2010–2019
Fantatro ireo Zavatra ireo
Aprily 2013


Fantatro ireo Zavatra ireo

Ny iray amin’ireo fahamarinana tena sarobidy sy masina azoko atolotra raha ao anatin’ireo zavatra rehetra novakiako sy nampianariko ary nianarako, dia ny fijoroako ho vavolombelona manokana mikasika an’i Jesoa Kristy.

Feno 68 taona aho tamin’ny 1992, rehefa Mpanampy ny Roambinifololahy nandritra ny sivy taona ary mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy nandritra ny 22 taona. Nisy nanosika ahy hanomboka hanoratra zavatra iray nantsoiko hoe: “Asa Soratra tsy Vita.” Toy izao ny ampahany voalohan’izany asa izany:

Nisy eritreritra tonga tao amiko indray alina,

Eritreritra manan-danja sy lalina.

Tonga tamiko izany tamin’ny fotoana naha trotraka mafy ahy,

Vizana loatra raha handeha hatory.

Nanao zavatra maro be aho androany

Ary nieritreritra mikasika ny hoaviko.

Toy izao ilay eritreritra:

Tsy 68 taona aho fony tanora!

Afaka nandeha tsy nandringa aho;

Tsy nisy nanaintaina ahy ny soroko.

Afaka namaky fehezan-teny iray in-droa aho

Ary mamerina milaza izany indray avy eo.

Afaka niasa nandritra ny ora maro dia maro aho

Ary zara raha nijanona mba haka aina.

Ary ireo zavatra izay tsy vitako ankehitriny

Dia mora tamiko ny nanao azy tamin’izany fotoana izany.

Raha manana fahafahana miverina any amin’ireo taona tany aloha tany aho izao,

Raha nanana fahafahana hisafidy ny hanao izany aho,

Dia tsy ho atakaloko amin’ny fiverenana ho tanora mihitsy izao fahanterako izao,

Ho betsaka ireo zavatra tsy ho eo am-pelatanako intsony.

Faly ihany aho hoe mandroso,

Nahafoy ny fahatanorako na dia mahafinaritra aza izany.

Ny zavatra izay tsy ho eo am-pelatanako intsony raha miverina any aho

No zavatra azoko an-tsaina.

Folo taona taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hanampy andalana vitsivitsy ao anatin’izany tononkalo izany aho:

Folo taona izay no lasa sady haingana

Ary lasa tao anatin’izany koa ny fanaintainana maro.

Nanala ny fandringako ny valahana vy;

Mamindra mahitsy tsara indray aho.

Misy takela-by iray hafa mihazona mafy ny taolana eo amin’ny vozona—

Tena zavatra noforonina mahatalanjona izany!

Nanampy ahy nandresy ny vokatry ny lefankozatra izany;

Niditra tao amin’ny taranaky ny mafy hatoka aho.

Hita taratra ireo mariky ny fahanterana.

Tsy hihatsara ireo zavatra ireo.

Ny hany zavatra mihamatanjaka

Ao amiko dia ny fanadinoako.

Manontany ahy ianao hoe: “Tadidinao ve aho?”

Mazava ho azy fa tsy dia niova loatra ianao.

Saingy aza tezitra fotsiny

Raha toa tsy tadidiko ny anaranao.

Miaiky aho fa nianatra zavatra sasany izay

Tsy tiako ho fantatra,

Saingy nentin’ny taona ireo fahamarinana sarobidy ireo

Izay mampivoatra ny fanahy.

Tao anatin’ireo fitahiana rehetra azo,

Ny zavatra tena tsara indrindra teo amin’ny fiainako

Dia ny fiarahako tamin’ilay vady malalako sy ny fankaherezana

Izay azoko avy aminy.

Nanambady soa aman-tsara daholo ny zanakay,

Samy manana ny fianakaviany manokana

Misy zanaka sy zafikely,

Nihalehibe vetivety ery ireto izy.

Tsy mbola niova hevitra mihitsy aho

Mikasika ny fiverenana ho tanora.

Natao hitombo taona isika satria

Misy fahalalana tonga miaraka amin’izany.

Manontany ianao hoe: “Inona no hoentin’ny hoavy?

Izay mety ho anjarako fotsiny?”

Handroso aho ary tsy hitaraina.

Anontanio aho rehefa 88 taona!

Ary tamin’ny herintaona aho dia nanampy an’ireto andalana ireto:

Hitanao fa 88 taona aho ankehitriny.

Nandeha haingana ireo taona.

Namindra tsara aho aloha, dia nandringa ary nitondra tehina avy eo.

Ary ela ny ela ka nitaingina seza misy kodiarana ihany aho izao.

Manao torimaso tselika aho indraindray,

Saingy mitoetra tsara ny fisoronana.

Na dia eo aza ireo zavatra ara-batana tsy ananako

Dia nitombo be ara-panahy aho.

Nitety izao tontolo izao

Mihoatra ny telo tapitrisa kilaometatra aho.

Ary amin’ny alalan’ireo zanabolana,

Dia mbola tsy tapitra ny diako.

