Fiadanan’ny Tena Manokana: Valisoa avy amin’ny Fahamarinana

Nataon’ny Loholona Quentin L. Cook

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo


Na dia eo aza ny fitsapana eo amin’ny fiainana, dia hovaliana soa amin’ny fiadanan’ny tena manokana ny fiainana amim-pahamarinana noho ny Sorompanavotana sy ny fahasoavan’ny Mpamonjy.

Nahatonga ahy hisaintsaina momba ny fotopampianarana mikasika ny fiadanana ary indrindra fa ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny fanampiana ny tsirairay amintsika hahazo fiadanana maharitra ho an’ny tena manokana ny zavatra niainako vao haingana.

Nampihetsi-po ahy lalina ny zava-niseho roa tao anatin’ireo volana vitsy lasa izay. Voalohany dia nandray fitenenana tamin’ny fandevenana an’i Emilie Parker aho, zaza sarobidy enin-taona izy, izay maty niaraka tamin’ny olona 25 hafa nahitana ankizy kely 19, nandritra ny fitifirana mampivarahontsana tao Newtown ao Connecticut. Nitomany niaraka tamin’ny fianakaviany aho ary nahafantatra fa maro ireo tsy nanana fiadanana. Nahita aho fa nahery sy nanam-pinoana ireo ray aman-dreniny, dia i Robert sy i Alissa Parker.

Faharoa dia nihaona tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana mahatoky an’arivony tao Côte d’Ivoire ao Abidjan aho.1 Nianjadian’ny fahasarotana ara-toekarena, fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila, ary ady an-trano roa vao haingana izay nifarana tamin’ny 2011 ity firenena ao Afrika Andrefana miteny Frantsay ity. Na izany aza dia nahatsapa fiadanana miavaka aho rehefa niaraka tamin’izy ireo.

Matetika ireo zava-miseho mitranga no manaisotra ny fiadanana ao amintsika ary mahatonga antsika hahatsapa ho osa.

Iza no afaka hanadino ny fanafihana mahatsiravina natao tamin’ireo toerana samihafa teto Etazonia tamin’ny 11 Septambra 2001? Ny zava-miseho toy izany dia mampahatsiahy antsika hoe afaka ny ho rava haingana tokoa ny fahatsapantsika fiadanana sy fiarovana amin’ny loza.

Ny zanakay lahimatoa sy ny vadiny, izay niandry ny zanany voalohany, dia nipetraka tao anatin’ireo vondron-trano fahatelo niala avy teo amin’ny World Trade Center ao New York City rehefa nianjera tao anatin’ny Tour du Nord ny fiaramanidina voalohany. Nandeha tany amin’ny tafon’ny trano fonenany izy ireo ary nihorohoro rehefa nijery ny zavatra noheverin’izy ireo fa karazana loza tsy nampoizina mahatsiravina. Avy eo dia hitan’izy ireo ny fiaramanidina faharoa nianjera tao anatin’ny Tour du Sud. Fantatr’izy ireo avy hatrany fa tsy loza tsy nampoizina izany ary nino izy ireo fa notafihina ny ampahany atsimon’i Manhattan. Rehefa nirodana ny Tour du Sud dia voasaron’ny rahom-bovoka izay nirotsaka manerana an’i Manhattan atsimo ny trano lehibe nisy ny trano fonenan’izy ireo.

Noho izy ireo nikorontan-tsaina momba ny zavatra hitany sy niahiahy ny hisian’ny fanafihana hafa dia nandeha tany amin’ny faritra nisy filaminana kokoa izy ireo ary avy eo dia tany amin’ny trano Fiangonan’ny tsatòka ao Manhattan ao Lincoln Center. Rehefa tonga tao izy ireo dia nahita fa mpikambana am-polony tao Manhattan atsimo no nandray fanapahan-kevitra mitovy amin’ny azy ireo mba hivondrona ao amin’ny foiben’ny tsatòka. Niantso izy ireo mba hampahafantarana anay hoe taiza no nisy azy ireo. Nahatsiaro ho maivamaivana aho fa nieren-doza izy ireo kanefa tsy nahagaga ahy ny toerana nisy azy ireo. Mampianatra ny fanambarana maoderina fa ny tsatòkan’i Ziona dia toerana fiarovana sy “fialofana amin’ ny tafio-drivotra sy amin’ ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ ny tany manontolo izany.”2

Tsy afaka niverina tao amin’ny trano fonenany izy ireo nandritra ny herinandro mahery ary ketraka noho ny nahafatesan’ny olona tsy nanan-tsiny, saingy tsy nianjadian’ny fahavoazana maharitra izy ireo.

