2010–2019
Mamonjy taranaka maro ianao rehefa mamonjy zazavavy iray
Aprily 2013


Mamonjy taranaka maro ianao rehefa mamonjy zazavavy iray

Ny fiainanareo am-pahamarinan-toetra dia hitahy ny razambenareo, ny fianakavianareo ankehitriny, ary ireo olona ao amin’ny fianakavianareo izay mbola ho avy.

Voninahitra lehibe ho ahy ny miresaka amin’ny zatovovavy maherifon’ny Fiangonana. Hitanay ny fanajanareo ny fanekempihavanana nataonareo eo am-pandrosoanareo ao amin’ny fiainanareo, ary mahafantatra izahay fa ny fiainanareo am-pahamarinan-toetra dia hitahy ny razambenareo, ny fianakavianareo ankehitriny, ary ireo olona ao amin’ny fianakavianareo izay mbola ho avy, araka ny nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley nanao hoe: “Mamonjy taranaka maro ianao rehefa mamonjy zazavavy iray.”1

Nanomboka tamin’ny fotoana nahavitan’ny batisanareo sy nandraisanareo ny fanomezana ny Fanahy Masina ny lalan’ny fanekempihavananareo. Mitohy isan-kerinandro ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo izany, toerana masina iray izay hanavaozanareo ny fanekempihavananareo tamin’ny batisa. Ankehitriny ny fotoana hiomananareo hanao fanekempihavanan’ny tempoly. Ireo “ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly no mahatonga izany ho azo tanterahina ho [antsika] mba hiverenan[tsika] eo anatrehan’Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakavian[tsika] ho iray mandrakizay.”2

Mitoera amin’ny toerana masina ho an’ireo razambenareo. “Ny olombelona rehetra izay tonga eto amin’ity tany eto ity dia vokatry ny taranaky ny ray aman-dreny maro. Manana faniriana ara-boajanahary ny hifandray amin’ny razambentsika isika.”3 Mampifandray akaiky ny fiainanareo amin’ny fiainan’ireo razambenareo ianareo rehefa mandray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asan’ny tempoly amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena ho azy ireo.

Mitoera amin’ny toerana masina ho an’ny tenanareo sy ny ankohonanareo. Ho loharanom-pifaliana lehibe ny ohatra marina izay asehonareo na inona trangan-javatra eo amin’ny fianakavianareo. Hahamendrika anareo hanatanteraka sy hanaja fanekempihavanana masina izay hamatotra ny fianakavianareo hiaraka mandrakizay ireo safidy marina ataonareo.

Mitoera amin’ny toerana masina ho an’ny fianakavianareo ho avy. Manolora tena ny hofehezina amin’ny vadinareo amin’ny alalan’ny fisoronana masina any amin’ny tempoly rehefa hanomboka vondrom-pianakaviana mandrakizay iray ianareo. Hotahiana amin’ny fahamarinana ny zanakareo rehefa mandrary ny ohatra feno fahamarinan-toetra sy ny fijoroana ho vavolombelona tsy voahozongozona anananareo amin’ny fiainan’izy ireo ianareo ary mampiseho azy ireo ny làlana mankany amin’ny làlan’ny fanekempihavanana.

Hitako naseho tany amin’ny Fifaninanana ara-javakanto Eran-tany ho an’ny Tanora vao tsy ela akory izay ireto fitsipika mandrakizay ireto. Namorona sary iray i Megan Warner Taylor, izay maneho fomba fijery maoderina ny fanoharan’i Kristy ny amin’ireo virijiny folo.4 Nihaona tamin’i Megan aho, ary nazavainy ny dikan’ilay virijiny fahafolo, izay nofariparitany ho zatovovavy iray marin-toetra sy manam-pinoana, vonona ny hanatanteraka sy hanaja ireo fanekempihavanana masin’ny tempoly. Tahaka ireo virijiny hendry rehetra, ny fiomanany manokana dia tonga raha nampiany solika, indray mitete tsikelikely, ny fanalany, tamin’ny alalan’ny fiainana am-pahitsiana tsy tapaka. Tsikaritro ny randrana tsara tarehy teo amin’ny volony. Nanazava i Megan fa izany randrana izany dia maneho ny rarin’ny fiainana feno fahamarinan-toetra an’ity zatovovavy ity mankany amin’ny taranaka tsy voatanisa. Naneho ny rarin’ny fitiavany sy fanajany ny razambeny ny fehim-bolo voalohany, rarin’ny ohatra am-pahamarinana eo amin’ny fianakaviany ankehitriny ny faharoa, ary ny fehim-bolo fahatelo dia rarin’ny fiainany voaomana ho amin’ny fiainan’ireo taranaka ho avy.

