Mitondra Fitahiana ny Fankatoavana

Nataon’ny Filoha Thomas S. Monson


Tonga eo amintsika ny fahalalana ny fahamarinana sy ny valin’ireo fanontaniana lehibe ananantsika rehefa mankatò ny didin’Andriamanitra isika.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, feno fankasitrahana aho miaraka aminareo amin’izao maraina izao. Mangataka ny finoanareo sy ny vavakareo aho eto am-pamaliako ny fanomezana ahy tombontsoa manokana hiresaka aminareo.

Nikatsaka fahalalana sy fahatakarana nandritra ny taona maro mikasika ity fiainana an-tany ity sy ny anjara toerana misy azy ary ny tanjon’izy ireo ao anatin’izany ny lehilahy sy ny vehivavy, anisan’izany koa ny fikatsahana ny lalana ahazoana fiadanana sy fahasambarana. Isika tsirairay avy dia samy mikatsaka ireo zavatra ireo.

Afaka mahazo io fahalalana sy fahatakarana io avokoa ny olon-drehetra. Voarakitra ao amin’ireo fahamarinana mandrakizay izy ireo. Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 1, andininy 39 ny hoe: “Fa indro, ary jereo, ny Tompo no Andriamanitra, ary ny Fanahy dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany, ary ny fahamarinana dia mitoetra mandrakizay.”

Nanoratra toy izao ny mpahaitononkalo malaza iray:

Na dia manjavona aza ny lanitra ary mitroatra ireo loharano eo amin’ny tany,
Ny fahamarinana, izay antom-pisiana, dia handresy ny ratsy indrindra mety hitranga,
Tsy manam-piafarana, tsy miova, mandrakizay.1

Mety hanontany ny sasany hoe: “Aiza no ahitana ny fahamarinana toy izany, ary amin’ny fomba ahoana no hamantarantsika izany?” Tao anatin’ny fanambarana izay nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith tao Kirtland, Ohio, tamin’ny Mey 1833, dia nanambara ny Tompo hoe:

“Ary ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy. …

“Ny Fanahin’ny Fahamarinana dia avy amin’Andriamanitra. …

“Ary tsy nisy olona nandray ny fahafenoana, raha tsy mitandrina ny didiny izy.

“Izay mitandrina ny didin[’Andriamanitra] dia mandray fahamarinana sy fahazavana ambara-pahatonga azy hankalazaina ao amin’ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.”2

Fampanantenana lehibe tokoa izany. “Izay mitandrina ny didin[’Andriamanitra] dia mandray fahamarinana sy fahazavana ambara-pahatonga azy hankalazaina ao amin’ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.”

Tsy ilaintsika sy ianao amin’izao andro ananana fahalalana betsaka izao, rehefa naverina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara, ny mikaroka ny fahamarinana amin’ny fomba sarotra sy tsy mbola nisy nanao mihitsy teo aloha. Nanoritra ny lalantsika sy nanome mpitarika mahatoky—dia ny fankatoavana ny Ray any an-danitra be fitiavana. Tonga eo amintsika ny fahalalana ny fahamarinana sy ny valin’ireo fanontaniana lehibe ananantsika rehefa mankatò ny didin’Andriamanitra isika.

Mianatra mankatò mandritra ny fiainantsika isika. Ireo tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana antsika, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny fahazazantsika, dia nametraka torolalana sy fitsipika mba hiarovana antsika. Ho tsotra kokoa ny fiainantsika rehetra raha hankatò tanteraka ny fitsipika toy izany isika. Maro amintsika anefa no mianatra amin’ny alalan’ny zavatra iainana izany hoe, fahendrena ny mankatò.

Rehefa nihalehibe aho dia nipetraka tao amin’ny trano fialan-tsasatray tany Vivian Park ao Provo Canyon ao Utah izahay isaky ny fahavaratra manomboka ny fiandohan’ny volana Jolay ka hatramin’ny Septambra.

