2010–2019
Ny adidinareo masina dia ny hanompo
Aprily 2013


Ny Adidinareo Masina dia ny Hanompo

Nandray ny hery, sy ny fahefana, ary ny adidy masina ny hanompo ianareo tamin’ny fotoana nanomezana anareo ny fisoronana.

Ny fifaliana avy amin’ny Fanompoana

Ry zatovolahin’ny Fisoronana Aharôna, zanakalahy tian’Andriamanitra ianareo, ary nanome asa lehibe hataonareo Izy. Mila manatontosa ny adidinareo masina hanompo ny hafa ianareo hanatanterahana izany.1

Fantatrareo ve ny dikan’izany hoe manompo? Eritrereto izany fanontaniana izany rehefa hiteny anareo momba ny zazavavy iray antsoina hoe Chy Johnson aho.

Niharan’ny fanambaniana tsy am-piheverena mahatsiravina i Chy rehefa nanomboka nianatra tany amin’ny lisea tamin’ny taona lasa. Norabirabiana, natositosika, nohanihaniana izy rehefa niditra ny kilasy—nisy aza tamin’ireo ankizy no nitoraka fako tany aminy. Mety efa nahita olona norabirabiana tahaka izany ihany koa ianao tany an-tsekolinao.

Fotoanan’ny maha irery sy fahatahorana ny fotoana maha-zatovo ho an’ny olona maro. Tsy voatery ho toy izany anefa. Soa ihany ho an’i Chy fa nisy zatovolahy, izay nahatakatra ny dikan’ny hoe manompo tao amin’ny sekoliny.

Nangataka ireo mpampianatra tao an-tsekoly hanampy amin’ny fampitsaharana ny fanambaniana ny renin’i Chy, kanefa nitohy hatrany izany. Koa dia nangataka an’i Carson Jones, izay mpihazona ny Fisoronana Aharôna sy quart-arrière ao amin’ny ekipa mpilalao Football Amerikana izy mba hikaroka ilay manao fanarabirabiana.

Nanaiky ny hanampy i Carson, kanefa fantany tao am-pony fa afaka manao mihoatra ny mamantatra ireo mpanarabiraby izy. Nibitsika tao am-pony ny Fanahy fa mila manampy an’i Chy hahatsapa hoe tiana izy.

Nangataka ny sasany tamin’ireo mpiara-milalao aminy i Carson mba hanampy an’i Chy. Nanasa azy hiara-hipetraka amin’izy ireo nandritra ny sakafo atoandro izy ireo. Niara-nandeha taminy ho any amin’ny efitrano fianarany izy ireo ary nanao izay tsy nampiahiahy azy. Tsy mahagaga fa tsy nisy nanarabiraby intsony izy satria nanana ireo mpilalao football ho namany akaiky.

Vanim-potoana nampientanentana tokoa izany ho an’ny ekipan’ny football. Kanefa na dia teo aza ny hafaliana vokatry ny tsy faharesena mihitsy dia tsy nanadino ny momba an’i Chy ireo zatovolahy ireo. Nanasa azy hiaraka amin’ny ekipa teo ambony kianja izy ireo taorian’ireo lalao. Nahatsapa ho nisy mpitia sy nankamamiana izy. Nahatsapa fa voaro izy. Faly izy.

Nitohy hatramin’ny fandresena tamin’ny fifaninanana teo anivon’ny faritany ilay ekipan’ny football. Nisy zava-nitranga manan-danja kokoa noho ny hatrany amin’ny fahazoana football anefa tao an-tsekoly. Nandrisika ny mpianatra hafa hanaiky ny hafa bebe kokoa sy ho mora alaina ho namana ny ohatra nomen’ireto zatovolahy ireto. Mandray tsara ny hafa amin’ny hatsaram-panahy bebe kokoa sy amim-panajana izy ireo ankehitriny.

Naheno ny zavatra nataon’ireto zatovolahy ireto ny fampahalalam-baovao nasiônaly ka nizara ny tantaran’izy ireo nanerana ny firenena. Nanentana ny fanahin’ireo olon-kafa an’arivony hanao zavatra mitovy amin’izany ny fanompoana ny olona iray.

