2010–2019
Iray Isika
Aprily 2013


Iray Isika

Mivavaka aho hoe na aiza na aiza misy anareo ary na inona na inona andraikitrareo ao amin’ny fisoronan’Andriamanitra, dia hiray hina isika ao anatin’ilay asa hitondrana ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao.

Nataon’ny Tompo mazava tsara raha vao nanomboka ity fotoampitantanana farany ity fa natao hitondra ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao isika. Lazainy amin’ny mpihazona ny fisoronana maro ankehitriny ny zavatra nolazainy tamin’ireo mpihazona ny fisoronana vitsivitsy tamin’ny 1831. Nantsoina isika hiasa amim-piraisan-kina ao anatin’ilay fijinjany fanahy mandra-piveriny indray, na firy taona isika na firy taona, na inona na inona fahaiza-manao ananantsika na antsom-piangonana sahanintsika, ary na aiza na aiza misy antsika. Hoy izy tamin’ireo mpiasa voalohany tao amin’ny tanim-boaloboka hoe:

“Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo, omeko anareo ny didy, ka ny olona tsirairay, na loholona, na mpisorona, na mpampianatra, na mpikambana, dia samy handeha amin’ny heriny, amin’ny asan’ny tanany, mba hanomanana sy hanatontosa ireo zavatra izay nodidiako.

“Aoka ny fitorianareo ho feo fampitandremana ny olona tsirairay ny namany amin’ny fahamorana sy amin’ny halemem-panahy.

“Ary mivoaha avy eo anivon’ny olon-dratsy. Vonjeo ny tenanareo. Madiova ianareo izay mitondra ny fanaky ny Tompo.”1

Hitanareo izao ry mpikambana ao amin’ny Fisoronana Aharôna fa mahakasika anareo koa ilay didin’ny Tompo. Noho ny fahafantaranareo fa manomana lalana foana mba hitandremana ny didiny ny Tompo, dia afaka manantena ianareo fa hanao izany ho anareo tsirairay avy Izy.

Mamela ahy ianareo hilaza aminareo ny fomba nanaovany izany ho an’ny zatovolahy iray izay mihazona ny anjara fanompoan’ny mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna ankehitriny. 16 taona izy. Mipetraka any amin’ny firenena iray izy ka vao herintaona lasa izay no nahatongavan’ny misiônera voalohany tany. Nasaina niasa tany amin’ny tanàna roa izy ireo fa tsy tany amin’ilay tanàna nipetrahan’ity zatovolahy ity.

Fony mbola zaza izy dia nentin’ny ray aman-dreniny nipetraka tany Utah mba hahitana fiarovana. Nampianaran’ny misiônera ary nataon’izy ireo batisa ilay fianakaviana. Tsy natao batisa tao amin’ny Fiangonana izy satria mbola tsy feno valo taona.

Maty tao anatin’ny loza tampoka iray ny ray aman-dreniny. Noho izany dia nentin’ny renibeny nody tany aminy izy, tany am-pitan’ny ranomasimbe, niverina tany amin’ilay tanàna nahaterahany.

Raha nandeha teny an-dalana izy ny volana Martsa vao tamin’ny herintaona dia nahatsapa fa tokony hiresaka amin’ny vehivavy iray izay tsy fantany akory. Niresaka taminy tamin’izay teny Anglisy hany tadidiny izy. Mpitsabo mpanampy ilay vehivavy izay nalefan’ny filohan’ny misiona tao amin’ny tanànany mba hitady trano sy toeram-pitsaboana ho an’ireo misiônera izay hiasa atsy ho atsy ao amin’io toerana io. Lasa mpinamana izy ireo rehefa niresaka. Nolazainy tamin’ireo misiônera ny momba ilay zatovolahy rehefa niverina tany amin’ny foiben’ny misiona izy.

Tonga tany tamin’ny Septambra 2012 ireo elder voalohany. Ilay zatovolahy kamboty no nataon’izy ireo batisa voalohany tao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Feno efa-bolana tamin’ny volana Martsa teo tamin’ity taona ity ny naha mpikambana azy. Voatendry ho mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna izy ary afaka manao batisa ilay olona faharoa hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana noho izany. Izy no mpamaky lain’ny fisoronana voalohany nanangona ireo zanaky ny Ray any an-danitra hafa mba hiaraka aminy hanorina ny Fiangonana ao amin’ilay tanàna izay misy mponina eo amin’ny 130.000 eo ho eo.

