2010–2019
Tatitry ny Departemantan’ny Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2012
Aprily 2013


Tatitry ny Departemantan’ny Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana taona 2012

Ho an’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Ry Rahalahy malala isany: Araka ny voalazan’ny fanambarana ao amin’ny fizarana faha 120 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia ny Filankevitry ny Fitantanana ny Fahafolonkarena no manome lalana ny hampiasana ny volan’ny Fiangonana. Io filankevitra io dia ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy.

Io filankevitra io no manapaka ny teti-bola ho an’ireo departemanta sy tetik’asa samihafa ato amin’ny Fiangonana ary ny vola natokana ho amin’izany ho an’ireo fari-piadidiana ara-pivavahana ato amin’ny Fiangonana. Ireo rafitra ato amin’ny Fiangonana dia mampiasa vola araka ny teti-bola nolaniana ary araka ireo fitsipika sy fomba fiasan’ny Fiangonana.

Ny Departemantan’ny Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana dia nomena fahafahana hanara-maso ireo boky firaketana sy ireo rafitra ilaina hanombantombanana ny fahatomombanan’ny fanaraha-maso ireo vola miditra sy vola nivoaka ary ny fiarovana ny fananan’ny Fiangonana. Ny Departemantan’ny Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana dia tsy miankina amin’ireo departemanta sy tetik’asa hafa rehetra ato amin’ny Fiangonana ary ireo olona ao aminy dia ahitana mpitam-bola voamarina izay manana mari-pahaizana ara-panjakana, sy mpanamarim-bola anatiny manana mari-pahaizana ara-panjakana, sy mpanamarina ny rafitra fampitana fampahalalana ary matihanina maro hafa itokisana.

Araka ny fanaraha-maso natao, dia maneho ny heviny ny Departemantan’ny Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana fa ny anjara biriky voaray sy ny fandaniana natao ary ny fananan’ny Fiangonana hatramin’ny antsipiriany tamin’ny taona 2012 dia noraketina sy notantanana araka ny fomba fiasa ara-dalàna eo amin’ny fitantanam-bola sy araka ny teti-bola nolaniana ary araka ireo fitsipika sy fomba fiasan’ny Fiangonana.

Amim-panajana,

Ny Departemantan’ny Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana

Robert W. Cantwell

Tale Mpitantana