2010–2019
Ilay Dianao Mahafinaritra Mody any an-trano
Aprily 2013


Ilay Dianao Mahafinaritra Mody any An-trano

Rehefa mampiasa amim-pifaliana ilay sarintany nomen’ny Ray be fitiavana ho an’ny dia ataonareo ianareo dia hamoaka ilay hery avy any ambony anananareo ianareo.

Voninahitra ho antsika androany hariva ny fanatrehan’ny Filoha Thomas S. Monson eto, izay mpaminany malalantsika. Ry Filoha, mivavaka ho anao foana izahay.

Ry anabavy malala, misaotra tamin’ny hira sy teny voalahatra. Tena manentana ny fanahy tokoa ny zava-drehetra ary mety ho an’izao fotoan’ny Paska izao, ilay fotoana masina izay ankalazaintsika amin’ity faran’ny herinandro ity.

Fifaliana tokoa ny miaraka aminareo ry tanora rahavavy sarobidy, miaraka amin’ireo reny sy ireo mpitarika anareo mahafinaritra. Manana fanahy mamirapiratra sy tsikitsiky mamindra ianareo. Azo antoka fa miahy anareo ny Tompo ary mitsinjo am-pitiavana anareo avy any an-danitra any.

Tany Zwickau no nahalehibe ahy, izay tao Alemana Atsinanana fahiny. Fony aho 11 taona dia nianjadian’ny fitsikilovana tsy nisy fiafarany ny raiko tamin’ny naha mpiendaka tamin’ny vondrona ara-pôlitika azy, ary nahatsapa ny ray aman-dreniko fa ny hany safidy tsara ho an’ny fianakavianay dia ny mitsoaka any Alemana Andrefana. Tapaka ny hevitra fa ny drafitra azo antoka indrindra dia ny fitsoahana amin’ny fotoana samihafa ary amin’ny fandehanana amin’ny lalana tsy mitovy izay miankandrefana, ka havela ny fananana rehetra.

Nisafidy ny lalana haingana indrindra nankany Berlin ny raiko noho izy tena notandindomin-doza. Nianavaratra kosa ny lalan’ireo zokiko lahy, ary samy nikaroka ny lalany manokana nitondra niankandrefana. Ny anabaviko—izay mety ho nitovy taona amin’ny maro aminareo eto ankehitriny—niaraka tamin’i Helga Fassmann, mpampianatra azy tao amin’ny Zatovovavy sy olona sasany hafa dia nandray fiarandalamby izay nandalo kely tany Alemana Andrefana. Nomen’izy ireo vola ilay mpamoha varavarana mba hamoha ny iray amin’ireo varavarana ka rehefa nandia ny sisin-tanin’i Alemana Andrefana ilay fiarandalamby dia nitsambikina teny am-pandehanana izy ireo mba hahazoany fahafahana.Tena nidera ny herimpon’ny anabaviko aho.

Izaho kosa no faralahy ka nanapa-kevitra ny reniko fa hamakivaky ireo tendrombohitra mitomandavana izay manasaraka ireo firenena roa ireo izaho sy izy. Tsaroako izy nanomana sakafo atoandro toy ireny hoe handeha hihanika na hitsangatsangana any an-tendrombohitra ireny izahay.

Nandeha fiarandalamby araka izay faran’ny lavitra vitanay izahay ary avy eo nandeha an-tongotra nandritra ny ora maro, nihananatona hatrany ny sisin-tanin’i Alemana Andrefana. Voara-maso tanteraka ireo sisin-tany ireo kanefa nanana sarintany izahay ary fantatray ny fotoana sy ny toerana tsara hiampitana. Tsapako ny fitaintainan’ny reniko. Dinihiny tsara ilay faritra mba hijerena sao dia nisy nanaraka izahay. Toa nihanalemy ny tongony sy ny lohaliny isaky ny nanao dingana iray. Nampiako izy nilanja ilay harona feno sakafo, antontan-taratasy manan-danja ary sarim-pianakaviana teo am-pihanihana ilay havoana farany sady avo. Tena nieritreritra izy fa efa dify ny sisin-tany kosa izahay teo. Rehefa tsapany fa tsy misy zavatra atahorana dia nipetraka izahay ary nanomboka nihinana ny sakafom-pitsangantsangananay. Azoko antoka fa izay izy vao mba nahazo aina kely tao anatin’izay andro izay.

