2010–2019
Ireo Mpanara-dia an’i Kristy
Aprily 2013


Ireo Mpanara-dia an’i Kristy

Ny fanarahana an’i Kristy dia tsy zavatra ataotao fahatany na atao tsindraindray, fa fanoloran-tena tsy tapaka sy fomba fiainana izay mihatra amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny toerana rehetra.

Manomboka amin’izao teny izao ny iray amin’ireo fihiranantsika izay tiantsika indrindra, ary nirain’ny Amboarampeon’ny Tabernakely aninkeheo maraina:

“Avia re hanarak’Ahy,”

Hoy ‘lay Mpamonjy arahana.

‘Zay no ahafahantsik’ ho iray,

Am’ ilay Zanaky ny Ray.1

Ireo tonony ireo, izay nalaina avy tamin’ny fanasana voalohany nataon’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany (jereo ny Matio 4:19), dia nosoratan’i John Nicholson, olona niova fo Ecossais iray. Toy ny ankamaroan’ireo mpitarika antsika tato amin’ny Fiangonana tany am-boalohany dia tsy dia nandia fianarana firy izy saingy nanana fitiavana lalina ho an’ny Mpamonjy sy ny drafitry ny famonjena.2

Ireo hafatra rehetra nandritra ity fihaonambe ity dia manampy antsika hanaraka ny dian’ny Mpamonjintsika, izay ny ohatra nasehony sy ny fampianarany no mamaritra ny lalana hizoran’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy rehetra.

Toa an’ireo Kristianina hafa rehetra dia mandalina ny fiainan’ny Mpamonjintsika ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, araka izay voarakitra ao amin’ireo bokin’i Matio sy Marka sy Lioka ary Jaona, ao amin’ny Testamenta Vaovao. Hijery ohatra sy fampianarana ao amin’ireo boky efatra ao amin’ny Baiboly Masina ireo aho ary hanasa antsika tsirairay sy ireo Kristianina hafa rehetra handinika ny fomba ahafahan’ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity sy isika tsirairay ho antsoina hoe mpanara-dia an’i Kristy.

Nampianarin’i Jesoa fa ny batisa dia nilaina mba hahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra (jereo ny Jaona 3:5). Nanomboka ny asa fanompoany Izy tamin’ny nanaovana batisa Azy (jereo ny Marka 1:9), ary nanao batisa olon-kafa maro Izy sy ireo mpanara-dia Azy (jereo ny Jaona 3:22–26). Torak’izany koa no ataontsika.

Nanomboka ny fitoriany tamin’ny alalan’ny fanasana ireo mpihaino Azy mba hibebaka i Jesoa (jereo ny Matio 4:17). Mbola izany ihany no hafatr’ireo mpanompony ho an’izao tontolo izao.

Nandritra ny asa fanompoany manontolo i Jesoa dia nanome didy. Ary nampianatra Izy hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.” (Jaona 14:15; jereo koa ny andininy 21, 23). Nilaza Izy fa ny fitandremana ny Didiny dia mitaky amin’ireo mpanara-dia Azy ny mba hamoizan’izy ireo ilay nantsoiny hoe “izay zavatra heverin’ny olona ho ambony” (Lioka 16:15) sy ireo “fanaon’ny olona” (Marka 7:8; jereo ihany koa ny andininy 13). Nampitandrina ihany koa Izy hoe: “Raha naman’izao tontolo izao ianareo dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo” (Jaona 15:19). Araka ny nolazain’i Petera Apôstôly taty aoriana, ireo mpanara-dia an’i Jesoa dia tokony ho “olona miavaka” (1 Petera 2:9 dikanteny ara-bakitenin’ny Baiboly King James).

