2010–2019
Mba Hahazo Fiadanana Ao An-tokantrano
Aprily 2013


Mba Hahazo Fiadanana Ao An-tokantrano

Ny iray amin’ireo fitahiana lehibe azontsika omena an’izao tontolo izao dia ny herin’ny tokantrano iray mifototra amin’i Kristy izay ahitana fa ampianarina ao ny filazantsara, voatandrina ireo fanekempihavanana ary miavosa ny fitiavana.

Maro ireo feo avy eto amin’ity izao tontolo izao izay iainantsika ity no milaza amintsika fa tokony ho mailamailaka isika eo amin’ny fiainana. Misy zavatra bebe kokoa tokony hatao foana sy zavatra bebe kokoa tokony hotanterahana. Kanefa ao anatintsika lalina ao dia misy fitadiavana toeram-pialofana iray izay hibahanan’ny fahatoniana, toerana iray ahafahantsika miala sasatra, maka aina sy manangona hery indray hiomanana amin’ireo zavatra tsy maintsy atrehina amin’ny hoavy.

Ilay toerana tena tsara tokony hisy izany fiadanana izany dia ao an-tokantranontsika, izay toerana nanaovantsika izay vitantsika mba hahatonga an’i Jesoa Kristy Tompo ho ivon’izany.

Ny tokantrano sasany dia manana ray izay mpihazona fisoronana mendrika miaraka amin’ny reny mahatoky sy mahafoy tena iray izay miara-mitarika amim-pahamarinana. Misy karazana toe-javatra hafa koa any amin’ny tokantrano maro. Na inona na inona toe-javatra iainanao dia afaka mampifototra ny tokantranonao sy ny fiainanao amin’i Jesoa Kristy Tompo ianao satria Izy no loharanon’ny fiadanana marina eto amin’ity fiainana ity.

Ataovy izay ahazoanao antoka fa ny fanapahan-kevitra rehetra raisinao, na ara-nofo izany na ara-panahy, dia mifototra amin’ny hoe inona no tian’ny Tompo hataonao. Misy ny fiadanana sy fahatoniana rehefa Izy no ivon’ny tokantranonao. Misy fahatsapana fahatokiana mameno ny tokantrano ary tsapan’izay rehetra mipetraka ao izany.

Tsy ny ray aman-dreny irery ihany akory no tokony hanatanteraka izany torohevitra izany na dia andraikitr’izy ireo aza ny mitarika. Afaka ny ho tompon’andraikitra amin’ny fampivoarana ny ezaka atao eo amin’ny fampifotorana ny tokantrano amin’i Kristy ny zanaka. Zava-dehibe ho an’ ny ray aman-dreny ny mampianatra ny zanaka hahafantatra ny fiantraikan’ny zavatra ataon’izy ireo amin’ny olona tsirairay izay mipetraka ao amin’ilay tokantrano. Ny zanaka izay asaina mahatsapa ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra nataony, na mety izany na tsia, dia ho lasa olona azo ianteherana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Azoko antoka fa fantatrareo ireo fitsipika fototra izay mampifototra ny tokantranonareo amin’ny Mpamonjy. Ilay torohevitra avy amin’ny faminaniana mba hanao vavaky ny tena manokana sy vavaky ny mpianakavy, fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina sy fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina ary takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro no singa tena ilaina sy singa fototra hanorenana tokantrano mifantoka amin’i Kristy. Ho sarotra ny hahita ilay fiadanana iriana sy tadiavina mafy ary ilay toeram-pialofana amin’izao tontolo izao raha tsy misy ny fanaovana tsy tapaka ireo zavatra ireo.

Aoka ianareo hankatò ireo fampianarana azo avy amin’ny faminaniana izay tian’i Kristy harahinareo. Aza hamaivanina ny fahasambarana ho azonareo amin’ny hoavy amin’ny alalan’ny fanaovana hitsin-dalana, nefa tokony hampihatra ireo fitsipika azo antoky ny filazantsara. Tsarovy fa: ny zavatra kely dia mitondra any amin’ny zavatra lehibe. Mety hiteraka olana lehibe ny tsy fahamalinana sy ny fanaovana tsirambina izay jerena ho toy ny tsy manan-danja. Fa ny tena zava-dehibe, dia hitondra any amin’ny fiainana feno fitahiana maro ny fahazarana tsotra sy tsy tapaka ary tsara.

