Mitondra ny Filazantsara Manerana An’izao Tontolo Izao

Nataon’ny Loholona John B. Dickson

Avy ao amin’ny Fitopololahy


Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nandeha foana nanerana an’izao tontolo izao nitety firenena samihafa, kolotsaina samihafa ary vahoaka samihafa araka ny fandaharam-potoan’ny Tompo ny Fiangonana.

Tanteraka soa aman-tsara ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany. Tapitra ny fijaliany tao Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana. Hitantsika avy ao amin’ny Asan’ny Apôstôly toko 1 fa nanao asa fanompoana nandritra ny 40 andro Izy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty ary “niseho” tamin’ny Apôstôly sy “nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Asan’ny Apôstôly 1:3).

Nilaza tamin’izy ireo Izy hoe: “Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” (Asan’ny Apôstôly 1:8).

Fotoana fohy taorian’izay dia, “nakarina Izy … ; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.

“Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo fotsy;

“Izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo? Iny Jesoa izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asan’ny Apôstôly 1:9–11).

Hiverina indray tokoa ny Mpamonjy ao anatin’ny Fiaviany Fanindroany, saingy eo anelanelan’izay dia tsy maintsy handeha “any amin’ny fara-vazantany” ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Hitantsika ao amin’ny Matio ilay didy manokana nomena ny Apôstôly mba hitondra ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao:

“Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.

“Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” (Matio 28:18–19).

Tany am-piandohan’ny Fiangonana, tao anatin’ny mitataovovonan’ny fotoana, dia teo anivon’ny mpianakavin’i Isiraely fotsiny no nitondrana ny filazantsara. Dia nahazo fanambarana avy eo i Petera, izay Apôstôly zokiny indrindra fa tonga ny fotoana hitondrana ny filazantsara any ivelan’i Isiraely ary any amin’ireo Jentilisa. Ny toko 10 sy 11 ao amin’ny Asan’ny Apôstôly dia manampy antsika hahatakatra ny dingana sy ny lamina nentina nampahafantarana an’ity filàna manaparitaka ny Fiangonana any amin’ny zanak’Andriamanitra maro kokoa ity tamin’ireo mpitarika mpiahy sy ny mpikambana rehetra.

Tamin’ny alalan’ny fampiasana an’i Kornelio, izay Jentilisy iray ary kapiteny sy lehilahy tsara toetra, no nanampian’ny Tompo an’i Petera hahatakatra fa haely any amin’ny Jentilisa ny filazantsara, izay toe-javatra vaovao sy vahiny ho an’ireo Olomasina tamin’izany andro izany. Tonga tamin’i Petera, ilay Apôstôly zokiny indrindra, ilay fanambarana nitondra izany fanovana izany teo amin’ny raharaham-piangonana. Fantatsika fa nandeha haingana tany amin’ireo firenena Jentilisy ny filazantsara avy eo.

Ohatra iray maneho ny fivelaran’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany ny fiovam-pon’i Paoly izay lasa Apôstôly lehibe ho an’ny Jentilisa. Nahita fahitana izy teny amin’ny lalana nankany Damaskosy, izay nahitany hazavana sy nandrenesany feo, nibebahany tamin’ny fahotany ary dia nantsoin’Andriamanitra izy (jereo ny Asan’ny Apôstôly 22:6–18) ka lasa hery lehibe teo amin’ny fampielezana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ndeha isika handingana aty amin’ny 1.800 taona aty aoriana izay fotoan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara na famerenana amin’ny laoniny ny zavatra rehetra mialohan’ny Fiaviana Fanindroany. Mijoro ho vavolombelona aho fa naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Fiangonana ary manohy mandroso hatrany eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ilay didy nomena azy ireo mba hitondra ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao dia mitovy amin’ilay nomena an’ireo Apôstôly fahiny.

Nanomboka tamin’ilay fotoana nanorenana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 1830, dia nandeha foana nanerana an’izao tontolo izao nitety firenena samihafa, kolotsaina samihafa ary vahoaka samihafa araka ny fandaharam-potoan’ny Tompo ny Fiangonana.

Tamin’ny 1978, taorian’ilay lamin’ny fanambarana napetraka tamin’ny alalan’ny Apôstôly zokiny indrindra izay ny Filoha Spencer W. Kimball, dia tonga ny fanambarana iray, tamin’ity fotoana ity mikasika ny fanolorana ireo fitahian’ny fisoronana ho an’ireo lehilahy mendrika rehetra maneran-tany. Midika izany fa amin’izao androntsika izao ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra dia afaka mahazo ireo fitahian’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Tena toe-javatra tsara ho an’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany izany ao anatin’ilay fotoana izay manakaiky ny Fiavian’i Kristy Fanindroany.