Nisy fiantraikany lalina tamiko ny fahasamihafan’ny fotopampianarana teo amin’ny fiadanana araka izao tontolo izao sy fiadanan’ny tena manokana rehefa nandinika ireo zava-niseho ireo aho.3

Tamin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia nisy anjely maro be nidera an’Andriamanitra ary nilaza hoe “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.”4

Kanefa dia tsikaritra hoe nampalahelo, fa na dia nandritra io fotoana manan-danja mandrakizay taorian’ny nahaterahan’ny Zanakalahin’Andriamanitra io aza, dia nanatanteraka famonoan-jaza tsy nanan-tsiny tao Betlehema i Heroda Mpanjaka.5

Ilaina amin’ny drafitry ny fahasambarana ny fahafahana misafidy. Mamela ny fitiavana, ny fahafoizana, ny fivoaran’ny tena manokana, ary ny traikefa ilaina amin’ny fivoarantsika mandrakizay hitranga izany. Mamela koa ny fanaintainana sy ny fijaliana rehetra iainantsika mandritra ny fiainana an-tany hitranga io fahafahana misafidy io, eny fa na dia rehefa vokatry ny zavatra tsy takatsika sy ny safidy ratsy manimba ataon’ny hafa aza. Ilay Ady tany An-danitra dia natao mba hiarovana ny fahafahantsika misafidy ny tsara sy ny ratsy ary ilaina amin’ny fahatakarana ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tety an-tany.

Araka ny voalaza ao amin’ny Matio toko faha 10 dia nampianatra ny Roambinifololahy ny Mpamonjy ary niaiky fa tsy hahatontosa ny fiadanana maneran-tany mandritra ny fiainana an-tany ny iraka nampanaovina Azy. Nasaina nanonona fiadanana tamin’ireo tokantrano mendrika notsidihan’izy ireo ny Apôstôly saingy nampitandremana fa ho “ao ampovoan’ny amboadia … [ary] ho halan’ny olona rehetra … noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.”6 Misy fanambarana manan-danja iray ao amin’ny andininy 34 manao hoe: “Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany Aho.”7 Mazava fa tsy nisy ny fiadanana manerana ny tany nandritra ny asa fanompoan’i Kristy teto an-tany, ary tsy misy izany amin’izao fotoana izao.

Fitsipika tena manan-danja maro no ampianarina ao amin’ny teny fanoloran’ny Tompo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Mikasika ireo izay tsy mibebaka, ny Fanahin’i Kristy izay nomena ny olona rehetra tonga eto amin’izao tontolo izao8 dia “tsy hiezaka hitaona ny olona mandrakariva.”9 “Ny fiadanana [koa] dia esorina eto an-tany.”10 Nanambara ireo mpaminany fa nesorina teto an-tany marina tokoa ny fiadanana.11 Tsy mbola nafatotra i Losifera ary mampiasa hery eto amin’ity tontolo ity izy.12

Ny faniriana marina nananan’ny olona tsara maneran-tany sy ananany foana dia ny mba hisian’ny fiadanana eto an-tany. Tsy tokony hilavo lefona isika amin’ny fanatratrarana izany tanjona izany. Kanefa nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith fa “Tsy afaka ny ho tonga eto amin’izao tontolo izao mihitsy izany fanahin’ny fiadanana sy fitiavana izany … mandra-pandrain’ny olona ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny hafatr’Andriamanitra … , ary manaiky ny heriny sy ny fahefany izay masina.”13

Manantena sy mivavaka mafy ho an’ny fiadanana maneran-tany isika kanefa amin’ny alalan’ny tsirairay sy ny fianakaviana no ahazoantsika ilay karazam-piadanana izay valisoa nampanantenaina noho ny fahamarinana. Fanomezana nampanantenaina avy amin’ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany io fiadanana io.

