Ireo maraina kanto

Nataon’ny Loholona Bruce D. Porter

Ao amin’ny Fitopololahy


Tsy ilaintsika ny matahotra ny amin’ny ho avy, na hisalasala amin’ny fanantenantsika sy ny fahatokiantsika, satria miaraka amintsika Andriamanitra.

Tamin’ny alin’ny Alakamisy tao Jerosalema, dia nihaona tao amin’ny efitrano iray ambony rihana i Jesoa sy ireo mpianany mba hihinana ny Paska. Ireo lehilahy izay niaraka taminy dia tsy nahafantatra fa io sakafo io no ho antsoina indray andro any hoe Fanasana Farany. Raha nahafantatra izany sy ny hevitr’izany izy ireo, dia ho nitomany.

Ny Mpampianatra azy ireo, anefa, dia nahafantatra tsara fa ny fisedrana ao Getsemane sy ao Golgota dia hanomboka tsy ho ela. Tena akaiky ireo fotoana faran’izay sarotra indrindra ao amin’ny tantaran’izao tontolo izao; na izany aza, dia nilaza tamin’izy ireo i Jesoa hoe “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana: nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33).

Amin’izao fotoana izao isika dia miaina amin’ny vanim-potoana feno fisafotofotoana sy tsy azo antoka, vanim-potoana izay nolazain’ny Tompo tamin’i Enoka tamin’ny faminaniana fa ho voamarika amin’ny “andron’ny faharatsiana sy ny famaliana” (Mosesy 7:60). Ireo fahoriana sy ny fotoan-tsarotra dia mety miandry antsika amin’ny ho avy, kanefa isika koa dia manana antony hananana fahatokiana sy fifaliana, satria miaina amin’ny fotoampitantanana farany isika, izay namerenan’Andriamanitra ny Fiangonana sy ny fanjakany ety an-tany mba hanomanana ny fiverenan’ny Zanany.

Indray andro ny Filoha Boyd K. Packer dia niresaka momba ireo zafikeliny sy ny tontolo izay mihafeno korontana iainan’izy ireo. Hoy izy: “Hahita trangan-javatra maro hiseho izy ireo mandritra ny androm-piainany. Ny sasany amin’izy ireny dia mila mampatanjaka ny herim-pony sy mampitombo ny finoany. Saingy raha toa izy ireo mikatsaka ombam-bavaka ny fanampiana sy ny fitarihana, dia homena azy ireo ny hery handresena ny zava-tsarotra.”

Ary nanampy izao izy taty aoriana: “Ny soatoavina ara-pitondrantena izay tokony hianteheran’ny fiaraha-monina iray dia miharatsy amin’ny hafainganam-pandeha izay mitombo hatrany. Na izany aza anefa, tsy manahy ny amin’ny ho avy aho” (“Do Not Fear,” Liahona, Mey 2004, 77, 78).

Ry rahalahy sy anabavy, tsy ilaintsika ny matahotra ny amin’ny ho avy, na hisalasala amin’ny fanantenantsika sy ny fahatokiantsika, satria miaraka amintsika Andriamanitra. Anisan’ny teny fanoroan-kevitra voalohany izay voarakitra nataon’i Jesoa tamin’ireo mpianany izay vao nantsoiny ireto teny roa fitaomana ireto: “Aza matahotra” (Lioka 5:10). Mbola namerina izany torohevitra izany matetika izy nandritra ny asa fanompoany. Ho an’ireo Olomasiny amin’izao androntsika izao dia hoy ny Mpamonjy, “Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo” (F&F 68:6).

Hijoro eo anilan’ny Fiangonany sy ny vahoakany ny Tompo ary hiaro azy ireo mandra-pahatongany. Hisy fandriampahalemana ao Ziona sy ao amin’ireo tsatòkany, satria Izy dia efa niteny hoe: “mba hahatonga ny fiaraha-mivondrona eo amin’ny tanin’i Ziona sy eo amin’ny tsatòkany ho fiarovana, sy ho fialofana amin’ny tafio-drivotra, sy amin’ny fisafoahana rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany” (F&F 115:6).

