2010–2019
Mandra-pihaonantsika indray
Aprily 2013


Mandra-pihaonantsika indray

Mivavaka aho mba hitahy sy hiaro anareo ny Tompo ry rahalahy sy anabavy. Ho aminareo anie ny fiadanana nampanantenainy anio ary ho mandrakizay.

Ry rahalahy sy anabavy, fihaonambe nanetriketrika tokoa no avy natrehantsika. Fantatro fa hiaraka hanaiky amiko ianareo fa nanentana ny fanahy tokoa ireo hafatra. Nahatsapa zavatra tao am-pontsika isika ary lasa natanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona mikasika ity asa masina ity rehefa nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo isika. Enga anie hotsaroantsika ny zavatra rentsika nandritra izay roa andro izay. Mamporisika anareo aho handalina bebe kokoa ireo hafatra rehefa havoaka ao anatin’ireo laharan’ny Ensign na Liahona izay ho avy atsy ho atsy izany.

Maneho ny fankasitrahana ireo olona tsirairay nandaha-teny tamintsika izahay ary ireo izay nanolotra vavaka ihany koa. Ankoatra izany, dia nanome hery sy nanentana ny fanahy tokoa ny hira. Tiantsika ity Amboarampeon’ny Tabernakely mahatalanjona ity ary misaotra ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny hira isika.

Miara-maneho fankasitrahana ny fiadidiana sy filankevi-pitantanan’ny Zatovovavy maneran-tany isika izay nisaorana omaly. Nahatalanjona tokoa ny asa fanompoan’izy ireo ary ny fanoloran-tena feno no nasehony.

Isika dia nanohana, tamin’ny fananganan-tanana, ireo rahalahy sy rahavavy izay vao nantsoina handray andraikitra vaovao nandritra ity fihaonambe ity. Tianay ho fantatr’izy rehetra ireo fa tsy andrinay izay hiarahana hiasa amin’izy ireo ao anatin’ity asan’ny Tompo ity.

Fiangonana manenika izao tontolo izao isika ry rahalahy sy anabavy. Misy mpikamban’ny Fiangonantsika manerana izao tontolo izao. Miangavy anareo aho mba ho olom-pirenena vanona any amin’ny firenena izay ipetrahanareo sy ho mpifanolobodirindrina fakan-tahaka eo amin’ny fiaraha-monina misy anareo, manolo-tanana ireo olona hafa finoana sy ireo olona ao anatin’ny finoantsika koa. Enga anie isika ho feno fandeferana sy ho tsara fanahy ary haneho fitiavana amin’ireo izay tsy ao amin’ny finoantsika sy tsy miaina ny fitsipika ijoroantsika. Nitondra hafatra mifono fitiavana sy hatsaram-panahy teto amin’ity tany ity ho an’ny lehilahy sy vehivavy rehetra ny Mpamonjy. Enga anie isika ka hanaraka foana ny ohatra nasehony.

Mivavaka aho mba hahafantatra ny zavatra ilain’ireo manodidina antsika isika. Misy olona sasantsasany, indrindra eo anivon’ny tanora, no tafalatsaka mafy ao anatin’ny zava-mahadomelina, fahavetavetana, pôrnôgrafia sy ny sisa. Ao ireo olona irery izay ahitana lehilahy na vehivavy maty vady, izay maniry ny mba hanana namana sy hokarakarain’ny hafa. Enga anie isika ka hanolotra tanana vonona hanampy azy ireo sy fo feno fitiavana.

Miaina ao anatin’ny vanim-potoana iray eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao izay ahitana olana sarotra maro isika kanefa koa ahitana zava-mahasoa maro sy zavatra mitondra fifaliana. Marina fa ao ireo fotoana izay iatrehantsika fahadisoam-panantenana, ratram-po sy loza mihitsy aza eo amin’ny fiainantsika. Na izany aza, raha mametraka ny fitokiantsika amin’ny Tompo isika dia hanampy antsika mandritra ny fotoan-tsarotra lalovantsika Izy, na manao ahoana izany na manao ahoana. Nanome toky toy izao ny Mpanao Salamo hoe: “Misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.”1

Ry rahalahy sy anabavy, tiako ho fantatrareo fa feno fankasitrahana amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho, izay naverina tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Izany no fanalahidin’ny fahasambarantsika. Enga anie isika ka hanetry tena sy hivavaka lalandava, ary hanana ilay finoana fa afaka hitarika sy hitahy antsika eo amin’ny fiainantsika ny Raintsika any an-danitra.

Zaraiko aminareo ny fijoroako ho vavolombelona manokana fa velona Andriamanitra, maheno ny vavak’ireo fo manetry tena Izy. Miresaka amintsika tsirairay ny Zanany, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika: “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho.”2 Enga anie isika hino ireo teny ireo ary hanararaotra izany fampanantenana izany.

Raha hifarana izao ity fihaonambe ity dia mangataka ireo tsodranon’ny lanitra aho hirotsaka eo aminareo tsirairay avy. Enga anie ny tokantranonareo ho feno fiadanana, filaminana, fanajana ary fitiavana. Enga anie ho heniky ny Fanahin’ny Tompo izany. Enga anie ianareo hikolokolo ny fijoroanareo ho vavolombelona mikasika ny filazantsara, ka ho fiarovana anareo amin’ny fanafihan’i Satana izany.

Mandra-pihaonantsika indray afaka enim-bolana dia mivavaka aho mba hitahy sy hiaro anareo ny Tompo ry rahalahy sy anabavy. Ho aminareo anie ny fiadanana nampanantenainy anio ary ho mandrakizay. Misaotra anareo amin’ny vavaka ataonareo ho ahy sy ho an’ireo Manampahefana Ambony rehetra. Mankasitraka lalina anareo izahay. Amin’ny anaran’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, izay tompointsika, dia i Jesoa Kristy Tompo, amena.