2010–2019
“Izao no Asako sy Voninahitro”
Aprily 2013


“Izao no Asako sy Voninahitro”

Andriamanitra dia nanome malalaka ny heriny ho an’ireo izay manaiky sy manaja ny fisoronany, izay mitondra ho amin’ireo fitahian’ny tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay izay efa nampanantenaina.

Ry Filoha Packer, miandrandra ny famoahana faha 98 ny amin’izany tononkalo mahafinaritra izany izahay rehetra. Tena fampianarana mahafinaritra no azonay avy aminy.

Herinandro vitsivitsy lasa izay, tanatin’ny alin’ny ririnina mangatsiaka sy maizina, dia nibanjina ny lanitra izaho sy ny vadiko Barbara ka talanjona. Toa namirapiratra sy kanto, mihoatra noho ny mahazatra, ireo kintana an-tapitrisany. Avy eo aho dia nanokatra ny Voahangy Lafo Vidy ka namaky tamim-pahagagana ny tenin’ny Tompo tamin’i Mosesy: “Ary tontolo tsy hita isa no efa nohariako; ary nohariako koa ho an’ny tanjoko ireny; ary tamin’ny alalan’ny Zanaka no nahariako ireny, izay ny Lahitokako” (Mosesy 1:33).

Amin’izao andro iainantsika izao, dia manamafy ny maha zava-dehibe ny fahitana nananan’i Mosesy ny masolavitra fijerena ny habakabaka izay noforonin’i Hubble manam-pahaizana amin’ny haikintana. Ireo mpahay siansa an’i Hubble dia nilaza fa ny “Voie Lactée,” izay ny tany misy antsika sy ny masoandro dia ampahany kely ihany ao amin’io, dia vahindanitra na “galaxie” iray monja ao anatin’ny vahindanitra miisa 200 lavitrisa no ho mihoatra. Amiko dia sarotra takarina izany, ary tsy afaka ny ho azo tanteraka satria goavana sy lehibe ny fahariana nataon’Andriamanitra.

Ry rahalahy sy anabavy, ny hery namoronana ny lanitra sy ny tany dia ny fisoronana. Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mahafantatra fa ny loharanon’izany herin’ny fisoronana izany dia Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Tsy vitan’ny hoe hery nentina nanorenana ny lanitra sy ny tany fotsiny ny fisoronana, fa izany koa no hery nampiasain’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany tety an-tany mba hanaovana fahagagana, mba hitahiana sy hanasitranana ny marary, mba hamelomana indray ireo maty, ary koa, amin’ny maha Zanakalahitokan’ny Raintsika Azy, mba hiaretany ny fanaintainana saro-zakaina tao Getsemane sy Kalvary—amin’izany no nanatanterahany ireo lalàn’ny fahamarinana miaraka amin’ny famindram-po ary nanaovany Sorompanavotana tsisy fetra sy nandreseny ny fahafatesana ara-nofo tamin’ny alalan’ny Fitsanganana amin’ny maty.

Ny fanalahidin’izany fisoronana izany, miaraka amin’ny hery mifanaraka aminy, no nomeny an’i Petera, i Jakôba ary i Jaona sy ireo Apôstôliny hafa, mba hitahiana ny hafa ary mba hamehezana any an-danitra izay nofehezina tety an-tany.

Ny herin’ny fisoronana dia fanomezana masina sy manan-danja avy amin’Andriamanitra. Izany dia tsy mitovy amin’ny fahefan’ny fisoronana, izay fahazoan-dalana ahafahana manao zavatra amin’ny anaran’Andriamanitra. Ny fahazoan-dalana na fanosorana dia omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Ny herin’ny fisoronana dia tsy misy raha tsy rehefa mendrika ireo izay mampiasa izany ary manao araka ny sitrapon’Andriamanitra. Araka ny nambaran’ny Filoha Spence W. Kimball hoe: “Ny Tompo dia nanome antsika rehetra, amin’ny maha mpihazona ny fisoronana antsika, ny ampahany amin’ny fahefany, saingy tsy afaka ny hampiasa ny herin’ny lanitra isika afa-tsy amin’ny fahamarinan’ny tenantsika manokana” (“Boys Need Heroes Close By,” Ensign, Mey 1976, 45).

Nandritra ilay vanim-potoana mahagagan’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny fanorenana indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao, dia tonga tety an-tany i Jaona Mpanao Batisa, Petera, Jakôba, sy Jaona; Mosesy, Elià; sy Elia ary namerina indray tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanalahidy rehetra sy ny fahefan’ny fisoronana ho an’ny asan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao.

