2010–2019
Araraoty ilay Onja
Aprily 2013


Araraoty ilay Onja

Misaotra an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany lahy aho noho ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny hery ao amin’izany izay manosika onjam-pahamarinana sy fahitsiana mahatalanjona izay manenika ny tany.

Ry rahalahy sy anabavy malala isany, miombon-kevitra amin’ny Filoha Thomas S. Monson sy ireo hafa aho midera an’ireo izay namaly ny fangatahan’ny mpaminany misiônera mendrika maromaro kokoa. Ankehitriny dia misy onjam-pientanentanana tsy misy ohatr’izany mikasika ny asa fitoriana, izay miparitaka manerana ny tany. Hatramin’ilay fanambarana manan-tantara nataon’ny Filoha Monson tamin’ny Ôktôbra farany teo dia elder sy rahavavy ary mpivady zokiolona an’arivony no voantso ary mbola maro noho izany no eo am-piomanana.1 Ankehitriny dia anontanian’ny olona izahay hoe: “Hataonareo inona daholo izao ireo misiônera ireo?” Tsotra ny valiny. Ny efa nataon’ny misiônera hatramin’izay no hataon’izy ireo. Hitory filazantsara izy ireo! Hitahy ireo zanak’Andriamanitra Tsitoha!

Maro aminareo ry zatovolahy sy zatovovavy isany no hanararaotra izany onja izany raha miezaka ny ho mendrika ny antso ho misiônera. Hitanao toy ny fipariahan’ny fahamarinana sy ny fahitsiana izany. Hitanao ny fahafahanao mandray anjara tanteraka amin’izany fipariahana izany.

Ianareo ry zatovo, ekeo ary araho ilay fandaharam-pampianarana vaovao ho anareo, ary mifampianara ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Izao no fotoana hiomananareo hampianatra ny hafa mikasika ny fahatsaran’Andriamanitra.

Ry zatovolahy sy zatovovavy isany, manan-danja mandrakariva ny fianarana ataonareo—aminay sy aminareo ary amin’Andriamanitra. Raha azo atao, ary raha tianao ny hianatra any amin’ny oniversite aorian’ ny asa fitorianao, dia mamporisika anao izahay hisoratra anarana amin’izay toeram-pampianarana nosafidianao alohan’ny hanombohan’ny asa fitorianao. Maro ny toeram-pampianarana ambony no manaiky ny hanemorana 18 ka hatramin’ny 30 volana ny fotoana tena hidirana mianatra ho an’ny olona iray handeha hitory filazantsara. Izany dia hahafahanao manompo ka tsy hiahiahy ny amin’izay toerana hanombohanao ny fianarana ambony horantovinao. Tena feno fankasitrahana izahay ho an’ireo lehiben’ny toeram-pampianarana izay manao izay ahafahana manatanteraka izany!

Ianareo ray aman-dreny sy mpampianatra ary ny hafa, araraoty ilay onja eo am-panomananao ny taranaka vao misondrotra mba ho mendrika hanao asa fitoriana. Mandritra izany fotoana izany dia hanintona ny sain’ireo namana sy mpiray vodirindrina aminao ny fiainanao mendrika halain-tahaka. Mivonòna hamaly ireo izay manontany ny antony mahatonga anao hanana fiainana toy izany. Mivonòna hanome ny antony mahatonga ilay fanantenana sy fifaliana izay hitany eny aminao.2 Rehefa mipetraka ny fanontaniana toy izany dia azonao atao ny mamaly hoe: “Anontanio ireo misiônera! Afaka manampy antsika izy ireny! Ary raha tianao dia ho eo anilanao aho rehefa hamaly sy hampianatra anao ireo misiônera.”

Ianareo ry olon-dehibe, araraoty ilay onja amin’ny alalan’ny fanampiana eo amin’ny fiomanan’ireo izay ho misiônera eo amin’ny ara-panahy sy ara-batana ary ara-bola. Zary ho lasa mandeha ho azy aminao ny manangom-bola ho amin’izany. Ianareo ry mpivady zokinjokiny, miomana ho an’ny fotoana ahafahanareo mandeha manao asa fitoriana ianareo. Ho velom-pankasitrahana indrindra izahay noho ny fanompoanareo. Mandra-pahatongan’izany dia angamba azonao atao ny mampiasa ny volanao hanohanana ny asa fitoriana amin’ny alalan’ny fandrotsahana ao amin’ny Kitapom-bola Faobe ho an’ny Asa Fitoriana, araka ny sosokevitra naverin’ny Filoha Monson naroso aninkeheo maraina.3

Mitombo ny isan’ireo lehilahy voafantina sy ny vady andefimandrin’izy ireo izay manararaotra ilay onja rehefa voantso izy ireo hiahy misionan’ny Fiangonana. Ao anatin’izany asa fanompoana izany dia hanefy ny hoavin’ireo taranaka amin’izao fotoana izao sy mbola ho avy izy ireo. Ireo filohan’ny misiona no mihazona ny fanalahidin’ny maha tompon’andraikitra amin’ny fahatomombanan’ireo misiônerany sy ny fiarovana azy ireo ary ny fahombiazan’izy ireo. Rehefa avy nifanakalo hevitra tamin’ireo filohan’ny tsatòka sy distrika ao amin’ny misionany ny filohan’ny misiona tsirairay dia manendry ireo misiônera hanompo any amin’ny tsatòka sy paroasy ary sampana manokana.