Takatr’ireo Olomasin’ny Andro Farany fa tsy tokony ho “naman’izao tontolo izao” isika na koa hifikitra amin’ny “fanaon’ny olona,” saingy toy ireo mpanara-dia hafa an’i Kristy, dia mahita isika indraindray fa sarotra ny mihataka amin’izao tontolo izao sy ny fombany. Ny sasany dia miaina araka ny fomban’izao tontolo izao satria, araka izay nolazain’i Jesoa mikasika ireo olona sasany izay nampianariny, “tia ny voninahitra avy amin’ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Jaona 12:43). Ireo tsy fahombiazana eo amin’ny fanarahana an’i Kristy ireo dia maro loatra sy saro-pady loatra ka tsy ary ho voatanisa eto. Ahitana ny karazany rehetra izany, manomboka amin’ny fomba fanao arak’izao tontolo izao toy ny hoe fanarahana ilay fiheverana hoe tsy tokony hatao na ho lazaina ny zavatra izay mety hanafintohina ny vondron’olona sasany, ny fomba fitafy sy bika aman’endrika mivaona, ka hatramin’ny fialana amin’ireo soatoavina fototra toy ny maha-mandrakizay ny toetoetra sy ny fiasan’ny fianakaviana.

Tsy natao ho ara-kevitra fotsiny ireo fampianaran’i Jesoa. Natao hampiharina hatrany izy ireny. Nampianatra i Jesoa hoe: “Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy” (Matio 7:24; jereo ihany koa ny Lioka 11:28) ary “Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka mahita azy manao izany” (Matio 24:46). Ao amin’ny fihirana iray tiantsika koa no hihirantsika hoe:

Tompo ô, ampio aho hahay hitia anao,

Ary handeha amin’ny lalana nasehonao, …

Tompo ô, ampio aho hahay hitia anao—

Tompo ô, hanara-dia anao aho.3

Araka ny nampianarin’i Jesoa, ireo izay tia Azy dia hitandrina ny Didiny. Ho mpankatò izy ireo, araka ny nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson aninkeheo maraina. Ny fanarahana an’i Kristy dia tsy zavatra ataotao fahatany na atao tsindraindray, fa fanoloran-tena tsy tapaka sy fomba fiainana izay mihatra amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny toerana rehetra. Nampianatra izany fitsipika izany ny Mpamonjy sy ny fomba tokony hampahatsiahivana sy hankaherezana antsika mba hanaraka izany, tamin’ny fotoana nametrahany ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo (kômonio, na koa fandraisana araka ny fiantson’ny hafa azy). Fantatsika tamin’ny alalan’ny fanambarana maoderina fa nandidy ireo mpanara-dia Azy Izy handray ireo tandindona ho fahatsiarovana Azy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 26:22; Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 14:21–24). Manaraka io didy io isan-kerinandro ireo mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny alalan’ny fanatrehana fanompoam-pivavahana iray izay andraisantsika ny mofo sy ny rano ary anaovantsika fanekempihavanana fa hahatsiaro Azy mandrakariva isika ary hitandrina ny didiny.

Nampianarin’i Jesoa fa “tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva [ny olona]” (Lioka 18:1). Nametraka izany ohatra izany koa Izy, toy ny tamin’ Izy “naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina” (Lioka 6:12) talohan’ny niantsoany ireo Apôstôliny Roambinifolo. Toa an’ireo Kristianina hafa, dia mivavaka isika mandritra ireo fanompoam-pivavahana rehetra ataontsika. Mivavaka ihany koa isika mba hahazo fitarihana, ary mampianatra fa tokony hanao vavaky ny tena manokana matetika sy vavaka mandohalika isan’andro iraisan’ny mpianakavy. Toa an’i Jesoa dia mivavaka amin’ny Ray any An-danitra koa isika, ary amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy no hanaovantsika izany.

Niantso Apôstôly Roambinifolo ny Mpamonjy mba hanampy ao amin’ny Fiangonany ary nomeny fanalahidy sy fahefana izy ireo hanohy ny Asany aorian’ny fahafatesany (jereo ny Matio 16:18–19; Marka 3:14–15; 6:7; Lioka 6:13). Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, amin’ny maha Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny azy, dia manaraka io ohatra io eo amin’ny firafiny sy ny fanomezana fanalahidy sy fahefana amin’ireo Apôstôly.

