2010–2019
Fahagagana izany
Aprily 2013


Fahagagana izany

Raha toa ka tsy misiônera manompo amin’ny fotoana feno ianao miaraka amin’ilay mari-pamantarana mipaingotra eo amin’ny palitaonao, fotoana hanoratanao anankiray ao amin’ny fonao izao—soratana, araka ny nolazain’i Paoly, “tsy tamin’ny ranomainty anefa, fa amin’ny Fanahin’Andriamanitra velona.”

Feno fahagagana ny fiainana an-tanin’i Jesoa Kristy: reny virijiny, kintana vaovao, anjely niseho tamin’ny mpiandry ondry, ny jamba nahiratra, ny nalemy afaka nandeha, anjely tao Getsemane sy tany amin’ilay fasana, ary ny fahagagana lehibe indrindra amin’ny rehetra—dia ny fitsanganany tamin’ny maty am-boninahitra.

Azonao alaina sary an-tsaina ve ny iraikambinifolo lahy teo an-tendrombohitra teo akaikin’i Galilia aho, rehefa nanatona azy ireo ny Tompo nitsangana tamin’ny maty ka niteny hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”?1 “Mandehana any amin’ izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.”2

“Ny firenena rehetra”? “Amin’izao tontolo izao”? Amin’ny olombelona rehetra? Ho tanteraka ve izany? Na dia nankahery azy ireo aza i Jesoa, dia mety ho nanontany tena ihany izy ireo raha toa ka hisy fahagagana hiaraka amin’izy ireo eo am-panaparitahana ny filazantsara.3

Nandresy ny ahiahy ny finoana, ary nanandratra ny feony i Petera, nilaza hoe:

“Izay rehetra monina eto Jerosalema, … henoy ny teniko: …

“… Jesosy avy any Nazareta, … [izay] nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna: …

“Izany Jesosy izany … dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra.”4

Tena feno fisehoan-javatra ara-panahy tsy azo lavina tamin’izany andro izany, ary fanahy 3.000 no vita batisa. Nanaraka ny finoan’ireo mpino ireo mari-pamantarana sy fahagagana, araka ny nampanantenain’i Jesoa.

Raha naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy 183 taona izay, dia nanakoako tamin’ny asa nomen’ny Tompo ny vondrona mpianatra keliny ireo teny nolazainy an-jato taonany lasa: “Ary hiantefa amin’ ny olon-drehetra.”5 “Satria marina tokoa fa tsy maintsy miala avy eo amin’ ity toerana ity ny feo ka mankany amin’ izao tontolo izao ary hatrany amin’ ny faran’ ny tany.”6

“Amin’ny olombelona rehetra”? “Amin’izao tontolo izao”? “Amin’ny faran’ny tany”? Ho tanteraka ve izany?

Nankahery ny Olomasin’ny Andro Farany ny Tompo,7 kanefa afaka nahafantatra mialoha ny vokatra sy ny hoavin’ity asa mahatalanjona ity tokoa ve izy ireo? Mety nanontany tena izy ireo raha toa ka tena hisy fahagagana hiaraka amin’izy ireo eo am-panaparitahana ny filazantsara.

Nandresy ny ahiahy indray ny finoana, ary an’arivony no vita batisa. Tany Angletera, ny Loholona Wilford Woodruff dia nahita mpiray tanàna iray manontolo izay niandry ny fahatongavany. Tonga tamin’izy ireo ny Fanahin’ny Tompo, ary nanao batisa mpitory teny 45 sy mpikambana an-jatony maro izy nandritra ny volana voalohany tao amin’ny toeram-piompian’i Benbow.8

Mitovy amin’izany ny androntsika. Fony misiônera izahay sy ny Loholona David A. Bednar 40 taona lasa eo ho eo izay (mampanantena anareo aho fa tsy izahay no misiônera niverina antitra indrindra mipetraka eto amin’ny seza menamena), dia nisy misiônera 16.000 tamin’izany. Araka ny tatitra nomen’ny Filoha Thomas S. Monson omaly dia manana misiônera 65.000—betsaka noho ny hatrizay, isika ankehitriny. Nisy tsatòka 562 tamin’izany. Mihoatra ny 3.000 izany ankehitriny. Tany amin’ny firenena 59 ireo paroasintsika sy ireo sampana tamin’izany fotoana izany. Manana vondrona mpiangona 189 ao anatin’ireo firenena sy faritr’izao tontolo izao miisa 224 isika. Vitsy an’isa isika, araka ny naminanian’i Nefia.9 Kanefa ihany koa, izaho sy ianao dia vavolombelon’ny teny faminanian’i Daniela: ilay “vato … voaendaka … nefa tsy nendahan-tanana … izay [mameno] ny tany rehetra.”10