Afaka miteny tsy amim-pisalasalana aho ankehitriny

Fa fantatro sy tiako ny Tompo.

Afaka mijoro ho vavolombelona toy ny nataon’ireo olona fahiny aho

Rehefa mitory ny teniny masina.

Fantatro fa ny zavatra tsapany tao Getsemane

Dia tsy takatry ny saina.

Fantatro fa nanao izany rehetra izany ho antsika Izy;

Tsy manana Namana lehibe kokoa hafa noho Izy isika.

Fantatro fa mbola hiverina Izy

Miaraka amin’ny hery sy voninahitra.

Fantatro fa hahita Azy indray aho

Rehefa tapitra ny fiainako.

Handohalika eo anoloan’ny tongony maratra aho;

Hahatsapa ny halehiben’ny Fanahiny aho.

Izao no hambaran’ilay feoko mibitsibitsika sy mangovigovitra hoe:

“Ilay Tompoko, ilay Andriamanitro, izay fantatro.”1

Ary tena fantatro!

Ireo varavarankely any ambadiky ny tranonay dia ahafahana mahita zaridaina kely misy voninkazo ary ala kely manamorona sakelidrano kely. Manakaiky ilay zaridaina ny iray amin’ireo rindrin’ny trano ary tena rakotry ny lierre izay zavamaniry mandady izany. Toeram-panorenan’ny voronkely akany io lierre io nandritra ny taona maro. Ireo akanim-borona ao anatin’ireo zavamaniry mandady ireo dia voaro amin’ireo fosa, raton laveur sy saka mitady remby.

Indray andro nisy tabataba mafy tao anatin’ilay lierre. Velona ny hiakiaka fiantsoam-bonjy rehefa nisy voronkely miisa 8 na 10 avy teo amin’ireo ala kely manodidina tonga hanamafy izany hiakiaka fiantsoam-bonjy izany. Hitako fotoana fohy taorian’izay ny loharanon’ilay tabataba. Nisy bibilava nandady tamin’ny faritra ambany ety ivelan’ilay lierre ary nihantona teo anoloan’ny varavarankely izany ka ampy nanipazako azy tany ivelany ny halavany nipoitra teo. Nisy zavatra roa nibontsina teo afovoan’ny vatan’ilay bibilava—porofo mazava izany fa vao avy nitelina zana-boronkely roa avy tao amin’ilay akanim-borona izy. Tsy mbola nahita zavatra toy izany izahay tao anatin’ny 50 taona nipetrahana tao amin’ny tranonay. Toe-javatra niseho indray mandeha teo amin’ny fiainana izany—ary izay no nieritreretanay azy.

Andro vitsivitsy taty aoriana dia nisy tabataba iray hafa indray. Tao anatin’ireo zavamaniry mandady manarona ny tafon’ny faritra voafefy misy ny alikanay izany tamin’ity indray mitoraka ity. Nitovy tamin’ilay teo aloha mihitsy ny hiakiaka niantso vonjy renay sy ny fivondronan’ireo voronkely avy teo amin’ny manodidina. Fantatray hoe iza ilay mpitady remby. Nihanika teo ambonin’ilay tafon’ny faritra voafefy misy ny alika ny zafikeliko lahy iray ary namoaka bibilava iray hafa avy tao izay mbola mamikitra mafy ilay renin’ny voronkely izay nosamboriny avy tao amin’ilay akanim-borona sy novonoiny.

Niteny irery aho hoe: “Fa inona ary no mitranga? Misy manafika indray ve ny Saha Edena?”

Dia tonga tao an-tsaiko ireo fampitandremana nolazain’ny mpaminany. Tsy ho voaro foana amin’ny fitarihan’ny fahavalo isika na dia ao an-tokantranontsika aza. Mila miaro ny voronkelintsika isika.

Miaina ao anatin’ny tontolo tena mampidi-doza isika izay ahitana fa tandindomin-doza ireo zavatra ara-panahy izay tena manan-danja. Ny fianakaviana izay rafitra manan-danja eto amin’izao fiainana izao sy mandrakizay dia tafihan’ny hery hita maso na tsy hita. Miasa mafy ilay fahavalo. Ny hisian’ny faharavana no tanjony. Nahomby izy izay, rehefa afaka namparefo sy namotika fianakaviana.

Mahafantatra ny lanja ambony dia ambony ananan’ny fianakaviana ny Olomasin’ny Andro Farany ary miezaka miaina amin’ny fomba izay tsy ahafahan’ny fahavalo miditra ao an-tokantranontsika. Mahazo fiarovana ho an’ny tenantsika sy ny zanatsika isika ao anatin’ny fanajana ireo fanekempihavanana nataontsika ary ao anatin’ny fanatanterahana ireo fihetsika tsotra maneho fankatoavana izay takiana amin’ireo mpanara-dia an’i Kristy.