Manao zavatra maro amim-pahombiazana kokoa noho izay azoko natao tamin’izaho nitovy taona taminareo ianareo ry ankizy ao amin’ny Kilonga sy ianareo zatovolahy sy zatovovavy ao anatin’ny fandaharan’asan’ny zatovo ary ianareo misiônera mahatoky izay manompo ankehitriny. Nasehonareo tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana fa mahery fo sy mankatò ary madio ianareo. Niasa mafy ianareo tany mba hampivelatra ny talentanareo sy ny fahaiza-manaonareo mba hiomananareo amin’ny fiatrehana amin-kerimpo, amim-pahamendrehana, amim-boninahitra ary amim-pahombiazana ny fiainana an-tany.

Vao tsy ela akory izay no nahatongavanareo teto an-tany niaraka tamin’ireo fahaiza-manao lehibe sy fahafahana manao zavatra tsy misy fiafarany ireo. Kanefa tena misy loza eo amin’ny tontolo manodidina anareo. Mety ho voafetra sy ho rava ilay hery anaty anananareo sy ny fahaiza-manaonareo raha toa ianareo ka manaraka ireo zavatra ratsy avy amin’ny devoly manodidina anareo. Kanefa tsy matanjaka noho ny Mpamonjy i Satana. Efa fantatra ny hiafaran’i Satana. Fantany fa resy izy kanefa te hanimba olona maro araka izay tratran’ny heriny izy. Hiezaka ny hanimba ny hatsaran-toetranareo sy ny fahaiza-manaonareo izy amin’ny alalan’ny fanararaotana ny fahalemenareo. Mijanòna any amin’ny faritry ny Tompo ary dia handresy foana ianareo.

Ianareo dia miaina ao anatin’ny tontolo iray izay ahitana fa tena mandeha haingana tokoa ny fivoarana ara-teknôlôjia. Sarotra ho an’ny olona maro mitovy taona amiko ny manaraka an’ireo zavatra maro azo atao. Mety ho lasa fitahiana na ho olana ireo fivoarana ireo, miankina amin’ny fomba ampiasana ilay teknôlôjia. Rehefa takatra sy ampiasaina ho an’ny tanjona tsara ny teknôlôjia dia tsy ho zavatra mampatahotra fa lasa mampivelatra ny fifandraisana ara-panahy aza.

Maro amintsika ohatra no manana fitaovana elekitrônika antsika manokana izay omby ny paosintsika. Mahalana isika vao tsy miaraka aminy. Mety mampiasa izany im-betsaka isika ao anatin’ny iray andro. Indrisy anefa fa mety ho loharanon’ny fahalotoana sy fandanindaniam-potoana ireny fitaovana ireny. Saingy raha ampiasaina miaraka amin’ny fifehezan-tena izany teknôlôjia izany dia afaka ny ho fitaovana mpiaro amin’ny zavatra tena ratsy foronin’ny fiaraha-monina.

Iza no afaka nahazo an-tsaina tany amin’ireo taona vitsy lasa izay hoe afaka ny ho tafiditra ao am-paosinao ireo bokin-tsoratra masina rehetra nankatoavin’ny Fiangonana sy ireo hafatra aman-taonany avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana? Tsy hiaro anao ny fananana azy ireo fotsiny ao am-paosinao saingy ny fandalinanao, ny fisaintsainanao ary ny fihainoanao azy ireo mandritra ny fotoana milamina isan’andro dia hampivelatra ny fifandraisana amin’ny alalan’ny Fanahy.

Aoka ianao ho hendry eo amin’ny fampiasanao ny teknôlôjia. Asio marika ireo soratra masina manan-danja ao anatin’ilay fitaovana ampiasainao ary jereo matetika izy ireo. Raha toa ianareo tanora ka mamerina mamaky andinin-tsoratra masina iray matetitetika toy ny handefasan’ny sasany aminareo hafatra an-tsoratra, dia vetivety ianareo dia hahay tsianjery andinin-tsoratra masina an-jatony. Ho tena loharano mahery vaika ahazoana fanentanam-panahy sy fitarihana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo andinin-tsoratra masina ireo ao anatin’ny fotoan-tsarotra.

