ilay lalana. Ilay herin’ny fisoronany—izay hery ampiasain’Andriamanitra hitahiana ny zanany rehetra—dia nanentana ny fanahinay sy nampatanjaka anay ary nanohana anay. Mpampahatsiahy izy ireo fa tsy irery velively isika. Afaka manana izany hery izany miaraka amintsika foana isika rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika.

Nieritreritra an’ireo lehilahy izay nisaraka tamin’ny fianakaviana nandritra ilay dia aho, ka namela azy ireo hitarika irery an’ilay sarety. Maro ireo lehilahy no maty nandritra ilay dia. Ny zanany lahy sasany nandeha nitory ny filazantsara tany amin’ny toerana niaviany. Ny sasany nandeha nifindra monina mialoha mba hanomana ny fahatongavan’ny fianakaviany any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Nisy lehilahy sasany tsy teo noho ny safidiny satria nisafidy ny tsy hitandrina ny fanekempihavanany izy ireo.

Maro ankehitriny, toy ireo izay efa nialoha lalana, no miaina ao anatin’ny toe-javatra izay tsy tena tsara. Manohy mampianatra sy miezaka ny manatratra ilay tena tsara isika noho ny fahafantarantsika fa ny fiezahana tsy tapaka dia hampivoatra antsika eny amin’ilay lalana ary hanomana antsika amin’ireo zava-mahasoa dia ny handray ireo fitahiana nampanantenaina rehefa “miandry an’i Jehovah.”14

Samy efa nandalo fitsapana isika tsirairay teo amin’ny fiainantsika ary mbola handalo an’izany ihany. Fotoam-pisedrana ny fiainana eto an-tany ary hanohy hanana fahafahana hampiasa ny fahafahantsika misafidy ny zavatra hianarantsika avy amin’ilay fitsapana izay azo antoka fa ho avy isika.

Amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra antsika, dia manohy amim-pinoana ilay lalana isika satria manaiky ny zavatra nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Mendrika ny hanaovana ny fahafoizan-tena sy ny ezaka rehetra ireo ôrdônansin’ny famonjena raisina any amin’ny tempoly izay ahafahantsika miverina any amin’ny Raintsika any an-danitra indray andro any ao anatin’ny fianakaviana miaraka mandrakizay ary ahafahantsika mahazo fitahiana sy hery avy any ambony.”15

Tsy ampy ny hoe manao ilay dia fotsiny. Tokony ho fantatsika tsara ny andraikitsika ary tokony hanohy amim-pinoana isika rehefa miantehitra amin’ilay herin’ny Sorompanavotana izay mampahery, mampatanjaka sy manome fahafahana hanao zavatra ary manasitrana.

Ry rahavavy! Tiako ianareo. Tsy fantatro manokana ny ankamaroanareo, kanefa tena fantatro hoe iza ianareo! Zanakavavy mitandrina ny fanekempihavanana ao amin’ny fanjakany isika ary vonona ny hanao ny andraikitsika isika rehefa nomena hery amin’ny alalan’ireo fanekempihavanantsika.

Ny Fikambanana Ifanampiana dia manomana ny vehivavy amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny famohazana antsika ara-panahy mba hampitombo ny finoana sy fahamarinan’ny tena manokana. Ndeha atombontsika amin’ny tenantsika izany. Ndeha atombontsika any amin’izay misy antsika izany. Ndeha atombontsika androany izany. Rehefa mifoha ara-panahy isika dia afaka manamafy orina tsara kokoa ireo fianakaviana sy tokantrano ary afaka manampy ny hafa.

Asa famonjena ity ary manao izay hahatanteraka izany ilay herin’ny Sorompanavotana izay mampatanjaka sy manome fahafahana hanao zavatra. Fantaro tsara hoe iza ianao. Fantaro tsara ny andraikitrao. Zanakavavin’ny Raintsika any an-danitra isika, izay tia antsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Zina D. Young, ao amin’ny Woman’s Exponent, Ôkt. 15, 1877, 74.

  2. Romana 13:11–12.

  3. Môsià 18:8–11.

  4. Robert D. Hales, “Modesty: Reverence for the Lord,” Liahona, Aog. 2008, 21.

  5. Boyd K. Packer, “How to Survive in Enemy Territory,” Liahona, Ôkt. 2012, 35.

  6. Almà 5:26.

  7. Almà 5:14.

  8. Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 29.

  9. Sarah Rich, ao amin’ny Filles dans mon royaume, 30.

  10. Matio 11:28.

  11. Ao amin’ny Filles dans mon royaume, 30.

  12. Fanadihadiana notarihan’i Jolene S. Allphin, avy ao amin’ireo tantara sy firaketana ao amin’ny Tell My Story, Too, boky nivoaka faha-8 (2012).

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88.

  14. Isaia 40:31.

  15. Thomas S. Monson, “The Holy Temple—a Beacon to the World,” Liahona, Mey 2011, 92.