Fintinina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana io fitsipika io manao hoe: “Nefa ianaro fa izay manao ny asan’ny fahamarinana dia handray ny valisoany, dia fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.”14

Nampianatra ny Filoha John Taylor fa tsy mampitsiriritra fotsiny ny fiadanana fa “fanomezana avy amin’Andriamanitra.”15

Tsy filaminana mandalo fotsiny ilay fiadanana resahako. Fifaliana lalina sy fahafahampo ara-panahy maharitra izany.16

Toy izao no namaritan’ny Filoha Heber J. Grant ny fiadanan’ny Mpamonjy: “Hanalefaka ny fijaliantsika ny fiadanany, hampionona ny fontsika maratra, hanaisotra ny fankahalantsika, hampisy fitiavana ny mpiara-belona ao am-pontsika, izay hameno ny fanahintsika amin’ny fitoniana sy ny fahasambarana.”17 Nandritra ny fihaonako tamin’ny ray aman-drenin’i Emilie Parker, dia hitako fa nanamaivana ny fijalian’izy ireo ny fiadanan’ny Mpamonjy ary manampy amin’ny fampiononana ny fon’izy ireo maratra. Tena zava-dehibe tokoa ilay hoe namela ilay mpamono olona avy hatrany ny Rahalahy Parker taorian’ny nitifirany olona. Araka ny voalazan’ny Filoha Grant dia afaka “manaisotra ny fankahalantsika” ny fiadanan’ny Mpamonjy. An’ny Tompo ny fitsarana.

Ireo Olomasina tao Côte d’Ivoire dia nahita fiadanana nandritra ny fotoan’ny ady an-trano tao amin’ny firenen’izy ireo tamin’ny alalan’ny fifantohana tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka nomen’izy ireo lanja manokana ny momba ny tantaram-pianakaviana sy ny asa any amin’ny tempoly ho an’ny razamben’izy ireo.18

Maniry fiadanana avokoa isika rehetra. Ny fiadanana dia tsy hoe hieren-doza na tsy fisian’ny ady na herisetra na fifanoherana na fifandirana fotsiny ihany. Ny fiadanana dia azo avy amin’ny fahafantarana fa mahafantatra ny Mpamonjy hoe iza isika sy mahafantatra fa mino Azy isika, tia Azy, ary mitandrina ny didiny, indrindra moa na dia miaina ao anatin’ny fitsapana sy ny loza mandrotika aza. Mitondra fampiononana ho an’ny fo ny valintenin’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty manao hoe:

“Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;

“Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra.”19

Tadidio fa “Andriamanitra tsy mpahary ny fikorontanan-tsaina fa [mpahary] ny fiadanana.”20 Tsy misy fiadanana ho an’ireo izay mandà an’Andriamanitra. Nandray anjara tao amin’ilay fivoriana tany an-danitra avokoa isika rehetra, izay natao mba hahafahana manao safidy eo amin’ny tsara sy ny ratsy, ary fantatsika fa hisy ny fanaintainana amin’ny fiainana an-tany ary hisy loza tsy hay lazaina aza noho ny fanararaotana diso tafahoatra ny fahafahana misafidy. Nahatakatra isika fa mety hahatonga antsika ho tezitra izany, hikorontan-tsaina, tsy afaka hiaro tena, ary halemy. Saingy fantatsika ihany koa fa handresy sy hisolo vaika ny tsy rariny eto amin’ny fiainana an-tany ary hitondra fiadanana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Misy fehezan-teny nosoratan’i Ugo Betti ao anatin’ny tranon-tsary mihantona eo amin’ny rindrin’ny Loholona Marion D. Hanks manao hoe: “Ny mino an’Andriamanitra dia ny mahafantatra fa ho ara-drariny ireo lalàna rehetra, ary hisy trangan-javatra mahafinaritra tsy ampoizina.”21

Inona avy ireo loharanon’ny fiadanana? Maro ireo mikatsaka fiadanana amin’ny fomban’izao tontolo izao, izay tsy mbola nahomby ary tsy hahomby mihitsy. Tsy azo avy amin’ny fahazoan-karena be, fahefana, na laza ny fiadanana.22 Tsy azo avy amin’ny fikatsahana fahafinaretana, famalifaliana tena, na fialam-boly ny fiadanana. Tsy misy amin’ireo afaka manome fahasambarana na fiadanana maharitra, na dia ananana betsaka aza.