Teo nefa vao tsikaritray ilay takela-by famantarana ny sisin-tany. Mbola tena lavitra anay izany! Tany amin’ny faritra tsy izy izahay no nanao ilay fitsangantsaganana. Mbola tany Alemana Atsinanana izahay!

Mety hipoitra amin’ny fotoana tsy ampoizina ireo mpiambina ny sisin-tany!

Nangonin’ny reniko tamim-pahamehana ny sakafonay ary nihanika haingana ilay havoana araka izay vitanay izahay. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy sahy nijanonjanona intsony izahay raha tsy efa fantatray tsara fa tonga tany amin’ny faritra ilan’ny sisin-tany izahay.

Na dia samy nandray lalana samihafa aza ny olona tao amin’ny fianakavianay sy tojo fahasahiranana samihafa teny an-dalana dia samy nahavita izany dia izany ihany izahay. Tafaraka toy ny fianakaviana iray indray izahay tamin’ny farany. Tena andro iray lehibe izany!

Tantaran’ireo dia

Ny zavatra vao notantaraiko taminareo teo dia zavatra niainana izay mifono dia tena sarobidy ho ahy. Afaka manao jery todika ny fiainako aho ankehitriny ary mahita karazana “dia” maro toy izany nataoko teo amin’ny fiainana rehefa nandeha ny fotoana. Tsy nahitana famakivakiana tendrombohitra na fanalavirana ara-pôlitika daholo akory izy ireo fa ny sasany misy ifandraisany bebe kokoa amin’ny fiatrehana fitsapana na fivoarana eo amin’ny fiainam-panahy. Fa azo antsoina hoe dia daholo izy rehetra. Izaho dia mino fa ny fiainana tsirairay dia fitambaran’ireo “tantaran’ny dia” nataon’ny tena manokana.

Azoko antoka fa fantatrareo hoe ny fomba amam-panao ara-kolotsaina dia manan-karena tantara momba ireo dia. Ohatra, mety ho fantatrareo ny dian’i Dorothy sy ilay alikany, Toto, ao amin’ny Le Magicien d’Oz. Nofaohin’ny tafio-drivotra i Dorothy sy i Toto ka nentin’izany tany amin’ny Tanin’i Oz. Nahita lalana miavaka vita tamin’ny biriky mena i Dorothy tao, izay namaritra ny lalan’ny dia iray izay nitondra azy nody tany an-tranony tamin’ny farany.

Ary nisy koa i Ebenezer Scrooge an’i Charles Dickens, izay nanao dia tsy nitondra azy tany amin’ny toerana samihafa fa tany amin’ny vanim-potoana samihafa. Dia iray niseho mivantana tao am-pony izany izay nanampy azy hahatakatra ny antony nahatonga azy ho toy ny nahitana azy tamin’izay sy hahita ny zavatra hitranga raha toa ka mbola manohy mandeha amin’ny lalan’ny fitiavan-tena sy tsy fanehoam-pankasitrahana izy.1

Ny iray amin’ireo tantara noforonina izay malaza ao amin’ny literatiora Sinoa dia ilay hoe: Ny Dia Miankandrefana. Nosoratana tamin’ny taonjato faha 16 izany ary mitantara amin’ny fomba mahatalanjona ny tantaran’ny dia kisendrasendra sy fifindra-monin’ny religiozy mpitoka-monina iray izay nampian’ny olona tsara fanahy efatra nanao dia nankany amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Ary tsy adino koa i Bilbo Baggins, ilay olona kely sy tsotra izay naniry mafy ny hijanona fotsiny ao an-tranony sy hihinana lasopy foana, kanefa taorian’ny fandondonana ny varavarany dia nanaraka ny antson’ilay olon-tsy fantatra izy ary nandeha nankany amin’izao tontolo izao niaraka tamin’ny majisiana iray sy ireo andian’olona fohy kely mba hanatontosa iraka feno loza manambana saingy tena manan-danja.2