Fotoam-pahagagana miavaka izao vaninandrontsika izao. Enim-bolana lasa izay no nanambaran’ny Filoha Monson ny fiovan’ny taonan’ireo zatovolahy sy zatovovavy te hanao asa fitoriana, nisy fanehoan-javatra ara-panahy tsy azo lavina tamin’izany. Nandresy ny ahiahy ny finoana ka niroso ireo zatovolahy sy zatovovavy. Ny Alakamisy manaraka ny fihaonambe, dia nasaina nanolotra antso ho an’ireo hanao asa fitoriana tamin’ny Fiadidiana Voalohany aho. Gaga aho nahita ireo taratasin’ireo lehilahy 18 taona sy vehivavy 19 taona izay efa nandamina ny drafitr’izy ireo, nijery ny mpitsabo azy ireo, nanao tafa sy dinika amin’ny eveka sy filohan’ny tsatòkan’izy ireo, ary nandefa ny taratasy filatsahana ho misiônera—izany rehetra izany tao anatin’ny 5 andro. An’arivony maro no nanampy azy ireo. Fahagagana izany.

Feno fankasitrahana isika amin’ny finoan’ireo rahavavy izay manome hery, amin’ny isan’ireo misiônera avy amin’ny firenena manerana izao tontolo izao izay mitombo hatrany, ary ny isan’ireo mpivady vonona hanompo izay tsy mitsaha-mitombo. Misiona valo amby dimampolo vaovao no nambara, ary ankoatra ny foibe fanofanana ny misiônera feno be ao Provo dia hisy foibe fanofanana misiônera vaovao ihany koa any Mexico City.

Niteny ny Filoha Monson hoe: “Tena mandray am-pahamatorana ny didin’ny Mpamonjy isika … ‘Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.’”11 “Ity tanjona ity … dia hitohy hatrany hanova sy hitahy olona … Tsy hisy … hery … eto amin’izao tontolo izao afaka hanakana ny asan’Andriamanitra.”12

Vavolombelon’ny fahagagan’ny Tompo isika ankehitriny amin’ny fiparitahan’ny filazantsarany manerana izao tontolo izao.

Ry rahalahy sy rahavavy, tahaka ny hanentanan’ny Tompo ny fanahin’ireo misiônera betsaka kokoa mba hanompo dia mamoha ny saina sy manokatra ny fon’ny olon-tsara sy marin-toetra ihany koa Izy handray ny misiônerany. Efa fantatrao izy ireny na mbola ho fantatrao. Ao amin’ny fianakavianao izy ireny ary mipetraka ao amin’ny fiaraha-moninao. Mandalo eo amin’ny lalanao izy ireny, mipetraka eo akaikinao any am-pianarana, ary mifanerasera aminao amin’ny Internet. Ianao koa dia ampahany manan-danja ao anatin’izao fahagagana miseho izao.

Raha toa ka tsy misiônera manompo amin’ny fotoana feno ianao miaraka amin’ilay mari-pamantarana mipaingotra eo amin’ny palitaonao, fotoana hanoratanao anankiray ao amin’ny fonao izao—soratana, araka ny nolazain’i Paoly, “tsy tamin’ny ranomainty anefa, fa amin’ny Fanahin’Andriamanitra velona.”13 Ary ianareo misiônera efa niverina, tadiavo ny mari-pamantarana ny misiônera izay anareo taloha. Aza anaovana izany, fa apetraho eo amin’ny toerana azonareo ahitana izany. Tsy mbola nila anareo tahaka ny amin’izao ny Tompo mba ho fitaovana eo an-tanany. Misy anjara tokony hataontsika rehetra amin’ity fahagagana ity.

