2010–2019
Ny Fanambadiana: Mijere ary mianàra
Aprily 2013


Ny Fanambadiana: Mijere ary mianàra

Omena ireo rehetra izay manaraka ny lamin’ny fiainana izay manorina fifandraisana feno fahasambarana sy masina eo amin’ny mpivady ireo fampanantenan’ny Tompo.

Indray takariva taona maro lasa izay dia namangy ny tokantranon’ny iray amin’ireo zanakay lahy sy ny vady aman-janany mba hiara-misakafo amin’izy ireo izaho sy ny vadiko. Fotoana iray mahazatra izany ho an’ny fianakaviana iray manana zanaka mbola kely: nisy ny kotaba be ary fahafinaretana be koa. Mbola tavela teo amin’ny latabatra izaho sy i Anna, zafikelivavinay efa-taona, fotoana fohy taorian’ny sakafo hariva. Nony nahita izy fa nifantoka taminy tanteraka aho dia nitsangana teo amin’ny seza lava iray izy ary nibanjina ahy. Rehefa azony antoka fa nijery azy aho dia nandidy ahy tamim-pahamatorana izy ny “hijery sy hianatra.” Avy eo dia nandihy sy nihira ho ahy izy.

Fahendrena avy amin’ny vavan’ny ankizy ny fampianaran’i Anna mba “hijery sy hianatra.” Afaka mianatra zavatra betsaka amin’ny alalan’ny fijerena isika ary avy eo dia mieritreritra ny zavatra hita sy tsapa. Eo am-pieritreretana izany dia mamela ahy ianareo hizara aminareo fitsipika vitsy tsikaritro tamin’ny alalan’ny fijereko ary ny fianarako avy amin’ny fanambadiana mahatalanjona sy mahatoky. Manorina fanambadiana matanjaka sy mahafapo ireo fitsipika ireo, izay afaka miaraka tsara amin’ireo fitsipiky ny lanitra. Manasa anareo aho mba hijery sy hianatra miaraka amiko.

Voalohany dia tsikaritro fa samy mandray ny fifandraisan’izy ireo ho toy ny vatosoa tsy voavidim-bola sy harena tsy hay sandaina ireo mpivady ao anatin’ny fanambadiana feno fifaliana indrindra. Samy nandao ny rainy sy ny reniny izy ireo ary niara-nipetraka mba hanorina fanambadiana izay hiroborobo mandrakizay. Takatr’izy ireo fa mandeha amin’ny lalana voatendrin’Andriamanitra izy ireo. Fantany fa tsy misy karazana fifandraisana hafa afaka mitondra fifaliana lehibe toy izany, sy hiteraka zavatra tsara betsaka toy izany, na mamokatra fahatsaran’ny tena manokana lehibe toy izany. Mijere ary mianàra: mandray ny fanambadiany ho toy ny tsy voavidim-bola ny mpivady tena tsara.

Manaraka izany ny finoana. Miorina eo amin’ny fototry ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fankatoavana ny fampianarany ireo fanambadiana mandrakizay mahomby.1 Tsikaritro fa ireo mpivady izay nahatonga ny fanambadian’izy ireo ho tsy voavidy vola dia mampihatra ny lamin’ny finoana: manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy fivoriana hafa izy ireo isan-kerinandro, manao takarivan’ny mpianakavy, mivavaka sy mandalina miaraka ary samirery ny soratra masina, ary mandoa fahafolon-karena feno. Ny hankatò sy ho tsara no katsahin’izy ireo miaraka. Tsy raisin’izy ireo ho toy ny latabatra feno sakafo maro isan-karazany ireo didy, izay tsy hakana sy hisafidianana afa-tsy izay zavatra atolotra tena manintona ihany.

Fototry ny hatsaran-toetra rehetra izay mampatanjaka ny fanambadiana ny finoana. Mampatanjaka ny fanambadiana ny fampatanjahana ny finoana. Mitombo ny finoana rehefa mitandrina ny didy isika, ary toa izany koa ny firindrana sy fifaliana ao amin’ny fanambadiana. Noho izany dia zava-dehibe fototra amin’ny fanorenana fanambadiana mandrakizay mafy orina ny fitandremana ny didy. Mijere ary mianàra: ny finoana an’i Jesoa Kristy no fototry ny fanambadiana sambatra mandrakizay.

