2010–2019
Tonga soa ato amin’ny Fihaonambe
Aprily 2013


Tonga soa eto amin’ny Fihaonambe

Manentana anareo aho mba hihaino sy handray tsara ireo hafatra ho renesinareo. Mivavaka aho mba hanao izany isika.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, faly tokoa aho miarahaba anareo amin’ity Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha 183 ity.

Tao anatin’ny enim-bolana hatramin’ny nifankahitantsika farany dia nanana fahafahana nanao dia vitsivitsy aho ary nihaona tamin’ny sasany taminareo tany amin’ny faritra misy anareo. Taorian’ny fihaonamben’ny fiangonana ny volana Ôktôbra dia nandeha tany Alemana aho, izay nananako tombontsoa nihaonana tamin’ireo mpikambana ato amintsika tany amin’ny toerana maromaro tao amin’izany firenena izany sy tany amin’ny faritr’i Autriche koa.

Tamin’ny faran’ny volana Ôktôbra dia nitokana ny Tempolin’i Calgary Alberta tany Canada aho, niaraka tamin’ny fanampian’ny Loholona sy Rahavavy M. Russell Ballard, Loholona sy Rahavavy Craig C. Christensen, ary ny Loholona sy Rahavavy William R. Walker. Namerina nitokana ny Tempolin’i Boise Idaho aho ny volana Nôvambra. Niaraka tamiko tamin’izany dia izany koa ary nandray anjara tamin’ny fitokanana ny Loholona sy Rahavavy David A. Bednar, ny Loholona sy Rahavavy Craig C. Christensen, ary ny Loholona sy Rahavavy William R. Walker.

Tena tsara tokoa ireo lanonana ara-kolotsaina natao niaraka tamin’ireo fitokanana roa ireo. Tsy nanatrika mivantana ny lanonana ara-kolotsaina tany Calgary aho, satria tsingerintaona nahaterahan-drahavavy Monson tamin’izany izay feno 85 ka nahatsapa aho fa tokony ho eo anilany. Na izany aza, nanana fahafahana nijery izany lanonana izany tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izaho sy izy tamin’ny alalan’ny fampitana izany tamin’ny fahitalavitra izay nifandray mivantana tamin’ireo caméras napetraka tany amin’ilay lanonana, ary avy eo nisidina nankany Calgary aho ny ampitso maraina hanao ilay fitokanana. Tany Boise, dia tanora 9.000 avy amin’ny distrika sahanin’ny tempoly no nandray anjara tamin’ny lanonana ara-kolotsaina. Maro loatra ireo tanora nandray anjara hany ka tsy nisy toerana intsony ho an’ireo olona tao amin’ny fianakaviana tao amin’ilay kianja mitafo nanaovan’izy ireo ny fampisehoana.

Nanao dia tany Tegucipala, Honduras ny Filoha Dieter F. Uchtdorf vao iray volana lasa izay, niaraka tamin’ny Rahavavy Uchtdorf, ny Loholona ary Rahavavy Jeffrey R. Holland, ary ny Loholona sy Rahavavy Gregory A. Schwitzer, nitokana ny tempolintsika vaovao vao vita tany. Nisy lanonana nahafinaritra nataon’ny tanora ny takariva talohan’ny fitokanana.

Misy tempoly hafa efa nambara izay samy ao anatin’ny ambaratonga samihafa, na izany any amin’ny dingan’ny fanombohana na efa eo an-dalam-pitsanganana.

Fifaliana ho ahy ny manambara tempoly roa fanampiny izao maraina izao, izay hatsangana ao anatin’ny volana sy taona vitsivitsy any amin’ireto toerana manaraka ireto: Cedar City, Utah sy Rio de Janeiro, Brésil. Mitohy mandeha haingana ny fananganana tempoly ry rahalahy sy anabavy.

Araka ny efa fantatrareo dia nanambara ny fiovan’ny taona ahafahan’ireo zatovolahy sy zatovovavy manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno aho tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra, ka ny zatovolahy izao dia afaka manompo manomboka amin’ny faha 18 taonany ary ny zatovovavy amin’ny faha 19 taonany.

Nahatalanjona sy nanentana ny fanahy ny firotsahan’ireo zatovontsika. Hatramin’ny 4 Aprily teo—roa andro lasa izay—dia manana misiônera amin’ny fotoana feno miisa 65.634 isika, ary miisa 20.000 ireo nandray ny antsony kanefa mbola tsy niditra ny foibe fanofanana ho misiônera ary 6.000 hafa no eo an-dalam-panatanterahana tafa sy dinika amin’ireo evekany sy filohan’ny tsatòkany. Tsy maintsy nanorina misiôna vaovao miisa 58 isika mba handraisana ireo misiônera nitombo isa ireo.

Mba hanohanana ity hery mitambatry ny asa fitoriana ity, ary satria avy amin’ny sarangam-piainana tsotsotra ny ankamaroan’ireo misiônerantsika dia manasa anareo aho, mba hitondra anjara biriky amim-palalahan-tanana ao amin’ny Tahirim-bola Faobe ho an’ny Asa Fitoriana an’ny Fiangonana.

Ankehitriny ry rahalahy sy anabavy, dia hihaino hafatra tena tsara isika anio sy rahampitso. Ireo izay hiresaka amintsika dia nikatsaka tamim-bavaka mba hahafantatra ny tian’ny Tompo ho rentsika amin’izao fotoana izao.

Manentana anareo aho mba hihaino sy handray tsara ireo hafatra ho renesinareo ireo. Mivavaka aho mba hanao izany isika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.