Nieritreritra ny fomba hizarany ny filazantsara ny mpikamban’ny Fiangonana marina rehetra. Misy ireo izay mora aminy ny mizara ny filazantsara, ary afaka mianatra betsaka amin’izy ireo isika.14 Misy ireo izay sahirana sy manontany tena hoe ahoana no hanaovana tsaratsara kokoa, manantena fa handao antsika ilay fahatsapana fahamelohana izay tsapantsika matetika.

Mitondra antsika rehetra handohalika ny faniriana hizara ny filazantsara, ary tokony izany no izy, satria mila ny fanampian’ny Tompo isika.

Nanasa antsika ny Filoha Monson mba hivavaka “ho an’ireo faritra izay mbola voafetra ny fahafahantsika manao zavatra any ary, mbola tsy azo atao ny mizara ny filazantsara am-pahalalahana.”15 Hanohy hanokatra varavarana ho antsika ny Tompo rehefa mivavaka lalina sy am-piraisam-po amin’ny Raintsika any an-danitra isika.

Mivavaka ihany koa isika amin’ny fahafahantsika manokana hizara ny filazantsara. Hoy ny Apôstôly Petera: “Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany … amin’ny antony [ho] fanantenana ao anatinareo.”16

Tsy mahagaga raha mihavitsy ireo olona mamonjy ny trano fiangonan’izy ireo noho ny fifanjevoana17 sy ny fisafotofotoana18 eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Na dia betsaka aza ireo izay te hanakaiky bebe kokoa an’Andriamanitra sy te hahatakatra bebe kokoa ny tanjon’ny fiainana, dia manana fanontaniana tsy voavaly izy ireny. Betsaka ireo manana fo misokatra ho amin’ny fahamarinana, kanefa araka ny nofaritan’ny mpaminany Amosa, “[m]ivezivezy izy ireo [m]itady ny tenin’i Jehovah, nefa tsy [afaka] mahita [izany].”19 Afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontanian’izy ireo ianao. Afaka manampy ny finoan’izy ireo an’i Kristy ianao amin’ny fiainanao isan’andro.20

Hoy ny Tompo: “Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratra eo amin’izao tontolo izao. Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony.”21

Mampanantena anareo aho, fa raha mivavaka mba hahafantatra ireo izay horesahina ianao, dia hisy endrika sy anarana tonga ao an-tsainao. Omena anao amin’ilay fotoana tena ilana izany ny teny hotenenina.22 Hisokatra ho anareo ireo fahafahana. Handresy ny ahiahy ny finoana, ary hanome anareo amin’ny fahagagana ho anareo manokana ny Tompo.

Nampianatra antsika hizara ny filazantsara ny Mpamonjy. Tiako ny tantaran’i Andrea, izao nanontany hoe: “Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?”23 Afaka namaly ny amin’ny toerana nipetrahany i Jesoa. Kanefa, hoy Izy tamin’i Andrea, “Avia ary ho hitanareo.”24 Tiako ny mieritreritra hoe niteny izao ny Mpamonjy, “Avia ary ho hitanareo, tsy ny fitoerako fotsiny ihany fa ny fomba fiainako ihany koa. Avia ary ho hitanareo hoe iza aho. Avia ary hotsapanareo ny Fanahy.” Tsy fantatsika avokoa ny momba izany andro izany, kanefa fantatsika fa izao no nanambaran’ i Simona rehefa hitany ny rahalahiny Andrea, “Nahita ny Mesia izahay.”25

Ho an’ireo izay liana amin’ny reresantsika dia afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny fanasana azy ireo “hanatona ka hahita.” Misy ireo hanaiky ny fanasantsika, ary tsy hanaiky ny sasany. Samy mahalala olona iray nasaina imbetsaka talohan’ny nanekeny ny fanasantsika “hanatona ary hahita” isika rehetra. ‘Ndeha ihany koa hieritreritra ireo niaraka tamintsika taloha kanefa tsy dia hitantsika intsony ankehitriny, hanasa azy ireny hiverina ka hahita indray.

Manaja ny safidin’ny tsirairay sy ny fandaminany ny fotoana isika. Hoy ny Tompo, “Aoka ny olona tsirairay hifidy ho an’ny tenany.”26 Tsy tokony hampihena ny finamanantsika sy ny fifankatiavantsika ny tsy fahalianan’ny ny olona iray. Hahatsapa ny fankasitrahan’ny Tompo ianao na misy manaiky na tsia ny fanasana ny hafa “hanatona ary hahita”, ary miaraka amin’izany fankasitrahana izany dia hisy ny fitomboan’ny fatran’ny finoana hoentinao izarana foana ny momba ireo zavatra inoanao.

