Ankamamian’ny Tompo

Nataon’ny Loholona Erich W. Kopischke

Ao amin’ny Fitopololahy


Ny fikatsahana sy fahazoana ny fankasitrahana avy amin’ny Tompo dia hitarika antsika amin’ny fahalalana fa nofinidiny sy tahiany isika.

Tadidiko, fony mbola zazalahy aho, ny nitondran’ny raiko ahy indraindray hanao asa miaraka aminy. Nanana zaridaina kely izahay kilaometatra vitsivitsy niala ny toerana nipetrahanay, ary betsaka hatrany ny zavatra natao tao isaky ny vaninandro. Nanamboatra ilay trano falafa izahay, na nanangana na nanamboatra fefy. Araka ny fitadidiako dia isaky ny mangatsiaka be, oram-panala be, na orana mikija foana no nanaovana izany asa izany. Tiako anefa izany. Nampianarin’ny raiko aho hanao zavatra amim-paharetana sy amim-pankasitrahana.

Indray andro dia niantso ahy hanamafy visy izy ary nampitandrina ahy hoe: “Tadidio fa raha hidinao mafy loatra izany dia ho tapaka izany.” Tiako naseho taminy tamim-pieboeboana ny zavatra vitako. Nidiko tamin’ny heriko iray manontolo ilay visy, ary mazava ho azy fa tapaka. Nanao fanamarihana somary nampihomehy izy ary naverinay hatramin’ny voalohany indray izany. Tsapako hatrany ny fitiavany sy ny fitokiany ahy na dia tamin’ny fotoana “nanaova[ko] hadisoana” aza. Nodimandry efa folo taona mahery lasa izy izao. Mbola reko hatrany anefa ny feony, tsapako ny fitiavany, ankafiziko ny fankaherezany, ary tsapako ny fankasitrahany.

Filàna fototra amin’ny maha olona ny fahatsapana fa ankamamian’ny olona izay tiantsika isika. Mandrisika antsika ny fankasitrahana asehon’ny olona tsara. Mampitombo ny lanjan’ny tena sy ny fahatokian-tena ananantsika izany. Matetika no mikatsaka izany any amin’ny toeran-kafa ireo izay tsy mahazo fankasitrahana avy amin’ireo loharano irina ahazoana izany. Mety hitodika any amin’ireo izay tsy liana amin’ny maha tsara azy izy ireo. Mety hiaraka amin’ny namana tsy tena izy izy ireo na hanaonao foana mba hiezahana hahazo izany fankasitrahana katsahiny izany. Mety hikatsaka ny fankasitrahana amin’ny alalan’ny fanaovana karazana fitafy manokana izy ireo mba hamoronana fahatsapana ho toy ny ao anatina vondrona iray, na toeram-boninahitra eo amin’ny fiaraha-monina. Ho an’ny sasany dia mety ho fomba iray hikatsahana fankasitrahana ihany koa ny fiezahana hahazo anjara andraikitra na toerana manan-danja iray. Mety ho faritan’izy ireo amin’ny toerana hazoniny na ny toeram-boninahitra ananany ny lanjan’izy ireo.

Tsy voatery ho afaka amin’ity fomba fihevitra ity isika na dia ato anatin’ny Fiangonana aza. Mametraka antsika amin’ny lalana tandindomin-doza iray—lalana izay hitarika antsika hivaona na hatrany amin’ny fahasimbana aza ny fikatsahana fankasitrahana avy amin’ny loharano tsy izy na ho antony antony diso. Hahatsapa ho tavela irery sy ambany isika any aoriana raha toa ka tokony hahatsapa ho tiana sy matoky tena.

Nanoro hevitra ny zanany Helamana i Almà hoe: “Ezaho izay hijerenao an’Andriamanitra ka ho velona.”1 Avy amin’ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy ny loharano fanomezana hery sy fankasitrahana faratampony indrindra. Fantatr’izy ireo isika. Tian’izy ireo isika. Tsy noho ny anarana na ny toerantsika no haneken’izy ireo antsika. Tsy mijery ny voninahitsika izy ireo. Mijery ny ao am-pontsika izy ireo. Manaiky antsika amin’ny maha isika antsika izy ireo sy amin’izay ezahantsika hahatongavana. Hanandratra sy hankahery antsika hatrany ny fikatsahana sy fandraisana fanekena avy amin’Izy ireo.