Amin’ny alalan’ireo fanalahidy ireo, sy io fahefana io, ary io hery io no handaminana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ankehitriny. I Kristy no lohany ary mitarika ny mpaminany velona, Thomas S. Monson, ary hampian’ireo Apôstôly izay nantsoina sy notendrena ho amin’izany.

Ao amin’ilay drafitra lehiben’ny Raintsika any an-danitra hanomezany ny fisoronana ho an’ny olona, dia manana andraikitra tokana ireo lehilahy mba hampiasana ny fisoronana, saingy tsy izy ireo no fisoronana. Manana anjara asa mitovy lanja ny lehilahy sy ny vehivavy. Tahaka ny tsy ahafahan’ny vehivavy mitoe-jaza raha tsy misy lehilahy, dia toy izany koa no tsy ahafahan’ny lehilahy mampiasa feno ny herin’ny fisoronana mba hanorenana fianakaviana mandrakizay raha tsy misy vehivavy. Izany hoe, amin’ny fomba fijery mandrakizay, dia samy ifampizaran’ny mpivady ny hery fiterahana sy ny herin’ny fisoronana. Ary amin’ny maha mpivady ny lehilahy sy ny vehivavy, dia tokony hiezaka ny hanaraka ny Raintsika any an-danitra izy ireo. Ireo toetra marina maha Kristianina, dia ny fitiavana, fanetren-tena, sy faharetana no tokony hifantohan’izy ireo rehefa mikatsaka ny fitahian’ny fisoronana ao amin’ny fiainany sy ho an’ny fianakaviany izy ireo.

Manan-danja lehibe amintsika ny fahatakarana fa nanome fomba ho an’ireo zananilahy sy zananivavy ny Ray any an-danitra mba hahazo ireo fitahiana sy ny fankaherezana avy amin’ny herin’ny fisoronana. Eo anivon’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ireo zanany ara-panahy ilay fanambarana nataony manao hoe: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Ao amin’ny fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny fizaraha faha 81 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia manazava ny Tompo fa ny herin’ny fisoronana dia natao hampiasaina mba “[hamonjena] ny osa, [hanakarana] ny tanana izay miraviravy, ary [hanatanjahana] ny lohalika malemy” (andininy faha 5).

“Ary amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, dia hanao ny soa lehibe indrindra amin’ny mpiara-belona aminao ianao ary hampitombo ny voninahitr’Ilay Tomponao” (F&F 81:4).

Rehefa mieritreritra ilay sarin-teny mikasika ny famonjena ny osa, fampiakarana ny tanana izay miraviravy, ary ny fanatanjahana ny lohalika malemy isika, dia mahatsiaro ankizivavikely fito taona anankiray mahafinaritra aho, izay mampiseho an’ny dadabeny ny hazom-boatabia kely iray namboleny ho an’ny asa tany an-tsekoly.

Nazavainy fa avy amin’ny voa kely no ahazoana zavamaniry. Ary raha karakaraina ilay zavamaniry, dia hitombo ho lasa voatabia maro izay samy hanana voany maro.

Hoy izy: “Ary raha ambolena ireo voany rehetra ireo ka lasa voatabia hafa maro, ka ambolenao ireo voa rehetra ireo, afaka vanim-potoana vitsivitsy dia hanana voatabia an-tapitrisany ianao.”

Izany rehetra izany,” hoy izy talanjona, “dia avy amin’ny voa kely iray.”

Fa hoy izy avy eo, “Saika novonoiko ilay zavamaniriko. Navelako tao an’efitra maizina iray ilay izy ary adinoko ny nanondraka azy. Rehefa tsaroako ilay zavamaniry, dia efa nalemy sy toy ny maty ilay izy. Nitomany aho satria tonga tao an-tsaiko ireo voatabia an-tapitrisany izay tsy haniry mandrakizay.”

Faly ery izy avy eo nitantara tamin’ilay dadabeny ny momba ilay “fahagagana” izay nitranga.

Nazavainy hoe: “Mety tsy maty ilay zavamaniry hoy i Neny. Mety mila rano sy hazavana fotsiny ilay izy mba hahavelona azy indray.

“Ary marina ny nolazainy. Nasiako rano ilay zavamaniry ary nataoko teo am-baravarankely mba hahazo fahazavana. Dia inona hoy ianao?” hoy izy. “Velona indray ilay izy, ary hitombo ho lasa voatabia an-tapitrisany maro izy amin’izao!”