Tantara iray hain’ny rehetra

Moa tsy tiantsika tokoa ireny tantaran’ny dia ireny satria toa afaka maka ny anjara toeran’ireo mpanao ny dia ireny isika? Afaka manampy antsika hahita ny lalana horaisintsika mandritra ny fiainana ny fahombiazany sy ny tsy fahombiazana. Ilay horonan-tsary vao nojerentsika minitra vitsy lasa teo dia nitantara dia iray nahafinaritra. Angamba mety mampahatsiahy antsika koa ny tantaran’ny dia iray izay tokony ho fantatry ny rehetra ireo tantara ireo—tantaran’ny dia iray izay hihazonantsika tsirairay avy anjara toerana manan-danja.

Efa nanomboka taloha ela be izany tantara izany, talohan’ny nanombohan’ny tany nihodidina teo amin’ny soridala-manodidiny, talohan’ny nanombohan’ny masoandro nampivelatra ny hafanany nankany amin’ny hatsiakan’ny tontolo ary talohan’ny namenoan’ireo zava-boahary lehibe sy kely ny planetantsika. Any amin’ny fiantombohan’ity tantara ity dia nipetraka tany amin’ny toerana tsara tarehy tany lavitra tany ianareo.

Tsy mahafantatra ny antsipiriany betsaka mikasika ny fiainana tany amin’izany tontolo talohan’ny nahaterahana izany isika saingy mahafantatra zavatra vitsivitsy kosa. Nambaran’ny Raintsika any an-danitra hoe iza Izy, iza isika ary mety ho lasa tahakan’iza.

Raha iverenana ny tany amin’ny toetra voalohany dia nahafantatra tamim-pahatokiana tanteraka ianareo fa misy Andriamanitra satria nahita sy nandre Azy ianareo. Nahafantatra an’i Jesoa Kristy ianareo, izay ho tonga Zanakondrin’Andriamanitra. Nino Azy ianareo. Ary fantatrareo fa tsy ny hitoetra ao anatin’ilay fonenana talohan’ny nahaterahana misy fandriampahalemana ny hoavinareo. Na dia tianareo tokoa aza izany tontolo mandrakizay izany dia fantatrareo sy nilainareo ny firotsahana amin’ny dia iray. Hiala eo anatrehan’ny Rainareo ianareo, hiampita ny voalin’ny fanadinoana, handray vatana mety maty ary hianatra sy hiaina zavatra izay antenaina fa hanampy anareo hivoatra ho tonga bebe kokoa tahaka ny Rainareo any an-danitra ary hiverina eo anatrehany.

Tany amin’izany toerana masina izany, rehefa nohodidinin’ireo olom-pantatrareo sy olon-tianareo ianareo dia mety tsy maintsy izao ny fanontaniana teo amin’ny molotrareo sy tao am-ponareo: “Moa ve ho tafaverina soa aman-tsara aty amin’ny tranoko aty an-danitra aho?”

Maro ireo zavatra izay tsy ho voafehinareo. Ho mafy ny fiainana an-tany indraindray, ary ho feno toe-javatra ampoizina: aretina, ratram-po, loza, fifandirana.

Raha tsy manana fahatsiarovana ny fisianareo talohan’ny nahaterahana ianareo—raha tsy manana fahatsiarovana fa niara-nandeha tamin’ny Rainareo any an-danitra ianareo taloha—Moa ve mbola hahafantatra ny feony ianareo eo anivon’ireo tabataba sy fandrebireben’ny fiainana an-tany?

Toa ho lava sy hampisalasa ny dia holalovana—feno zavatra mampidi-doza.

Tsy ho mora izany, kanefa fantatrao fa mendrika ny hanaovana ezaka lehibe izany.

Indro ianareo mitsangana eo amin’ny moron’ny mandrakizay, miandrandra amim-pientanentanana sy amim-panantenana fatratra—ary azoko sary an-tsaina koa hoe manana ahiahy sy tahotra ihany.