Manararaotra ilay onja koa ireo filohan’ny tsatòka sy ireo eveka rehefa mandany fotoana misimisy kokoa hatrany hanaovana tafa sy dinika amin’ireo izay mety ho lasa misiônera. Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo no mihazona ny fanalahidin’ny maha tompon’andraikitra amin’ny asa fitoriana ao amin’ny vondrona misy azy ary manentana ireo mpikambana izy ireo handray anjara.

Ireo rahalahy sy rahavavy ao amin’ny filankevitry ny paroasy tsirairay dia manomboka manararaotra ilay onja. Ao amin’io filankevitra io ny tompon’andraikitra mitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy.4 Te hiresaka manokana aminareo aho ry tompon’andraikitra mitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy. Nantsoin’ny evekanao ianao hitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy. Ary tena mahomby tokoa ny sasany aminareo hany ka nisy mpanampy ihany koa nantsoina hanampy anareo. Miaraka amin’ireo hafa ao amin’ny filankevitry ny paroasy ianao dia mamantatra ireo mpikambana malaina, sy ireo fianakaviana izay ny ampahany ihany no mpikambana ary ireo manodidina izay liana. Mihaona matetika amin’ireo misiônera voatendry ianao. Manoro hevitra sy manampy ireo misiônera ianao. Iangaviana ianao hanampy azy ireo hameno ilay bokikely fandrindram-potoana isan’andron’izy ireo amin’ny alalan’ny fotoana voafantina sy manan-danja ahafahana mampianatra. Izany no andraikitrao. Tena miankina be dia be amin’ny anjaranao ny fahombiazan’ity asa ity. Raha araraotinao amim-pinoana sy amim-pientanentanana ilay onja dia hanao izany koa ny hafa. Ianao, amin’ny maha tompon’andraikitra mitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy anao, no rohy mampifandray ireo mpikambana sy ireo misiônera eo amin’ity asa masina hanavotana ireo zanak’Andriamanitra ity.5

Ireo namantsika sy mpiray vodirindrina amintsika izay liana koa dia afaka manararaotra ilay onja. Amporisihanay izy ireo hihazona izay rehetra tsara sy marina rehetra eo amin’ny fiainany. Ary manasa azy ireo handray misimisy kokoa isika, indrindra indrindra ilay fahamarinana feno voninahitra hoe amin’ny alalan’ny drafitra mandrakizay an’Andriamanitra dia afaka ny ho tafaraka mandrakizay ny fianakaviana.6

Mahatalanjona io onjan’ny fahamarinana sy fahitsiana io! Tsy noforonin’olombelona izy io! Fa avy amin’ny Tompo izay nilaza hoe: “Hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako.”7 Io onja io dia mahazo vahana noho ny fanambarana iray nataon’Andriamanitra 193 taona lasa izay. Nahitana teny enina monja izany: “Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!”8 Io fanambarana izay notononin’Andriamanitra io dia nampahafantatra an’i Joseph Smith tanora tamin’i Jesoa Kristy Tompo. Ireo teny ireo no nanomboka ny Famerenana ny Filazantsarany tamin’ny Laoniny. Nahoana? Satria Andriamanitra feno fitiavana Andriamanitra! Tiany ireo Zanany hahafantatra Azy sy i Jesoa Kristy, izay nirahiny!9 Ary tiany ireo Zanany hahazo tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay!10

Ho an’izany tanjona be voninahitra izany no hampianaran’ireo misiônerantsika mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny. Fantatr’izy ireo fa tany amin’ny 2.000 taona lasa tany ho any dia nanorina ny Fiangonany ny Tompo. Taorian’ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana sy ny fahafatesan’ireo Apôstôliny dia novain’ny olona ny Fiangonany sy ny fotopampianarany. Avy eo taorian’ny haizina ara-panahy nandritra ny taranaka maro sy araka ny faminanian’ireo mpaminany teo aloha,11 dia naverin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonana sy ny fampianarany ary ny fahefan’ny fisoronana ao aminy. Noho io Famerenana amin’ny laoniny io dia miverina misy ho an’ny olona rehetra indray ny fahalalana sy ireo ôrdônansy fototra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana.12 Any aoriana dia io fisandratana io no hahafahan’ny tsirairay hiara-hitoetra amin’ny fianakaviantsika eo anatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy mandrakizay!

Tsy afaka ny hiresaka momba ny Famerenana amin’ny laoniny aho ka hoe tsy hientanentana. Io tranga teo amin’ny tantara io dia tena manaitra tokoa! Tsy mampino! Mahatalanjona! Tahaka ny ahoana izany hoe iraky ny lanitra no tonga hanome fahefana sy hery ho an’ity asa ity?