Ny fanaovana izay rehetra vitantsika mba hanasana ilay fitarihana malefaka sy mitantana avy amin’ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fiainantsika dia zava-dehibe ao anatin’ny ezaka ataontsika mba hampifototra ny tokantranontsika amin’ny Mpamonjy. Ny fandraisana andraikitra amim-pankatoavana mifanaraka amin’ireo bitsika ireo dia mampatanjaka antsika bebe kokoa.

Hisy fiadanana lehibe kokoa ho tonga rehefa atambatrareo amin’ny ezaka ataonareo mba ho mpankato ny fanompoana ny hafa manodidina anareo. Maro dia maro ireo olona izay manana talenta, eritreretiny fa kely, no mampiasa amim-panetrentena sy amim-pahalalahan-tanana azy ireo eo amin’ireo olona manodidina azy ireo. Ny fitiavan-tena no fototry ny faharatsiana lehibe. Ny fanefitr’izany toetra ratsy izany dia hita taratra tsara teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Nasehony antsika ny fomba hampifantohana ny fiainantsika amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana amim-pahalalahan-tanana ho azy ireo.

Nianatra fahamarinana iray aho izay tena niverimberina matetika teo amin’ny fiainako ka lasa fantatro fa lalàna lehibe. Mamaritra ny fomba ifandraisan’ny fankatoavana sy ny asa fanompoana amin’ny herin’Andriamanitra izany. Rehefa mankatò ny didin’ny Tompo isika ary manompo ny zanany amim-pitiavana dia hery avy amin’Andriamanitra no vokany mivoaka ho azy avy amin’izany—hery ahafahana manao zavatra bebe kokoa noho izay azon’ny tenantsika manokana atao. Mivelatra ny fahalalantsika sy ny talentantsika ary ny fahaiza-manaontsika satria mahazo tanjaka sy hery avy amin’ny Tompo isika. Ny heriny dia singa fototry ny fanorenana tokantrano feno fiadanana.

Rehefa mampifototra ny tokantranonao amin’ny Mpamonjy ianao dia ho lasa toeram-pialofana ho azy izany, izay tsy ho an’ny fianakavianao irery ihany fa ho an’ireo namana koa izay miaina ao anatin’ny toe-javatra sarotra kokoa. Ho voasariky ny fahatoniana tsapa ao izy ireo. Raiso ao an-tokantranonao ny namana toy izany. Hivelatra ao anatin’izany tontolo mifototra amin’i Kristy izany izy ireo. Aoka ianao ho naman’ny naman’ny zanakao. Aoka ho ohatra mendrika ho azy ireo ianao.

Ny iray amin’ireo fitahiana lehibe azontsika omena an’izao tontolo izao dia ny herin’ny tokantrano iray mifototra amin’i Kristy izay ahitana fa ampianarina ao ny filazantsara, voatandrina ireo fanekempihavanana ary miavosa ny fitiavana.

Taona maro lasa izay, taorian’ny fitsidihana misiona iray, dia niresaka tamiko momba ny elder iray izay nihaona taminy i Jeanene vadiko. Nanontany azy mikasika ny fianakaviany i Jeanene. Taitra i Jeanene raha namaly izy hoe tsy manana fianakaviana. Nazavainy bebe kokoa fa rehefa teraka izy dia nomen’ny reniny ny fitondram-panjakana mba hotezain’izy ireo. Laniny tamin’ny fifindrafindrana tokantrano mpitaiza ny fahazazany. Nahazo fitahiana izy fony zatovolahy tamin’ny nahitany ny filazantsara. Nampian’ny fianakaviana be fitiavana iray tao amin’ny paroasy izy mba hanana fahafahana hanao asa fitoriana.