Fantatrareo fa haneho ny rariny Andriamanitra amin’ny farany—ka handresy ny hatsaram-panahiny. Nandray anjara tamin’ny filankevitra lehiben’ny lanitra ianareo ary fantatrareo fa hanome lalana ho anareo mba hanadiovana anareo amin’ny ota sy hanavotana anareo amin’ny fahafatesan’ny vatana ny Mpamonjy anareo. Nanam-pinoana ianareo fa amin’ny farany dia hifaly sy hanandratra ny feonareo miaraka amin’ny amboarampeon’ny lanitra ianareo ka hihiaka fiderana ho an’ny Anarany masina.

Ka dia naka bahana tsara ianareo …

Ary nanao dingana lehibe …

Ka dia indreto ianareo!

Nirotsaka nanao ilay dia mahafinaritra hiverenana any amin’ny tranonareo any an-danitra ianareo tsirairay avy!

Ny Sarintaninareo

Ankehitriny eto an-tany ianareo, ataoko fa fahendrena ny manontany ny tenanareo mikasika ny fandehan’ny dianareo. Moa manaraka ny lalana marina ve ianareo? Moa mihatonga tahaka ilay olona nieritretana anareo ve ianareo na tahaka ilay olona irianareo? Moa manao safidy izay hanampy anareo hiverina any amin’ny Rainareo any an-danitra ve ianareo?

Tsy nalefany hanao ity dia ity ianareo mba hirenireny samirery eny tsy misy tanjona. Tiany hiverina any an-tranony ianareo. Nomeny ray aman-dreny be fitiavana sy mpitarika ny Fiangonana mahatoky ianareo miaraka amin’ny sarintany izay mamaritra ny lalana sy mampiseho ireo zavatra mampidi-doza. Mampiseho anareo ny fomba hahitana fiadanana sy fahasambarana izany ary hanampy anareo handrafitra ny lalana miverina any an-trano indray.

Aiza no ahitana io sarintany io?

  • Ao amin’ny soratra masina.

  • Ao anatin’ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly.

  • Ary amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina.

Izany sarintany izany dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ilay vaovao mahafaly ary ilay lalana mahafinaritra arahan’ny mpanara-dia an’i Kristy izany. Didy sy ohatra nomen’ny Mpisolovava sy Mpiahy antsika izany, izay mahafantatra ny lalana satria Izy no lalana.3

Mazava ho azy fa tsy hitondra soa ho anao ny fananana sarintany raha tsy halalininao izany—raha tsy ampiasainao izany mba hamakivakiana ny fiainana. Manasa anareo aho mba hanao ho lohalaharana ny fandalinana sy fampiharana ny tenin’Andriamanitra. Sokafy amin’ny Fanahy Masina ny fonareo mba hahafahany mitarika anareo mandritra ny dianareo ao anatin’ny fiainana.

Feno hafatra mifono fankaherezana sy torolalana avy amin’ny Rainareo any an-danitra sy ny Zanany lahy Jesoa Kristy ny sarintaninareo. Te hizara aminareo ny telo amin’ireo hafatra ireo aho androany izay hanampy anareo hahita fahombiazana ao anatin’ny dianareo mitodi-doha any an-trano.

Ny hafatra voalohany dia hoe: “Aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo.”4

Tsy irery ianareo eo amin’ity dia ity. Mahafantatra anareo ny Rainareo any an-danitra. Mandre anareo Izy na dia tsy misy olon-kafa maheno anareo aza. Rehefa mifaly am-pahamarinana ianareo dia mifaly miaraka aminareo Izy. Ory miaraka aminareo Izy rehefa tototry ny fitsapana ianareo.

Tsy miankina amin’ny harena na hatsaran-tarehy na fahasalamana na faharanitan-tsaina ananareo ny fitiavan’ny Ray an-danitra anareo. Tsy mitovy amin’ny fahitan’izao tontolo izao anareo ny fahitany anareo. Hitany amin’ilay tena maha izy azy anareo ianareo. Mijery ny ao am-ponareo Izy.5 Ary tiany ianareo6 satria zanany.’

Ranabavy, katsaho amin’ny fonareo rehetra Izy dia hahita Azy ianareo.7

Mampanantena anareo aho fa tsy irery ianareo.