Hozaraiko ny zavatra nihatra tamiko mifandray amin’izany. Vao voantso ho filohan’ny misiona aho ary nikasa ny hitondra ny fianakavianay ho any Mexique izaho sy Rahavavy Dickson raha nilaza tamiko mikasika ny fahatongavan’izany fanambarana miavaka izany ny Loholona Richard G. Scott, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy tamin’izany fotoana izany. Tsaroako fa latsa-dranomaso aho rehefa notantarainy tamiko ny zavatra nitranga. Tena heniky ny hafaliana aho satria fantatro fa ara-drariny izany ary tonga ny fotoana ahafahan’ny olona rehetra manao ôrdônansy sy fanekempihavanana ary mahazo ireo fitahian’ny filazantsara.

Tamin’ny 35 taona lasa latsaka kely izany no nitranga ary tsy nahafantatra mihitsy aho tamin’izany fotoana izany fa handany ny taona maro ao anatin’ny asa fanompoako ao amin’ny Fitopololahy any amin’ny Vondrom-paritry ny Fiangonana any Afrika Andrefana, eo anivon’ny olona be finoana sy mahatoky ary hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’izy ireo ilay fanambarana natao tamin’ny 1978 mikasika ny fisoronana. Nipetraka tany nandritra ny efa-taona izaho sy Rahavavy Dickson ary tena nahafinaritra sy nitondra fiovam-piainana ho anay ny zavatra niainana tany.

Ny Afrikanina Tandrefana, amin’ny maha-vahoaka iray azy dia mino an’Andriamanitra, tsy menatra mihitsy manambara sy mizara mikasika ny finoany amin’ny hafa ary manana fahaiza-manao goavana eo amin’ny fitarihana. Haingana dia haingana ny fidiran’izy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana ary isan-kerinandro eo ho eo dia misy paroasy na sampana roa voatsangana any ho any ao amin’ny vondrom-paritr’i Afrika Andrefana ary saika Afrikana daholo ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy any amin’ny vondrona fanampiny.

Tena mba faniriako ny hiarahanareo amin’ireo Olomasina ao amin’ny tempolin’i Aba, Nigéria, na Accra, Ghana, izay hahatsapanareo ny fanoloran-tenan’ireo Olomasina sy hahafantaranareo ireo filohan’ny tempoly izay Afrikana daholo. Tena mba faniriako koa ny hampahafantatra anareo ireo Afrikana Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izay miara-mivory amintsika androany ato amin’ny Foiben’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ary izy ireo dia mpisolo vava, prôfesora ary mpitantana orinasa na koa mety mahafantatra Afrikana mpitarika ao amin’ny tsatòka sy paroasy sy ny fianakaviany ianareo.

Zavatra masina no iainana rehefa manatrika ny fotoam-pianaran’ny Sekoly Alahady na ny vondrona fanampiny na ny fisoronana izay ahitana ny fanarahana ny fandaharam-pianaran’ny Fiangonana ary hita ao ny fahatakarana sy fampianarana ary fianarana tsara ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy.

Ny filazantsara any Afrika dia miantefa amin’ny olona faly izay tsy mba miraharaha loatra ny zavatra ety ivelany, izay misy voka-dratsy eo amin’ny fiainan’olona maro any amin’ny ilam-bolantany andrefana. Tsy miasa saina loatra ny hanangona fananana tsy misy fiafarany izy ireo.

Lazaina fa ny Afrikana dia zara raha manana ireo zavatra tena tsy manan-danja ary tena manana ireo zavatra tena manan-danja. Tsy dia liana loatra ny hanana trano goavambe sy fiara tsara tarehy izy ireo saingy tena liana tokoa hahalala ny Ray any an-danitra sy ny zanany Jesoa Kristy ary hanana fianakaviana mandrakizay. Ny vokany mivoaka ho azy avy amin’ny finoan’izy ireo dia ny fanohanan’Andriamanitra azy ireo amin’ny fomba miavaka.

Raha ny fahafantaranay azy ireo dia tsy mahagaga anay ny hahatonga azy ireo ho ampahany manan-danja ao anatin’ny fampivelarana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany. Satria hitan’i Daniela, mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha tao anatin’ny fahitana ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny andro farany izay “[h]ikodiadia hatrany am-paran’ny tany toy ny vato [iray] izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka hikodiadia, ambara-pamenoany ny tany manontolo” (F&F 65:2), dia tena mety ny hahatonga ireo rahalahintsika sy anabavintsika Afrikana ho ampahany manan-danja ao anatin’ny fanatanterahana izany faminaniana izany ary ireo fanambarana maneho ny hanatanterahana izany dia hanaraka ny lamina napetraky ny Tompo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tia ny zanany rehetra ny Raintsika any an-danitra ary i Jesoa no Kristy ary azon’ny rehetra ananana ny filazantsara na ny maty izany na ny velona. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.