Fototra azo antoka

Nataon’ny Eveka Dean M. Davies

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Eveka Mpiahy


‘Ndeha isika hanaiky ny fanasan’ny Tompo hanatona Azy. ‘Ndeha isika hanorina ny fiainantsika eo ambony fototra voaro sy azo antoka.

Tamin’ny 17 Oktôbra 1989, rehefa nitondra fiara handeha hody avy niasa iny aho, dia nanatona ny sampanan’ny Lalana Market sy Beale tao San Francisco, Californie. Tamin’izay fotoana izay aho dia nahatsapa fa nihozongozona ny fiara ary nihevitra hoe: “Vaky angamba ny kodiarako iray.” Nahita fiara fitateram-bahoaka tena akaiky ahy aho rehefa nitohy nihozongozona ilay fiara dia hoy aho hoe: “Nodomin’ity fiara fitateram-bahoaka ity aho!” Nihanihozongozona hatrany ilay fiara, dia hoy indray aho hoe: “Vaky angamba ny kodiarako efatra!” Tsy kodiarana vaky na ilay fiara fitateram-bahoaka anefa izany—fa horohoron-tany goavana iray! Nisy onja toy ny onjan-dranomasina mikodiadia teo amin’ny Lalana Market teo amin’ny arabe, raha nijanona teo amin’ny jiro mena aho. Nahita trano birao avo be iray izay nirona havia sy havanana teo anoloako aho, ary nanomboka nianjera ny birikin’ilay trano antitra teo an-kaviako raha nitohy nihorohoro ny tany.

Nitranga tao amin’ny Faritr’i San Francisco Bay tamin’ny 5:04 ora hariva tamin’izay andro izay ilay horohoron-tany Loma Prieta ary namela olona betsaka tokony ho 12.000 ho tsy manan-kialofana.

Niteraka fahasimbana lehibe tao amin’ny Faritr’i San Francisco Bay ilay horohoron-tany, indrindra teo amin’ny tany tsy tsy tsara fototra tao San Francisco sy Oakland. Ny distrikan’i Mariana ao San Francisco dia “naorina teo ambony toerana fanariam-pako izay fifangaroan’ny fasika, fotaka, poti-bato sy poti-biriky, … ary zavatra hafa izay manana tahan’ny rano ambanin’ny tany avo dia avo. Ny ankamaroan’izy ireo dia poti-bato sy poti-biriky navarina tao amin’ny helo-dranomasin’i San Francisco taorian’ny horohoron-tanin’i San Francisco tamin’ny 1906, kanefa ny ankabetsahany dia fasika sy poti-javatra.”1

Nananganana trano fonenana teo amin’ilay toerana fanariam-pako tokony ho tamin’ny 1915. Tamin’ny horohoron-tanin’ny 1989 dia nampianjera trano ireo fotaka, fasika, ary poti-bato na potika biriky izay dibo-drano sy tsy nitambatra tsara naka endrika bainga. Tsy niorina teo ambonin’ny fototra azo antoka ireo trano ireo.

Nisy fiantraikany tamin’ny fiainana maro ny horohoron-tany Loma Prieta tao San Francisco, anisan’izany ny ahy. Ny fandinihana ny zava-nitranga tamin’izany andro izany dia manamafy ato an-tsaiko sy ato am-poko fa mila miorina eo ambonin’ny fototra aza antoka isika mba hahatohitra am-pahombiazana ireo tafiotra, horohoron-tany, ary atambon’ny fiainana.

Nanome fanazavana tsy misy tomika ny amin’ny maha zava-dehibe ny fanorenana ny fiainantsika eo ambony fototra azo antoka, eny dia i Jesoa Kristy izany, ilay mpaminany Nefita Helamàna: “Ary ankehitriny, ry zanako, tsarovy, tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo-maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ny tadio, eny rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12).

Amin’izao fitomboan’ny tempoly maoderina izao dia tandremana tokoa ny momba ny endrika, ny fomba enti-manangana ary ny fampiasana ireo fitaovana fanorenana. Anaovana fanadihadiana lalina ny tany sy ny atimbolantany eo amin’ny toerana hanorenana tempoly. Atao ny fandalinana ny rivotra, orana, ary ny fiovaovana eo amin’ny toetrandro eo amin’ilay faritra mba tsy hahatohitra ny tafiotra sy ny toetrandro mahazatra eo amin’ilay faritra fotsiny ihany ny tempoly voatsangana fa ho voaorina sy napetraka hahatohitra ny horohoron-tany tsy ampoizina, ny rivo-doza, ny tondra-drano ary ireo atambo hafa izay mety hitranga. Nalentika lalina any anaty tany ireo betôns na vỳ mijidina maro any amin’ny ankamaroan’ireo tempoly ho fanohanana ny fototry ny tempoly.