Ilay hazom-boatabia keliny, feno hery sy fahafahana mbola haniry tsara kanefa nalazo sy nalemy noho ny tsy firaharahiana tsy nahy, dia nankaherezina sy novelomina tamin’ny alalan’ny fanasiana rano sy hazavana nataon’ny tanan’ny ankizivavy kely iray izay feno fitiavana sy fikarakarana.

Ry rahalahy sy anabavy, amin’ny maha zanaka ara-panahin’ny Ray any an-danitra ara-bakiteny antsika, dia manana hery sy fahafahana avy any an-danitra tsy manam-petra isika. Kanefa raha tsy mitandrina isika, dia mety ho lasa tahaka ilay hazom-boatabia malazo. Mety hiala amin’ny fotopampianarana marina sy ny filazantsaran’i Kristy isika ary ho tonga tsy ampy sakafo sy malazo ara-panahy, manala ny tenantsika amin’ny fahazavana avy any an-danitra sy ny rano velona entin’ny fitiavana mandrakizain’ny Mpamonjy ary ny herin’ny fisoronana.

Ireo izay mihazona ny fisoronana kanefa tsy miezaka mandrakariva ny hanaja izany amin’ny fanompoana ny fianakaviantsika sy ny hafa dia ho tonga toy ireo izay tsy mandray ireo fitahiana mifandraika amin’ny fisoronana ary azo antoka fa halazo ara-panahy izy ireo, satria nanala ny tenany tsy hahazo ireo sakafo mahavelona, sy ny fahazavana, ary ny herin’Andriamanitra ao amin’ny fiainany—tena tahaka ilay hazom-boatabia izay feno hery sy fahafahana mitombo saingy tsy noraharahiana ka nalazo.

Io herin’ny fisoronana izay namoronana ny tontolo maro, vahindanitra maro, sy izao zavatra ary rehetra izao dia afaka ary tokony hanana toerana ao amin’ny fiainantsika mba hamonjena, hampaherezana, sy hitahiana ireo fianakaviantsika, ireo namantsika, sy ireo manodidina antsika—izany hoe: hanao izay zavatra ho nataon’ny Mpamonjy raha toa Izy nanompo teo anivontsika amin’izao fotoana izao.

Ary ny tanjona fototr’io herin’ny fisoronana io dia ny hitahy, hanamasina, sy hanadio antsika mba hahafahantsika hiaina miaraka amin’ireo fianakaviantsika eo anatrehan’ireo Ray aman-drenintsika any an-danitra, voafatotry ny famehezan’ny fisoronana, sy mandray anjara amin’ilay asa mahatalanjon’Andriamanitra sy Jesoa Kristy amin’ny fanaparitahana mandrakizay ny fahazavana sy ny voninahitr’ Izy Ireo.

Noho izany tanjona izany, dia nanana fahafahana aho, volana vitsivitsy lasa izay, handray anjara amin’ny fanaovana sarimihetsika iray natao ho fanofanana ireo mpitarika izay mitondra ny lohateny hoe Manamafy orina ny Fianakaviana sy ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Fisoronana.

Io DVD mitondra fanavaozana sy fampianarana io dia voadika amin’ny fiteny miisa 66. Izy io dia mampianatra ny fomba ahafahan’ny fisoronana mitahy, mamelombelona, sy manao izay hahavelom-bolo indray ny fiainantsika, ny fiainan’ny fianakaviantsika, ary ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra.

Izany dia maneho amintsika rehetra—na lehilahy, na vehivavy, na ankizy; na manambady, na mananotena, na tokan-tena; na inona na inona toerana misy antsika—ny fomba hahatonga antsika ho mpandray ireo fitahian’ny fisoronana. Misy fizarazarana horonantsary maromaro maharitra 8 ka hatramin’ny 12 minitra ao izay manazava ny fanalahidy, ny fahefana, ary ny herin’ny fisoronana, sy ny fomba entiny mankahery ny tsirairay, ny fianakaviana, ary ny Fiangonana.