Ny Fiangonana dia toy ny rindrina fiarovana ho an’ireo mpikambana ao aminy. Na dia manorisory aza ny toe-javatra misy eo amin’izao tontolo izao rehefa mandroso ny fotoana, ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky dia hahita toerana fialofana ao amin’ny tsatòkan’i Ziona. Ny Tompo dia efa nanambara fa ilay vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana dia hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo (jereo ny Daniela 2:31–45; F&F 65:2). Ary tsy misy herin’olombelona afaka misakana azy, satria Andriamanitra no tompon’ity asa ity ary i Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.

Nahita tamin’ny fahitana ny mpaminany Nefia fa amin’ny andro farany ny herin’ny Zanakondrin’Andriamanitra dia hidina amin’ny Olomasina “sy [amin’ny] vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, izay [haely] patrana [amin’ny] lafiny rehetra tamin’ny tany” ary “[hampirongoana] azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’Andriamanitra [amim-boninahitra] lehibe” (1 Nefia 14:14).

Ny tsirairay amintsika, sy ny fianakaviantsika, dia afaka mirongo ho fiadiana ny herin’Andriamanitra ho fiarovana raha toa isika mijanona ho mahatoky amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary mamela ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika. Mety ho tonga ireo fitsapana, mety tsy ho takatsika ny zavatra rehetra izay mitranga amintsika na manodidina antsika. Kanefa ireo Olomasina izay mahatoky ny Tompo amim-panetren-tena sy am-pahanginana dia hahazo fitarihana sy hery manoloana ireo fanamby rehetra izay atrehantsika. Rehefa ny hahafaly Azy no hany faniriantsika, dia hotahiana amin’ny fiadanam-po lalina any anatintsika isika.

Tamin’ny vanim-potoana voalohan’ny Famerenana amin’ny laoniny, dia niatrika fisedrana mahery vaika ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nilaza izao teny izao momba izany fanenjehana taloha izany ny Filoha Brigham Young: “Rehefa voahodidin’ireo mpihetraketraka, manoloana ny fahafatesana sy fandravana izay manambana manodidina ahy, dia tsaroako fa nahatsapa ho faly [sy] tony am-panahy, tahaka ahy amin’izao aho. Mety ho manana endrika manjombona ny ho avy, kanefa tsy nahita fotoana amin’ity Filazantsara ity mihitsy aho izay tsy nahafantarako fa ny vokatra ho azo dia hitondra soa ho an’ny fahamarinana” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 357).

I Paul, izay misiônera niara-niasa tamiko, dia olona izay feno fifaliana hatrany. Fony izy raim-pianakaviana vao herotrerony, dia voan’ny aretina antsoina hoe “sclérose en plaques” izy. Kanefa na dia teo aza ny fotoan-tsarotra izay naterak’izany, dia mbola nanohy nanompo ny hafa am-pifaliana sy am-pivazivaziana ihany izy. Indray andro izy dia niditra tao amin’ny toeram-piasako teo ambonin’ny seza misy kodiarana ary niteny hoe: “Ny fiainam-baovao dia manomboka miaraka amin’ny seza misy kodiarana mandeha môtera!” Tsy ho afaka ato an-tsaiko mihitsy izy, taona vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, mitondra ilay afon’ny Lalao olympika sady mandeha amin’ilay seza misy kodiarana no amporisihan’ny olona an-jatony maro. Toy ilay afo mirehitra lalandava, dia tsy lefin’ny tafiotran’ny fiainana mihitsy ny finoan’i Paul.

Fony aho mpianatra tany amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, dia nipetraka tao amin’ny trano iray niaraka tamin’ny tovolahy avy nanao asa fitoriana maromaro aho. I Bruce, izay mpiray efitrano tamiko, no olona faran’izay manana fomba fijery tsara indrindra amin’ireo olona fantatro. Tsy mbola nahare azy nilaza zavatra ratsy momba ny olona iray na toe-javatra iray mihitsy izahay na indray mande aza, ary tsy maintsy mahazo hery foana ianao rehefa eo izy. Ny fahatokiany dia avy amin’ny finoany ny Mpamonjy sy ny Filazantsarany.