Taty aoriana dia nanontanian’i Jeanene ny vadin’ny filohan’ny misiona mikasika io elder mahafinaritra io. Nahafantatra izy fa io elder io dia nipetraka tao amin’ny trano fonenan’ny filohan’ny misiona volana vitsivitsy lasa izay fa narary. Niara-nanao takarivan’ny mpianakavy tamin’izy ireo izy tamin’izany fotoana izany. Talohan’ny nandehanany mba hiverina any amin’ny sahan’ny asa fitoriana indray dia nangataka tamin’ny filohan’ny misiona izy raha afaka mijanona roa na telo andro ao amin’ny tranon’ny filohan’ny misiôna rehefa mifarana ny asa fitoriany. Te handinika ny fandehan’ny fianakaviana iray mifototra amin’i Kristy izy. Te hanana fahafahana hampitovy ny fianakaviany amin’ny azy ireo izy.

Ataovy izay vitanao mba hananana tokantrano toy izany. Tolory tanana ireo izay miaina ao anatin’ny toe-javatra sarotra. Aoka ianao ho tena namana. Ny karazana finamanana maharitra toy izany dia manampy ny hafa hahazaka olana ary mahatonga ny lalana diavina ho milamina sy mahafinaritra kokoa. Tsy tokony ho loharano ampiasaina mba hahazoana tombontsoa manokana izany fa tokony ho zava-tsarobidy ankasitrahana sy zaraina. Raiso ao an-tokantranonao ireo izay mila ampahatanjahana amin’ny alalan’ny toe-javatra iainana toy izany.

Manolotra hevitra vitsivitsy farany aho ho an’ireo tia olona iray ao amin’ny fianakaviany izay tsy manao safidy tsara. Mety hanohintohina ny faharetantsika sy ny fiaretantsika izany. Mila matoky ny Tompo sy ny fandaharam-potoany isika fa afaka ny ho tonga ny valiny tsara avy amin’ny vavaka sy ny asa famonjena nataontsika. Manao izay vitantsika isika mba hanompoana, mba hitahiana ary hanekena amim-pietrena ny sitrapon’Andriamanitra ao anatin’ny zavatra rehetra. Mampihatra ny finoana isika ary mahatsiaro fa misy zavatra sasantsasany izay tsy maintsy apetraka amin’ny Tompo. Manasa antsika Izy mba hametraka ny enta-mavesatsika eo amin’ny tongony. Afaka mahafantatra amin’ny finoana isika fa ilay olon-tiana nania iray dia tsy very fa karakarain’ny Mpamonjy be fitiavana iray.

Fantaro ny zavatra tsara ao anatin’ny hafa fa tsy ny fahotany. Indraindray dia mety mila fandinihana tsara mba ho diovina ny fahotana iray, saingy mifantoha foana amin’ny toetra tsara ananany.

Rehefa mahatsapa ianao fa tena kely ny fanantenana, dia tsy kely izany io fanantenana io fa rohim-pifandraisana matevina toy ny fitaovam-piarovana izay mampatanjaka sy manondrotra anao. Hanome fampaherezana anao izany ka tsy tokony hatahotra intsony ianao. Miezaha mba hiaina amim-pahamendrehana ary apetraho amin’ny Tompo ny fahatokianao.

Tsy tokony hiahiahy isika raha toa ka tsy vitantsika miaraka ireo zavatra rehetra nasain’ny Tompo ataontsika. Nilaza Izy fa samy manana ny fotoany ny zava-drehetra. Ho valin’ireo vavaka nataontsika tamin-kitsimpo mba hangatahana fitarihana dia hitarika antsika any amin’ny zavatra tokony hifantohana ao amin’ny ambaratonga tsirairay eo amin’ny fiainantsika Izy. Afaka mianatra, mivelatra ary ho lasa toa Azy isika amin’ny alalan’ny fanaovana dingana matotra iray isaky ny mandeha.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa manome fahatokian-tena lehibe amin’ny fahazoana fiadanana sy toeram-pialofana ao an-tokantranontsika ny fananana fiainana feno fankatoavana izay mifototra mafy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mbola hisy ireo olana sy fahoriana maro, saingy na dia ao anatin’ny fahasarotana aza, dia afaka ny hanana fiadanana anaty sy fifaliana lalina isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no loharanon’izany fiadanana miavosa izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.