2010–2019
Ny Teny Lazaintsika
Aprily 2013


Ny Teny Lazaintsika

Ny fomba firesahantsika amin’ireo zanatsika sy ny teny ampiasaintsika dia afaka mamporisika sy mankahery azy ireo ary manamafy orina ny finoany hijanona eo amin’ny lalana miverina any amin’ny Ray any an-danitra.

Henon’ny raim-pianakaviana iray vao herotrerony fa nodimandry ny mpampianatra azy, izay nahatalanjona azy tokoa, tao amin’ny kilasy T2. Ho fahatsiarovana azy dia nanoratra izy hoe: “Amin’ireo fahatsapana sy zavatra niainana rehetra tsaroako, ny fahatsapana mibahana indrindra ao an-tsaiko dia ny ‘fiadanam-piainana.’ Mety nampianatra ahy fanononan-teny sy fitsipika ary kajy izy, fa ny manan-danja lavitra noho izany dia ny nampianarany ahy hitia ny maha ankizy ahy. Tsy naninona tao amin’ny kilasiny ny fahadisoan’ny fanononana teny indraindray; ‘ataontsika izay hahaizana izany’ hoy izy. Tsy olana ny nanaparitaka ranon-javatra na nandrovitra na nandoto. ‘Hokarakaraintsika izany ary hodiovintsika izany,’ hoy izy namaly. Tsy naninona ny nanandrana, ny nanao fanamby tamin’ny tenanay, ny nanonofy ary ny nankafy ireo fahafinaretana azo avy amin’ireo zavatra tsy manan-danja izay ny ankizy ihany no mahita fifaliana avy amin’izany.”

Ny iray amin’ireo hery fandresen-dahatra lehibe indrindra afaka ny ho ananan’ny olona iray eto amin’ity izao tontolo izao ity dia ny fandresen-dahatra ny ankizy iray. Mirona amin’izay maharesy lahatra azy any amin’ny fiandohan’ny fiainan’izy ireo ny finoan’ny ankizy sy ny lanjan’izy ireo manokana. Ireo rehetra mandre ahy miteny dia manana hery hampitombo ny fahatokian-tenan’ny zaza iray sy mampitombo ny finoan’ny zaza iray ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny teny lazain’izy ireo.

Hitantsika ao amin’ny Helamàna toko 5 ny hoe: “Ary ankehitriny, ry zanako, tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”1

Ireo no teny nampianarin’i Helamàna ireo zanany lahy. Ary izao no tohiny hoe: “Ary izy ireo dia nahatsiaro ny teniny; ary … nandeha izy ireo … mba hampianatra ny tenin’ Andriamanitra [t]any anivon’ ny [vahoaka] … rehetra.”2

Na dia nenjehina sy naiditra am-ponja aza ny zanakalahin’i Helamàna dia tsy nandiso fanantenana azy ireo mihitsy ireo teny reny ireo. Narovana izy ireo ary nohodidinin’ny andry afo. Avy eo dia nisy feo tonga, nilaza tamin’ireo nisambotra azy ireo hoe:

“Mibebaha ianareo ary aza mikatsaka intsony ny hamongotra ny mpanompoko. …

“… tsy ny feon’ ny kotro-baratra izany, na ny feon’ ny tabataba lehibe mirohondrohona, fa indro kosa izany dia feo malefaka sy tony tanteraka miova tsy ny bitsika iray, ary izany dia nandoaka na dia hatrany amin’ ny aty fanahy aza.”3

Afaka mianatra avy amin’izany feo avy any an-danitra izany isika. Tsy mafy ilay izy, tsy nibedy, na nanambany. Feo tony feno halefahana tanteraka ilay izy, izay nanome torolalana mafonja sady nanome fanantenana.

Ny fomba firesahantsika amin’ireo zanatsika sy ny teny ampiasaintsika dia afaka mamporisika sy mankahery azy ireo ary manamafy orina ny finoany hijanona eo amin’ny lalana miverina any amin’ny Ray any an-danitra. Tonga eto an-tany amin’ny fahavononana hihaino izy ireo.