Hizara lamina tsotra iray aho, izay raha ampiharina, dia afaka hanampy antsika rehetra hahatsapa ny fankasitrahana faratampony indrindra. Nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ity lamina ity: “Lazaiko aminareo marina tokoa, ireo eo anivon’izy ireo izay mahafantatra fa mahitsy ny fony sady torotoro, ary manenina ny fanahiny ary vonona ny hitandrina ny fanekempihavanany amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena—eny, ny fahafoizan-tena rehetra izay handidiako Izaho Tompo—ireo no ekeko.”2

Ity lamina ity dia mizara dingana tsotra telo:

  1. 1.

    Mahafantatra fa mahitsy sady torotoro ny fontsika,

  2. 2.

    Mahafantatra fa manenina ny fanahintsika, ary

  3. 3.

    Vonona ny hitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena araka ny nandidian’ny Tompo.

Voalohany, mila mahafantatra isika fa mahitsy sady torotoro ny fontsika. Ahoana no ahafantarantsika izany? Atombotsika amin’ny alalan’ny firotsahana amin’ny fandinihan-tena matotra izany. Ivon’ny fahatsapantsika rehetra ny fo. Manao tombantombana ny amin’ny tenantsika isika rehefa mijery ny ao am-pontsika. Tena fantatsika izay tsy hain’ny manodidina antsika. Fantatsika ny tanjontsika sy ny faniriantsika. Tsy manome vahana na mandiso fanantenana ny tenantsika isika rehefa mirotsaka amin’ny fandinihan-tena matotra sy marina.

Misy ihany koa fomba iray hitsarantsika raha toa ka torotoro ny fontsika. Fo malefaka, misokatra ary mora mandray ny fo torotoro. Rehefa maheno ny Mpamonjy aho miteny hoe: “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana aho ka mandòndòna,”3 dia henoko Izy mandòndòna eo am-baravaran’ny foko. Raha mamoha ity varavarana ity ho Azy aho, dia faingana kokoa aho manaiky ireo fanasan’ny Fanahy, ary manaiky bebe kokoa ny sitrapon’Andriamanitra.

Hampianarin’ny Fanahy Masina isika rehefa mandalina amim-pahamatorana sy amim-bavaka ny amin’ny maha mahitsy sady torotoro ny fontsika. Hahazo fanamafisana mahafinaritra na fanitsiana malefaka isika, izay manasa antsika hanao asa.

Faharoa, mila mahafantatra isika fa manenina ny fanahintsika. Ny teny hoe manenina ao anatin’ny rakibolana Oxford dia voafaritra ho “fahatsapana na fanehoana fanenenana rehefa miaiky fa nanao ratsy ny olona iray.”4 Miaiky ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika isika rehefa manana fo manenina. Mora ampianarina “mikasika ny fahamarinana [rehetra] isika”5 Mahatsapa alahelo araka an’Andriamanitra isika ary vonona ny hibebaka. Ny fanahy manenina dia vonona hihaino “ny fitaoman’ny Fanahy Masina.”6

Miseho amin’ny alalan’ny fahavononantsika sy ny finiavantsika hanao asa ny fanahy manenina. Vonona ny hanetry ny tenantsika isika eo anatrehan’Andriamanitra, vonona ny hibebaka, vonona ny hianatra, ary vonona ny hiova. Vonona ny hivavaka isika, “Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”7

Ny dingana fahatelo mba hankasitrahan’ny Tompo antsika dia fanapahan-kevitra matotra hitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena, “eny, ny fahafoizan-tena rehetra izay handidiako Izaho Tompo.”8 Mihevitra isika indraindray fa ny teny hoe fahafoizan-tena dia midika zavatra lehibe na sarotra tanterahina ho antsika. Mety ho marina izany amin’ny toe-javatra sasany, kanefa midika fiainana isan’andro amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy izany matetika.