Ny fahatelo dia ny fibebahana. Nianatra aho fa ny fanambadiana sambatra dia miantehitra amin’ny fanomezan’ny fibebahana. Singa ilaina amin’ny fifandraisana tsara eo amin’ny mpivady izany. Ny mpivady izay manao fandinihan-tena marina matetika sy manao haingana ireo dingana ilaina amin’ny fibebahana dia manatsara ny fahatsapana ny hosotra manasitrana eo amin’ny fanambadian’izy ireo. Manampy amin’ny famerenana sy fihazonana ny firindrana sy ny fiadanana ny fibebahana.

Ny fanetren-tena no ampahany manan-danja indrindra amin’ny fibebahana. Ny olona manetry tena dia tsy mikatsaka ny ho azy, tsy tia tena. Tsy misisika amin’ny fombany ihany na milaza azy ho mendrika kokoa noho ny hafa. Ny olona manetry tena kosa dia mamaly mora2 sy mihaino amin’ny hatsaram-panahy mba hahatakatra, fa tsy be fitakiana. Ny olona manetry tena dia mahafantatra fa tsy misy olona afaka manova olona hafa, fa raha miaraka amin’ny finoana sy ny ezaka ary fanampian’Andriamanitra isika, dia afaka miaina ny fiovam-pontsika mahery vaika.3 Ny fiainana fiovam-po mahery vaika dia mahatonga antsika hitondra ny hafa, indrindra fa ny vadintsika amin’ny fahalemem-panahy.4 Ny fanetren-tena dia midika hoe samy mikatsaka ny hitahy, hanampy, ary hifankahery ireo mpivady ary mametraka ny iray ho lohalaharana amin’ny fanapahan-kevitra rehetra. Mijere ary mianàra: manorina fanambadiana sambatra ny fibebahana sy ny fanetren-tena.

Ny fahaefatra dia ny fanajana. Tsikaritro fa mifampitondra toy ny mpiara-miasa mira lenta ny mpivady ao anatin’ny fanambadiana mahatalanjona sy sambatra. Ny fomba amam-panao avy any amin’ny toeran-kafa na tamin’ny fotoana hafa izay nanjakazakan’ny lehilahy tamin’ny vehivavy na nitondran’izy ireo ny vehivavy ho toy ny mpiara-miasa ambany ao anatin’ny fanambadiana dia tsy mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ary tokony hosoloina amin’ireo fitsipika sy lamina maneho fitondrantena araka ny tokony ho izy.

Mandray fanapahan-kevitra niara-nekena ireo mpivady ao anatin’ny fanambadiana tena tsara, izay handraisan’ny tsirairay amin’ny mpivady anjara feno sy hanana zo mira lenta hilaza ny heviny sy hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra.5 Voalohany dia mifantoka amin’ny tokantrano sy ny fifanampiana eo amin’ireo andraikitra ifampizarany izy ireo.6 Mifototra amin’ny fiaraha-miasa fa tsy fifanarahana ny fanambadian’izy ireo. Ny ora fisakafoanany sy ny fiarahan’ny mpianakavy aorian’izay dia lasa ampahany manan-danja indrindra amin’ny andron’izy ireo sy ny tanjon’ireo ezaka tsara indrindra nataon’izy ireo. Mamono ireo fitaovana elektrônika izy ireo ary mamela ny fialamboliny manokana mba hanampy amin’ireo adidy ao an-tokantrano. Miara-mamaky boky araka izay azo atao miaraka amin’ireo zanany isan-kalina izy ireo ary samy mandray anjara amin’ny fampatoriana ireo zazakely ao am-pandriana. Miara-mandeha matory izy ireo. Raha mamela izany ny toe-javatra sy ny adidy dia miara-miasa amin’ny fanaovana ireo asa tena manan-danja izay misy ireo mpivady—ny asa ataontsika ao an-tokantrano.

Rehefa misy ny fanajana dia misy koa ny mangarahara, izay singa fototry ny fanambadiana sambatra. Tsy misy tsiambaratelo mikasika ireo zavatra manan-danja ao amin’ny fanambadiana izay mifototra amin’ny fifanajana sy ny mangarahara. Miara-mandray ny fanapahan-kevitra rehetra momba ny fitantanam-bola ny mpivady ary samy afaka mahalala ny mombamomba izany avokoa ny roa tonta.