Ny iray tamin’ireo namako akaiky indrindra nandritra ireo andro fialan-tsasatra ireo tany amin’ilay faritra ahitana haram-bato mijoalajoala dia i Danny Larsen, ary nanana trano fialan-tsasatra tao Vivian Park koa ny fianakaviany. Nandehandeha tao amin’io paradisa ho an’ny zazalahy io izaho sy izy isan’andro, nanjono tany amin’ny koriandrano sy renirano, nanangona vato sy zava-tsarobidy hafa, nanao dia an-tongotra lavitra, nihanika tendrombohitra ary nankafy tsotra izao ny minitra tsirairay isan’ora isan’andro.

Indray maraina izaho sy i Danny dia nanapa-kevitra fa te hanao afon-dasy ny harivan’io andro io miaraka amin’ireo namanay rehetra tany amin’ilay faritra misy haram-bato mijoalajoala. Faritra nanakaiky ilay saha izay nahafahanay rehetra nivondrona fotsiny no nila nodiovinay. Ny ahitry ny volana Jona izay nandrakotra ilay saha dia lasa maina sy feno tsilo, ka nahatonga ilay saha ho tsy nety tamin’ny tanjonay. Nanomboka nanala ireo ahitra lava izahay, nanao drafitra ny hanadio faritra lehibe boribory. Nisintona sy nanongotra tamin’ny herinay manontolo izahay, fa ny hany azonay dia eran’ny tanana kely tamin’ilay ahi-dratsy sarotra ongotana. Fantatray fa handany ny andro iray manontolo io asa io, ary efa nihena dia nihena ny tanjakay sy ny fahavononanay.

Ary avy eo dia tonga tao amin’ilay sain-jaza valo taona nananako ilay noheveriko fa ho vahaolana tonga lafatra. Hoy aho tamin’i Danny hoe: “Ny hany ilaintsika dia ny mandoro ireo ahi-dratsy ireo. Faribolana iray fotsiny no hodorantsika ao anatin’ireo ahi-dratsy!” Avy hatrany izy dia nanaiky ary nihazakazaka tany amin’ny trano fialan-tsasatray aho mba haka afokasoka vitsivitsy.

Mba tsy hieritreretanareo fa nomena lalana hampiasa afokasoka izahay teo amin’ny fahavalo taonanay dia tiako ny hanazava fa samy norarana tamin’ny fampiasana izany izahay sy i Danny raha tsy nisy olon-dehibe nanara-maso. Samy nampitandremana matetika izahay ny amin’ny loza ateraky ny afo. Kanefa dia fantatro ny toerana nitehirizan’ny fianakaviako ireo afokasoka, ary nila nanadio ilay saha izahay. Alohan’ny hahatongavan’ny hevitra iray hafa tao an-tsaiko dia nihazakazaka tany amin’ny trano fialan-tsasatray aho ary naka voan’afokasoka vitsivitsy, ary nanara-maso sao nisy nijery ahy. Nafeniko haingana tao amin’ny iray tamin’ireo paosiko izany.

Niverina nihazakazaka nankany amin’i Danny aho, falifaly tokoa fa nananako tao am-paosiko ny vahaolana ho an’ilay olana nanananay. Tsaroako fa nieritreritra aho hoe tsy ho tody afa-tsy hatreny amin’ny faritra tianay hirehitra ihany ilay afo ary avy eo dia ho faty ho azy amin’ny fomba mahagaga.

Nakasoko mafy tamin’ny vato ny afokasoka iray ary nampirehetiko ilay ahitra mainan’ny volana Jona. Niredareda toy ny hoe notondrahana lasantsy izany. Tamin’ny voalohany dia faly ery izaho sy i Danny rehefa nijery ireo ahi-dratsy nanjavona, kanefa afaka fotoana fohy dia hita niharihary fa tsy ho faty amin’izao ilay afo. Raiki-tahotra izahay rehefa nahafantatra fa tsy nisy na inona na inona azonay natao mba hampijanonana izany. Nanomboka nandoro ireo ahi-dratsy nananika ny sisin’ny tendrombohitra ireo lelafo nampitahotra, izay nanamban-doza ireo hazo kesika sy ny zavatra rehetra teny amin’ny lalan’izy ireo.