Nitombo be ho enina ny mpikamban’ny Fiangonana tao amin’izany tanàna izany ny Alahadin’ny Paska, 31 Martsa 2013. Izy irery no hany mpikambana avy eo an-toerana nanatrika ny fivoriana tamin’izay Alahady izay. Naratra ny lohaliny ny andro talohan’izany, saingy nanapa-kevitra fa tsy maintsy ho any izy. Nivavaka izy mba ho afaka ny handeha an-tongotra any am-piangonana. Ary dia tonga tany izy. Nizara ny fanasan’ny Tompo tamin’ny elder tanora miisa efatra izy sy misiônera mpivady zokiolona iray—izay no fitambaran’ny mpiangona tao.

Toy ny tsy dia mahataitra loatra izany tantara izany raha tsy hoe hitanao ao anatin’izany ilay lamin’ny tanan’Andriamanitra manorina ny fanjakany. Efa hitako imbetsaka izany.

Hitako izany tany Nouveau-Mexique fony mbola zatovolahy. Nilaza tamintsika ireo mpaminany tao anatin’ny taranaka maro nifandimby fa tokony hanampy ny misiônera isika hitady sy hampianatra ireo mahitsy fo ary hitia ireo izay miditra ao amin’ny fanjakany avy eo.

Hitako manokana ny zavatra azon’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy mpikambana mahatoky atao. Lasa miaramila tao amin’ny Tafika Ana Habakabak’i Etazonia aho tamin’ny 1955. Nomen’ilay evekako tany amin’ny toerana nipetrahako tsodrano aho talohan’ny kelin’ny handehanako tany amin’ilay toerana hiasako voalohany izay tany Albuquerque, Nouveau-Mexique.

Nilaza izy tao anatin’ny tsodranony fa ny fotoana hiasako ao amin’ny tafika ana habakabaka dia hiompana amin’ny asa fitoriana. Nandeha tany am-piangonana tao amin’ny Paroasy Voalohan’i Albuquerque aho ny Alahady voalohako tany. Nisy lehilahy iray nanatona ahy dia nampahafantatra ny tenany ho filohan’ny distrika ary nilaza tamiko fa hiantso ahy ho misiôneran’ny distrika izy.

Nolazaiko taminy fa hanatrika fiofanana mandritra ny herinandro vitsivitsy fotsiny aho ary halefa hiasa any amin’ny faritra hafa eto amin’izao tontolo izao. Hoy izy hoe: “Tsy fantatro aloha ny momba izay fa tokony hiantso anao hanompo izahay.” Teny antenantenan’ilay fanofanana miaramila natrehako, tampotampoka teo, dia voafidy tao anatin’ireo miaramila an-jatony maro nofanina aho mba hisolo toerana any amin’ny foibe ny miaramila iray izay nodimandry tampoka.

Noho izany dia nijanona tao nandritra ny roa taona aho nanatanteraka ny antsoko. Nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ireo olona nentin’ny mpikambana tany aminay aho ny ankamaroan’ireo hariva ary isaky ny faran’ny herinandro.

Izaho sy ireo mpiara-mitory tamiko dia nandany teo amin’ny 40 ora mahery teo isam-bolana nanaovana asa fitoriana ary tsy mba nandondona varavarana izahay na indray mandeha aza mba hahitana olona hampianarina. Notoloran’ny mpikambana asa maro izahay ka matetika nampianatra fianakaviana roa ao anatin’ny hariva iray. Hitako manokana ny hery sy ny fitahiana ao anatin’ilay antso miverimberina nataon’ireo mpaminany ho an’ny mpikambana tsirairay mba ho misiônera.

Ny Alahady farany talohan’ny nandaozako an’i Albuquerque, dia naorina tao amin’izany tanàna izany ny tsatòka voalohany. Misy tempoly masina iray any izao, tranon’ny Tompo iray, ao anatin’ilay tanàna izay nivorianay taloha tao amin’ilay hany trano fiangonana tany niaraka tamin’ireo Olomasina izay nitondra namana tany aminay mba ho ampianarina sy hahatsapa ny fijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona. Nahatsapa ho voaray tsara sy toy ny tompon-trano ireo namana ireo tao amin’ilay Fiangonana marin’ny Tompo.

