Ny Herin’ny Fisoronana ao amin’ny Zatovolahy

Nataon’ny Loholona Tad R. Callister

Ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy


Mitovy hery tahaka ny fisoronana ao amin’ny lehilahy lehibe ny fisoronana ao amin’ny zazalahy rehefa ampiasaina am-pahamarinana.

Fito ambin’ny folo taona i George F. Richards, rain’ny raibeko, tamin’ny taona 1878. Tahaka ny zava-nitranga matetika tamin’izany fotoana izany dia efa notendrena ho loholona izy. Nitaraina ho narary mafy ny reniny indray Alahady. Noho ny tsy naha-teo ny rainy dia nasainy ny eveka sy ireo olona vitsivitsy hafa mba hanome tsodrano azy, kanefa tsy nampitsahatra ny fanaintainany izany. Vokatr’izany dia niantso an’i George zanany lahy izy ary nangataka azy mba hametra-tanana aminy. Toy izao no nosoratany tao amin’ny diariny: “Tanatin’ny ranomasoko noho ny fijalijalian’ny reniko sy ny andraikitra napetraka tamiko mba hametra-tanana, izay tsy mbola nataoko hatrizay, dia nandeha tany amin’ny efitrano iray hafa aho ka nitoloko sy nivavaka.”

Rehefa tony avy teo izy dia nametraka ny tanany tamin’ny reniny ary nanome azy tsodrano tena tsotra. Noraketiny taty aoriana hoe: “Nijanona ny fitarainan-dreniko ary nitsahatra ny fijalijaliany raha mbola teo ambony lohany ny tanako.” Nosoratany tao amin’ny diariny avy eo ity fanamarihana mazava noho ny zava-nitranga ity. Nilaza izy fa nahatsapa hatrany fa ny antony tsy nahasitranan’ny reniny avy tamin’ny tsodranon’ny eveka dia tsy hoe satria tsy nankasitrahan’ny Tompo ny tsodrano nomen’ny eveka fa satria natokan’ny Tompo ho an’ny zazalahy kely ity fitahiana ity, mba hampianarana azy lesona fa mitovy hery tahaka ny fisoronana ao amin’ny lehilahy lehibe ny fisoronana ao amin’ny zazalahy rehefa ampiasaina am-pahamarinana.

Anio hariva dia te hiresaka mikasika izany hery izany aho. Na dia ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona aza no hiresahako, ireo fitsipika izay horesahana eto dia manan-kery ho an’ireo tanora mpihazona Fisoronana Aharôna rehetra sy ireo mpitarika azy ireo, isan’izany ireo filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra sy ireo mpanampin’ny filohan’ny kôlejin’ny mpisorona.

Fony aho filohan’ny misiona dia nahatsikaritra fa nisy fivoarana lehibe ara-panahy sy eo amin’ny fahaiza-mitarika eo amin’ireo zatovolahy mandritra ireo taona anaovany asa fitoriana. Raha azontsika refesina ireo toetra sy fahaiza-manao azo nandritra ny taonan’ny Fisoronana Aharôna sy ny nanaovana asa fitoriana ireo dia angamba ho toy ity tsipika manga hitanareo eo amin’ity kisary ity. Mino aho fa farafahakeliny misy zavatra telo manan-danja izay mahatonga fivoarana goavana toy izany mandritra ny fanaovana asa fitoriana: (1) mametra-pahatokiana amin’ireo zatovolahy ireo mihoatra noho ny taloha isika, (2) miandrandra zavatra ambony nefa feno fitiavana amin’izy ireo isika, ary (3) manofana sy mamerina manofana azy ireo isika mba hahafahany manatanteraka ireo zavatra andrandraina ireo amin’ny fomba tsara indrindra.

Mety hanontany ianareo hoe: “Nahoana no tsy azo ampiharina amin’ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona ireo fitsipika ireo?” Raha natao izany dia mety ho nanomboka aloha kokoa ary hitovy kokoa amin’ilay tsipika maitso eo amin’io kisary io izany fivoarana izany. Haka fotoana kely aho hiresahana momba ny fomba azo hampiharana izany amin’ny filohan’ny kôlejin’ny diakona iray.