Makà fotoana kely ankehitriny ary jereo ireo olona manodidina anareo. Mety ho mpitarika anareo na namanareo na olona ao amin’ny fianakavianareo izy ireo. Ny hafa mety mbola tsy nihaona taminareo hatramin’izay. Na izany aza, ny olona rehetra izay hitanareo manodidina anareo—ato amin’ity fivoriana ity na any amin’ny toerana hafa, androany na amin’ny fotoana hafa—dia olona mahery fo tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Mety ho iray tamin’ireo fanahy lehibe izay tianareo sy nankafizinareo tany amin’ny tontolon’ny fanahy io olona manetry tena sy tsotra mipetraka eo akaikinareo io. Mety ho ianareo mihitsy aza no ohatra alain-tahaka toy izany!

Fa ny zavatra iray azo antoka dia: ny olona tsirairay izay hitanareo—na manao ahoana na manao ahoana ny fihodirany, ny finoany, ny fironany ara-pôlitika, ny vatany na ny bika aman’endriny—dia fianakaviana. Ilay Ray any an-danitrao dia Ray any an-danitr’ilay zatovovavy izay jerenao io, ary nandao ilay fiarahana mamy taminy toy anao koa izy, fa nazoto ny ho tonga eto amin’ity tany ity ary miaina amim-pahamendrehana mba hahafahany indray andro any miverina any Aminy indray.

Mety hahatsiaro ho irery anefa izy, tahaka ny mahazo anareo indraindray. Mety ho hadinony mihitsy aza ny tanjon’ny dia ataony indraindray. Mba hampahatsiahivo izy amin’ny teny lazainareo sy fihetsika asehonareo fa tsy irery. Natao hifanampy isika eto.

Sarotra ny fiainana ary mety tena hanamafy ny fo izany ka hahatonga ny olona sasany ho toy ny tsy azo iresahana intsony. Mety ho feno hatezerana ny sasany. Mety hanaraby sy hanaratsiratsy ireo izay mino an’Andriamanitra be fitiavana ny hafa. Kanefa tsarovy izao: na dia tsy mahatsiaro aza izy ireo dia nisy fotoana nanam-paniriana ny hiverina any amin’ny Rain’izy ireo any an-danitra koa izy ireo.

Tsy andraikitrareo ny manova fo ny hafa. Asan’ny Fanahy Masina izany. Ny andraikitrareo dia ny mizara ny finoanareo ary tsy matahotra. Meteza ho naman’ny olon-drehetra, saingy aza ampandeferina ny fitsipika iainanareo. Hazony mafy ny zavatra ijoroanareo sy ny finoanareo. Miorena mafy satria zanakavavin’Andriamanitra ianareo ary mijoro miaraka aminareo Izy!

Ny hafatra faharoa dia hoe: “[Mifankatiava ianareo] tahaka ny nitiavako anareo.”8

Efa mba nanontany tena ve ianareo hoe fiteny inona no nampiasaintsika fony isika niaina teo anatrehan’Andriamanitra? Mieritreritra aho hoe teny Alemana izany, na dia fantatro aza fa tsy misy mahalala ny marina. Kanefa fantatro fa tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia nianatra mivantana fiteny hain’ny rehetra avy amin’ny Rain’ny fanahintsika isika—fiteny iray manana hery hihoarana ireo sakantsakana ara-pihetseham-po, ara-batana ary ara-panahy.

Ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy izany fiteny izany.

Izany no fiteny mahery vaika indrindra eto amin’izao tontolo izao.

Tsy fitiavana mihatsaravelatsihy ny fitiavan’i Kristy. Tsy fitiavana aseho ao anaty karatra fiarahabana sy firarian-tsoa izany. Tsy toy ilay karazam-pitiavana izay dradradradraina ao anatin’ireo hira sy sarimihetsika malaza.

Mitondra fiovan-toetra marina izany fitiavana izany. Afaka manafoana ny fankahalana sy mampisava ny fitsiriritana izany. Afaka manasitrana ny lolom-po izany ary mamono ny afon’ny fahatezerana izany. Afaka mitondra fahagagana izany.

Nandray ny “lesona voalohany”9 mikasika ity fiteny maneho fitiavana ity isika fony fanahy teo anatrehan’Andriamanitra ary eto an-tany isika dia manana fahafahana hampihatra izany sy hahafehy izany. Afaka mahafantatra ianareo raha mampihatra izany fiteny maneho fitiavana izany na tsia amin’ny alalan’ny fijerena ny zavatra manenika ny eritreritrareo sy manosika ny fihetsikareo.