Nihaona tamin’ny tovovavy iray hafa aho izay nandrary fiainana feno fahamarinana nankany amin’ny taranaka maro tamin’ny fiomanany ara-panahy aloha be.

Tamin’ny takarivan’ny Septambra mahafinaritra iray, dia tao amin’ny tempoly izahay sy vadiko, niandry fahafahana handray anjara tamin’ny ôrdônansin’ny tempoly. Niditra ny efitrano i Chris, namanay iray. Tena nahafinaritra ny nahita ity tovolahy ity, izay vao niverina avy nanao asa fitoriana tany Rosia.

Raha kely sisa dia hanomboka ny fivoriana, dia nisy tovovavy mahafatifaty iray nipetraka teo akaikiko. Namirapiratra izy, nitsikitsiky, ary feno hazavana. Te hahafantatra azy aho ka nampahafantatra taminy ny tenako moramora. Nibitsibitsika ny fanampin’anarany izy hoe Kate, ary tadidiko ny anaran’ny fianakaviany izay fianakaviana iray nipetraka tany Michigan, toerana izay nipetrahan’ny fianakaviako taloha. Efa lehibe i Kate izay zanak’izy ireo vavy, ary vao niverina avy nanao asa fitoriana tany Alemana dimy herinandro talohan’io.

Nandritra ny fivoriana dia niverimberina tao an-tsaiko ny hoe: “Ampahafantaro an’i Chris i Kate.” Najanoko tany izany eritreritra izany nanao hoe: “Rahoviana, aiza, ahoana?” Raha niomana ny handeha iny izahay dia nanatona mba hanao veloma i Chris ka nararaotiko izany. Nosintoniko i Kate ka hoy aho nibitsibitsika hoe: “Olona marin-toetra roa mila mifankafantatra ianareo.” Afa-po aho nivoaka ny tempoly fa nanatanteraka ny bitsika tao amiko.

Niresaka ireo fitadidianay ny fisedrana izay nitranga tamin’ny fianakavian’i Kate izaho sy ny vadiko teny an-dalam-podiana. Fantatro bebe kokoa i Kate nanomboka tamin’izay, ary nanampy ahy izy hahatakatra ny anton’ny endrika feno hafaliana tsikariko tamin’iny andro tao amin’ny tempoly.

Niezaka hatrany ny hijanona amin’ny lalan’ny fanekempihavanany i Kate tamin’ny alalan’ny fikatsahana toerana masina. Nobeazina tao amin’ny tokantrano izay tonga toerana masina noho ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy, vavaka miaraka, sy fandalinana ny soratra masina izy. Nianatra momba ny tempoly izy tamin’ny fahazazany, ary ilay hira “Oh j’aime voir le temple” no anisan’ny ankafizina indrindra amin’ny takarivan’ny mpianakavy.5 Fony zazavavy kely izy dia nijery ireo ray aman-dreniny naneho ohatra amin’ny fikatsahana toerana masina rehefa nandeha tany amin’ny tempoly izy ireo tamin’ny takariva faran’ny herinandro raha tokony nijery sarimihetsika na nivoaka nisakafo.

Tena tiany ny rainy, ary nampiasa ny fahefan’ny fisoronany izy hanampiana azy tamin’ny fanatanterahana ny fanekempihavanan’ny batisany voalohany. Avy eo nametrahan-tànana izy ary nandray ny Fanahy Masina. Hoy i Kate hoe: “Tena tsindrin-daona aho handray ny Fanahy Masina, ary fantatro fa hanampy ahy hijanona amin’ny làlana mankany amin’ny fiainana mandrakizay izany.”

Nitohy tamin’ny fomba feno fitahiana sy fahasambarana ny fiainan’i Kate. Nanomboka ny ambaratonga faharoa izy tamin’izy 14 taona ary nankamamy ny seminera, toerana masina iray hafa hianarana momba ny filazantsara. Nanomboka niresaka momba ny fisedrana ny mpampianatra azy indray andro ary nampanantena fa tsy maintsy hiatrika izany isika rehetra. Hoy izy tamin’ny tenany hoe: “Tsy te hisehoan’ny fisedrana aho; tsy te hihaino izany aho.”