Mametraka ny fanontaniana mifanaraka amin’izany ny fihirana ankafizin’i Emma Lou Thayne manao hoe: “Aiza no ahitako fiadanana? Aiza ny fampiononana ahy. Rehefa mitsahatra amin’ny fanasitranana ahy ireo loharano hafa?”23 Ny valiny dia ny Mpamonjy, izay loharano sy mpahary ny fiadanana. Izy no “Printsin’ny Fiadanana.”24

Ahoana no hijanonantsika eo akaikin’ny Mpamonjy? Ny fanetrentsika tena eo anatrehan’Andriamanitra, ny fivavahana mandrakariva, ny fibebahana amin’ny fahotantsika, ny firobohana ao amin’ny ranon’ny batisa amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, ary ny fahatongavana ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ohatra tena tsara amin’ny fahamarinana izay valiana soa amin’ny fiadanana maharitra.25 Taorian’ny nampitan’ny Mpanjaka Benjamina ny hafany izay nanohina ny fo tokoa momba ny Sorompanavotan’i Kristy dia nianjera tamin’ny tany ny valalabemandry. “Nidina teo aminy ny Fanahin’ ny Tompo, ary feno fifaliana izy rehefa nandray ny famelana ny fahotany sy nahazo fiadanan-tsaina noho ny finoana fatratra izay nananany tao amin’ i Jesoa Kristy.”26 Ny fibebahana sy ny fiainana amim-pahamarinana dia mampisy fiadanan-tsaina, izay ilaina amin’ny fahafahampo.27 Rehefa nisy ny fandikan-dalàna lehibe natao dia takiana ny fibabohana mba hitondra fiadanana.28 Angamba tsy misy zavatra azo ampitahaina amin’ny fiadanana azo avy amin’ny fametrahan’ny olona iray nampijalian’ny fahotana ny enta-mavesatra ananany eo amin’ny Tompo sy mangataka ny fitahian’ny Sorompanavotana. Hoy ny fihirana iray be mpitia ao amin’ny Fiangonana hoe: “Apetrako eo an-tongony ny enta-mavesatro. Ary manohy ny diako an-kira aho.”29

Mifaly ny foko rehefa mahalala fa amin’izao vaninandro iainantsika izao dia zatovolahy sy zatovovavy ary misiônera zokiolona an’aliny no nanaiky ny fiantsoana azy ho solontenan’ny Tompo sy Mpamonjintsika, Jesoa Kristy. Mitondra ny filazantsaran’ny fiadanana naverina amin’ny laoniny eo amin’izao tontolo izao izy ireo, olona iray sy fianakaviana iray isak’izay mandeha—asan’ny fahamarinana mba hitondra fiadanana amin’ireo zanaky ny Ray any an-danitra.

Fialofana izay ahitan’ny mpanara-dia an’i Kristy fiadanana ny Fiangonana. Milaza ny tanora sasany eto amin’izao tontolo izao fa olona manana toetra ara-panahy izy ireo fa tsy mpivavaka be. Dingana tsara voalohany ny fahatsapana ho olona manana toetra ara-panahy. Kanefa ao amin’ny Fiangonana isika no manana namana manohana, ampianarina ary voafahana amin’ny teny soan’Andriamanitra. Fa misy zavatra manan-danja kokoa noho izay, dia ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana izay hanatanterahana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina izay mamehy ny fianakaviana sy mahatonga antsika tsirairay avy ho mendrika ny hiverina any amin’Andriamanitra, ilay rain’i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakana selestialy. Mitondra fiadanana ireo ôrdônansy ireo satria fanekempihavanana miaraka amin’ny Tompo izy ireo.

Ny tempoly no toerana hanaovana ny maro amin’ireo ôrdônansy ireo ary loharano ahitana toeram-pialofana feno fiadanana ihany koa hanalavirana an’izao tontolo izao. Ireo izay mitsidika ny tempoly na mijery ireo varavarana misokatra ao amin’ny tempoly dia mahatsapa fiadanana. Ny zavatra iray niainako izay tadidiko tsara dia ny varavarana misokatra sy ny fanokanana ny Tempolin’i Suva Fiji. Nisy korontana ara-pôlitika izay niafara tamin’ny fandoroana sy ny fangalarana tao amin’ny renivohitr’i Suva nataon’ireo mpitokona, ary fakana an-keriny ny tranon’ny Antenimieram-pirenena ary ny fitanana an-keriny ireo mpanao lalàna. Teo ambanin’ny fitondrana miaramila ilay firenena. Noferan’ny miaramila Fijiana ny fahafahan’ny Fiangonana mamory olona ho an’ny varavarana misokatra ary noferany ho vondrona kely dia kely ny nanatrika ny fanokanana. Tsy nasaina avokoa ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra noho ny fiarovana azy ireo tsy ho azon-doza. Io no hany fanokanana tempoly natao tao anatin’ny toe-javatra sarotra hatramin’ny nanokanana ny Tempoly voalohany tao Nauvoo.