Nanomana drafitra, fitaovana ary loharano hafa, toy ireo mpamorona sy mpanangana amin’izao androntsika izao, hampiasaintsika mba hananganana sy handrafetana ny fiainantsika mba ho azo antoka sy tsy voahozongozona ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany. Ny drafitry ny famonjena, ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana io drafitra io. Maneho sary mazava sy mora takatra momba ny fiandohana sy ny fiafarana, ary ireo dingana ilaina ilay drafitra, miaraka amin’ireo ôrdônansy izay ilain’ny zanak’Andriamanitra tsirairay hiverenana eo anatrehan’Andriamanitra ary hitoetra miaraka Aminy mandrakizay ilay drafitra.

Anisan’ny “rafitry” ny fiainana ny finoana, fibebahana, batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany. Manampy antsika hanangana fitsipika manan-danja izay hampifototra ny fiainantsika amin’ny Sorompanavotan’i Kristy ireny. Mamolavola sy mandrindra ny rafitra mpanohana ny fiainan’ny olona iray ireny. Avy eo, toy ny fananan’ny tempoly “fepetra arahana” izay manome torolalana amin’ny antsipiriany momba ny fomba hananganana sy hampiraisana ireo fitaovana ilaina, dia tonga “fepetra arahana” izay manampy antsika hampiray sy hamatotra miaraka ny rafitry ny fiainana ny fivavahana, famakiana ny soratra masina, fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary fandraisana ireo ôrdônansin’ny fisoronana ilaina.

Zava-dehibe ny fandanjalanjana ny fampiharana ireny fepetra arahana ireny. Ohatra, amin’ny fanamboarana betôn dia fasika, vatokely, ary rano tsara fatra no ampiasaina mba hahazoana tanjaka mafy tsara. Hahatonga ny betôn ho malemy sy tsy hahavita ny tena asany ny fatra diso na fanesorana ny ampahany amin’ireo fitaovana ireo.

Toy izany koa, mety harefo ny tanjaky ny rafitra ara-panahintsika raha toa ka isika ka tsy mandanjalanja tsara ny fiainantsika isan’andro mba hisian’ny vavaka manokana isan’andro isika sy ny fivokisana amin’ny soratra masina, ny fanatanjahana isan-kerinandro amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary fandraisana anjara matetika amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana toy ny ôrdônansin’ny tempoly.

I Paoly dia nilaza izany tamin’izao fomba izao tao anatin’ny taratasy iray ho an’ny Efesiana, izay azontsika ampiharina ao anatin’ilay filana fampivoarana voalanjalanja sy araka ny tokony ho izy ny toetrantsika sy ny fanahintsika: “Ao aminy no hirafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ho an’ny Tompo” (Efesiana 2:21).

Anisan’ireo fitsipika fototra tena lehibe sy manan-danjan’ny finoantsika sy ny toetrantsika ny vavaka. Afaka maneho ny fankasitrahantsika, ny fitiavantsika, ary ny fanolorantenantsika amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka. Afaka manoa ny sitrapontsika amin’ny an’Andriamanitra isika ary vokatr’izany dia mahazo ilay hery ahafahana mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fampianarany isika. Ny vavaka dia lalana tokony ho azontsika arahina hikatsahana ny fitarihana eo amin’ny fiainantsika, eny hatramin’ny fanambarana.

Nampianatra i Almà hoe: “Milà hevitra amin’ny Tompo amin’ny ataonao rehetra, dia hotarihiny ho amin’ny tsara ianao; eny, rehefa mandry ianao amin’ny alina, mandria ao amin’ny Tompo, mba hahazoany miambina anao ao amin’ny torimasonao; ary rehefa miarina ianao amin’ny maraina, aoka ny fonao ho feno fisaorana an’Andriamanitra; ary raha manao ireo zavatra ireo ianao, dia hasandratra ianao amin’ny andro farany” (Almà 37:37).

Tokony ho manan-danja sy mandeha araka ny tokony ho izy toy ny miaina sy misakafo ny fizarana ireo eritreritra, fahatsapana, ary faniriantsika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka matotra sy lalina.

Hampatanjaka ny finoantsika sy ny toetrantsika ny fandalinana ny soratra masina isan’andro. Tokony ho ilaina velombelomina sy hatanjahana, tahaka ny filàntsika sakafo ho an’ny vatantsika ny fanahintsika amin’ny alalan’ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy araka ny voarakitra ao amin’ireo soratr’ireo mpaminany. Nampianatra i Nefia hoe: “Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro, hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy” (2 Nefia 32:3).