Indray marainan’ny ririnina mangatsiaka izay, nisy namako iray hafa, Tom no anarany, nihazakazaka namakivaky ny oniversite. Vao tamin’ny 7 maraina tamin’izay, ary mbola tsy nisy olona sady maizina teny amin’ny oniversite. Nirotsaka matevina ny ranomandry, sady nisy rivotra nitsoka mahery. “Haratsin’izay andro izany,” hoy i Tom an’eritreritra. Raha nandeha tao anatin’ny haizina sy ny ranomandry izy, dia nahare olona iray nihira.

Araka ny nampoizina, tao anatin’ny tafiotra maherin’ny ranomandry no nipoitra ilay namanay izay mahita lafitsaran-javatra hatrany, dia i Bruce izany. Sady nitsotra nankany amin’ny lanitra ny sandriny, no nihira hira avy amin’ilay comédie musicale vokarin’i Broadway antsoina hoe: Oklahoma izy: “Endrey, kanto ery ny maraina! Endrey, kanto ery ny andro! Tsara ny fahatsapana ananako, ho tsara daholo ny zavatra rehetra androany” (Richard Rodgers sy Oscar Hammerstein II, “Oh, What a Beautiful Mornin’” [1943]).

Nanomboka tamin’izay, dia tonga ho mariky ny finoana sy fanantenana ho ahy ilay feo feno fifaliana izay nihira tao anatin’ny tafiotra mahery. Na dia ao anatin’ny tontolo izay miharatsy hatrany aza isika, amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia afaka mihira am-pifaliana, satria fantatsika fa ny herin’ny lanitra dia miaraka amin’ny vahoakan’ny Fiangonan’Andriamanitra. Afaka mifaly isika amin’ny fahazoana antoka fa maraina kanto no miandry antsika—ny fiantombohan’ny andron’ny arivotaona, izay hiavian’ny Zanak’Andriamanitra avy any atsinanana sy hanjakany izy tenany ety ambonin’ny tany.

Mieritreritra ihany koa aho momba ny maraina kanto anankiroa ao amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Tamin’ny lohataona 1820, tamin’ny marainan’ny andro kanto sy mazava tao Palmyra, New York, dia nisy zatovolahy iray antsoina hoe Joseph Smith izay nankao amin’ny alakely ka nandohalika nivavaka mba hanontany hoe iza amin’ireo fiangonana no tokony hidirany. Ny valin’izany vavaka izany sy ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanaka no niatombohan’ny fotoampitantanana ny fahafenoan’ny fotoana sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ety an-tany.

Ary nisy maraina kanto iray koa izay niposaka, teo ho eo amin’ny 2.000 taona lasa izay teo ivelan’ny tambohon’ny tanànan’i Jerosalema. Azo antoka fa namirapiratra tamin’ny fomba niavaka ny masoandro tamin’izany marainan’ny Paska izany. Nisy vondrom-behivavy vitsivitsy tonga hamangy ny fasana, nanantena ny hanosotra diloilo ny vatan’ny Tompony izay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana. Nisy anjely roa nifanena tamin’izy ireo ary nilaza hoe: “Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona? Tsy ato Izy, fa efa nitsangana” (Lioka 24:5–6).

Mijoro ho vavolombelona mikasika ny fandresen’i Jesoa Kristy ny ota sy ny fahafatesana aho. Mijoro ho vavolombelona momba ny drafitra feno famindrampo nataon’ny Raintsika Mandrakizay sy ny fitiavany tsy manam-pahataperana aho. Rehefa mifoha isika isa-maraina, enga anie hitraka any amin’ny lanitra am-pinoana ka hiteny hoe: “Endrey, kanto ny maraina,” izay no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.