Herinandro vitsivitsy taorian’izay dia narary mafy ny rainy teo am-pifohazana indray Alahadin’ny Paska. Hoy i Kate hoe: “Tena olona salama be ny raiko; mpihazakazaka izy. Niahiahy tamin’ny aretin’ny raiko ny reniko ka nitondra azy tany amin’ny hôpitaly. Niharan’ny fahatapahan’ny lalan-drà henjana tokoa izay nampalemy efa ho ny vatany iray manontolo izy 36 ora taty aoriana. Afaka nipi-maso izy, kanefa tsy afa-nihetsika intsony ny vatany sisa. Tadidiko aho nahita azy ka nieritreritra hoe: “Andray, tonga ity ilay izy. Marina ny voalazan’ilay mpampianatra seminerako. Mandalo fisedrana aho izao.” Nodimandry ny rain’i Kate andro vitsivitsy taty aoriana.

Hoy Kate nanohy izany: “Sarotra izany. Tsy te hamoy ilay maherifo eo amin’ny fiainanao ianao. Fantatro fa afaka nanao izany toe-javatra izany ho toy ny fahafahana hivoatra aho na hanao izany ho toy ny sakana. Tsy tiako handrava ny fiainako anefa izany satria vao 14 taona monja aho. Niezaka ny ho akaikin’ny Tompo araka izay tratrako aho. Namaky im-betsaka ny soratra masina aho. Nankahery ahy ny Almà toko faha 40 izay milaza fa tena misy ny fitsanganana amin’ny maty ary afaka hiaraka amin’ny raiko indray aho amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy. Nivavaka im-betsaka aho. Nanoratra araka izay vitako tao anatin’ny diariko aho. Nanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona ny fanoratana izany. Nandeha tany am-piangonana sy tany amin’ny Zatovovavy aho isan-kerinandro. Naka namana tsara aho. Nanampy hatrany ireo havana aho, indrindra ny reniko, izay loharanon-kery ho an’ny fianakavianay. Nikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana tamin’ny raibeko sy ireo mpihazona fisoronana hafa aho.”

Ireny safidy nitohitohy ireny, tahaka ny an’ireo virijiny hendry, dia nanampy ny solika tao amin’ny fanalan’i Kate. Ny faniriany hiaraka amin’ny rainy indray no nandrisika azy. Fantatr’i Kate fa hain’ny rainy tsara ny safidiny ary tsy te handiso fanantenana azy izy. Te hanana fifandraisana mandrakizay miaraka aminy izy, ary takany fa hihazona ny fiainany ho voarary mafy amin’ny an’ny rainy ny fijanonany eo amin’ny làlan’ny fanekempihavanana.

Tsy nijanona teo anefa ny fisedrana. Rehefa nametraka ny taratasy fangatahany hirotsaka ho misiônera i Kate tamin’ny faha 21 taonany, dia fantatra fa voan’ny homamiadana ny reniny. Nila nandray fanapahan-kevitra lehibe teo amin’ny fiainany i Kate. Hijanona ve izy ka hanampy ny reniny sa handeha hanao ny asa fitoriany? Nahazo tsodrano avy amin’ny fisoronana ny reniny izay nampanantena fa handresy ilay aretina izy. Nandroso tamim-pinoana i Kate rehefa naheno izany tsodrano izany ka nanohy ny drafiny hanao asa fitoriana.

Hoy i Kate nanao hoe: “Nanao dingana tao anatin’ny haizina aho, kanefa raha mbola tany am-panaovana asa fitoriana aho dia nisinda ilay haizina rehefa nahazo vaovao avy tamin’ny reniko aho fa tanteraka ilay tsodranony. Tena faly be aho fa tsy nanemotra ny fanompoako ny Tompo. Eritreretiko fa mora ny tsy mivoatra sy tsy te handroso rehefa tonga ireo zava-tsarotra, kanefa raha mametraka ny Tompo lohalaharana ianao dia mitondra any amin’ny fitahiana mahafinaritra ireo fisedrana. Afaka mahita ny Tànany ianao ary manatri-maso fahagagana.” Niaina mivantana ny tenin’ny Thomas S. Monson i Kate, izay nanao hoe: “Ao anatin’ireo fotoan’ny fahasarotana lehibe indrindra no ananantsika fahafahana hanao zava-tsoa manan-danja indrindra.”6

Nanana ity karazana finoana ity i Kate satria takany ny drafitry ny famonjena. Fantany fa niaina isika taloha, fa ny tany dia fotoam-pitsapana, ary hiaina indray isika. Nanana finoana izy fa ho voatahy ny reniny, kanefa noho ny zavatra niainany tamin’ny rainy dia fantany fa raha tokony hodimandry ny reniny dia tsy ho nampaninona izany. Hoy izy: “Somary kivy aho tamin’ny nahafatesan’ny raiko ary nanefy ny maha izy ahy anefa izany ary raha toa ka maty ny reniko dia ho toy izany ihany ny zavatra hiseho. Ho nandrary fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa teo amin’ny fiainako izany.”7