Vehivavy mahatehotia Indoa izay taranaka Indiana ny iray tamin’ireo olona nasaina tao amin’ny varavarana misokatra, mpikambana ao amin’ny antenimieram-pirenena izay notanana an-keriny teo aloha saingy navotsotra satria vehivavy izy.

Tao amin’ny efitrano selestialy, lavitry ny korontandrotan’izao tontolo izao, dia nitomany izy rehefa naneho ny fahatsapany fiadanana izay nandrakotra azy. Nahatsapa ny Fanahy Masina nampionona sy nijoro ho vavolombelona mikasika ny fananan’ny tempoly toetra masina izy.

Ny Mpamonjy no loharanon’ny fiadanana marina. Na dia eo aza ny fitsapana eo amin’ny fiainana, dia hovaliana soa amin’ny fiadanan’ny tena manokana ny fiainana amim-pahamarinana noho ny Sorompanavotana sy ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Tao amin’ilay toerana miafina izay nanaovan’izy ireo ny Fanasan’ny Tompo dia nampanantena ny Apôstôliny ny Mpamonjy fa homena “Mpampionona, dia ny Fanahy Masina” izy ireo ary avy eo dia nilaza ireto teny manan-danja ireto: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo.”30 Avy eo taloha kelin’ny nanaovany ilay Vavaka ho an’ny Mpianany dia hoy Izy hoe: “Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”31

Nanoratra tamin’ny fomba kanto mikasika ity hevitra ity i Eliza R. Snow manao hoe:

Atrakao ny lohanao amin’ny fiderana an’Andriamanitra;
Aza avela hitsahatra ny fifalianao,
Na dia miparitaka eran’izao tontolo izao aza ny fahoriana,
Hoy i Kristy hoe, “Hanana fiadanana ao Amiko ianao.”32

Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Show References

  1.  

    1. Fihaonambe roa no natao tao Abidjan ny Alahady 10 Febroary 2013; olona 9.693 no nanatrika—619 tamin’izy ireo no tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana. Manodidina ny 19.000 no isan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana ao Côte d’Ivoire.

  2.  

    2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6.

  3.  

    3. Misy dikany samihafa ny teny hoe fiadanana. Tamin’ny andro Grika fahiny dia nentina nilazana ny fitsaharana, ny fiatoana, na ny tsy fisian’ny ady teo amin’ny hery mifanohitra izany. Manana heviny mahafaoka zavatra bebe kokoa ary indraindray dia endrika entina hiarahabana izany teny izany amin’ny Hebreo. Ny fiadanana koa dia “toetran’ny fisiana izay tsy tonga eo amin’ny olona raha tsy araka ireo fepetra apetrak’Andriamanitra ihany.” (Howard W. Hunter, “Where Is Peace?” ao amin’ny Conference Report, Ôkt 1966, 14–17.

  4.  

    4. Lioka 2:14; nampiana fanamafisana.

  5.  

    5. Jereo ny Matio 2:16; jereo koa ny Ross Douthat, “The Loss of the Innocents,” New York Times,, 16 Des 2012, 12.

  6.  

    6. Matio 10:16, 22.

  7.  

    7. Matio 10:34.

  8.  

    8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:46.

  9.  

    9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:33.

  10.  

    10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:35.

  11.  

    11. Nanambara izany tamin’ny taona 1894 ny Filoha Woodruff ary mbola nanambara izany tamin’ny taona 1896. Jereo ny The Discourses of Wilford Woodruff, navoakan’i. G. Homer Durham (1946), 251–52; jereo koa ny Marion G. Romney, ao amin’ny Conference Report, Apr. 1967, 79–82.

  12.  

    12. Jereo ny Joseph Fielding Smith, The Predicted Judgments, Brigham Young University Speeches of the Year (Mar. 21, 1967.), 5–6. Kanefa araka ny voalazan’ny Loholona Neal A. Maxwell manao hoe “Afaka manana fiadanana anaty isika na dia nesorina teto an-tany aza ny fiadanana … [ary] ‘hisamboaravoara ny zava-drehetra’” (“Behold, the Enemy Is Combined,” Ensign, Mey 1993, 79).

