2010–2019
Mitsangàna sy miorena eo amin’ny toerana masina
Aprily 2013


Mitsangàna sy Miorena eo amin’ny Toerana Masina

Mitsangana eo amin’ny toerana masina isika, rehefa mitsangana sy miorina amin’ny fankatoavana ny fotopampianaran’ny Andriamanintsika, satria masina ny fotopampianarany ary tsy hiova.

Ry rahalahy, voninahitra ho ahy ny miaraka amin’ireo mpihazona ny fisoronana ao amin’ny fanjakam-pisoronan’Andriamanitra. Miaina amin’ny andro farany isika izao, amin’ny “fotoana tandindomin-doza.”1 Amin’ny maha mpihazona ny fisoronana antsika, dia manana andraikitra isika ny hijoro sy hiorina miaraka amin’ny ampingan’ny finoana manoloana ny fanafihana mahery vaika ataon’ny fahavalo. Ohatra eo amin’izao tontolo izao isika, ary miaro ireo zo sy fahafahana izay nomen’Andriamanitra antsika sady tsy azo alaina amintsika. Miaro ny tokantranontsika sy ny fianakaviantsika isika.

Fony aho tany amin’ny kilasy voalohan’ny ambaratonga faharoa, dia nody aho rehefa avy nandray anjara tamin’ny lalao baseball voalohany natao tany amin’ny tanàna hafa natrehan’ny ekipan’ny sekoliko. Tsapan’ny raiko fa naheno sy nahita fiteny sy fihetsika izay tsy mifanaraka amin’ny fenitry ny filazantsara aho nandritra ny fodiana teny ambonin’ny fiara fitaterana iombonana. Izy moa dia mpanakanto matihanina, ka nipetraka izy ary nanao sary miaramila mpiady iray—izay afaka ny hiaro lapa sy fanjakana maro.

Sady namaky ny soratra masina teo am-panaovana ilay sary izy, ary izay no nianarako ny fomba hahatongavana ho mpihazona ny fisoronana mahatoky—hiaro sy hiady ho an’ny fanjakan’Andriamanitra. Ny tenin’ny Apôstôly Paoly no fitarihana ho ahy:

“Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly, ary rehefa mahavita izany rehetra izany, dia mba hijoro.

Mitsangàna noho izany, misikina fahamarinana ny valahanareo, sy mitafy ny rariny ho fiarovan-tratra ianareo;

“ary ny tongotrareo mikiraro ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana;

“Ary ho fanampin’izany rehetra izany, dia mitana ny finoana ho apinga ianareo, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.

“Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha, sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy.”2

Ry rahalahy isany, raha mahatoky amin’ny fisoronana isika, dia homena antsika izany fiadiana izany izay fanomezana avy amin’Andriamanitra. Mila izany fiadiana izany isika!

Ry zatovolahy isany, ny rainareo sy raibenareo dia tsy mbola niatrika mihitsy ireo fakam-panahy izay atrehanareo matetika. Miaina amin’ny andro farany ianareo izao. Raha te hanana olana ny rainareo dia nila nanao ezaka lehibe izy vao tonga tamin’izany. Tsy toy izany intsony amin’izao! Ankehitriny dia ny fakam-panahy no mitady anareo! Mba tsarovy izany! I Satana dia milofo mitady anareo, ary “mamitsaka eo am-baravarana ny ota.”3 Ahoana no fomba handresenareo ny hafetseny tena mahery vaika? Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra.

Mamelà ahy ianareo hampianatra anareo avy amin’ny traikefa iray hafa teo amin’ny fiainako:

Tamin’ny volana Janoary 1982 aho dia nandray fitenenana nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy tao BYU tany Provo, Utah. Nanasa ireo mpianatra aho mba haka sary an-tsaina hoe raha teo amin’ilay polpitra ny Fiangonana, dia izao tontolo izao kosa dia iray metatra latsaka miala avy teo. Izany dia naneho ny “elanelana tena kely izay manasaraka ny toerana misy ny fenitr’izao tontolo izao sy ny toerana misy ny fenitry ny Fiangonana” fony aho tany amin’ny oniversite. Tamin’izany, rehefa nijoro teo anoloan’ireo mpianatra aho 30 taona taty aoriana, dia nanainga ny tanako toy ny tamin’izany fotoana izany aho ka nanazava hoe: “Efa nihataka lavitra niala tamin’ny fenitry ny Fiangonana ny fenitr’izao tontolo izao. [efa tena lasa any lavitra be any; tsy tazana avy eto intsony;]. … Ny zavatra tokony ho tadidiantsika sy ny zanatsika ary ny zafikelintsika dia ny hoe hijanona ho tsy miova hatrany ny Fiangonana, [mbola eto foana, kanefa] izao tontolo izao dia mbola hiova foana—[lasa] mihalehibe hatrany ilay elanelana nisy. … Noho izany, mitandrema fatratra. Raha toa tsarainareo avy amin’izay toerana misy izao tontolo izao ny fihetsikareo sy ny fitsipiky ny Fiangonana, dia ho hitanareo fa tsy eo amin’ny toerana tokony hisy anareo ianareo.”4

Tamin’izany fotoana izany aho dia tsy afaka naka sary an-tsaina ny halavirana sy ny hafainganan’ny fomba izay hialan’izao tontolo izao amin’ny fotopampianarana, sy ny fitsipika ary ny didy nomen’Andriamanitra, sarotra ny nahatakatra izany. Ny fenitr’i Kristy sy ny Fiangonany anefa dia tsy niova. Araka ny nambarany, “Ny fahamarinana dia mitoetra mandrakizay mandrakizay.”5 Rehefa mahatakatra sy manaiky izany isika, dia vonona ny hiatrika ny fanerena avy amin’ny fiaraha-monina, sy ny fanarabiana, eny ny fanavakavahana mihitsy aza avy amin’izao tontolo izao sy ireo olona sasany izay mitonona ho namantsika.

Ny ankamaroantsika dia mahafantatra olona iray izay hilaza hoe, “Raha te ho namako ianao, dia tsy maintsy manaiky ny soatoavina arahiko.” Ny tena namana dia tsy mitaky antsika ny hisafidy na ny filazantsara na ny finamanana aminy. Hindrana ny tenin’i Paoly aho hamaliana izany, “Ireny koa dia halaviro.”6 Ny tena namana mahatoky dia mankahery antsika mba hijanonantsika eo amin’ilay lalana ety sy tery.

Miaro antsika sy manomana antsika mba hanao ny asan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ny fijanonantsika amin’ny lalan’ireo fanekempihavanana sy didy ary ôrdônansy. Rehefa mankatò ny Tenin’ny Fahendrena isika, dia voaaro amin’ny fiankinan-doha amin’ny zavatra toy ny alikôla, sy ny zava-mahadomelina, ary ny paraky sy sigara ny fahafahantsika misafidy. Rehefa mandoa ny fahafolonkarena isika, mandalina ny soratra masina, mandray ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, miaina amin’ny fomba ahafahantsika manana hatrany ny Fanahy Masina, mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo, mankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, miomana sy mandray ny Fisoronana Melkizedeka, ary manao fanekempihavanana masina any amin’ny tempoly, dia ho vonona ny hanompo.

Any amin’ny tempoly isika dia miomana ny hiaina ny lalàn’ny fanokanana ary mampanantena ny hiaina izany. Ireo zatovolahy manana fahafahana hanao izany dia manomboka miaina io lalàna io amin’ny fiomanana hanao asa fitoriana—manome ny ampahafolon’ireo taona voalohany niainany amin’ny fanompoana ny Tompo amin’ny fotoana feno. Izany fahafoizan-tena izany dia mankahery azy ireo mba handroso amin’ny fanekempihavanana ambony indrindra eo amin’ny fiainana—ho an’ny maro izany dia ny ho fehezina any amin’ny tempoly ary manangana fianakaviana mandrakizay.

Rehefa mibosesika hatrany amin’ilay lalana ety sy tery isika, dia manorina hery ara-panahy izay mitombo hatrany—hery amin’ny fampiasana ny fahafahantsika misafidy hanao araka ny safidintsika. Na ho an’ireo zatovolahy na ho an’ireo zatovovavy, io fitomboana io dia mahazo fanampiana rehefa mianatra fotopampianarana izy ireo ary mizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny alalan’ilay fandaharam-pianarana vaovao ao amin’ny Internet, Viens, et Suis Moi.

