Izahay dia Zanakavavin’ny Ray izay Any an–danitra

Nataon’i Elaine S. Dalton

Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany Nisaorana Vao Haingana


Amin’ny maha zanakavavin’Andriamanitra antsika dia miavaka isika tsirairay ary tsy mitovy ny toe-javatra mahazo antsika sy ny zavatra iainantsika. Ary na izany aza dia manan-danja izay ataontsika—satria manan-danja isika.

Isan-kerinandro dia mamerina ny teny filamatry ny Zatovovavy ny zatovovavy rehetra manerana izao tontolo izao. Na amin’ny fiteny inona na inona, isak’izay mandre ireto teny ireto aho manao hoe: “Izahay dia zanakavavin’ny Ray izay any an-danitra, izay tia anay ary tianay Izy”1 dia manamafy amin’ny fanahiko ny Fanahy Masina fa marina izy ireo. Tsy fanamafisana ny maha isika antsika fotsiny izany—hoe iza isika—fa fampahafantarana koa hoe an’iza isika. Zanakavavin’ny olona iray nisandratra isika!

Tany amin’ny firenena rehetra sy ny kaontinanta rehetra dia nihaona tamin’ny zatovovavy mahatoky tena, miteny mazava tsara tsy an-kihambahamba, feno hazavana, voadio tamin’ny asa mafy sy ny fitsapana, izay manana finoana madio sy tsotra aho. Tsara toetra izy ireo. Mpitandrina ny fanekempihavanana izy ireo, izay “[m]ijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra.”2 Fantany hoe iza izy ireo ary manana andraikitra manan-danja eo amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra izy ireo.

Fony aho tany amin’ny oniversite dia mpikambana tao amin’ny mpanao dihin-drazana maneran-tany tao BYU aho. Indray fahavaratra dia nanana fahafahana miavaka ny hitety ny misiona tao Eorôpa ny andiany nisy ahy. Fotoam-pahavaratra sarotra tamiko izany satria nodimandry tampoka ny raiko volana vitsivitsy talohan’izay. Nahatsiaro ho irery ary nanjary kivy aho tamin’ny fotoana naha tao Écosse anay. Nandihy tao amin’ny trano fiangonana iray izahay tamin’io takariva io ary taorian’ny fampisehoana nataonay dia nandeha tao amin’ny trano fonenan’ny filohan’ny misiona izay tsy lavitra teo izahay. Rehefa nanohy ny diako nankeny amin’ilay trano aho dia nahita vato nipetraka teo amin’ny zaridaina iray voakarakara tsara teo akaikin’ny vavahady. Mivaky toy izao ny soratra teo aminy: “Na iza na iza ianao dia ataovy tsara ny anjara andraikitrao.” Tamin’izay fotoana izay dia nanohina lalina ny foko ireo teny ireo ary tsapako fa ny herin’ny lanitra no nampitraka ahy sy nanome ahy ireo hafatra ireo. Fantatro fa fantatry ny Ray any an-danitra be fitiavana aho. Tsapako fa tsy irery aho. Nijoro tamin-dranomaso teo amin’izany zaridaina izany aho. “Na iza na iza ianao dia ataovy tsara ny anjara andraikitrao.” Nanavao ny fijeriko izany fehezan-teny tsotra izany, fa fantatry ny Ray any an-danitra aho ary nanana drafitra ho an’ny fiainako Izy ary nanampy ahy hahatakatra ilay fanahy izay tsapako fa manan-danja izay ataoko.

Taty aoriana dia fantatro fa nankahery ny mpaminany David O. McKay izany teny izany indray mandeha fony izy misiônera vao herotrerony tany Écosse. Hitany teo amin’ny vato iray teo amin’ny trano iray izany tamin’ny fotoana nahakivy azy nandritra ny fiainany sy ny asa fitoriana nataony, ary nampitraka azy ireo teny ireo. Taona maro taorian’izay, rehefa nianjera ilay trano, dia nataony izay nifanarahana mba hahazoana ilay vato sy hametrahana izany tao amin’ny zaridaina tao amin’ny trano fonenan’ny filohan’ny misiona.3

Amin’ny maha zanakavavin’Andriamanitra antsika dia miavaka isika tsirairay ary tsy mitovy ny toe-javatra mahazo antsika sy ny zavatra iainantsika. Ary na izany aza dia manan-danja izay ataontsika—satria manan-danja isika. Ny fandraisantsika anjara isan’andro amin’ny fanabeazana, ny fampianarana, ary ny fikarakarana ny hafa dia toy ny zavatra efa mahazatra, mihen-danja, sarotra, ary mahamenatra indraindray, kanefa rehefa mahatsiaro izany andalana voalohany amin’ny teny filamatry ny Zatovovavy izany isika hoe—“Izahay dia zanakavavin’ny Ray izay any an–danitra”—dia hanova zavatra izany eo amin’ny fifandraisantsika sy ny fihetsika asehontsika.