Hitako indray izany taty aoriana tany Nouvelle-Angleterre rehefa nianatra aho. Voantso ho mpanolotsain’ny filohan’ny distrika nanana ny maha izy azy iray aho izay nisy fotoana tsy niraharaha ny Fiangonana saingy avy eo lasa lehilahy manana hery ara-panahy lehibe. Tian’ilay mpampianatra isan-tokantranony io lehilahy io ka tsy noraharahiany izay fifohany sigara fa nojereny kosa ny zavatra afaka ny ho hitan’Andriamanitra ao aminy. Nitondra fiara nitety havoana sy morontsiraka izaho sy ilay filohan’ny distrika mba hamangy ireo sampana kely nisy tany Massachusetts sy Rhode Island mba hanorina sy hitahy ny fanjakan’Andriamanitra.

Tao anatin’ireo taona maro niarahako nanompo tamin’io mpitarika nanana ny maha izy azy io dia nahita olona nahasarika ireo namany tany am-piangonana izahay noho ny ohatra nasehon’izy ireo sy ny fanasana ataon’izy ireo mba hihaino ny misiônera. Toy ny niadana sy narefo ny fahitako ny fivoaran’ireo sampana ireo. Saingy ny Alahady hialako tao, izay dimy taona taty aoriana, dia nisy Apôstôly roa tonga mba hanova ny distrikanay ho tsatòka tao amin’ny trano fiangonana Longfellow Park tany Cambridge.

Niverina tany mba hitarika fihaonamben’ny tsatòka iray aho taona maro lasa taty aoriana. Nentin’ny filohan’ny tsatòka hijery havoana vatoana iray tany Belmont aho. Nolazainy tamiko fa ho toerana tsara hanorenana tempolin’Andriamanitra anankiray izany. Misy anankiray mitsangana ao ankehitriny. Rehefa mandinika izany aho dia tsaroako ireo mpikambana feno fanetren-tena nipetraka teo akaikiko tany amin’ireo sampana kely sy ireo mpifanolobodirindrina nasain’izy ireo ary ireo misiônera nampianatra azy ireo.

Misy diakona vaovao iray ato amin’ity fivoriana ity androany hariva. Niaraka taminy aho tamin’ilay Alahadin’ny Paska izay nanaovan’ilay mpisorona noresahako tany aloha tany dia an-tongotra mba hanatrika ilay fivoriany ahitana mpikambana iray. Miramirana ilay diakona rehefa nilaza ny rainy fa hiaraka aminy hanatrika ity fivorian’ny fisoronana ity izy androany hariva. Misiônera nanana ny maha izy azy izany raim-pianakaviana izany tao amin’ilay misiôna izay efa naha filohan’ny misiôna ny rainy. Hitako ilay Missionary Handbook (Boky Torolalana ho an’ny Misiônera) taona 1937 izay an’ny rain’ny raibeny. Nitondra olona maro tao amin’ny Fiangonana tao anatin’ny taranaka maro nifandimby ny fianakaviany.

Dia niresaka tamin’ny evekan’io diakona io aho mba hahafantatra izay toe-javatra mety hantenain’ilay zatovolahy ao anatin’ny fanatanterahana ny andraikitry ny fisoronana mba hanangona fanahy ho an’ny Tompo. Tamim-pientanentanana no namaritan’ilay eveka ny fomba fanarahan’ny tompon’andraikitra mitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy ny fivoaran’ireo naman’ny fiangonana. Mahazo izany fampahalalana izany amin’ny alalan’ny fifandraisana tsy tapaka amin’ireo misiônera izy.

