2010–2019
Ny Ray sy ny Zanaka
Aprily 2013


Ny Ray sy ny Zanaka

Ivon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahefana mamonjy avy amin’izany ny fahatakarana marina mikasika ny Ray sy ny Zanaka.

Feno fankasitrahana aho miresaka aminareo ry rahalahiko sy anabaviko malala isany amin’ity tolakandro ity mandritra izao fihaonambe mitaona fanahy izao!

Eto am-piresahana momba ny lohahevitra iray izay heveriko fa masina indrindra dia iriako aloha ny hisaotra amim-pankasitrahana ny fahafoizan-tenan’ireo Kristianina maro teo amin’ny tantara, anisan’izany ireo razambeko Frantsay izay Prôtestanta, sy Irlandey izay Katôlika. Noho ny finoan’izy ireo sy ny fiderany an’Andriamanitra, dia maro tamin’izy ireo no nanao sorona ny asany, sy ny fananany, ary ny ain’izy ireo mihitsy aza mba ho fiarovana ny Andriamaniny sy ny fivavahany.1

Amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany sy amin’ny maha Kristianina antsika, isika ihany koa dia manana finoana mafy sy lalina an’ilay Andriamanitra Ray Mandrakizay sy an’i Jesoa Kristy Zanany. Ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra dia raharaha masina sy an’ny tena manokana mandrakariva eo amintsika tsirairay sy ny Mpahary antsika.

Ny fikarohantsika ny fiainana mandrakizay dia tsy inona akory fa fikarohana mba hahatakatra hoe iza moa Andriamanitra sy mba hiverenantsika hiara-hiaina Aminy. Nivavaka tamin’ny Rainy ny Mpamonjy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy izay efa nirahinao.”2

Na dia eo aza ny fahatakarana ity fanambarana ity izay ny Mpamonjy antsika mihitsy no nanao azy, ny fomba fijery mahazatra mikasika ny toetoetran’ny Ray sy ny Zanaka nandritra ny taonjato maro sy teo anivon’ny ankamaroan’ny zanak’olombelona dia hita mazava fa tsy mifanaraka amin’ny zavatra ampianarin’ny soratra masina.

Arosontsika amim-panajana fa ivon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahefana mamonjy avy amin’izany ny fahatakarana marina mikasika ny Ray sy ny Zanaka.3

Ny lanjan’ity fitsipika fototra indrindran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ity dia namafisin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith tamin’ny 1820. Nanoratra ny Mpaminany hoe: “Nahita olona roa aho izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao tamiko hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!4

Ity zavatra niainan’ny zazalahy Joseph ity, izay narahan’ny fahitana sy fanambarana maro dia manambara fa tena misy Andriamanitra; ny Ray sy ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy, dia olona roa misaraka sy miavaka tsara; ny olona dia nohariana araka ny endrik’Andriamanitra; ny Raintsika any An-danitra dia Rain’i Jesoa Kristy ara-bakiteny; Andriamanitra dia manohy manambara ny momba Azy amin’ny olona; Andriamanitra dia akaiky sy liana ny amintsika hatrany; ary mamaly ny vavaka ataontsika Izy.

Na dia tsy dia matetika loatra aza ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanany tahaka izany ao amin’ny soratra masina, ny zavatra mampiavaka io Fahitana Voalohany io dia izy mifanaraka tsara amin’ireo zava-mitranga hafa voarakitra ao amin’ireo soratra masina.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao ohatra dia vakiantsika ny fijoroana ho vavolombelona farany nataon’i Stefana tamin’ny naha-martiora azy. Hoy izy hoe: “Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’olona mitsangana eo an-kavanan’Andriamanitra.”5

Nandritra ny fahitana tsy hay tohaina tao amin’ny nosy Patmôsy ny Apôstôly Jaona dia nahita an’ “Andriamanitra Tsitoha”6 sy ny Zanakondrin’Andriamanitra ihany koa, izay “nanavotra antsika … tamin’ny ra[ny].”7

Ny fotopampianarana mikasika ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona amim-boninahitra eo anilan’ny Baiboly Masina. Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny fitsidihan’ny Mpamonjintsika an’ireo Nefita, izay nandrenesana ny feon’ny Ray nampahafantatra an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty, teo anatrehan’ireo Nefita niisa 2.500 nanao hoe: “Indro ny Zanako Malalako, izay ao Aminy no tena ifaliako, izay tao Aminy no efa nankalazako ny anarako—henoinareo Izy.”8

Ao anatin’ireo Filazantsara efatra, dia i Kristy mihitsy no miresaka momba ny Rainy any An-danitra in-160, ary nandritra ny fanompoana fohy nataony teo anivon’ny Nefita nandritra ny telo andro, araka ny voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia in-122 Izy no niresaka mikasika ny Rainy.