Hoy i Isaia hoe: “Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay.”2

Io fiadanana io koa dia hampanantenaina ao anatin’ireo fanambarana izay ilazan’ny Tompo hoe: “Raha efa niomana ianareo dia tsy hatahotra.”3

Ilay hery lehiben’ny fisoronana dia nomena mba hiarovana ny tokantrano sy ireo izay mitoetra ao anatin’izany. Ny ray dia manana ny fahefana sy ny andraikitra mba hampianatra sy hitsodrano ny zanany ary hanome azy ireo ny ôrdônansin’ny filazantsara sy ny fiarovana hafa rehetra avy amin’ny fisoronana izay ilaina. Tokony haneho fitiavana sy fahatokiana ary fanajana ny reny izy mba hahafahan’ny zanaka mahita izany fitiavana izany.

Nahazo fahalalana aho fa hery tena misy ny finoana fa tsy fanambarana ny zavatra inoana fotsiny. Vitsy ny zavatra mahery vaika kokoa noho ny vavaka feno fahatokiana ataon’ny reny marin-toetra iray.

Mianara mikasika ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary ampianaro mikasika izany koa ny fianakavianao. Tsy misy asa mandrakizay lehibe kokoa mihoatra noho ny asa atao ao anatin’ny tokantranonao manokana.

Fantatsika fa fanahy zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra isika ary tonga eto an-tany mba hahazo vatana sy hosedraina. Manana hery eo anatrehan’ireo olona tsy manana vatana isika izay manana vatana.4 Manana fahafahana misafidy isika hoe ho lasa inona ary afaka manapaka sy misafidy izay zavatra ataontsika, saingy tsy manana fahafahana hisafidy ny vokany isika. Mitranga ho azy eo izany.

Ny fahafahana misafidy dia faritan’ny soratra masina hoe “safidim-pitondrantena” izay midika hoe afaka misafidy ny tsara na ny ratsy isika. Mikatsaka ny tsy ampiasantsika araka ny tokony ho izy ny safidim-pitondrantenantsika ilay fahavalo.

Mampianatra antsika ny soratra masina fa “[ny olona tsirairay dia afaka] miasa araka ny fotopampianarana sy ny fitsipika mikasika ny hoavy, araka ny safidim-pitondrantena izay efa nomeko azy, ka ny olona tsirairay dia azo ampamoahina ny amin’ny fahotany avy amin’ny andro fitsarana.”5

Nampianatra i Almà fa “ny Tompo dia tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra.”6 Mba hahatakarana izany dia tsy maintsy manavaka ny mpanota amin’ny fahotana isika.

Ohatra rehefa nentin’izy ireo teo anatrehan’ny Mpamonjy ilay vehivavy azo nijangajanga izay mazava ho azy fa meloka dia nalaminy tamin’ny alalan’ny teny dimy fotsiny ilay toe-javatra: “Mandehana ary aza manota intsony.”7 Izany no toe-tsaina nentiny nanaovana ny asa fanompoany.

Hatsaran-toetra ny fandeferana saingy rehefa diso tafahoatra izany toy ireo karazana hatsaran-toetra rehetra dia mivadika ho kilema. Mila mitandrina amin’ny “fandriky ny fandeferana” isika mba tsy ho tafalatsaka ao anatin’izany. Ilay fandeferana ataon’ny besinimaro izay vokatry ny fanalefahana ny lalàn’ny tany mba hanaiky ny fanaovana ho ara-dalàna ireo fihetsika maneho fahavetavetana dia tsy mampihena ny voka-dratsy ara-panahy nateraky ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra momba ny fahadiovam-pitondrantena.

Teraka niaraka tamin’ilay hazavan’i Kristy isika rehetra, izay manome fahafahana ny olona tsirairay hamantatra ny ratsy sy ny tsara. Tafiditra ao anatin’ny fisedrana eto an-tany ny fijerena ny fomba ampiasantsika io hazavana io sy ny fihetsika asehontsika eo anatrehan’ireo bitsika manosika mba hiaina amim-pahamarinana.

“Fa indro, omena ny olona tsirairay ny fanahin’i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’i Kristy dia alefan’ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ny fahalalana tanteraka fa avy amin’Andriamanitra izany.”8

Tokony ho vonona foana ny handray andraikitra eo anatrehan’ny fanentanana sy bitsika avy amin’ny Fanahy Masina isika tsirairay. Manana fomba handrotsahana fahalalana madio ao an-tsaintsika ny Tompo mba hanosika antsika, hitarika antsika, hampianatra antsika ary hampitandrina antsika. Afaka mahafantatra eo noho eo ihany ny zavatra izay tokony ho fantany ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra tsirairay. Mianara mandray fanentanam-panahy sy fanambarana ary manaova asa eo anatrehan’izany.

Ny iray amin’ireo fahamarinana tena sarobidy sy masina azoko atolotra raha ao anatin’ireo zavatra rehetra novakiako sy nampianariko ary nianarako, dia ny fijoroako ho vavolombelona manokana mikasika an’i Jesoa Kristy. Velona Izy. Fantatro fa velona Izy. Vavolombelony aho. Ary afaka mijoro ho vavolombelona momba Azy aho. Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Izy. Azoko antoka ny momba izany. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.