Nodimandry vao haingana ilay reniko mahafinaritra 92 taona. Nandao ity fiainana an-tany ity izy rehefa niaina—mangingina. Tsy toy izay nomaniny ny niseho tamin’ny fiainana. Ny vadiny, ny raiko izany, dia nodimandry teo amin’ny faha 45 taonany, nandao ny reniko niaraka tamin’ny zanaka telo—izaho sy ny anadahiko roa. Niaina 47 taona tamin’ny naha mananotena azy izy. Namelona ny fianakavianay tamin’ny alalan’ny fampianarana tany an-tsekoly izy ny maraina ary nampianatra pianô ny hariva. Nikarakara ny rainy izay efa antitra izy, ny raibeko izany, izay nifanolo-bodirindrina taminay. Nataony izay nahavitanay tsirairay fianarana tany amin’ny oniversite. Raha ny marina dia nisisika mafy ny amin’izany izy mba ho “mpandray anjara” izahay. Ary tsy nitaraina mihitsy izy. Nitandrina ny fanekempihavanany izy, ary satria nanao izany izy dia niantso ny herin’ny lanitra mba hitahy ny tokantranonay sy handefa fahagagana. Niantehitra tamin’ny herin’ny vavaka sy ny fisoronana ary ny fampanantenan’ny fanekempihavanana izy. Nahatoky izy tamin’ny fanompoany ny Tompo. Nampahatanjaka anay zanany ny fahafoizan-tenany tsy ankiato. Namerimberina matetika taminay tenin’ny soratra masina iray izy dia ny hoe: “Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko; fa rehefa tsy ataonareo kosa izay lazaiko, dia tsy manana fampanantenana ianareo.”4 Izany no teny filamatra nohazoniny ary fantany fa marina izany. Takany ny dikan’ny hoe mitandrina ny fanekempihavanana. Tsy nahalala azy mihitsy izao tontolo izao. Tsy nila izany izy. Fantany hoe iza izy ary an’iza izy—zanakavavin’Andriamanitra. Tena azo lazaina fa nanao tsara ny anjarany ny reninay.

Raha niresaka mikasika ireo reny sy vehivavy ny Filoha Gordon B. Hinckley indray mandeha dia hoy izy hoe:

“Tsy tokony hanadino mihitsy ny tanjaky ny vehivavy isika. … Ny reny no manana fiantraikany mivantana indrindra eo amin’ny fiainan’ireo zanany. … Ny reny no manabe azy ireo sy mitaiza azy ireo amin’ny fomban’ny Tompo. Manan-danja tokoa ny hery mitarika ananan’izy ireo. …

“… Izy ireo no mpahary ny aina. Izy ireo no mpanabe ny zanaka. Izy ireo no mpampianatra ny zatovovavy. Izy ireo no namana tena ilaintsika. Mpiara-miasa amintsika izy ireo amin’ny fananganana ny fanjakan’Andriamanitra. Lehibe tokoa ny anjara asan’izy ireo, mahatalanjona ny anjara biriky entin’izy ireo.”5

Ahoana ary no fomba hametrahan’ny reny na ny ray ao amin’ny zanakavavy iray ilay fahamarinana tena lehibe sy mandrakizay, dia ny hoe zanakavavin’Andriamanitra izy? Ahoana no fomba hanampiantsika azy hiala ao amin’izao tontolo izao ary hamindra ny tongony ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra?

Ao anatin’ny tontolo izay mampihena ny soatoavin’ny fahadiovam-pitondrantena dia mila lehilahy sy vehivavy “[m]ijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra” ny zatovovavy. Tsy mbola nanan-danja mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao izany teo aloha. Mila reny sy mpanolotsaina izay maneho fiainam-behivavy feno fahadiovana ny zatovovavy. Ry reny, manan-danja lehibe ny fifandraisanareo amin’ny zanakareo vavy, ary toy izany koa ny ohatra asehonareo. Ny fomba hanajanareo sy itiavanareo ny rainy, ny fisoronany, ary ny anjara asany masina dia ho hita taratra ary angamba hihamafy eo amin’ny fihetsika sy ny fitondrantena asehon’ny zanakareo vavy.

Inona ilay anjara andraikitra tsy maintsy hataontsika “tsara”? Mazava ny ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana hoe:

“Araka ny drafitr’Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany. Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany. Manoloana izany andraikitra masina izany, ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo. …

“Mampitandrina izahay fa ireo izay mandika ny fanekempihavanan’ny fahadiovam-pitondrantena, ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany, na ireo izay tsy mahatanteraka ny andraikiny ao amin’ ny fianakaviana dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra indray andro any.”6

Tao anatin’ilay fiaraha-monina niaina tao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena tamin’ny andron’i Môrmôna dia nalahelo mafy izy satria nendahina tamin’ireo vehivavy ny soa sy ny sarobidy indrindra tambonin’ny zava-drehetra—ny hatsaran-toetrany sy ny fahadiovam-pitondrantenany.7