Tamin’ny farany dia tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nihazakazaka nitady fanampiana izahay. Vetivety teo dia nivezivezy nihazakazaka nandroso sy niverina niaraka tamin’ny lasaka mando vita tamin’ny lamba ireo lehilahy sy vehivavy afaka nanao izany, nikapoka ireo afo mba hamonoana izany. Ora maro taty aoriana dia maty ireo vainafo sisa tavela. Avotra ireo hazo kesika efa antitra, ary toy izany koa ireo trano izay mety ho tratran’ilay afo.

Nianatra lesona sarotra maro kanefa manan-danja izaho sy i Danny tamin’izay andro izay—ampahany lehibe tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fankatoavana.

Misy ireo fitsipika sy lalàna entina hiarovana ny tenantsika. Sahala amin’izany koa, dia nanome torolalana sy didy ny Tompo hiarovana antsika ara-panahy mba hahafahantsika mandeha amim-pahombiazana ao anatin’ity fiainana ety an-tany izay matetika no mamitaka ity, ary hiverina any amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny farany.

Taonjato maro lasa izay, dia niteny tamim-pahasahiana tamin’ny taranaka nomena fampianarana nirona tanteraka tamin’ny fanaovana sorona biby i Samoela manao hoe: “Ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.”3

Tao anatin’ity fotoampitantanana ity dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa Izy dia mitaky “ny fo sy ny saina marisika …; ary ny marisika sy ny mpankatò no hihinana ny soa amin’ny tanin’i Ziona amin’izao andro farany izao.”4

Ny mpaminany rehetra, na fahiny na maoderina, dia mahalala fa ilaina amin’ny famonjena antsika ny fankatoavana. Nanambara i Nefia hoe: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”5 Na dia nihozongozona tamin’ny finoany sy ny fankatoavany aza ny maro hafa, dia tsy mbola nandiso fanantenana tamin’izay nasain’ny Tompo nataony mihitsy i Nefia. Taranaka maro tsy voatanisa no nahazo fitahiana vokatr’izany.

Tantara iray manentana ny fanahy momba ny fankatoavana ny tantaran’i Abrahama sy i Isaka. Tsy maintsy sarotra sy mafy tamin’i Abrahama ny nankatò ny didin’Andriamanitra, dia ny hitondra an’i Isaka malalany ho any amin’ny tanin’i Moria mba hanolotra azy ho sorona. Azontsika sary an-tsaina ve ny havesaran’ny fon’i Abrahama rehefa nanao dia lavitra ho any amin’ilay toerana voatondro izy? Tsy hisalasalana fa nampijaly mafy ny vatany sy ny sainy ny fahoriana rehefa namatotra an’i Isaka, nampatory azy teo amin’ny alitara, ary nandray antsy hamono azy izy. Nankatò ny didin’ny Tompo tamin’ny finoana tsy voahozongozona sy fahatokiana feno ny Tompo izy. Nahatalanjona tokoa ilay fanambarana, ary tsy maintsy ho tena faly i Abrahama rehefa tonga izany nanao hoe: “Aza maninjitra ny tananao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao; fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.”6

Notsapaina sy nosedraina i Abrahama, ary nomen’ny Tompo fampanantenana lehibe izy noho ny fahatokiany sy ny fankatoavany manao hoe: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany; satria nanaiky ny teniko hianao.”7

Na dia tsy angatahana mba hanaporofo ny fankatoavantsika amin’ny fomba mampivarahontsana sy mandrotika ny fo toy izany aza isika dia takiana amintsika koa ny fankatoavana.

Nanambara ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ny Ôktôbra 1873 hoe: “Ny fankatoavana no lalàna voalohany any an-danitra.”8

Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ny fankatoavana ny torohevitr’Andriamanitra dia ilaina amin’ny fahasambaran’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny fiadanan’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny fivoaran’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny firoboroboan’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary ny famonjena mandrakizay sy ny fanandratana ny olony.”9

Toetra niavahan’ireo mpaminany ny fankatoavana, nanome hery sy fahalalana azy ireo tao anatin’ny tantara izany. Zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra fa isika koa dia manana zo hahazo izany loharanon’ny tanjaka sy fahalalana izany. Tsy sarotra ho an’ny tsirairay amintsika amin’izao fotoana izao ny hahazo izany rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra isika.