Miantso ireto zatovolahy ireto ho “anjely misaron-tava” ny renin’i Chy. Haingana ery i Carson sy ireo namany milaza fa voatahy mihoatra lavitra noho ny nitahian’izy ireo ny fiainan’i Chy ny azy ireo. Izany no mitranga rehefa manokana ny tenanareo amin’ny fanompoana ny hafa ianareo—manao soa ny tenanareo ianareo.2 Miova sy mitombo amin’ny fomba tsy tontosa raha amin’ny fomba hafa ianareo. Niaina ny fifaliana avy amin’ny fanompoana ireto zatovolahy ireto ary manohy mikatsaka fahafahana hitahy ny hafa. Tsindrin-daona izy ireo hampivelatra ny fanompoan’izy ireo amin’ireo volana manaraka izay hahatonga azy ireo ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno.3

Filàna iray sy Adidy iray

Misy Chy Johnson an’arivony manerana izao tontolo izao—olona izay mila mahatsapa ny fitiavan’ny Rain’izy ireo. Any amin’ireo sekolinareo izy ireny, any amin’ny kôlejinareo, ary eny ao amin’ny fianakavianareo. Misy ireo tonga avy hatrany ao an-tsaina. Manana filàna tsy miharihary ireo hafa. Saika ny olona rehetra fantatrareo dia afaka ny ho voatahy amin’ny fomba fanompoanareo. Miantehitra aminareo ny Tompo hanampy azy ireny.

Tsy voatery ho mpihazakazaka malaza ianao vao hanompo ny hafa. Nandray ilay hery, ilay fahefana ary ilay adidy masina ny hanompo ianareo tamin’ny fotoana nanomezana anareo ny fisoronana. Nampianatra ny Filoha James E. Faust hoe: “Ny Fisoronana dia fahefana nanomezana anareo ny fisoronana lehilahy hanompo amin’ny anaran’Andriamanitra.”4 Mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely ny Fisoronana Aharôna.5

Hitarika anareo ny Ray any an-danitra rehefa tia ny zanany ianareo ary hanampy anareo ny anjely.6 Homena ny hery hitahiana fiainana sy hanavotana fanahy ianareo.

I Jesoa Kristy no ohatra fakan-tahakareo. “Tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo”7 Izy. Midika fitiavana sy fikarakarana ny hafa ny fanompoana. Midika fanampiana azy ireo amin’ny filàna ara-nofo sy ara-panahy izany. Raha tsorina, izany dia midika hoe fanaovana izay mety hataon’ny Mpamonjy raha teo Izy.

Ny fianakavianao

Manomboha ao amin’ny tokantranonao. Ao no toerana ahafahanao manao fanompoana betsaka indrindra.8

Te hanandrana traikefa mahaliana iray ve ianao? Rehefa mangataka anareo hanampy azy hanao zavatra ao an-trano ny reninareo amin’ny manaraka dia mitenena zavatra toy izao, “Misaotra ry Neny niantso ahy. Te hanampy aho.” Dia jereo ny fihetseham-pony. Ny sasany aminareo angamba mila mamerina mitadidy ny fahaiza-mamonjy aina voalohany alohan’ny hanandramanareo ity. Mety hampivadi-po azy ianareo. Aorian’ny famelomanareo ny ainy dia hahita fivoarana eo amin’ny fifandraisanareo aminy sy fitomboan’ny Fanahy ao an-tranonareo ianareo.

Fomba iray ihany hanompoana ao amin’ny fianakavianareo izany, misy maro hafa koa. Manompo ianareo rehefa miteny teny mahafinaritra amin’ny olona ao amin’ny fianakavianareo. Manompo ianareo rehefa mitondra ny mpiray tampo aminareo ho toy ny namanareo tsara indrindra.

Ny tena manan-danja kokoa aza angamba dia hoe, manompo ianareo rehefa manampy ny rainareo amin’ireo adidiny amin’ny maha mpitarika ara-panahy azy ao an-tokantrano. Omeo ny fanohananao manontolo sy famporisihanao ny takarivan’ny mpianakavy, vavaky ny mpianakavy, ary ny fandalinana ny soratra masina ataon’ny mpianakavy. Ataovy ny anjaranao mba hahazoana antoka fa ao an-tokantranonao ny Fanahy. Hampatanjaka ny ray ao an-tokantranonao izany amin’ny andraikiny ary hanomana anao ho ray indray andro any. Raha toa ka tsy manana ray ianao ao an-tokantranonao dia tena ilaina bebe kokoa ny adidinao amin’ny fanompoana ny fianakavianao.

Ny Kôlejinao

Manana adidy ihany koa ianao hanompo ao amin’ny kôlejinao.

Miparitaka erak’izao tontolo izao ny fisoronana. Betsaka aminareo no noho ny hatramin’izay teo amin’ny Filoha Monson mba hanatanteraka ny famonjena. Maro kokoa ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna mazoto ankehitriny mihoatra ny hatrizay tantaran’ny Fiangonana izay. Kanefa mbola misy ihany ireo malaindaina izay mila anao.