Nikatsaka toerana masina i Kate tamin’iny alina nihaonako taminy tao amin’ny tempoly iny. Nanaraka ny lamina napetrak’ireo ray aman-dreniny ny amin’ny fanatrehana matetika ny tempoly izy noho ny faniriany handrary mafy ireo fifandraisany mandrakizay amin’ny alalan’ny fanompoana any amin’ny tempoly.

Tsy dia nisy zava-nitranga maro tamin’iny alina nampahafantarako an’i Kate tamin’i Chris iny, kanefa tamin’ny fikatsahana toerana masina iray hafa ny Alahady taorian’izany dia nahita an’i Chris teo anivon’ny tanora tokan-tena an-jatony, nandritra ny Fivoriana Fampaherezam-panahin’ny Institiota, i Kate. Nanasa azy hijery fihaonamben’ny Fiangonana niaraka taminy i Chris herinandro vitsivitsy taty aoriana. Nanohy nikatsaka ireo toerana izay manasa ny Fanahy izy ireo nandritra ny fotoana nisakaizany ary taty aoriana vita famehezana tany amin’ny tempoly, ilay toerana masina nifankahafantaran’izy ireo. Samy manatanteraka ny andraikiny masina amin’ny maha ray aman-dreny izy roa ankehitriny, mandrary ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo momba ny drafitry ny famonjena amin’ny fiainan’ireo zanakalahy telo kelin’izy ireo, mampiseho azy ireo ny làlana mankany amin’ny làlan’ny fanekempihavanana.

“Mamonjy taranaka maro ianao rehefa mamonjy zazavavy iray.” Ny fanapahan-kevitr’i Kate, tamin’izy 14 taona, hijanona amin’ilay làlana, dia nanampy solika hatrany tao amin’ny fanalany, ary namonjy sy hamonjy taranaka maro ny fijanonana amin’ny toerana masina. Ny fikarohana ireo razambeny sy ny fanompoana ao amin’ny tempoly dia nandrary ny fony tamin’ny fon’izy ireo. Handrary miaraka ny fonareo tahaka izany ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy hanome tombontsoa ho an’ny razambenareo hahazo fiainana mandrakizay.

Hanampy solika ao amin’ny fanalanareo ihany koa ny fiainana ny filazantsara ao an-tokantranonareo sy handrary tanjaka ara-panahy ao amin’ny tokantranonareo ankehitriny ary hitahy ny fianakavianareo ho avy amin’ny fomba maro tsy voatanisa izany. Ary koa, araka ny nambaran’ny Loholona Robert D. Hales hoe: “Raha toa ka ratsy ny ohatra noraisintsika tamin’ny ray aman-drenintsika dia adidintsika ny manatsahatra izany… sy mampianatra fombafomba marina ho an’ny taranaka mandimby.”8

Manapaha hevitra anio ny hanao izay rehetra vitanao hamenoana ny fanalanao, ary mba ho voarary amin’ny fiainan’ny taranaka marobe, efa lasa, ankehitriny, sy ho avy ny fijoroana ho vavolombelona sy ohatra matanjaka anananao. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fiainanao feno fahamarinan-toetra dia tsy hamonjy taranaka maro fotsiny ihany, fa kosa hamonjy ny fiaina nao mandrakizay, fa izay no làlana tokana hiverenana any amin’ny Raintsika any an-danitra sy ahitana fifaliana marina ankehitriny sy mandrakizay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “Standing Strong and Immovable,” Worldwide Leadership Training Meeting, 10 Jan. 2004, 20; jereo ihany koa ny Gordon B. Hinckley, “Our Responsibility to Our Young Women, Ensign, Sept. 1988, 10.

  2. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  3. Russell M. Nelson, “Taranaka Mifandray amin’ny alalan’ny Fitiavana,” Liahona, Mey 2010, 92.

  4. Jereo ny Matio 25:1–13.

  5. Jereo ny “Oh j’aime voir le temple,” Chants pour les enfants, 95.

  6. Thomas S. Monson, “Meeting Your Goliath,” New Era, Jona 2008, 7.

  7. Tafatafa manokana tamin’ny mpanoratra, 2013.

  8. Robert D. Hales, “How Will Our Children Remember Us?” Ensign, Nôv. 1993, 10.