  13.  

    13. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith (1998), 400.

  14.  

    14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23.

  15.  

    15. Enseignements des Présidents de l’Eglise: John Taylor (2001), 151.

  16.  

    16. Nanomboka tamin’ny andron’ny Grika fahiny mandrak’ankehitriny, ireto teny ireto—fahasambarana— sy fahafahampo—dia novahavahana, nodinihina, ary nalalinina, tsy hoe mikasika ny dikan’izy ireo fotsiny fa ny fitarihana entin’izy ireo eo amin’ny fiainantsika ihany koa. Jereo ny David Malouf, The Happy Life: The Search for Contentment in the Modern World (2011). Jereo koa ny famintinana ny bokin’i Mr. Malouf, ao amin’ny R. Jay Magill. Jr, “How to Live Well,” Wall Street Journal, 26–27 Jan. 2013, C6.

  17.  

    17. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Heber J. Grant (2002), 226.

  18.  

    18. “Ny telo amin’ireo tsatòka dimy ao Côte d’Ivoire dia ao anatin’ireo tsatòka 25 tsara indrindra ao amin’ny Fiangonana amin’ny isan-jaton’ny olon-dehibe [mampiditra] anaram-pianakaviana hanaovana ny ôrdônansin’ny tempoly,” ary ny Tsatòkan’i Cocody Côte d’Ivoire no ambony indrindra (C.Terry Warner and Susan Warner, “Apostle Visits Ivory Coast, Is ‘Impressed with Exceptional Spirit’” Church News, 3 Mar. 2013, 4, 14). Rehefa eritreretina fa nisy ny ady an-trano ary adin’ny 12 mandeha fiara fitateram-bahoaka vao tonga any amin’ny tempoly ao Accra, Ghana, dia porofom-pinoana mahatalanjona izany ary niteraka fiadanan’ny tena manokana sy ny fianakaviana.

  19.  

    19. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8. Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Noho izany dia tsy maintsy diovina isika; tsy maintsy sedraina isika mba hitsapana ny tanjaka sy ny hery ao anatintsika” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Harold B. Lee [2000], 208).

  20.  

    20. 1 Korintiana 14:33.

  21.  

    21. Ao amin’ny Marion D. Hanks, “A Loving, Communicating God,” Ensign, Nôv. 1992, 63.

  22.  

    22. Jereo ny Jeffrey R. Holland, For Times of Trouble (2012), 79. Nampianatra ny Loholona Holland fa, “mety hahakivy kokoa ny olona ny fahantrana tena izy noho ny toe-javatra hafa afa-tsy ny fahotana.” Saingy afaka mampitombo ny fiadanana ny fampiasana ny vola amim-pahamarinana.

  23.  

    23. “Où pourrais-je chercher?” Cantiques, no. 68.

  24.  

    24. Isaia 9:6.

  25.  

    25. Nolazain’i John Greenleaf Whittier tamin’ny fomba tsotra izany manao hoe: “Tandremo ny fomba fiainanao. Aza manao zavatra manaisotra ny fiadananao amin’ny alina mandritra ny andro” (“Conduct [From the Mahabharata],” ao amin’ny The Complete Poetical Works of John Greenleaf Whittier [1802], 484).

  26.  

    26. Môsià 4:3; nampiana fanamafisana; jereo koa ny Marion G. Romney, ao amin’ny Conference Report, Apr. 1967, 79–82.

  27.  

    27. Ny eritreritra dia mpitarika amin’ny fitsipi-pitondrantena izay mitondra antsika mankany amin’ny fiadanana. Loharano roa farafahakeliny no mampandeha izany: ny Hazavan’i Kristy, izay fanomezana tena lehibe avy amin’ireo ray aman-dreny ho an’ny zanany, avy any amin’ny Raintsika any an-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13; 93:2) sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:6).

  28.  

    28. “Karazana famelan-keloka roa no takiana mba hitondra fiadanana ho an’ny mpandika lalàna—ny iray dia avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, ary ny iray dia avy amin’ny Tompo mihitsy. [Jereo ny Môsià 26:29.]” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball [2006], 41).

  29.  

    29. “Oui, tes commandements,” Cantiques, no. 66.

  30.  

    30. Jaona 14:26–27.

  31.  

    31. Jaona 16:33.

  32.  

    32. “Quand ton fardeau est lourd,” Cantiques, no. 63.