Tamin’ny Jona lasa teo, rehefa naorina ny sampan’i Bangalore, Inde, dia zatovolahy vao notendrena ho diakona iray ihany no tao amin’ny fivorian’ny fisoronana. I Gladwin no anarany.

Nanomboka niantso ireo zatovolahy malaindaina i Gladwin, niaraka tamin’ny Filohan’ny Zatovolahy sy ny Filohan’ny Sampana, ary namangy azy ireny tany an-tranony. Nanomboka nandeha tany am-piangonana indray ny zatovolahy faharoa, Samuel, tsy ela akory taorian’izay.

Miantso ireo tsy namonjy ny fivorian’ny kôlejy i Gladwin sy i Samuel isan-kerinandro ary nizara tamin’izy ireo ny zavatra nianarany. Niantso na namangy azy ireo nandritra ny andro fitsingerenan’ny taona nahaterahan’izy ireo ihany koa ry zareo. Tonga naman’izy ireo tsirairay ireo zatovolahy malaindaina ary nanomboka nanaiky ireo fanasana hamonjy ireo hetsiky ny kôlejy, hamonjy ireo fivorian’ny kôlejy, ary nanao ny asa fanompoan’izy ireo manokana taty aoriana. Mazoto ao am-piangonana daholo ireo zatovolahy rehetra ao amin’ny sampana ankehitriny.

Mampianatra ny soratra masina fa natao hipetraka ao amin’ny filankevitra sy hanorina—na hifankahery9 ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Mankahery ianao rehefa mampianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara, mizara ireo traikefa ara-panahy, ary mijoro ho vavolombelona. Mankahery ny fifandraisana toy ireny ao amin’ny fivorian’ny kôlejy ny fandaharam-pianaran’ny tanora, kanefa afaka mitranga ihany izany rehefa mahatsapa fa tiana sy hajaina ny mpikamban’ny kôlejy rehetra. Tsy manan-toerana ao amin’ny fivorian’ny kôlejy ny esoeso sy ny hanihany—indrindra rehefa zaraina mivantambatana ireo fahatsapana ireo. Tokony hanao izay hahazoana antoka ny fiadidian’ny kôlejy fa toerana milamina sy azon’ny tsirairay handraisana anjara ireo fivorian’ny kôlejy.

Nampitandrina ny Apôstôly Paoly hoe: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ ny mihaino fahasoavana.”10

Tsy mampiasa fiteny tsy maotina sy fitenin-jatovo na rahoviana na rahoviana ireo mpihazona ny Fisoronana. Tsy manambany na mandratra ny hafa na rahoviana na rahoviana izy ireo. Manandratra sy mampatanjaka ireo hafa hatrany izy ireo. Fomba tsotra kanefa feno hery hanompoana izany.

Amin’ny Fotoana Rehetra

Tsy voafetra amin’ny ôrdônansy sy famangiana isan-tokantrano na vinavinam-panompoana tsindraindray ny asa fanompoana. Lehilahin’ny fisoronana hatrany isika—tsy amin’ny Alahady fotsiny ary tsy rehefa manao lobaka fotsy sy karavato fotsiny ihany. Manana adidy hanompo amin’ny toerana rehetra izay misy antsika isika. Tsy zavatra fanaontsika fotsiny ihany ny fanompoana—fa mamaritra ny maha izy antsika izany.

Manompoa isan’andro. Feno zavatra atao manodidina anareo. Tadiavo ireny. Hangataho ny Tompo mba hanampy anao ahafantatra azy ireny. Hahita ianareo fa ny ankamaroan-javatra dia avy amin’ny asa kely sy matotra izay manampy ny hafa ho tonga mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.11

Hahafantatra eritreritra sy fahatsapana mibitsika anareo hanompo ianareo rehefa miezaka ny ho mendrika ny Fanahy. Handray izany bebe kokoa ianareo rehefa miasa araka ireny bitsika ireny ary hitombo sy hivelatra ny fahafahanareo sy fahaizanareo hanompo.

Ry zandriko malala, mijoro ho vavolombelona aho fa nomena ny fahefana sy herin’ny Fisoronana Aharôna tena lehibe ianareo hanompoana amin’ny anaran’Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa raha manampy ny hafa ianareo, dia ho fitaovana eo an-tanany hanaovana izany. Ho tsara kokoa sy hisy dikany kokoa ny fiainanareo. Hahita tanjaka lehibe kokoa hanoherana ny ratsy ianareo. Hahita tena fifaliana—izay tsy fantatr’ireo afa-tsy ny tena mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Enga anie ianareo hiaina ny fifaliana avy amin’ny fanatanterahana ny adidinareo masina mba hanompo. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.