Mbola manavao indray ny fiantsoana hiverina amin’ny hatsaran-toetra aho. Ny hatsaran-toetra no tanjaka sy herin’ny zanakavavin’Andriamanitra. Mety hanao ahoana ny tany raha toa ny hatsaran-toetra—izay lamin’ny fomba fisainana sy ny fitondrantena mifototra amin’ireo fenitra avon’ny fitsipi-pitondrantena, ka ao anatin’izany ny fahadiovam-pitondrantena8—ka averina indray eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika ho toy ny soatoavina sarobidy indrindra? Raha mihena ny fahalotoam-pitondrantena, ny pôrnôgrafia, ary ny herisetra, mety hihavitsy ve ny fanambadiana ho rava, ny fiainana simba, ary ny fo maratra? Mety hanome haja sy hanome hery hanaovan-javatra ve ny fampitam-baovao toy izay hanao tsinontsinona sy hanimba ny zanakavavy sarobidin’Andriamanitra? Raha mahatakatra ny maha zava-dehibe ny filazana hoe “Izahay dia zanakavavin’ny Ray izay any an-danitra,” ny olon-drehetra, mety ho toy ny ahoana no handraisana sy hitondrana ny vehivavy?

Taona maro lasa izay, rehefa natsangana sy akaiky ho vita ity Foiben’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ity dia niditra tato amin’ity trano masina ity aho teo amin’ny faritry ny lavarangana nanao satroka sy solomaso fiarovana, ary vonona ny hanadio tamin’ny aspirateur ny karipetra izay napetaky ny vadiko. Fiara kely fanaisorana fako no teo amin’ny toeran’io polpitra io tamin’izany, ary natevina tokoa ny vovoka tato amin’ity trano ity. Rehefa nipetraka teo izany dia nandoto ilay karipetra vaovao. Anjara asako ny nanadio tamin’ny aspirateur. Ka dia nanadio aho ary tsy nitsahatra nanadio. Afaka telo andro taorian’izay dia simba ilay aspirateur keliko!

Ny tolakandro talohan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana voalohany tato amin’ity trano tsara tarehy ity dia niantso ahy ny vadiko. Handeha hametaka ny ampahan’ny karipetra farany—tato ambanin’ity polpitra manan-tantara ity izy.

Nanontany izy hoe: “Inona no soratra masina tokony hosoratako ato ambadik’ity karipetra ity?”

Hoy aho hoe: “Môsià 18:9: ‘[m]ijoro[a] ho [vavolombelon]’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra.’”

Ao anatin’ilay tontolo ahitana zavatra tena sarotra dia izany no hitako ataon’ireo zatovovavy sy vehivavy ato amin’ity Fiangonana ity. Mpitaona amin’ny fanaovana ny tsara eo amin’izao tontolo izao izy ireo. Tsara toetra izy ireo ary ohatra fakan-tahaka, marani-tsaina sy tia miara-miasa. Mitondra zavatra hafa izy ireo satria izy ireo dia hafa. Manao tsara ny anjara asany izy ireo.

Taona maro lasa izay, rehefa nanadio ity karipetra ity aho—niezaka nanao tsara ny anjara asa keliko—dia tsy fantatro hoe hitsangana hanitsaka ity karipetra eto ambanin’ity polpitra ity ny tongotro indray andro any.

Ankehitriny amin’ny maha zanakavavin’Andriamanitra ahy, dia mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy. I Jesoa no Kristy. Izy no Mpanavotra antsika. Amin’ny alalan’ny sorompanavotany tsy misy fetra no hiverenako hiara-hiaina Aminy indray andro any—voazaha toetra, madio, ary voafehy ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay. Hidera azy mandrakariva aho noho ny tombontsoa manokana amin’ny maha vehivavy, vady, ary reny ahy. Mijoro ho vavolombelona aho fa mpaminanin’Andriamanitra no mitarika antsika dia ny Filoha Thomas S. Monson izany, ary feno fankasitrahana aho noho ireo lehilahy marina izay mitahy ny fiainako amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana ananan’izy ireo. Ary ho feno fankasitrahana lalandava aho noho ny tanjaka azoko avy amin’ny hery manome fahafahana hanao zavatra avy amin’ny Sorompanavotana tsy misy fetra an’ny Mpamonjy eo am-panohizako ny fiezahana “hanao tsara ny anjara andraiki[tro].” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Mostrar referencias

  1.  

    1. Mon Progrès Personnel des Jeunes Filles (booklet, 2009), 3.

  2.  

    3. Môsià 18:9.

  3.  

    3. Jereo ny Matthew O. Richardson, “What E’er Thou Art, Act Well Thy Part’: John Allan’s Albany Crescent Stone,” Journal of Mormon History, vol. 33 (Fall 2007), 31–61; Francis M. Gibbons, David O. McKay: Apostle to the World, Prophet of God (1986), 45.

  4.  

    4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10.

  5.  

    5. Gordon B. Hinckley, “Standing Strong and Immovable,” Réunion de Formation Mondiale des Dirigeants, 10 Jan. 2004, 21.

  6.  

    6. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  7.  

    7. Jereo ny Môrônia 9:9.

  8.  

    8. Jereo ny Mon Progrès Personnel des Jeunes Filles 70.