Fomba iray hitandremantsika ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena ny fandraisaina ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana isan-kerinandro. Manomana tsara ny tenantsika amin’ny ôrdônansy masina isika. Manavao sy manamafy ny fampanantenana masina nataontsika tamin’Andriamanitra. Mahatsapa ny fankamamiany isika amin’izany ary mahazo ny antoka nomeny fa nekeny ny ezaka nataontsika ary voavela ny fahotantsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mampanantena antsika ny Tompo mandritra ity ôrdônansy ity fa hanana ny Fanahiny mandrakariva hiaraka amintsika isika rehefa vonona ny hitondra ny anaran’ny Zanany sy hahatsiaro Azy mandrakariva ary hitandrina ny didiny. Ny fananana ny Fanahy Masina ho namantsika maharitra no famantarana lehibe indrindra fa mankamamy antsika Andriamanitra.

Ny fomba hafa hitandremantsika ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena dia tsotra toy ny fanekena antso ato am-piangonana sy fanompoana mahatoky, na fanarahana ny fanasan’ny mpaminanintsika Thomas S. Monson hanolo-tanana ireo izay mijoro eny an-tsisin-dalana ary mila vonjena ara-panahy. Mitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena isika amin’ny alalan’ny fanompoana mangina eo amin’ny mpiray vodirindrina amintsika na ny tanànantsika na amin’ny alalan’ny fitadiavana ny anaran’ny razambentsika ary ny fanaovana asan’ny tempoly ho azy ireny. Mitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena isika amin’ny alalan’ny fiezahana mafy ho amin’ny fahamarinana, fahavononana handray, ary fihainoana ny bitsiky ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika isan’andro. Indraindray ny fitandremana ny fanekempihavanantsika dia tsy midika zavatra mihoatra noho ny mijoro mafy ary mahatoky rehefa mirohondrohona manodidina antsika ny oram-baratry ny fiainana.

Aorian’ny fanazavana ny lamina hanekeny antsika dia mampiasa sariohatra mahafinaritra ny Tompo hampisehoana ny tombontsoa azontsika tsirairay na fianakaviana rehefa mikatsaka ny ho ankasitrahany isika. Hoy Izy, “Fa Izaho Tompo dia hampamoa azy ireo toy ny hazo tena mahavanom-boa izay ambolena eo amin’ny tany tsara akaikin’ny riana madio, ka mamokatra voa sarobidy betsaka.”9

Hotahiana mihoatra ny fahatakarantsika isika ary hamoha voan’ny fahamarinana betsaka rehefa miray feo manokana amin’ny Fanahin’ny Tompo. Isika dia ho eo anivon’ireo izay nolazainy hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao.”10

Ny fikatsahana sy fahazoana ny fankasitrahan’ny Tompo dia hitarika antsika amin’ny fahalalana fa nofinidiny sy notahiany isika. Hahazo fitokiana bebe kokoa isika izay hitarika antsika sy hitondra antsika ho amin’ny tsara. Hibaribary ao am-pontsika, eo amin’ny fiainantsika, sy ao amin’ny fianakaviantsika ny halehiben’ny famindram-pony.

Amin’ny foko manontolo no hanasako anareo mba hikatsaka ny fankasitrahan’ny Tompo ary hankafy ny fahasoavana nampanantenainy. Hahafantatra isika fa ankasitrahany na inona toerana tanana, na toeram-boninahitra, na fetra mandritra ny fiainana an-tany ananantsika rehefa manaraka ny lamina tsotra navelany. Handrisika antsika, hampitombo ny finoantsika, ary hanampy antsika amin’ny zavatra rehetra atrehantsika eo amin’ny fiainana ny fankasitrahany amim-pitiavana. Hahomby isika, hiroborobo,11 ary hahatsapa fandriampahalemana12 na eo aza ny olana ananantsika. Ho isan’ireo nolazain’ny Tompo isika hoe:

“Ary aza matahotra rankizy madinika, fa Ahy ianareo, ary Izaho efa naharesy izao tontolo izao, ary ianareo dia avy amin’ireo izay efa nomen’ny Raiko ho Ahy;

“Ary tsy hisy ho very ireo izay nomen’ny Raiko ho Ahy.”13

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.