Voalohany—fahatokiana. Azontsika anankinana andraikitra lehibe ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona ao amintsika. Ny Tompo dia azo antoka fa mahatoky—araka ny porofoiny tamin’ny fanomezany fanalahidy azy ireo, izay midika ho zo hiahy sy hitarika ny asa eo amin’ny kôlejiny. Ho porofon’izany fahatokiana izany dia miantso ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona amin’ny alalan’ny fanambarana isika, fa tsy hoe izay ela tao amin’ny kôlejy akory na noho ny antony hafa mitovitovy amin’izany. Manana zo hahafantatra, ary tokony hahafantatra ny mpitarika tsirairay ato amin’ity Fiangonana ity, isan’izany ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona fa izy ireo dia nantsoina araka ny fanambarana. Hanampy azy hahafantatra izany fahazoana antoka izany fa sady mahatoky azy no manohana azy Andriamanitra.

Ny toetra faharoa sy fahatelo dia mifandray akaiky—zavatra ambony andrandraina sy fiofanana mifandraika amin’izany hanatontosana azy ireo. Nianatra lesona iray lehibe aho tany amin’ny sahan’ny misiona: amin’ny ankapobeny dia mitombo na mihena arakaraka ny haavon’ny zavatra takian’ny filohan’ny misiona amin’ireo misiônera ny ezaka ataon’izy ireo, ary toy izany koa ny amin’ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona. Raha toa ka ny mitarika fivorian’ny kôlejy sy manatrika ny fivorian’ny kômity misahana ny zatovo ao amin’ny episkôpà ihany no takiana amin’izy ireo dia izay ihany no ho ataony. Nefa afaka manolotra fomba fijery mivelatra kokoa ho azy ireo ianareo mpitarika—dia ny fomba fijerin’ny Tompo. Nahoana no zava-dehibe ny fananana fomba fijery mivelatra? Satria avy amin’ny fomba fijery lehibe kokoa no hiavian’ny fahazotoana lehibe kokoa.

Ny zo handray fanambarana dia tsy misaraka amin’ny antso tsirairay ato am-piangonana. Noho izany dia mila mahafantatra ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona ireo fa manan-jo izy ireo handray fanambarana amin’ny fisafidianana ireo mpanolotsainy, zo handray fanambarana mikasika ny tetika hamonjena ireo namana very ary zo handray fanambarana amin’ny fanofanana ireo ao amin’ny kôlejiny mikasika ny adidin’izy ireo.

Ny mpitarika hendry dia hampianatra ny filohan’ny kôlejin’ny diakona ireo fitsipika izay hanampy azy handray fanambarana. Azony ampianarina azy ilay fampanantenana tsy misy ahiahy avy amin’ny Tompo manao hoe: “Raha mangataka ianao dia handray fanambarana miampy fanambarana” (F&F 42:61). Manome fanambarana tsy am-pihambahambana ny Tompo. Moa tsy nampahatsiahy an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ve Izy hoe: “Isaky ny avy nanontany ianao dia efa nandray toromarika avy amin’ny Fanahiko” (F&F 6:14)? Ary ho toy izany koa ny aminareo ry filohan’ny kôlejin’ny diakona. Tia anareo ny Tompo ary tiany ny hanambara ny fahalalany sy ny sitrapony aminareo. Azonareo alaina an’eritreritra ve hoe misy olana tsy vitan’ny Tompo ny mamaha azy? Tsy ho azoko an-tsaina mihitsy izany. Afaka manampy anareo hamaha ny olana rehetra anananareo amin’ny maha filohan’ny kôlejinareo anareo Izy raha toa ka mikatsaka fotsiny ny fanampiana ianareo.

Afaka mampianatra io filohan’ny kôlejin’ny diakona io ianareo ry mpitarika mahafinaritra hoe tsy mahasolo ny asa mafy sy ny ezaky ny tena manokana ny fanambarana. Nanontany an’ny Filoha Harold B. Lee ny Filoha Henry B. Eyring indray mandeha hoe: “Ahoana no fomba ahazoako fanambarana?” Hoy ny navalin’ny Filoha Lee hoe: “Raha te hahazo fanambarana ianao dia ataovy ny asa takiana amin’izany.”1 Afaka miresaka amin’ny filohan’ny kôlejin’ny diakona mahakasika ireo asa ara-panahy takiana sasantsasany izay azony atao amin’ny fiomanana hisafidy ny mpanolotsainy ireo mpitarika feno fahendrena. Mety ilainy ny fametrahana sy famaliana fanontaniana toy ny hoe: Iza no ho ohatra tsara izay afaka hanampy ireo zatovolahy hafa?