Ho an’ireo mpampiasa ny Internet, sy ireo finday, dia misy ireo fomba vaovao hafa hanasana ny hafa “hanatona ary hahita.” ‘Ndeha hataontsika hizarana ny finoantsika bebe kokoa izany isan’andro. Manolotra fomba ahafahana manao izany daholo ny LDS.org, Mormon.org, Facebook, Twitter.

Mba hizarana ny filazantsara, dia nanomboka blogs maromaro ireo tanora tao Boston.27 Nanomboka ny fianarany tamin’ny alalan’ny Internet ireo izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, narahan’ny fampianaran’ny misiônera izany. Izany toe-javatra izany dia nanampy ireo tanora ihany koa izany hanana finoana amin’ny firesahana momba ny filazantsara amin’ny olona lehibe kokoa. Nanambara ny iray tamin’izy ireo hoe: “Tsy asa fitoriana fotsiny izy ity. Fa asa fitoriana mampiala voly.”28

Miara-manao ity asa ity isika. Manao drafitra sy mivavaka ary mifanampy amin’ireo mpikamban’ny paroasy sy ireo misiônera namana isika. Aoka ianareo hieritreritra sy hivavaka hatrany ho an’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Omeo fahatokisana izy ireo eo anatrehan’ireo fianakaviana sy namanareo. Matoky azy ireo ny Tompo ary niantso azy ireo hampianatra sy hitahy ireo izay mikatsaka Azy.

Nizara ity zava-niseho ity ny Filoha Paulo Kretly avy ao amin’ny Misiônan’ny Mozambika Maputo: “Mahazatra ny mpifankatia aty Mozambika ny miara-mipetraka [tsy vita fanambadiana] noho ny fomba amam-panao Afrikanina izay mangataka fanomezana lafo be omena ny fianakavian’ny vehivavy rehefa hanambady, fanomezana izay tsy takatry ny ankamaroan’ny mpifankatia.”29

Ireo mpikambana sy ireo misiônera dia nieritreritra sy nivavaka mikasika ny fomba hanampiana.

Ny fanamafisana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ary ny maha zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay no valim-bavak’izy ireo. Ary mampianatra ireo mpifankatia momba ny hafaliana azo avy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy tokana ihany izy ireo sady manampy azy ireo hibebaka sy hifanambady ara-dalàna.

Sarin’ny mpifankatia avy amin’ny tanàna roa samihafa any Mozambika ity. Nifanambady izy ireo ny Zoma, natao batisa niaraka tamin’ireo zanany efa lehibe ny Sabotsy.30 Nasaina “hanatona ary hahita” ny namana sy ny fianakaviana, ka an-jatony no “nanatona ary nahita.”

Hoy ny rahavavy iray taorian’ny batisa, “Nila nisafidy na hanaraka ny fombafomban’ny rainay izahay na hanaraka an’i Jesoa Kristy. Nisafidy ny hanaraka an’i Kristy izahay.”31

Tsy voatery mipetraka any Mozambika isika, kanefa afaka mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’ny fombanao manokana, amin’ny kolotsainao manokana ianao.

Mivavaha amin’ny Rainao any an-danitra. Asa masiny ity. Hitarika anao amin’ny zavatra ataonao Izy. Hanokatra varavarana Izy, hanaisotra ireo vato misakana, ary hanampy anao handresy ireo sakana. Nanambara ny Tompo hoe, “Hiantefa amin’ny olon-drehetra ny feo fampitandremana, amin’ny alalan’ny vavan’ny mpianatro, … ary tsy hisy hahasakana azy ireny.”32

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny feon’ny Tompo dia handeha hatrany am-paran’ny tany ny feon’ny Tompo, mba handre izay rehetra te handre.”33 Fahagagana izany. Fahagagana izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Amena.

Fanamarihana

  1. Matio 28:19.

  2. Marka 16:15.

  3. Jereo ny Matio 28:20; Marka 16:17–18.

  4. Asan’ny Apôstôly 2:14, 22–23, 32.

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:64.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:5.