Raha mifantoka amin’ny zavatra izay mitondra tombontsoa ho anareo ny eritreritrareo voalohany dia mety ho fitiavan-tena sy zavatra ankosotra no antony manosika anareo hanao izany. Tsy izany no fiteny tianareo hianarana.

Saingy raha toa ka mifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny hafa ny eritreritrareo sy fihetsikareo voalohany—rehefa tena maniry ny hitahy sy hampitraka ireo manodidina anareo ianareo—dia afaka miasa ao am-ponareo sy eo amin’ny fiainanareo ny herin’ny fitiavana madion’i Kristy. Izany no fiteny tianareo hianarana.

Rehefa voafehinareo ity fiteny ity sy ampiasainareo amin’ny fifandraisanareo amin’ny hafa dia hahita zavatra avy ao aminareo izy ireo izay hamoha ilay fahatsapan’izy ireo niafina ela tany mba hitady ny lalana marina hiverenana any amin’ilay tranony any an-danitra. Raha ny marina izany ilay fiteny maneho fitiavana no tena fitenin-drazany koa.

Izany hery mitarika lalina sy maharitra izany dia fiteny izay mahakasika ny anaty fanahy. Fiteny maneho fahatakaran-tsaina izany, maneho fanompoana, maneho fankaherezana sy fifaliana ary fanohanana.

Mianara mampiasa ny fiteny maneho ny fitiavan’i Kristy izay hain’ny rehetra.

Ary ny hafatra fahatelo dia hoe: “Matokia.”10

Indraindray dia lasa tsy manam-paharetana isika eo amin’ny diantsika, sa tsy izany? Raha 12 taona ianareo dia mety maniry ny ho 14 taona. Rehefa 14 taona ianareo dia mety te ho 18 taona. Ary rehefa 18 taona dia indraindray maniry ny ho 12 taona indray ary hamerina ny zava-drehetra indray.

Hisy foana ireo zavatra mampitaraina—zavatra izay toa tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Azonareo laniana amin’ny fahatsapana alahelo, fahatsapana ho irery, na fahatsapana ho tsy takatry ny hafa na tsy ilain’ny hafa ny andronareo. Kanefa tsy izany no dia nantenainareo ary tsy izany no dia nasain’ny Ray any an-danitra hataonareo. Tsarovy fa tena zanakavavin’Andriamanitra ianareo!

Miaraka amin’izany ao an-tsaina no hanasako anareo handeha amim-pahatokiana sy amim-pifaliana. Marina fa mikitoatoana sy mivilivily be ny lalana ary misy mampidi-doza mihitsy aza. Aza mifantoka amin’izany. Mitodiha amin’ny fahasambarana izay nomanin’ny Rainareo any an-danitra ho anareo ao anatin’ny dingana tsirairay ataonareo. Fahasambarana no tanjona fa izay koa ilay lalana. Ny fampanantenana nomeny dia hoe “Fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo ho avy.”11 Izany no antony handidiany antsika mba “hahatoky.”

Rehefa mampiasa amim-pifaliana ilay sarintany nomen’ny Ray be fitiavana ho an’ny dia ataonareo ianareo dia hamoaka ilay hery avy any ambony anananareo ianareo. Ho lasa ilay zanakavavin’Andriamanitra izay nantenainareo hahatongavanareo ianareo.

Ry anabavy malala, zatovovavin’ny Fiangonana sy zandry malala, mitsodrano anareo aho amin’ny maha Apôstôlin’ny Tompo ahy mba hahitanareo ny lalanareo eo amin’ity dia mankany an-trano ity ary mba ho hery manentana ny fanahin’ireo namana iray lalana aminareo ianareo. Ny fampanantenako sy vavaka ataoko ho anareo koa dia hoe rehefa manaja sy miaina am-pahamarinana ireo fanekempihavanana, ireo fitsipika ary ireo soatoavin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo dia ho eo ny Rainareo any an-danitra amin’ny faran’ny dianareo. Hamihina anareo Izy ary ho takatrareo amin’izany fa tonga soa aman-tsara any an-trano ianareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.