Ary farany, io mpitarika feno fahendrena io dia afaka mampianatra azy ny fomba hamantarana ny fanambarana sy hanaovana asa araka izany rehefa tonga izany. Miaina ao anatin’ny tontolo feno zavatra atao sy atao am-pihazakazahana isika ary ireo jiro manjelanjelatra sy tabataba dia raisina ho zava-mahazatra. Kanefa mila mahafantatra ity zatovolahy ity fa tsy fomban’ny Tompo izany fa an’izao tontolo izao. Ny Tompo dia teraka tao amin’ny tranon’omby tsy fantatry ny besinimaro. Tao amin’ny saha mangina iray no nanatanterahany ny asa fanavotana manetriketrika indrindra sy miavaka indrindra natao hatrizay hatrizay, ary tao amin’ny alakely mihataka no nandraisan’i Joseph ny Fahitana Voalohany. Tonga amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka ny valim-bavaka avy amin’Andriamanitra—fahatsapana fiadanana na fanohanana, fientanana hanao ny tsara, hizara fahazavana—indraindray toy ny voa kely ao an’eritreritra izay ho lasa hazo lehibe midoroboka raha toa ka hajaina sy kolokoloina. Ireo zavatra tsapa na eritreritra ireo indraindray dia mety afaka mihitsy hahatonga anareo filohan’ny kôlejin’ny diakona hisafidy mpanolotsaina iray na hanome andraikitra ho an’ny zatovolahy iray izay malaindaina amin’io fotoana io.

Taona maro lasa izay tamin’izaho tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia nahatsiaro nahazo fitaomana izahay hiantso lehilahy tsara toetra iray ho mpitambokin’ny tsatòka. Niatrika fanamby izy teo amin’ny fanatrehana tsy tapaka ny fiangonana tamin’izany fotoana izany. Fantatray anefa, na dia izany aza, fa raha manaiky izany antso izany izy dia hahavita asa tsara tokoa.

Natolotray azy ilay antso, kanefa hoy ny navaliny: “Tsia, tsy mino aho hoe vitako izany.”

Nandray fahatsapana aho avy eo. Hoy aho: “Raha izany dia tsy hanana mpitambokin’ny tsatòka izany ny tsatòkan’i Glendale.”

Taitra tamin’izany izy ka namaly hoe: “Inona koa izany? Tsy maintsy manana mpitambokin’ny tsatòka ianareo.”

Hoy aho hoe: “Tianao ve ny hiantsoanay olona hafa amin’izao fotoana izao hanompo ho mpitambokin’ny tsatòka nefa ny Tompo mitarika anay hiantso anao?”

“Eny ary e!” hoy izy, “Aleo fa hataoko izany.”

Ary dia nataony izany. Tsy lehilahy maro fotsiny ihany fa zatovolahy maro ihany koa no hanaiky ny antso iray rehefa mahafantatra izy ireo fa miantso azy ireo ny Tompo ary mila azy ireo.

Azonao ampahafantarina ity filohan’ny kôlejin’ny diakona ity koa fa ny zavatra andrasan’ny Tompo aminy dia ny hamonjy ireo fanahy very, na ireo malaindaina izany na ireo tsy mpikambana. Nanambara ny iraka nampanaovina Azy araka izao teny izao ny Tompo: “Fa tonga ny Zanak’olona hamonjy ny very” (Matio 18:11). Raha toa ka lohalaharana amin’ny Mpamonjy ny hamonjy ireo very, raha toa ka lohalaharana ho an’ny Filoha Thomas S. Monson ny hanao izany, araka ny hasehony eo amin’ny fiainany manontolo, moa ve tsy tokony ho lohalaharana ho an’ny mpitarika tsirairay, ho an’ny filohan’ny kôlejin’ny diakona tsirairay ato am-piangonana koa izany? Ny tena ifantohan’ny fitarihantsika, amin’ny maha ivon’ny asa fanompoantsika dia tokony ho ny fahazotoana handeha amim-pahavitrihana, tsy misy fitsaharana hamonjy ireo very ary hitondra azy ireo hiverina hazoto indray.

Toy izao no nolazain’ny zatovolahy iray izay notsidihan’ireo zatovolahy ao amin’ny kôlejiny: “Tena tsy nampoizina ny zava-nitranga androany tamin’ny … fahatongavan’ny zatovolahy 30 tao an-tranoko. … Manentana ahy ho any am-piangonana izany.” Ahoana no tsy hahavoasintona ny tanora amin’ny fanehoam-pitiavana sy fiahiana toy izany?

