2010–2019
Ny Tokantrano: Ny Sekolin’ny Fiainana
Aprily 2013


Ny Tokantrano: Ny Sekolin’ny Fiainana

Lesona […] no ianarana ao an-tokantrano— ilay toerana izay afaka ny ho lasa sombin-danitra ety an-tany.

Mitady fialan-tsiny ho an’ny tenany amin’ireo fahadisoana nataony tao an-tokantrano ny ray aman-dreny sasany, izay milaza fa ny tsy fisian’ny sekoly hahafahana ho tonga ray aman-dreny tsara no anton’izany.

Raha ny marina dia misy ny sekoly toy izany ary afaka ny ho ilay tsara indrindra izany. Antsoina hoe tokantrano izany sekoly izany.

Rehefa nanao jery todika ny lasa aho dia nahatsiaro ireo fotoana mamy niainako niaraka tamin’ny vadiko. Rehefa mizara ireo fahatsiarovana ireo aminareo aho dia mety hahatsiaro ny zavatra niainanareo manokana ianareo—na mahafaly na mampalahelo dia mianatra avy amin’izy rehetra ireo isika.

1. Ny Tempoly no Ilay Toerana

Rehefa niverina avy any amin’ny asa fitoriana nataoko aho dia nifankahafantatra tamin’ny zatovovavy iray tsara tarehy, nanana volo mainty lava hatreny am-balahany. Nanana maso baribary miloko toy ny ranon-tantely sy fitsiky nisarika ny hafa hitsiky izy. Nanintona ahy hatramin’ny fotoana voalohany nahitako azy izy.

Nametraka tanjona ny hanambady any amin’ny tempoly ny vadiko na dia nitaky fanaovana dia lavitra tokony ho 6.400 km ny tempoly akaiky indrindra, tamin’izany fotoana izany.

Ny fanatanterahana ny fanambadianay ara-panjakana dia sady nahafaly no nampalahelo satria lasa mpivady tao anatin’ny fotoana voafetra izahay. Nilaza ireto teny ireto ilay tompon’andraikitra hoe: “Izao aho dia manambara fa mpivady ianareo,” saingy taorian’izay avy hatrany dia nilaza izy hoe: “Faty no hisarahanareo.”

Noho izany dia nanangom-bola tamin’ny alalan’ny fihafiana izahay mba hividianana tapakila ho an’ny dia mandroso nankany amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona.

Tao amin’ny tempoly, rehefa nandohalika teo amin’ny alitara izahay, dia nanambara ireo teny efa niriako ho re ny mpanompo iray nahazo lalana, izay nanambara fa mpivady amin’izao fotoana izao sy ho mandrakizay izahay.

Nisy namana iray nitondra anay hanatrika Sekoly Alahady. Nitsangana izy tao anatin’ilay fivoriana ary nampahafantatra anay tamin’ny olona rehetra tao an-dakilasy. Rehefa nifarana ilay fivoriana dia nanatona ahy ny rahalahy iray ary nifandray tanana tamiko sady namela 20 dôlara tao an-tanako. Fotoana fohy taorian’izay dia nanatona ahy ihany koa ny rahalahy iray ary nahagaga ahy fa namela vola tao an-tanako koa izy. Nitady ny vadiko haingana aho, izay teny amin’ny lafiny ilany tao amin’ilay efitrano ary niantso mafy hoe: “Blanquy a! Mifandraisa tanana amin’ny olona rehetra!”

Nahangona vola ampy hiverenana tany Guatemala izahay fotoana fohy taorian’izay.

“Ao amin’ny voninahitra selestialy dia misy lanitra telo na ambaratonga;

“Ary mba hahazoana ny avo indrindra, ny olona dia tsy maintsy miditra ao amin’ity lamin’ny fisoronana ity.”1

2. Mila Olona Roa Ianao Vao Afaka Miady

Iray amin’ireo tarigetran’ny vadiko ny hoe: “Raha misy ny fifamaliana dia mila olona roa izany, ary tsy ho iray amin’izy ireo na oviana na oviana aho.”