Endriky ny fanajana ny fahitsim-po sy saina. Nampianatra ireo mpaminany fa ny mpivady mahomby dia “mahitsy fo sy saina” eo amin’izy samy izy.7 Ataon’izy ireo izay hijanonana ho mendrika tanteraka eo amin’ny fampiasany ny sary sy feo eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy mamela ny hisian’ny tsiambaratelo eo amin’ny traikefa amin’ny fampiasana ny Internet izy ireo. Mifampizara amin-kalalahana mot de passe na teny fidirana ao amin’ny tambajotram-pifandraisan’izy ireo amin’ny fiaraha-monina izy ireo. Tsy mijery ireo mombamomba ny olona hafa ao amin’ny Internet, na iza na iza, izy ireo izay mety hanimba ny fitokisan’ny vadin’izy ireo. Tsy milaza na manao zavatra manakaiky ny tsy fahamendrehana mihitsy izy ireo, na ao amin’ny Internet izany na ara-batana. Mijere ary mianàra: ny fanambadiana tena tsara dia tena feno fanajana, mangarahara, ary amin-kitsim-po sy saina.

Ny fahadimy dia ny fitiavana. Ny fanambadiana sambatra indrindra hitako dia ahitana taratra ny fankatoavana ny iray amin’ireo didy mahafaly indrindra—dia ny hoe “hiara-monina amim-pitiavana” isika.8 Rehefa niresaka tamin’ireo lehilahy ny Tompo dia nandidy hoe: “Ianao dia ho tia ny andefimandrinao amin’ ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ ny olona hafa.”9 Mampianatra ny boky torolalan’ny Fiangonana iray hoe: “Ny teny hoe mifikitra dia midika hoe mahafoy tena tanteraka sy mahatoky amin’ny olona iray. Ireo olon-droa mpivady dia mifikitra amin’Andriamanitra sy eo amin’izy samy izy amin’ny fifanompoana sy ny fifankatiavana ary amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana amin’ny fahatokiana tanteraka eo amin’izy samy izy amin’Andriamanitra.” … [Samy] “mandao ny fiainany tokan-tena [ireo mpivady] ary manorina ny fanambadiany ho laharam-pahamehana [ho azy ireo]. … Tsy mamela na iza na iza na tombontsoa hafa hanana toerana ambony kokoa … noho ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’Andriamanitra sy teo amin’izy samy izy.”10 Mijere ary mianàra: mifankatia amin’ny fahafoizan-tena tanteraka ny mpivady mahomby.

Ao ireo izay tsy manana fanambadiana sambatra araka izay niriany, ao koa ireo tsy mbola nanambady mihitsy, nisara-panambadiana, reny tsy manambady, na tsy afaka manambady noho ny antony samihafa. Mety ho feno fahasarotana sy ratram-po ireo toe-java-misy ireo, kanefa tsy tokony ho mandrakizay izany. Ho anareo izay ao anatin’ny toe-javatra toy izany izay, na izany aza, dia “[m]azoto [m]anao ny zava-drehetra izay tratry ny heri[nareo]”11 mba hitandrin-tena, dia enga anie ka hanome fitahiana lehibe ho anareo ny lanitra. Katsaho ny fenitra hanorenana fanambadiana mandrakizay, ao anatin’izany ny fiezahana na fiomanana mba ho vady mendrika. Tandrovy ireo didy, matokia ny Tompo sy ny fitiavany tonga lafatra ho anareo. Ho voarainareo daholo ireo fampanantenana mahakasika ny fanambadiana indray andro any.12

Ny iray amin’ireo andininy mamy indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia milaza tsotra toy izao hoe: “Dia naka vady izy ary nampakarina ho vady sy notahiana araka ny hamaroan’ ny fampanantenana izay efa nataon’ ny Tompo taminy.”13 Omena ireo rehetra izay manaraka ny lamin’ny fiainana izay manorina fifandraisana feno fahasambarana sy masina eo amin’ny mpivady ireo fampanantenan’ny Tompo. Tonga toy ireo vokatra mahafaly indrindra sy novinaniana amin’ny fiainana amim-pahatokiana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo fitahiana ireo.

Feno fankasitrahana aho noho i Kathy, vadiko mahafinaritra, ilay hany tiako eo amin’ny fiainako.

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ho antsika ny fanambadiana; ary fanomezana avy amintsika ho Azy ny hatsaran’ny fanambadiantsika. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny drafitra mahatalanjon’ny Raintsika any an-danitra be fitiavana, izay mahatonga ny fanambadiana ho mandrakizay sy mahatalanjona. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.