Ao amin’ny Matio ohatra dia niteny Jesoa hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe Tompoko, Tompoko no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.”9

Mijoro ho vavolombelona Izy ao amin’ny Jaona manao hoe: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa tsy izay hitany ataon’ny Ray.”10

Ary ao amin’ny Lioka dia nilaza Izy hoe: “Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko.”11

Isaky ny miresaka mikasika ny Rainy any An-danitra ny Tompontsika dia amin’ny fanajana sy ny fanoavana lehibe indrindra no hanaovany izany.

Raha miteny izany aho dia antenaiko fa tsy hisy ny ho diso fandray. I Jesoa Kristy no ilay Jehovah lehibe, ilay Andriamanitr’i Isiraely, ilay Mesia nampanantenaina ary noho ny Sorompanavotana tsy manam-petra nataony dia Mpamonjy antsika sy Mpanavotra izao tontolo izao Izy. Toy izao no nambaran’i Paoly Apôstôly momba Azy: “Dia avy ny farany, ka amin’izay dia hatolo[tr’i Kristy] ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanan[’i Kristy] ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.”12

Ny alina talohan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia nanolotra ny Vavaka nataony ho an’ny mpianany tamin’ny Rainy Izy. Nivavaka Izy hoe:

“Nefa tsy ho an’ireto ihany [izany hoe ireo Apôstôliny] no angatahako, fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny;

“Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho [iray]ao amintsika koa izy: mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.

“Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy; mba ho iray izy, tahaka ny mahiray antsika.”13

Ny Ray sy ny Zanaka dia olona samy hafa sady miavaka, kanefa Izy Ireo dia miray tanteraka ary iray amin’ny hery sy ny tanjona. Ny firaisan-kinan’ Izy Ireo dia tsy natokana ho Azy Ireo irery ihany, fa nirian’ Izy Ireo izany firaisan-kina izany mba ho amin’ireo rehetra izay hanaraka sy hankato ny didin’Izy Ireo amin’ny fahafoizan-tena.

Ahoana no fomba ahafahan’ireo mpikatsaka amim-pamatorana an’Andriamanitra hifankazatra amin’ny Ray sy ny Zanaka? Nampanantena ny Mpamonjy antsika hoe: “Fa ny mpananatra dia ny Fanahy Masina, … hampianatra anareo ny zavatra rehetra.”14

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Nefia, raha niresaka mikasika ny fotopampianaran’i Kristy, dia nanambara fa ny Fanahy Masina dia “mijoro vavolombelona [ny] amin’ny Ray sy ny Zanaka.”15

Marina fa ny hery na ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia mety ho tsapan’ny olona tsindraindray, araka ny sitrapon’ny Tompo, na inona na inona fivavahana maharesy lahatra izany olona izany. Kanefa ny Fanahy Masina amin’ny endrika feno na ny fanomezana ny Fanahy Masina dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny fandraisan’ny olona iray amin’ny “fo torotoro sy fanahy manenina,”16 ny ôrdônansin’ny batisa sy ny Fanomezana ny Fanahy Masina17 amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Ireo ôrdônansy masina ireo sy ny hafa koa, dia tsy azo tanterahana raha tsy eo ambanin’ny fitarihana sy ny herin’ny fisoronan’Andriamanitra. Nampianarina isika mahakasika izany hoe:

“Ary ity Fisoronana ambony ity dia mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny fahalalana an’Andriamanitra.

“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra.”18

Araka izany fahatakarana izany, ny fotopampianaran’ny Ray sy ny Zanaka dia ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay. Ny olombelona rehetra dia efa nisy tany aloha tany tamin’ny naha zanaka fanahin’ireo ray aman-dreny tany an-danitra,19 niaraka tamin’i Kristy, ilay Voalohan-teraky ny Ray ao anatin’ity fianakaviana any an-danitra ity.20

Toy izany koa ny momba antsika rehetra. Isika dia zanaky ny Raintsika any An-danitra.

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nilaza tamin’ny teny faminaniana hoe: “Tsy hisy zavatra hanaitra antsika kokoa, rehefa hiampita ny voaly isika ho any ankoatra, mihoatra noho ny fahitantsika fa fantatsika tsara ny Raintsika [any an-danitra] sy ny hoe, tsy vaovao amintsika ny endriny.”21

Fantatro fa tsy azo atao ny mampita amin’ny fitenin’ny olombelona ireo zavatra izay tsy nampahafantarina raha tsy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ny herin’Andriamanitra. Ao anatin’ny fahalalako izany no ijoroako ho vavolombelona ny amin’ny fisian’ny Raintsika any an-danitra sy ny Zananilahy masina, Jesoa Kristy, ny maha akaiky azy ireo ary ny hatsaram-panahiny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.