Namaritra mazava tsara ireo toetra tokony hitarika ireo fifandraisantsika amin’ny olona hafa ny Tompo. Ireo toetra ireo dia ny fandresen-dahatra, ny faharim-po, ny hatsaram-panahy, ny hamoram-po, ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy.2

Ny herisetra ara-batana eo anivon’ny fianakaviana dia fomba fanao izay tsy dia mateti-pitranga eo amin’ny fiaraha-monina sasantsasany, ary mahafaly antsika izany. Kanefa dia mbola lavitra ny ezaka ataontsika amin’ny fanafoanana ny fanararaotana ara-pihetseham-po. Ny voka-dratsy aterak’ity karazana fanararaotana ity dia mitoetra ao amin’ny fahatsiarovantsika, manimba ny maha isika antsika, mamafy fankahalana ao am-pontsika, mampihena ny fankamamiantsika ny tenantsika, ary mameno antsika amin’ny tahotra.

Tsy ampy ny fandraisana anjara amin’ny fombafomba fanaovana ny fanambadiana mandrakizay. Tsy maintsy miaina fiainana selestialy koa isika.

3. Zaza Faly ny Zaza Mihira

Tarigetra iray hafa ambaran’ny vadiko matetika ity.

Nahatakatra ny maha zava-dehibe ny hira masina ny Mpamonjy. Rehefa avy nihinana ny Paska niaraka tamin’ireo mpianany Izy dia hoy ny soratra masina hoe: “Rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.”3

Ary hoy izy rehefa niteny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Fa finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko; eny, ny hiran’ny marina dia vavaka ho ahy ary hovaliana amin’ny fitahiana eo ambony lohany izany.”4

Mahakasika ny fo tokoa ny mandre ny hiran’ny zaza iray izay nampianarin’ireo ray aman-dreniny hihira ny “Zanaky ny Ray Aho.”5

4. Mila Anao Mamihina Ahy Aho

Ireo teny hoe: “Tiako Ianao,” “Misaotra betsaka,” ary “Mamela ahy” dia toy ny balsama manasitrana ny fanahy. Mamadika ny ranomaso ho fifaliana izy ireo. Mitondra fitoniana ho an’ireo fanahy mitebiteby izy ireo, ary manamafy ny fahatsapana feno fitiavana ao am-pontsika. Toy ny zavamaniry izay malazo noho ny tsy fahampian’ny rano sarobidy, dia mihaosa sy maty ny fitiavantsika rehefa tsy milaza ireo teny sy maneho fitiavana isika.

Tadidiko ireo fotoana nahazatra antsika nandefa taratasim-pitiavana tamin’ny alalan’ny paositra na ny fomba nanangonantsika vola madinika vitsivitsy hiantsoana ireo olon-tiantsika avy eo amin’ny cabine téléphonique na ny fomba nanatsoahana sy nanoratana tononkalom-pitiavana tamin’ny taratasy tsy nisy na inona na inona.

Ankehitriny dia toy ny zavatra fametraka any amin’ny tranom-bakoka ireo rehetra ireo!

Mamela antsika hanao zava-mahagaga ny teknôlojia amin’izao vaninandro izao. Mora ery ny mandefa hafatra an-tsoratra mitory fitia sy fankasitrahana! Manao izany foana ny tanora. Manontany tena aho raha mbola mitohy izany sy ireo fomba fanao hafa mahafinaritra rehefa voaorina ny tokantranontsika. Mivaky toy izao ny iray amin’ireo hafatra an-tsoratra voaraiko vao haingana avy amin’ny vadiko hoe: “Fihina toy ny lanitra, oroka toy ny masoandro, ary takariva toy ny volana. Mirary andro feno fifaliana, tiako ianao.”

Tsy haiko ny tsy hahatsapa ho toy ny any an-danitra rehefa mahazo hafatra toy izany aho.

Ohatra tonga lafatra amin’ny fanehoana fitiavana ny Raintsika any an-danitra. Rehefa nampahafantatra ny Zanany Lahy Izy dia nampiasa ireto teny ireto hoe: “Inty no Zanako malalako izay sitrako.”6

5. Tiako ny Bokin’i Môrmôna sy ny Mpamonjiko, Jesoa Kristy

Feno fiontanam-po aho rehefa mahita ny vadiko mamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro. Rehefa manao izany izy dia afaka mahatsapa ny fijoroany ho vavolombelona aho amin’ny fahitana fotsiny ny haravoana eo amin’ny endriny rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina izay mijoro ho vavolombelona momba ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy izy.