Ny sasany tamin’ireo izay nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy dia tsy tonga dia namaly avy hatrany fa nikatsaka fanemoram-potoana mba hiatrehana adidy tao an-tokantrano. Namaly i Jesoa hoe: “Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Lioka 9:62). Olomasin’ny Andro Farany maro no mampihatra io laharam-pahamehana nampianarin’i Jesoa io. Anisan’izany ny ohatra mahafinaritra asehon’ireo misiônera zokiolona sy ny maro hafa izay nandao zanaka sy zafikely mba hanatanterahana ireo adidy amin’ny maha misiônera izay niantsoana azy ireo.

Nampianatra i Jesoa fa noharian’Andriamanitra ny lahy sy ny vavy, ary ny lehilahy iray dia tokony handao ny ray aman-dreniny ary hikambana amin’ny vadiny (jereo ny Marka 10:6–8). Fanta-daza ny fanolorantenantsika amin’io fampianarana io.

Ao amin’ilay fanoharana fantatra tsara mikasika ilay ondry very, dia nampianatra i Jesoa fa tokony hanao izay rehetra vitantsika isika hitadiavana izay ondry nivoaka ny vala (jereo ny Matio 18:11–14; Lioka 15:3–7). Araka ny fantatsika dia nanantitrantitra mafy mikasika izany ny Filoha Thomas S. Monson tao amin’ny ohatra sy fampianarana tsy hay hohadinoina nomeny mikasika ny fanavotana ireo lehilahy sy vehivavy namantsika.4

Eo amin’ny ezaka ataontsika mba hanavotana ireo very sy hanompoana dia arahintsika ny ohatra tsy manam-paharoa an’ny Mpamonjintsika sy ireo fampianarana feno hatsaram-panahy momba ny fitiavana: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:39). Nodidiany mihitsy aza isika hitia ireo fahavalontsika (jereo ny Lioka 6:27–28). Ary tao amin’ny fampianarana lehibe nataony tany amin’ny fiafaran’ny asa fanompoana nataony nandritra ny fiainana an-tany, dia nilaza Izy hoe:

“Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.

“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:34–35).

Ao anatin’izany fifankatiavana izany, dia nampianatra i Jesoa fa raha misy manao ratsy antsika dia tokony hamela ny helok’izy ireny isika (jereo ny Matio 18:21–35; Marka 11:25–26; Lioka 6:37). Raha maro no sahirana amin’io didy sarotra io dia isika rehetra samy mahafantatra ohatra manentana ny fanahy asehon’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay nanolotra famelana feno fitiavana, eny na dia teo anatrehan’ny fahadisoana tena goavana indrindra aza. Ohatra, niantehitra tamin’ny finoany an’i Jesoa Kristy i Chris Williams mba hamelàna ilay mpamily fiarakodia mamo izay nahafaty ny vadiny sy ny roa tamin’ireo zanany. Roa andro monja taorian’ilay fahoriana ary raha mbola tena ory iny ity lehilahy namela ity, izay eveka tato amintsika tamin’izany fotoana izany, dia nilaza hoe “Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy ahy, dia tsy nanana safidy hafa aho.”5

Ny ankamaroan’ireo Kristianina dia manome ny mahantra sy ny sahirana, araka ny nampianarin’i Jesoa (jereo ny Matio 25:31–46; Marka 14:7). Mamiratra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo mpikambana ao aminy eo amin’ny fanarahana io fampianaran’ny Mpamonjintsika io. Manome anjara biriky amim-palalahan-tanana ireo mpikambana ao amintsika ho an’ireo fikambanana mpanampy olona ary manolotra asa fanompoana ataon’ny tena manokana sy fanomezana hafa ho an’ireo mahantra sy ireo sahirana. Ankoatr’izany dia mifady hanina mandritra ny fisakafoanana in-droa izy ireo isam-bolana ary manatitra farafahakeliny ny vidin’ireo sakafo ireo mba ho fanatitra fifadian-kanina, izay ampiasan’ireo eveka sy ireo filohan’ny sampana mba hanampiana ireo mpikambana sahirana. Ny fifadiantsika hanina hanampiana ireo noana dia fihetsika mifono fiantrana, ary raha atao amin-kitsimpo dia tena fivokisana ara-panahy.