Nahafantatra olona tsy tambo isaina izay tena nahatoky sy nankatò tokoa aho tao anatin’ny taona maro. Nahazo fitahiana sy fitaomam-panahy tamin’ny alalan’izy ireo aho. Tiako ny hizara aminareo ny tantaran’ny roa amin’ireo olona ireo.

Mpikambana mahatoky tao amin’ny Fiangonana i Walter Krause, izay nipetraka niaraka tamin’ny fianakaviany tao amin’ny toerana izay lasa fantatra amin’ny hoe Alemana Atsinanana taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Na dia teo aza ireo zava-tsarotra natrehiny noho ny tsy fisian’ny fahalalahana tao amin’izany faritra izany tamin’izany fotoana izany dia lehilahy tia sy nanompo ny Tompo Rahalahy Krause. Nanatanteraka tamim-pahatokiana sy hatramin’ny farany ny asa rehetra nampanaovina azy izy.

Ilay lehilahy iray hafa, i Johann Denndorfer, tera-tany Hongroa, dia lasa mpikamban’ny Fiangonana tao Alemana ary vita batisa tao tamin’ny taona 1911 teo amin’ny faha 17 taonany. Tsy ela akory taorian’izay dia niverina tany Hongria izy. Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa dia lasa toy ny gadra mihitsy tao amin’ny tany nahaterahany izy, tao amin’ny tanànan’i Debrecen. Nesorina tamin’ny vahoaka tao Hongria ihany koa ny fahalalahana.

Rahalahy Walter Krause, izay tsy nahafantatra an-drahalahy Denndorfer, dia voantso ho mpampianatra azy isan-tokantrano sy hamangy azy tsy tapaka. Niantso ny mpiara-mamangy aminy Rahalahy Krause ary hoy izy taminy hoe: “Nahazo andraikitra ny hamangy an-drahalahy Johann Denndorfer isika. Afaka miaraka amiko ve ianao amin’ity herinandro ity mba hijery azy sy hanolotra hafatry ny filazantsara ho azy?” Ary avy eo dia nampiany hoe: “Mipetraka any Hongria Rahalahy Denndorfer.”

Nanontany ilay namany izay gaga hoe: “Rahoviana isika no hanainga?”

“Rahampitso,” hoy Rahalahy Krause namaly azy.

“Rahoviana isika no hody?” hoy ilay namany.

Izao no navalin-drahalahy Krause hoe: “Angamba eo amin’ny herinandro eo—raha tafaverina isika.”

Lasa ireo mpiara-mamangy isan-tokantrano roa namangy an-drahalahy Denndorfer, nandeha fiaran-dalamby sy fiara fitateram-bahoaka avy ao amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Alemana nankany Debrecen, Hongria—izay dia lavitra tokoa. Tsy nanana mpampianatra isan-tokantrano hatramin’ny fiandohan’ny ady Rahalahy Denndorfer. Ankehitriny, rehefa nahita ireo mpanompon’ny Tompo ireo izy dia feno fankasitrahana fa tonga izy ireo. Tamin’ny voalohany dia tsy nanaiky ny handray ny tanan’izy ireo izy. Naleony kosa nandeha tany amin’ny efitrano fatoriany ary naka tao amin’ny lalimoara kely iray ny boaty iray misy ny fahafolonkareny izay notehiriziny nandritra ny taona maro. Natolony an’ireo mpampianatra azy isan-tokantrano ilay fahafolonkareny ary hoy izy hoe: “Nandoa ny fahafolonkareko tamin’ny Tompo aho izay. Ankehitriny aho dia mahatsapa ho mendrika ny handray ny tanan’ny mpanompon’ny Tompo!” Nilaza tamiko Rahalahy Krause taty aoriana fa tsy nisy teny azo nilazana ny fihetseham-pony tamin’ny fieritreretana fa ity rahalahy mahatoky ity, izay tsy nanana fifandraisana tamin’ny Fiangonana tao anatin’ny taona maro dia naka tamim-pankatoavana sy tamim-pahatokiana ny folo isan-jatony tamin’ilay vola kely dia kely azony mba handoavana ny fahafolonkareny. Nitahiry izany izy tao anatin’ny tsy fahafantarana hoe rahoviana izy no hanana fahafahana manokana handoa izany na mety hanana izany fahafahana izany ve izy.