Endrey ny fahendren’ny tenin’ny Mpamonjintsika manao hoe: “Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara ahy.”7

Rehefa nahazo fitaomam-panahy avy amin’izany aho dia nanontany an’i Raquel zafikeliko, izay vao avy nianatra namaky teny, nanao hoe: “Maninona tokoa moa raha mametraka tanjona hamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao?”

Izao no navaliny hoe: “Ka sarotra be anie ilay izy ry Dadabe e! Ngeza be ilay boky.”

Avy eo dia nasaiko namaky pejy iray ho ahy izy. Naka famantaranandro fandrefesam-potoana aho ary nanisa ny fotoana namakiany izany. Hoy aho hoe: “Telo minitra fotsiny no laninao teo, ary misy 642 pejy ilay Bokin’i Môrmôna amin’ny teny Espaniôla, noho izany dia mila 1926 minitra ianao.”

Mety mbola nampatahotra azy bebe kokoa izany ka noho izany dia nozaraiko 60 minitra ilay isa ary nolazaiko azy fa adiny 32 fotsiny no ilainy hamakiana izany—latsaky ny iray andro sy tapany!

Avy eo dia hoy izy tamiko hoe: “Mora be izy izany ry Dadabe.”

Tamin’ny farany dia nandany fotoana bebe kokoa noho izany i Raquel sy i Esteban anadahiny ary ireo zafikelinay hafa satria boky mila vakiana amim-bavaka sy amim-pandinihana io boky io.

Rehefa mandeha ny fotoana, rehefa mianatra ny ho finaritra amin’ny soratra masina izahay dia hihiaka toy ilay Mpanao Salamo manao hoe: “Endrey ny hamamin’ny teninao raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!”8

6. Tsy Ampy ny Mahafantatra ny Soratra Masina; Tsy Maintsy Miaina izany Isika

Tsaroako fony aho misiônera niverina avy amin’ny asa fanompoana, ary avy nandalina ny soratra masina tamim-pahazotoana, dia nihevitra aho fa haiko daholo izy rehetra. Nandalina ny soratra masina niaraka izahay sy i Blanquy nandritra ny fotoana nampiarahanay. Nampiasa ireo zavatra noraketiko an-tsoratra sy andinin-tsoratra masina aho mba hizara taminy ny fahalalako momba ny filazantsara. Fantatro tamin’ny fomba azo antoka taorian’ny fanambadianay rehefa nianatra lesona lehibe avy aminy aho fa: Mety niezaka nampianatra azy ny filazantsara aho saingy nampianatra ahy ny fomba iainana izany izy.

Nanome ity torohevitra ity ny Mpamonjy rehefa namarana ilay Toriteny teo An-tendrombohitra nanao hoe: “Koa amin’izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy.”9

Mampionona ny olona mijaly ireo izay miaina ireo fitsipiky ny lanitra hita ao amin’ny soratra masina. Mitondra fifaliana ho an’ireo izay rera-tsaina amam-panahy izy ireo, fitarihana ho an’ireo very, fahatoniana ho an’ireo mikorontan-tsaina, ary fitarihana azo antoka ho an’ireo izay mikatsaka ny fahamarinana.

Ho Famintinana:

  1. Ny Tempoly no ilay toerana.

  2. Mila olona roa ianao vao afaka miady, ary tsy ho iray amin’izy ireo na oviana na oviana aho.

  3. Zaza faly ny zaza mihira.

  4. Mila anao mamihina ahy aho.

  5. Tiako ny Bokin’i Môrmôna sy ny Mpamonjiko, Jesoa Kristy.

  6. Tsy ampy ny mahafantatra ny soratra masina; tsy maintsy miaina izany isika.

Ireo zavatra ireo sy lesona maro hafa no ianarana ao an-tokantrano—ilay toerana izay afaka ny ho lasa sombin-danitra ety an-tany.10 Mijoro ho vavolombelona aho fa manome fitarihana azo antoka eto amin’ity fiainana ity sy ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny Raintsika any an-danitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.