Resahan’ny eveka sy ny filankevitry ny paroasy ny mikasika ireo naman’ny fiangonana mivoatra tsirairay. Manapa-kevitra mikasika ny zavatra azony atao ho an’ny olona tsirairay sy ny fianakaviany izy ireo mba hanampiana azy ireo ho lasa namana alohan’ny batisa ary mba hampandraisana anjara azy ireo ao amin’ireo fiaraha-mientana sy hikolokoloana ireo izay vita batisa. Nilaza izy fa indraindray misimisy ireo olona nanome fotoana mba hampianarin’ny misiônera ka dia misaraka izy ireo ary mitondra mpihazona ny Fisoronana Aharôna mba ho mpiara-mitory amin’izy ireo.

Ny drafitry ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy dia ahitana ireo tanjon’ireo kôlejy mba hanasa ireo olona fantany hihaona amin’ny misiônera. Na ny fiadidian’ny kôlejin’ny diakona aza dia asaina mba hametraka tanjona sy drafitra mba hitondran’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejiny ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ireo olona izay fantany.

Ilay diakona any amin’ny paroasy matanjaka sy ilay mpisorona vaovao—ilay vao niova fo—any amin’ilay vondron’ny mpikambana kely iray dia toy ny zara raha manan-javatra iraisana eo amin’ny izy samy izy na eo aminao izao. Ary mety tsy mahita zavatra itozivana be loatra ianao ao anatin’ny zavatra iainanao amin’ny fanorenana ny Fiangonana sy ireo fahagagana hitako tany Nouveau-Mexique sy Nouvelle-Angleterre.

Kanefa misy fomba iray izay maha iray antsika ao anatin’ny fanatanterahantsika ny andraikitsika ao amin’ny fisoronana. Manamasina ny tenantsika isika ary manatanteraka ny andraikitsika manokana mifanandrify amin’ilay didy mba hitondra ny filazantsara any amin’ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra rehetra.

Mitovy ny zavatra iainantsika ao anatin’ilay fomba entin’ny Tompo hanorenana ny fanjakany eto an-tany. Mbola misy fahamarinana manan-danja lehibe iray nampianarin’ireo mpaminany mikasika ny fomba tokony hanatanterahantsika ny andraikitry ny fisoronana eo amin’ny fanaovana asa fitoriana ao amin’ny Fiangonany, miaraka amin’ireo fitaovana sy lamina tena tsara izay nomena antsika.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny 1959, dia nampianarin’ny Filoha David O. McKay izany fitsipika izany toy ny nataon’ireo mpaminany nanomboka tamin’ny androny ary tafiditra ao koa ny Filoha Thomas S. Monson. Notantarain’ny Filoha McKay tany amin’ny ampahany faran’ny lahateniny fa tamin’ny 1923 tany amin’ny misiona Britanika dia nisy torolalana ankapobeny nalefa ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Notenenina izy ireo mba tsy handany vola amin’ny fanentanana mba hanova ny tsy fitiavan’ny olona ny Fiangonana. Nolazain’ny Filoha McKay fa ny fanapahan-kevitra dia hoe: “Omeo ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana ilay andraikitra hoe rehefa migadona ny taona 1923 dia ho misiônera ny mpikambana tsirairay. Misiônera ny mpikambana tsirairay! Azonao entina any am-piangonana ny reninao na mety ny rainao, na mety ny mpiara-miasa aminao ao amin’ny toeram-piasanao. Hisy olona handre ilay vaovao mahafaly avy aminao.”

Dia notohizan’ny Filoha McKay izany hoe: “Ary izay no hafatra androany. Ny mpikambana tsirairay—Iray tapitrisa sy dimy hetsy—dia—misiônera!2

Taitra aho rehefa nambara tamin’ny taona 2002 fa ho andraikitry ny eveka ny asa fitoriana. Efa nihazona izany andraikitra izany aho. Toy ny efa manao asa maro mihoatra noho izay vitany izy ireo eo amin’ny fanompoana ny mpikambana sy ny fitantanana ireo rafitra ao amin’ny paroasy.