Nisy ohatra iray niseho momba ny ankizy iray nihaino tao amin’ny toeram-pivarotan-damba iray. Feno mpiantsena ilay toeram-pivarotana rehefa nahatsikaritra ny rehetra fa raiki-tahotra ny reny iray satria very ny zanany lahy kely. Niantso ny anarany izy tamin’ny voalohany. Hoy izy hoe: “Connor a!” rehefa nikoropadropaka nitety ny tao anatin’ilay tsena izy. Rehefa nandeha ny fotoana dia nihamafy sy niharomotra ny feony. Fotoana fohy taorian’izay dia nampahafantarina ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary ireo rehetra tao amin’ilay toeram-pivarotana dia nandray anjara tamin’ny fitadiavana ilay zaza. Minitra maro no lasa ary tsy nahitana fahombiazana ny fitadiavana azy. Azontsika an-tsaina fa niharomotra ny renin’i Connor rehefa nandeha ny fotoana ary namerimberina nivazavaza niantso ny anarany.

Rehefa avy nivavaka mangina ny mpiantsena iray dia nieritreritra fa mety natahotra i Connor rehefa nahare ny reniny nivazavaza niantso ny anarany. Nolazainy tamin’ny vehivavy iray hafa nandray anjara tamin’ny fikarohana izany ary nanao drafitra haingana izy ireo. Niaraka nandeha tany anelanelan’ireo latabatra nisy lamba izy ireo ary namerimberina moramora ireto teny ireto hoe: “Connor a! raha mahare ny feoko ianao dia mitenena hoe: ‘inty aho’” Rehefa nandeha tsimoramora nankeny amin’ny faran’ilay toeram-pivarotana izy ireo sady namerimberina izany fehezan-teny izany, dia indro tokoa fa nahare feo saron-kenatra sy moramora izy ireo izay niteny hoe: “inty aho.” Niafina tao anelanelan’ireo horonan-damba tao ambany latabatra i Connor. Feo tony feno halefahana tanteraka no namporisika an’i Connor hamaly.

Mivavaha mba Hahafantatra izay Ilain’ny Ankizy Iray

Mba hiresahana amin’ny fon’ny ankizy iray dia tsy maintsy mahafantatra ny zavatra ilain’ilay ankizy isika. Mety hanana ny hery enti-mikasika ny fon’izy ireo ny teny ambarantsika raha mivavaka mba hahafantatra ireo zavatra ilaina ireo isika. Mihatsara ny asa ataontsika rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika. Hoy ny Tompo hoe:

“Teneno ny eritreritra izay hapetrako ao am-ponareo, …

“Fa homena anareo amin’izany ora izany indrindra, eny amin’izany fotoana izany indrindra izay holazainareo.”4

Mitsahara amin’ny Fampiasana ireo Fitaovana Elektrônika ary Mihainoa Am-pitiavana

Mampalahelo fa ireo fialam-bolin’ity izao tontolo izao ity dia manakana ny maro amin’ireo ankizy tsy haheno ireo teny fampaherezana izay afaka manefy ny fomba fijerin’izy ireo ny tenany.

Ny Dokotera Neal Halfon, izay mpitsabo mitantana ny Ivontoeran’ny UCLA, izay manana tanjona hoe Ankizy, Fianakaviana ary Fiaraha-monina Salama kokoa dia niresaka mikasika ny “fanaovan’ireo ray aman-dreny izay eritreretiny fa tena mahasoa nefa manao tsinontsinona ny zanaka raha ny marina.” Ahitana zaza 18 volana iray sy ireo ray aman-dreniny ny ohatra iray amin’izany:

“‘Toy ny faly ny zanakalahin’izy ireo, mazoto sy tia manao zavatra, hita mazava fa mankafy ny fotoana sy ny pizza miaraka amin’ireo ray aman-dreniny. … Taorian’ny sakafo dia nitsangana i Neny mba hiantsena ary nasainy nokarakarain’i Dada ilay zaza.’

“Nanomboka namaky ireo hafatra an-tsoratra tao amin’ny finday i Dada raha toa kosa ka niezaka mafy ny hanao izay hifantohan’ilay rainy aminy ilay zazalahy kely tamin’ny alalan’ny fanipazana potika pizza. Avy eo dia niverina nampifantoka ny sainy taminy indray ilay dada, nanatrika ny zanany sy nilalao niaraka taminy. Fotoana fohy taorian’izay nefa dia nosoloiny fijerena horonan-tsary tamin’ny finday niaraka tamin’ilay zazalahy kely izany filalaovana izany mandra-piverin’ny vadiny.