Tsy dia fanta-daza loatra ny asa fanampiana olona maneran-tany ataon’ny Fiangonantsika. Mampiasa vola atolotr’ireo mpikambana malala-tanana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ka mandefa sakafo sy fitafy ary fitaovana fototra ilaina hafa hanamaivanana ny fijalian’ireo olon-dehibe sy ankizy maneran-tany. Ireo fanomezana hanampiana olona ireo, izay mitentina an-jatony tapitrisa dôlara maromaro nandritra ny folo taona farany lasa teo, dia atao tsy hijerena antokom-pinoana, na foko, na firenena.

Ny ezaka lehibe hanampiana olona nataontsika taorian’ny horohoron-tany sy tsunami tany Japana tamin’ny taona 2011 dia nahafahana nanolotra lelavola sy fitaovana fanampiana mitentina 13 tapitrisa dôlara. Ankoatr’izany dia mpilatsaka an-tsitrapo maherin’ny 31.000 avy amin’ny Fiangonana no nanolotra asa fanompoana mitentina ora 600.000 mahery. Ny fanampiana olona nataontsika ho an’ireo tra-boina tamin’ny rivo-doza Sandy tany atsinanan’i Etazonia dia nahitana fanomezana betsaka samihafa karazany, miampy asa fanompoana sahabo ho ora 300.000 latsaka kely nanaovana ezaka fanadiovana notanterahan’ny mpikamban’ny Fiangonana teo amin’ny 28.000 teo ho eo. Tao anatin’ireo ohatra maro tamin’ny taon-dasa, dia nanolotra akanjo fitafy sy kiraro milanja 136 taonina mahery isika ho an’ireo mpitsoa-ponenana tany amin’ny firenena Tchad any Afrika. Nandritra ny dimby amby roapolo taona farany lasa teo isika dia nanampy teo amin’ny olona 30 tapitrisa teo ho eo tany amin’ny firenena 179.6 Marina tokoa fa hain’ny vahoaka antsoina hoe “Môrmôna” ny manome ny mahantra sy ny sahirana.

Tao anatin’ny fampianarana farany nataon’ny Mpamonjy tao amin’ny Baiboly dia nanoro lalana ireo mpanara-dia Azy Izy hitondra ny fampianarany ho any amin’ny firenena sy voary rehetra. Hatrany am-piandohan’ny famerenana tamin’ny laoniny dia nikatsaka ny hanaraka io fampianarana io Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Na dia tamin’ny fotoana naha fiangonana vaovao sy nahantra ary niady mafy antsika aza, izay tsy nanana afa-tsy mpikambana an’arivony vitsivitsy fotsiny, dia nandefa misiônera niampita ireo ranomasimbe, tany atsinanana sy tany andrefana, ireo mpitarika antsika tany am-boalohany. Tamin’ny naha vahoaka antsika dia nanohy nampianatra ilay hafatra Kristianina hatramin’izao andro ankehitriny izao isika izay ahitana fa ny fandaharan’asantsika tsy manam-paharoa entina hitoriana filazantsara dia manana misiônera amin’ny fotoana feno mihoatra ny 60.000, miampy an’arivony fanampiny izay manompo amin’ny ampaham-potoanany. Manana misiônera isika any amin’ny firenena sy tany maherin’ny 150, maneran-tany.