Misy ampahany miavaka amin’ilay sarimihetsika no nitranga tao amin’ilay trano kelin’ny mpamaky lay izay an’ny renin’ny renibeko avy amin’ny reniko, Mary Fielding Smith. Vady navelan’i Hyrum izy, izay zokilahin’ny Mpaminany Joseph. Amin’ny maha ray aman-dreny tokan-tena azy, sy amin’ny alalan’ny finoana mahery vaika nananany momba ny fisoronana, dia niantso sy niantehatra tamin’izany hery izany izy mba hitaizana sy hitahiana ireo zanany ao anatin’ny fitiavana sy ny fahazavan’ny filazantsara. Ankehitriny ny taranany, izay ahitana mpitarika sy mpikambana mahafatra-po ao amin’ny Fiangonana an’arivony maro, dia misaotra azy noho ny finoany, ny herim-pony, sy ny ohatra nasehony.

Io fampiofanana vaovao ho an’ny mpitarika io dia azo jerena ao amin’ny Internet ao amin’ny LDS.org mba ho hita sy hiainan’ny rehetra (wwlt.lds.org). Azo jerena mivantana izany ao amin’ny LDS.org, na ampidirina ao amin’ny solosaina, smartphone, na i-pad.

Ny Fiadidiana Voalohany dia nangataka “ireo fiadidian’ny tsatòka sy episkôpà mba hanokana fivorian’ny filankevitry ny tsatòka na paroasy hijerena ilay DVD [manontolo]. Ireo filankevitry ny tsatòka na paroasy dia tokony hifanakalo hevitra momba ny fomba hampiharana ny fampianarana izay aseho” (Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 1 Feb. 2013).

Ny zavatra voarakitra ao dia hanome fitaomam-panahy sy hamporisika ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana, ny Fikambanana Ifanampiana, ny Sekoly Alahady, ny Zatovovavy, ny Zatovolahy (indrindra ireo izay miomana hanao asa fitoriana), ao amin’ny fivorian’ny Kilonga, na mandritra ny fivoriana iarahana rehefa Alahady fahadimy. Noho izany ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra dia ho afaka ny hamporisika ny tsirairay sy ireo ray aman-dreny mba hampiasa io horonantsary io miaraka amin’ny fianakaviany. Ry rahalahy sy anabavy, io fampiofanana ho an’ny mpitarika io dia ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Ry ray aman-dreny, avereno jerena, zarao, ary anaovy fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny zanakareo ny zavatra izay nianaranareo sy tsapanareo, ary avelao izy ireo hijery sy hanao izany miaraka aminareo koa mba ho mafy orina ny fianakavianareo amin’ny alalan’ny fisoronana.

Hoy i Jesoa hoe:

“Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” (Jaona 7:37).

“Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay” (Jaona 4:14).

“Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka ahy … hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

Raha misy aminareo mahatsapa fa ny finoanareo na ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny drafitry ny Raintsika any an-danitra dia latsaka kokoa noho ny tokony ho izy, dia mifantoha bebe kokoa amin’ny Mpamonjy. Avelao ny Fahazavany sy ny Rano Velony ho aminao sy ny fianakavianao tahaka ilay rano kely sy hazavana izay namelona indray ilay hazom-boatabia nalazo.

Eny ary, nanomboka ny resako tamin’ny fahagagana manoloana ny asa famoronana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana aho. Dia mbola manontany tena, toy ny maro aminareo koa araka ny eritreritro, raha toa mety ho takatra rahatrizay ny herin’Andriamanitra enti-mampianatra sy mitahy antsika. Satria tena lehibe tokoa, mendri-kaja tokoa, feno hery tokoa.

Hoy Joseph Smith hoe: “Ny Fisoronana dia fitsipika tsy manam-pahataperana, ary nisy niaraka tamin’Andriamanitra hatramin’ny mandrakizay, ary mbola hisy ho mandrakizay, tsy nisy fiandohan’andro na fiafaran-taona” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 104).

Andriamanitra dia nanome malalaka ny heriny ho an’ireo izay manaiky sy manaja ny fisoronany, izay mitondra ho amin’ireo fitahian’ny tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay izay efa nampanantenaina.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny asan’i Jesoa Kristy dia tanteraka amin’ny alalan’ny fisoronana. Izany no hery namoronan’ny Ray any an-danitra sy ny Zanakalahiny Malalany ity tany ity sy nametrahany ilay drafitra lehiben’ny ny fahasambarana mba ho tombontsoa ho antsika. Enga anie isika mba ho hendry sy hikatsaka ny hankahery ny fiainantsika, ny fiainan’ny fianakaviantsika, sy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronan’Andriamanitra, izany no vavaka ataoko am-panentren-tena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.