“… Nahatsikaritra ny [Dokotera] Halfon fa toy ny lasa tsy afa-po ilay zaza, nihena ny fifandraisana teo amin’ny ray sy ny zanaka.”5

Ny valin’ny vavaka ataontsika mikasika ny fomba hanomezana izay ilain’ny zanatsika dia mety ho ny tsy fampiasana matetika ireo fitaovana elektrônika. Very ireo fotoana sarobidy ahafahana mifandray sy miresaka amin’ny zanatsika rehefa variana amin’ny fialam-boly isika. Nahoana moa raha mifidy fotoana hitsaharana amin’ny fampiasana teknôlojia ary miverina mifandray amin’ny tsirairay? Vonoy fotsiny ireo fitaovana elektrônika rehetra. Rehefa manao izany ianareo dia mety ho toy ny mangina ny tokantranonareo amin’ny voalohany. Mety hahatsapa aza ianareo hoe tsy mahita zavatra atao na holazaina. Fa rehefa mifantoka tanteraka amin’ireo zanakareo ianareo dia hanomboka ny fifampiresahana ary afaka ny hankafy ny fifampihainoana ianareo.

Manorata mba Handresena Lahatra ny Zanatsika

Afaka ny hanana hery handresen-dahatra ireo zanatsika ihany koa isika amin’ny alalan’ny teny soratantsika ho azy ireo. Nanoratra i Nefia hoe: “Fa miasa araka ny zotom-po isika mba handresy lahatra ny zanatsika … hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’Andriamanitra.”6

Nizara ny zavatra niainan’i Jay Hess ny Filoha Thomas S. Monson. Miaramila mpanamory fiaramanidina izy izay voatifitra ary nianjera tao Vietnam Avaratra tao anatin’ny taona 60. “Tsy nahafantatra ny fianakaviany na velona izy na maty nandritra ny roa taona. Taty aoriana dia namela azy hanoratra ho an’ny fianakaviany ireo nisambotra azy tao Hanoi saingy nametra ny zavatra nosoratany ho ao anatin’ny teny latsaky ny 25.” Nanontany ny Filoha Monson hoe: “Inona no holazaintsika sy ianao amin’ny fianakaviantsika raha tao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany—tsy nahita azy ireo efa roa taona mahery ary tsy mahafantatra raha mbola hahita azy ireo indray? Noho izy te hanome zavatra azon’ny fianakaviany fantarina fa avy aminy ary noho ny faniriany hanome torohevitra manan-danja ho azy ireo koa, dia nanoratra [ireto teny manaraka ireto] Rahalahy Hess hoe: ‘Ireto zavatra ireto dia manan-danja: fanambadiana any amin’ny tempoly, fanaovana asa fitoriana, oniversite. Mandrosoa hatrany, mametraha tanjona, manorata tantara, makà sary in-droa isan-taona.’”7

Inona no teny hosoratanao ho an’ny zanakao raha nanana teny 25 ianao na latsak’izay?

Ilay raim-pianakaviana vao herotrerony noresahako teo aloha, izay nanoratra mikasika ny fahatsiarovany ny mpampianatra azy tao amin’ny kilasy T2 dia mitaiza zazavavy kely tsara tarehy ankehitriny. Tsapany ilay fahatokian’Andriamanitra izay napetraka taminy. Hanao ahoana ny hoaviny rehefa mihalehibe izy? Inona no holazain’ilay raim-pianakaviana mba hilentika lalina ao am-pony? Inona no teny hamporisika ilay zaza, hankahery azy, ary hanampy azy hijanona ao amin’ilay lalana? Mety hanova zavatra ve ny fakan’ilay raim-pianakaviana fotoana hibitsihana amin’ilay zaza hoe: “Zanak’Andriamanitra ianao”? Hotsaroan’ilay zaza ve indray andro any fa matetika ny rainy no nanonona ireo teny manao hoe: “Tiako daholo ny momba anao rehetra”?

Moa ve tsy izany no nolazain’ny Raintsika any an-danitra tamin’ny Zanany Lahy sy tamintsika rehetra rehefa niteny Izy hoe: “Inty no Zanako Malalako” ary avy eo nampiany hoe: “izay sitrako”?8

Enga anie ny teny izay lazaintsika sy soratantsika amin’ireo zanatsika mba hahitana taratra ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy sy ny fitiavany antsika. Ary enga anie isika ka hijanona mba hihaino satria ny zaza dia tena mahay milaza zava-dehibe sy mahatalanjona ho setrin’izany. Izany dia ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.