Mahafaly ahy hatrany ny mandre ireo tantara maro an’ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona izay nandray ilay fomba fijery ary mampianatra tsindraindray ny ampahany na ny lesona manontolo ao amin’ireo fivorian’ny kôlejiny. Nanatrika kilasin’ny kôlejin’ny diakona aho herinandro vitsivitsy lasa izay. Nizara lesona naharitra teo amin’ny 25 minitra teo ho eo mahakasika ny Sorompanavotana ny zatovolahy 12 taona iray. Natombony tamin’ny fametrahana fanontaniana ireo diakona namany izany amin’ny hoe inona no fahazoan’izy ireo ny Sorompanavotana. Avy eo dia nizara soratra masina mafonja izy ary nametraka fanontaniana mitaky fandalinana, izay voavalin’izy ireo tsara. Na dia izany aza, rehefa hitany fa mbola nisy ny fotoana kanefa ny lesona ampianarina efa tapitra dia nisy nanosika azy, ary angamba hevitra avy tamin-drainy, hangataka ireo mpitarika izay nanotrona teo hizara ny fanontaniana mikasika ny Sorompanavotana izay napetraka tamin’izy ireo tany amin’ny misiona sy ny valintenin’izy ireo tamin’izany. Avy eo dia nofaranany tamin’ny fijoroany ho vavolombelona izany. Talanjona aho teo am-pihainoana azy. Nieritreritra aho hoe: “Tsy tsaroako nanolotra ampahan-desona manan-danja toy izany aho fony aho zatovo tao amin’ny Fisoronana Aharôna.” Afaka mampivelatra ny fomba fijery sy ny fahatakarana ho an’ireo zatovolahy ireo isika ary hanao izany izy ireo.

Ny fomba tsara indrindra hanampianareo mpitarika ireo filohan’ny kôlejin’ny diakona ireo dia ny mamela azy ireo hitarika ary ny manao izay tsy ifantohan’ny sain’ireo zatovolahy aminareo. Ny fomba tsara indrindra hanandriananareo ny antsonareo dia tsy ny fanomezanareo azy ireo lesona tsara be fa ny manampy azy ireo hanolotra lesona tsara iray; tsy ny fanavotanareo olona iray fa ny fanampianareo azy ireo hanao toy izany.

Misy fomba fiteny fahiny manao hoe: aza mitsahatra raha tsy efa tratranao ny tanjonao. Arak’izany koa ry olon-dehibe mpitarika no tiako hilazana hoe aza manaiky hisaorana amin’ny antso maha mpitarika anao raha tsy tontosanao ny tokony hataonao. Ampianaro foana ireo zatovontsika amin’ny zava-drehetra; ampianaro azy ireo ny fomba fanomanana fandaharam-potoana, ny fomba fitarihana fivoriana amim-panajana sy amin-katsaram-panahy, ny fomba fanavotana ireo very, ny fomba fanomanana sy fizarana lesona notarihin’ny fanahy ary ny fomba handraisana fanambarana. Toy izao no handrefesana ny fahombiazanareo—amin’ny fahaiza-mitarika sy ny ara-panahy novolenareo ao am-po sy ao an-tsain’ireo zatovolahy ireo.

Raha manandriana ny antsonareo ianareo ry filohan’ny kôlejin’ny diakona dia ho fitaovana eo am-pelantanan’Andriamanitra ianareo dieny izao fotoana izao, satria ny fisoronana ao amin’ireo zatovolahy dia mahery vaika mitovy amin’ny an’ireo lehilahy rehefa mampiasa izany am-pahamarinana izy ireo. Ary amin’izay rehefa tonga mpitory ny filazantsara sy mpitarika ato amin’ny Fiangonana amin’ny hoavy ianareo dia hahafantatra ny fomba handraisana fanambarana, hanavotana ireo very, ary ny fomba hampianarana ny fotopampianaran’ny fanjakana amin-kery sy amin’ny fahefana. Dia ho tonga zatovolahin’ny fizokiana mendri-kaja ianareo avy eo. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ilay tena Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao, amena.

Show References

  1.  

    1. Ao amin’ny Henry B. Eyring, “Waiting upon the Lord,” ao amin’ny Brigham Young University 1990–91 Devotional and Fireside Speeches (1991), 17.