Ankoatr’izany, ampiasao ny fahafahanareo misafidy mba hampivoaranareo ny tenanareo manokana. Rehefa mahita ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta anananareo ianareo, dia tsarovy fa ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika dia mety hanampy anareo, kanefa tsy maintsy mamela ny Fanahy hitarika anareo ianareo. Misafidiana ary manaova araka ny safidinareo. Manàna fahazotoana avy ao anaty. Manaova drafitra ho an’ny fiainanareo, anisan’izany ny fianarana na ny fiofanana arak’asa. Trandraho ireo zavatra mahaliana anareo sy ireo fahaiza-manao anananareo. Miasà ary manàna fizakan-tena. Mametraha tanjona, reseho ny fahadisoana, mahazoa traikefa, ary vitao izay atombokareo.

Mandritra ny fandrosoanao amin’ilay lalana, dia ataovy azo antoka fa mandray anjara amin’ny fiaraha-mientan’ny fianakaviana, sy ny kôlejy, sy ny kilasy ary ny atrik’asa ifampizaran’ny zatovolahy sy zatovovavy ianareo. Miaraha manao fialam-boly mahasoa. Amin’ny alalan’ireo traikefa ireo no ahatonga anareo hanaja sy hankasitraka ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananan’ny tsirairay sy ireo toetoetra mandrakizain’ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra izay mifameno.

Ambonin’izany rehetra izany, dia manàna finoana an’ny Mpamonjy! Aza matahotra! Rehefa miaina ny filazantsara amim-pahazotoana isika, dia tonga mahery ao amin’ny Tompo. Rehefa manana izany hery izany isika dia afaka mandà ny antikristy izay milaza hoe, “Mihinàna, misotroa ary mifalia,” fa Andriamanitra “hanome rariny [anao amin’ny fanaovana] fahotana madinidinika; … tsy misy faharatsiana amin’izany …, fa ho faty isika rahampitso.”7 Amin’ny herin’ny Tompo isika dia afaka hanohitra izay mety ho foto-kevitra na foto-pinoana izay mandà ny Mpamonjy sady mifanohitra amin’ilay drafitry ny fahasambarana lehibe sy mandrakizay ho an’ireo zanak’Andriamanitra rehetra.

Tsy afaka miady varotra ny fepetran’izany drafitra mandrakizay izany isika. Tadidio i Nehemia izay nasaina nanangana mànda mba hiarovana an’i Jerosalema. Nisy ireo olona sasany izay nikasa ny hampidina azy avy teo amin’ny toerany, saingy nandà i Nehemia. Tsy hoe tsy manam-pandeferana amin’ny hafa izy tsy akory; fa nazavainy tsotra hoe, “Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho: nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra … ?”8

Indraindray dia isika no atao foto-dresaka ary voatery hanaiky ny esoeso noho ny fifikirantsika amin’ireo fitsipik’Andriamanitra sy ny fanaovana ny asany. Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy mila matahotra isika raha toa ny fiainantsika ka mifototra amin’ny fotopampianarany. Mety ho tsy azon’ny olona ny fiainantsika, sy mahazo fanakianana avy amin’ny olona isika, ary mety ho voaendrikendrika mihitsy aza, saingy tsy irery mihitsy isika. Ny Mpamonjy antsika dia “natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona.”9 Tombontsoa masina ho antsika ny mijoro miaraka Aminy!

Somary mampihomehy, fa indraindray ny hoe mitsangana sy miorina dia midika hoe miala sy manalavitra mihitsy aza ny zavatr’izao tontolo izao. Ny Mpamonjy dia nanambara hoe “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana.”10 I Josefa avy any Egypta dia nandositra niala ny fakam-panahin’ny vadin’i Potifara,11 ary Lehia dia nandao an’i Jerosalema ka nitondra ny fianakaviany nankany an-tany foana.12

Manàna antoka fa ireo mpaminany rehetra talohantsika dia nitsangana sy niorina tamin’ny andron’izy ireo:

I Nefia dia nanatanteraka ilay asa hafa kely nampanaovin’ny Tompo na dia teo aza ny fampijalian’i Satana sy ny fanenjehan’i Lamana sy Lemoela rahalahiny.13

Nijoro ho vavolombelon’i Kristy i Abinadia manoloana ny tsy finoan’ny hafa azy, sy ny fihomehezan’ny hafa azy, ary ny fahafatesana izay azo antoka fa ho tonga aminy.14

Ireo zatovolahy miaramila 2.000 dia niaro ireo fianakaviany tamin’ireo izay nanao ho tsinontsinona ireo soatoavin’ny filazantsara.15

I Môrônia dia nanangana ny fanevan’ny fahafahana mba hitandroana ny fianakaviana sy ny fahafahana ara-pivavahan’ny vahoakany.16

Nitsangana teo ambony rindrina sy naminany ny amin’ny fiavian’i Kristy i Samoela, na dia nisy vato sy zana-tsipìka aza natoraka azy.17

Ny Mpaminany Joseph Smith dia namerina ny filazantsaran’ny Mpamonjy tamin’ny laoniny, ary namehy ny tenivavolombelony tamin’ny rany.18

Ary ireo mpamaky lay Môrmôna dia nitsangana sy niorina na dia manoloana ny fahoriana sy ny fijaliana aza, nanaraka ny mpaminany tamin’ny dia lehibe sy ny fifindra-monina nankany Andrefana.

Ireo mpanompo sy Olomasina tsaran’Andriamanitra ireo dia afaka nitsangana sy niorina satria nitsangana niaraka tamin’ny Mpamonjy izy ireo. Jereo ny fomba nitsanganan’ny Mpamonjy sy niorenany:

Fony izy zatovolahy, dia nanomboka nikarakara ny raharahan’ny Rainy tamim-pahatokisana i Jesoa, nitory ny filazantsara tamin’ireo olona manam-pahalalana tao amin’ny tempoly.19 Nandritra ny fotoana rehetra nanompoany, dia nanatanteraka ny asan’ny fisoronana Izy—nampianatra, nanasitrana, nanompo, ary nitahy sy nankahery ny hafa. Tamin’ny fotoana nampety izany, dia nijoro tamim-pahasahiana nanohitra ny ratsy Izy, nanadio ny tempoly.20 Ary nijoro ho an’ny fahamarinana ihany koa Izy—na tamin’ny teny na tamin’ny fahanginana feno fahamendrehana. Rehefa noendrikendrehan’ny mpisoronabe teo anoloan’i Kaifasy i Jesoa, dia tamim-pahendrena sy tamin-kerim-po no nandavany ny hamaly ny tsy fahamarinana ka nijanonany nangina tamim-piadanana.21

Tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, dia tsy nitakemotra ny tsy hisotro ilay kapoaka mangidin’ny Sorompanavotana ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.22 Ary teo amin’ny hazo fijaliana Izy dia nijaly indray mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy, mandra-pahafahany niteny tamin’ny farany hoe: “Vita.”23 Naharitra hatramin’ny farany Izy. Ho valin’ny fankatoavana tonga lafatra nasehon’ny Mpamonjy teo amin’ny fijoroana sy fiorenana, dia nanambara ny Ray any an-danitra hoe: “Indro ny Zanako Malalako izay ao Aminy no tena ifaliako, izay tao Aminy no efa nankalazako ny anarako.”24

Ry rahalahiko malala isany ao amin’ny fisoronana, na tanora na antitra, ndeha isika hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra amin’ny fitsanganantsika sy fiorenantsika miaraka amin’ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa velona Izy ary isika dia “nantsoina tamin’ny antso masina”25 mba handray anjara amin’ny Asany. “Koa mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo, ary aoka tsy hoesorina.”26 Mitsangana eo amin’ny toerana masina isika, rehefa mitsangana sy miorina amin’ny fankatoavana ny fotopampianaran’ny Andriamanintsika, satria masina ny fotopampianarany ary tsy hiova manaraka ny rivotra ara-tsôsialy sy ara-pôlitika amin’izao androntsika izao. Manambara aho, toy ny nataon’ny Apôstôly Paoly hoe “Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, [ary] mahereza.”27 Izany no vavaka amin-kitsimpo ataoko ho anareo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.