  8. Jereo ny Enseignement des Présidents de l’Église (2004), 89–92.

  9. Jereo ny 1 Nefia 14:12.

  10. Daniela 2:34–35.

  11. Thomas S. Monson, “Tongasoa eto amin’ny Fihaonambe,” Liahona, Mey 2009, 5.

  12. Thomas S. Monson, “Tafahaona indray isika izao,” Liahona, Mey 2012, 4.

  13. 2 Korintiana 3:3.

  14. Jereo ny Clayton M. Christensen, The Power of Everyday Missionaries: The What and How of Sharing the Gospel (2013).

  15. Thomas S. Monson, “Tongasoa eto amin’ny Fihaonambe,” Liahona, Nôv. 2009, 6.

  16. 1 Petera 3:15.

  17. Manaraka fahamarinana hatry ny ela be izay novaina na tsy norarahiana izy ireo; jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:16; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:8.

  18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26; 88:91.

  19. Amosa 8:12.

  20. Niteny ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Manana fahamarinana ve ny Presbiteriana? Eny. Manana fahamarinana ve ny Batista, ny Metôdista, sy ny sisa? Eny. … Tokony hanangona ireo fitsipika tsara sy marina an’izao tontolo izao isika ary hirakitra izany.” (Histoire de l’Église, 5:517). “Tsy mangataka an’iza na iza hanary ny tsara ananan’izy ireo isika …; mangataka azy ireo hanatona sy haka bebe kokoa fotsiny ihany isika. Ahoana moa raha hanaiky sy hanaraka tanteraka ity Filazantsara ity izao tontolo izao? Dia hahita maso izy ireo amin’izany, ary harotsaka amin’izy ireo ireo fitahian’Andriamanitra, izay fanirian’ny foko manontolo” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 155). Niteny ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Mamela ahy ianareo hilaza fa mankasitraka ny fahamarinana ao amin’ireo fiangonana rehetra sy ny tsara ataon’izy ireo isika. Eny, tenenintsika ny olona hoe: ento miaraka aminao ny tsara rehetra anananao, ary aoka izahay hijery izay azonay atao hanampiana izany. Izany no toe-tsaina amam-panahy hitondrana asa ity. Izany no manan-danja indrindra ao amin’ny asa fitoriana ataontsika” (“Tenin’ny Mpaminany Velona,” Liahona, Apr. 1999, 19). “Tokony ho vahoaka mahate ho tia isika. Tokony hahita ny tsara amin’ny olon-drehetra isika. Tsy fombantsika ny manakiana ireo fiangonana hafa. Mitory sy mampianatra amin’ny fomba tsara sy mendrika isika. Afaka miteny ireo avy amin’ny finoana hafa isika hoe, ‘ento miaraka aminao ny tsara rehetra anananao, ary aoka izahay hijery izay azonay atao hanampiana izany.’ Izany no no zava-dehibe ao anatin’ilay fandaharan’asa fitoriana goavana ataontsika ary misy vokany izany” (“Messages of Inspiration avy amin’ny Filoha Hinckley,” Church News, Nôv. 7, 1998, 2; jereo ny ldschurchnews.com).

  21. 3 Nefia 18:24.

  22. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85; 100:6.

  23. Jaona 1:38.

  24. Jaona 1:39.

  25. Jaona 1:41.

  26. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:4.

  27. Jereo, ohatra ny youngandmormon.com.

  28. Resaka an-tariby niaraka tamin’i Jackson Haight tamin’ny 22 Martsa 2013.

  29. Taratasy manokana nalefa email avy tamin’ny Filoha Paulo V. Kretly, 6 Martsa, 2013.

  30. Sary avy tamin’ny Filoha Paulo V. Kretly. Avy any Maputo ny vondrona voalohany; nivady tamin’ny 30 Nôvambra 2012 izy ireo, ary vita batisa tamin’ny 1 Desambra 2012. Avy any Beira ny vondrona faharoa; nivady tamin’ny 1 Martsa 2013 izy ireo ary vita batisa tamin’ny 2 Martsa 2013.

  31. Taratasy manokana nalefa email avy tamin’ny Filoha Paulo V. Kretly, 6 Martsa, 2013.

  32. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4–5.

  33. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:11.