Tao anatin’ ilay Toriteny teny An-tendrombohitra nataony dia nampianatra i Jesoa hoe “Koa amin’izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 5:48). Ny anton’io fampianarana io sy ny antony hanarahana ny Mpamonjintsika dia ny hankanesana any amin’ny Ray, izay nantsoin’ny Mpamonjy hoe “ny Raiko sy ny Rainareo … Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17).

Avy amin’ny fanambarana maoderina, izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, no ahafantarantsika fa ilay didy hoe mikatsaka fahatanterahana dia ampahany amin’ny drafitr’Andriamanitra Ray ho famonjena ireo Zanany. Ao anatin’io drafitra io isika dia mpandova ny ray aman-drenintsika any an-danitra avokoa. Zanak’Andriamanitra isika,” hoy ny Apôstôly Paoly nampianatra, “ary raha zanaka, dia mpandova; eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” (Romana 8:16–17). Midika izany, araka ny lazaina amintsika ao amin’ny Testamenta Vaovao, fa “mpandova … ny fiainana mandrakizay” isika (Titosy 3:7) raha manatona ny Ray isika, dia tokony “handova ny zava-drehetra” (Apôkalypsy 21:7 fandikana ara-bakiteny ny Baiboly King James)—izay rehetra Ananany—hevitra iray izay sarotra takarina ho an’ny saintsika olombelona mety maty. Saingy farafaharatsiny dia azontsika takarina fa ny fahatratrarana io anjara farany io any amin’ny mandrakizay dia tsy ho azontsika tanterahana raha tsy manaraka an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika isika, izay nampianatra hoe “tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Mikatsaka ny hanara-dia Azy isika sy ny ho tonga tahaka Azy bebe kokoa, eto sy any ankoatra. Izany tokoa no izy, hany ka hiraintsika ao amin’ireo andininy farany amin’ilay fihiranantsika hoe “Avia re hanarak’Ahy” ny hoe:

Ampy ve raha eto an-tany ihany

Isika no manarak’ hatrany?

Tsia, tsy ampy re izany,

Fa mitohy any ankoatra any. …

Hery sy voninahitra be,

No efa miandry anao sy ahy,

Raha toa voahaja ‘lay teny hoe:

“Avia, Manaraha Ahy.”7

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, izay ny fampianarany sy ny ohatra nasehony no ezahantsika arahana. Manasa ny rehetra izay mavesatra entana Izy mba hanatona Azy sy hianatra Aminy ary hanaraka Azy, mba hahitantsika fitsaharana ho an’ny fanahintsika (jereo ny Matio 4:19; 11:28). Ijoroako ho vavolombelona ny fahamarinan’ny hafatra nomeny sy ny iraka sy fahefana masina nomena ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Avia re hanarak’ Ahy,” (notsorina) Liahona, Apr. 2010.

  2. Jereo ny Karen Lynn Davidson, Our Latter-day Hymns: The Stories and the Messages (1988), 142–43, 419.

  3. “Seigneur, je te suivrai,” Cantiques, no. 141.

  4. Jereo, ohatra, ny Heidi S. Swinton, To the Rescue: The Biography of Thomas S. Monson (2010), 149–61; Thomas S. Monson, “To the Rescue,” Liahona, Jolay 2001, 57–60.

  5. Chris Williams, ao amin’ny Jessica Henrie, “Father Relies on Faith to Forgive Intoxicated Teen Driver,” Deseret News, 1 Aog. 2012, deseretnews.com/article/865559847/Let-It-Go-Chris-Williams-shares-his-story-of-tragedy-and-forgiveness.html; jereo koa ny Chris Williams, Let It Go: A True Story of Tragedy and Forgiveness (2012).

  6. Jereo ny “Emergency Response: Church Assists Worldwide,” Church News, 9 Mar. 2013, 9; Welfare Services Emergency Response, “2012 Year in Review,” 8.

  7. “Avia re hanarak’ Ahy,” (notsorina) Liahona, Apr. 2010.