Na dia tsara aza ny famakiana ny soratra masina, dia tsy ampy hahatakarana ny fahafenoan’ny halehibe sy halalin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny famakiana izany fotsiny. Hitondra fahendrena sy fahalalana mihoatra ny fahatakarantsika ara-nofo ny fandalinana, fisaintsainana ary fampiharana ny tenin’i Kristy izay ampianarina ao amin’ny soratra masina. Izany dia hampatanjaka ny fanolorantenantsika sy hitondra tahiry ara-panahy hanaovantsika ny tsara indrindra amin’ny trangan-javatra rehetra.

Anisan’ny dingana manan-danja indrindra raisintsika hanatanjahana ny fiainantsika sy hifikirantsika mafy hatrany amin’ny fototra iorenan’ ny Mpamonjy ny fandraisana am-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Manome fahafahana ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra hanana fahafahana hisaintsaina ny fiainany mialoha ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, handinihana ireo asa tokony na tsy tokony hatao izay mila hibebahana, ary avy eo handraisana ny mofo sy ny rano ho tandindon’ny fahatsiarovana ny vatana sy ràn’i Jesoa Kristy, vavolombelona irain’ny Sorompanavotany. Manavao ireo fanekempihavanana, voadio sy voamasina, ary mandray ilay fampanantenana fa hanana ny Fanahy miaraka amintsika mandrakariva isika raha mandray izany am-pamatorana sy am-panetrentena izany. Ny Fanahy dia miasa toy ny lalotra mampifandray izay tsy manamasina fotsiny ihany fa mitondra ny zava-drehetra amin’ny fahatsiarovantsika ary mijoro ho vavolombelona hatrany hatrany ny amin’i Jesoa Kristy. Mampantanjaka ny fifandraisantsika manokana amin’ilay vato fototra, dia amin’i Jesoa Kristy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana.

Nampianatra tamim-pitiavana sy fahazavana ireo fotopampianarana, ireo fitsipika, ary ireo asa ilaina izay hiaro ny fiainantsika sy hampatanjaka ny toetrantsika ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany. Hoy Izy tamin’ny faran’ny Toriteny teo an-tendrombohitra:

“Koa, na zovy na zovy no mandre izao teniko izao sy mampihatra izany dia hohariko amin’ ny lehilahy malina iray izay nanorina ny tranony teo amin’ ny vatolampy—

“Ary nirotsaka ny orana, ary tonga ny riaka, ary nifofofofo ny rivotra ary namely izany trano izany; ary tsy nianjera izany, satria efa niorina teo amin’ ny vatolampy.

“Ary izay rehetra mandre izao teniko izao ary tsy mampihatra izany dia hoharina amin’ ny lehilahy adala [izay] nanorina ny tranony teo amin’ ny fasika—

“Ary nirotsaka ny orana, ary tonga ny riaka, ary nifofofofo ny rivotra ary namely izany trano izany; ary nianjera izany, ary lehibe ny fianjerany” (3 Nefia 14:24–27; jereo ihany koa ny Matio 7:24–27).

Ry rahalahy sy anabavy, tsy misy amintsika hinia hanorina ireo tranontsika, ireo toeram-piasantsika, na ny trano masina fitsaohantsika eo ambony fasika, na poti-bato na potika biriky, na tsy misy drafitra sy fitaovana mifanaraka amin’izany. ‘Ndeha isika hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hanatona Azy. ‘Ndeha isika hanorina ny fiainantsika eo ambony fototra voaro sy azo antoka.

Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena aho fa hampatanjahana isika, hiaina fivoaran’ny tena manokana sy fiovam-po maharitra isika, ho voaomana kokoa hanohitra am-pahombiazana ireo tafiotra sy atambon’ny fiainana isika; hiaina fifaliana sy fahasambarana nampanantenaina isika; ary hanana fahatokiana fa naorina teo ambony fototra azo antoka ny fiainantsika: fototra izay tsy hianjera na rahoviana na rahoviana amin’ny alalan’ny fanankinana ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy sy amin’ny Sorompanavotany amin’ny alalan’ny fanarahana am-pitandremana ny drafiny ho an’ny fahasambarantsika, miaraka amin’izany ny vavaka, fandalinana isan’andro ny soratra masina, ary ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar las referencias

  1.  

    1. Jereo ny “1989 Loma Prieta Earthquake,” wikipedia.org/wiki/1989_Loma_Prieta_earthquake.