Nisy eveka iray fantatro izay tsy nandray izany ho toy ny andraikitra fanampiny fa toy ny fahafahana mampivondrona ny paroasy iray hanao asa lehibe izay ahitana fa lasa misiônera ny mpikambana tsirairay. Nantsoiny ny tompon’andraikitra mitarika ny asa fitoriana. Nihaona tamin’ireo misiônera mihitsy izy isaky ny Sabotsy mba hahafantarany mikasika ny asan’izy ireo sy mba hampaherezana azy ireo ary mba hahafantarana ny fivoaran’ireo naman’ny Fiangonana. Ny filankevitry ny paroasy dia nahita fomba mba hampiasan’ireo rafitra sy kôlejy ny fanaovana asa fanompoana ho toy ny fanomanana ny mpikambana ho misiônera. Ary amin’ny maha-mpitsara amin’i Isiraely azy dia nanampy ny tanora izy hahatsapa ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana mba hihazonana azy ireo ho madio.

Vao haingana aho no nanontany azy ny antony nampitombo haingana be ny olona vita batisa tao amin’ny paroasiny sy ny nampitombo ny isan’ny tanora vonona sy mazoto hitondra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy any amin’izao tontolo izao. Nolazainy fa toa tsy avy amin’ny asa nataon’olona izany fa ny fanambaran’izy rehetra ho iray ilay fientanentanany mitondra olona ato amin’ny fianakaviamben’ny Olomasina no nitondra fifaliana toy izany ho azy ireo.

Tonga avy amin’ny zavatra ankoatra ny fientanentanana izany ho an’ny sasany. Tahaka ny zanakalahin’i Môsià ohatra, nahatsapa ny voka-dratsy nateraky ny fahotana izy ireo ary ilay fanasitranana mahagaga avy amin’ny Sorompanavotana ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Noho ny fitiavana sy ny fankasitrahana ny fanomezana azony avy amin’ny Mpamonjy dia naniry ny hanampy araka izay vitany ny olona tsirairay izy mba hanalavitra ny alahelo avy amin’ny fahotana sy hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka ary hivondrona miaraka amin’izy ireo mba ho voaro ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavany ny namany ary ny mpifanolobodirindrina aminy no nampiray hina azy ireo hanompo ny olona. Nanana faniriana ny hitondra ny filazantsara tany amin’ny olona tsirairay tany amin’ny faritra nisy azy teto amin’izao tontolo izao izy ireo. Ary nanomana ny zanany izy ireo mba ho mendrika ny ho antsoin’ny Tompo hampianatra, hijoro ho vavolombelona ary hanompo any amin’ny faritra hafa ao amin’ny tanim-boalobony.

Na any amin’ilay paroasy lehibe izay hanatanterahan’ilay diakona vaovao ny andraikiny hizara ny filazantsara sy hanorina ny fanjakana izany na any amin’ilay vondrona kely lavitra izay hanompoan’ilay mpisorona vaovao, dia ho iray izy ireo noho ny tanjona tratrariny. Ho entanin’ny fitiavan’Andriamanitra ilay diakona mba hanatona namana iray izay mbola tsy mpikambana. Hampandraisany anjara ao anatin’ny asa fanompoana na fiaraha-mientana sasantsasany ao amin’ny Fiangonana ilay namany ary avy eo hanolorany fanasana mba ho ampianarin’ny misiônera izy sy ny fianakaviany. Ho an’ireo izay vao vita batisa dia izy no karazana namana hilain’izy ireo.

Hanasa olon-kafa hiaraka aminy any amin’ilay vondrona kelin’ny Olomasina ilay mpisorona, izay toerana nahatsapany ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fiadanana masina avy amin’ny Sorompanavotana.

Raha mahatoky foana izy ao amin’ny andraikitry ny fisoronana sahaniny dia hahita ilay vondrona ho sampana izy, dia hisy tsatòkan’i Ziona ho tonga ao amin’ilay tanànany. Hisy paroasy ahitana eveka mikarakara any. Mety ny iray amin’ireo zanany lahy na zafikeliny lahy no hitondra ny mpanompon’Andriamanitra any amin’ny havoana iray tsy lavitra indray andro any ary hilaza hoe: “Ho toerana tsara hanorenana tempoly eto.”

Mivavaka aho hoe na aiza na aiza misy anareo ary na inona na inona andraikitrareo ao amin’ny fisoronan’Andriamanitra, dia hiray hina isika ao anatin’ilay asa hitondrana ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao ary hamporisika ny olona izay tiantsika isika mba hadio amin’ny fahotana sy ho faly miaraka amintsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izay tompon’ity Fiangonana ity, amena.