Niseho im-betsaka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Raintsika Mandrakizay sy i Jesoa Kristy.13 Teo ambany fitarihan’ Izy Ireo no nahatongavan’ny iraka maro hafa avy any an-danitra, ka samy nanana tanjona iray mazava tsara ny tsirairay. Ohatra hoe:

  • Nanambara ny Bokin’i Môrmôna ny anjely Môrônia.14

  • Namerina ny Fisoronana Aharôna tamin’ny laoniny i Jaona Mpanao Batisa.15

  • Namerina ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ny laoniny i Petera, sy i Jakôba ary i Jaona.16

  • Nanolotra fanalahidy i Mosesy ho fanangonana an’i Isiraely.17

  • Nanolotra fanalahidy i Elià hahazoana fahalalana mikasika an’i Abrahama.18

  • Naverin’i Elia tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fahefana hamehy.19

Ankoatra izany ny Famerenana tamin’ny laoniny dia nanampy fahalalana izay efa nananan’ireo Olomasina fahiny. Nanome boky soratra masina vaovao ny Tompo. Ho fanampin’ny Baiboly Masina dia nampiany Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa momba an’i Jesoa Kristy. Izy io dia firaketana ireo faminaniana sy asa fanompoana nataon’ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty tamin’ireo vahoaka tany Amerika fahiny. Voazava ao ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana20—dia ny drafitry ny famonjena.21 Mirindra tanteraka amin’ny Baiboly ny Bokin’i Môrmôna. Ireo rakitsoratra masina ireo dia samy manambara ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny lanjan’ny Sorompanavotany.22

Ny Famerenana amin’ny laoniny dia mahatanteraka faminaniana maro hita ao amin’ny Baiboly. Ohatra, i Isaia dia naminany fa ny tranon’ny Tompo dia haorina eny an-tampon’ny tendrombohitra.23 Ny fifindra-monina nataon’ireo mpamaky lay Môrmôna nankany amin’ireo tendrombohitra tany andrefan’i Amerika dia trangan-javatra manan-danja maneho fahafoizana sy finoana izay manatanteraka faminaniana. I Isaia dia nanambara mialoha ihany koa fa Andriamanitra dia hanao “zava-mahagaga sy mahatalanjona.”24 Eo andalam-pahatanterahana izany ankehitriny amin’ny alalan’ny asa masina ataon’ny tafik’ireo misiônerantsika mitombo isa.

Naverina tamin’ny laoniny ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha mikasika ny fahafolonkarena.25 Vokatr’izany dia mpandoa fahafolonkarena maro kokoa no voatahy noho ny fankatoavan’izy ireo. Voazava ireo resaka mahakasika an’i Melkizedeka noho ireo soratra masin’ny Famerenana amin’ny laoniny.26 Ireo faminaniana milaza fa ho tonga iray eo an-tanan’Andriamanitra ny tapa-kazon’i Josefa (ny Bokin’i Môrmôna) sy ny tapa-kazon’i Joda (ny Baiboly) dia efa tanteraka ankehitriny.27

Ny Famerenana amin’ny laoniny dia manazava ihany koa ny soratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny teny voalaza ao mikasika ny batisa ho an’ny maty dia takatra kokoa ankehitriny.28 Tanterahana amin’ny fomba isoloana tena ankehitriny ireo ôrdônansy ho an’ireo razambentsika efa maty any amin’ny tempoly 141 manerana an’izao tontolo izao! Tsy misy fomba hafa ankoatra izany hanolorana ny famonjena ho an’ireo razantsika izay maty ka tsy nahazo fahalalana mikasika ny filazantsara!29 Ny fahitan’i Jaona Mpanambara mikasika ilay “anjely iray [hafa] nidina eo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay ho toriana amin’izay monina ambonin’ny tany,” dia nanambara mialoha ny iraka nampanaovina ny anjely Môrônia sy ny Bokin’i Môrmôna.30

Ny Bokin’i Môrmôna no ampahany manan-danja indrindra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Izy io dia nosoratana sy notehirizina ary nampitaina teo ambany fitarihan’ny Tompo. Nadika “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny”31 izany. Ny bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana fanambarana maro fanampiny nomena ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny alalany no nahazoantsika pejin-tsoratra masina maro kokoa noho izay azontsika tamin’izay mety mpaminany hafa. Tao anatin’ny fotoana iray izay tsy maintsy ho feno fandinihana no nanambarany tamin’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois hoe: “Tsy nilaza taminareo mihitsy aho hoe tonga lafatra aho; saingy tsy misy fahadisoana ao amin’ireo fanambarana izay nampianariko.”32

Mpikambana sy misiônera no miaraka manasa ny rehetra hianatra mikasika an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ary mikasika ny filazantsarany. Ny olona tsirairay izay mitady dia tokony hikatsaka amin’ny fomba matotra sy hivavaka am-piniavana sy amin-kitsim-po mba hahazoana antoka fa marina ireo zavatra ireo. Hiseho mazava ny fahamarinana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.33

Misaotra an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany lahy aho noho ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny hery ao amin’izany izay manosika onjam-pahamarinana sy fahitsiana mahatalanjona izay manenika ny tany. Enga anie isika hanararaotra io onja io sy hanatanteraka ny didin’ny Tompo hoe hitondra ny filazantsara “amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,”34 izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.