Nodimandry sivy taona lasa izay Rahalahy Walter Krause teo amin’ny faha 94 taonany. Nanompo tamim-pahatokiana sy tamim-pankatoavana nandritra ny fiainany izy ary nanazava ny fo amam-panahiko sy ny an’ireo rehetra nahafantatra azy izy. Rehefa nangatahana mba hanao asa izy dia tsy nametra-panontaniana, tsy nimonomonona, ary tsy nitady fialan-tsiny.

Ry rahalahiko sy anabaviko, ny fankatoavana no fizahan-toetra lehibe indrindra eto amin’ity fiainana ity. “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo,” hoy ny Tompo, “hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.”10

Nanambara ny Tompo hoe: “Fa izay rehetra te hahazo fitahiana eo an-tanako dia handray ny lalàna izay voatendry ho an’izany fitahiana izany sy ireo fepetrany izay najoro talohan’ny fanorenana izao tontolo izao.”11

Tsy misy ohatra lehibe kokoa mikasika ny fankatoavana noho ny an’ny Mpamonjintsika. Hoy i Paoly mikasika Azy hoe:

“Dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;

“Ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy.”12

Naneho ny fitiavana marin’Andriamanitra ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ilay fiainany tonga lafatra, tamin’ny alalan’ny fanajana ny iraka masina nampanaovina Azy. Tsy mbola niavonavona mihitsy izy. Tsy mbola voatelina tao amin’ny fiavonavonany mihitsy izy. Tsy mbola nanao ny tsy rariny Izy. Nanetry tena foana Izy. Nahitsy fo foana Izy. Nankatò foana.

Na dia naka fanahy azy aza ilay tompon’ny famitahana, dia ny devoly izany, na dia nihaosa ara-batana noho ny fifadian-kanina nandritra ny 40 andro sy 40 alina aza izy ary mosarena, ary koa rehefa nanaovany tolotra tena mahasarika sy mampitsiriritra aza i Jesoa dia nanome antsika ohatra masina momba ny fankatoavana Izy tamin’ny fandavana tsy hiala amin’ilay lalana amin’izay fantany fa marina.13

Rehefa niatrika ny fahoriana tao Getsemane Izy, izay nizakany fanaintainana toy izany ka “ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany,”14 dia nasehony tamin’ny alalan’ny ohatra ny fankatoavan’ny Zanaka tamin’ny fitenenana hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”15

Toy ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny voalohany ihany no ampianarany ahy sy ianao koa manao hoe: “Manaraha Ahy hianao.”16 Vonona ny hankatò ve isika?

Ny fahalalana katsahintsika, ny valinteny izay tadiavintsika, ary ny hery izay iriantsika hananana mba hiatrehana ireo fanamby eo amin’izao tontolo izao izay manahirana sy miovaova dia afaka ny ho azontsika rehefa mankatò amim-pahavononana ny didin’ny Tompo isika. Averiko lazaina indray ny tenin’ny Tompo manao hoe: “Izay mitandrina ny didi[n’Andriamanitra] dia mandray fahamarinana sy fahazavana ambara-pahatonga azy hankalazaina ao amin’ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.”17

Mivavaka amim-panetren-tena aho mba hahazoantsika ireo valisoa maro be nampanantenaina ireo mpankatò. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika, amena.

Mostrar las referencias

  1.  

    1. “O toi, vérité” Cantiques, no. 175.

  2.  

    2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24, 26–28.

  3.  

    3. 1 Samoela 15:22.

  4.  

    4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34.

  5.  

    5. 1 Nefia 3:7.

  6.  

    6. Genesisy 22:12.

  7.  

    7. Genesisy 22:18.

  8.  

    8. Joseph F. Smith, “Discourse,” Deseret News, Nov. 12, 1873, 644.

  9.  

    9. Gordon B. Hinckley, “If Ye Be Willing and Obedient,” Ensign, Des. 1971, 125.

  10.  

    10. Abrahama 3:25.

  11.  

    11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:5.

  12.  

    12. Hebreo 5:8–9.

  13.  

    13. Jereo ny Matio 4:1–11.

  14.  

    14. Lioka 22:44.

  15.  

    15. Lioka 22:42.

  16.  

    16. Jaona 21:22.

  17.  

    17. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:28.