2010–2019
Nantsoiny Hanambara ny Teniny
Oktobra 2013


Nantsoiny Hanambara ny Teniny

Raha manetry tena ianareo, sy mankatò, ary mihaino ny feon’ny Fanahy dia hahita fahasambarana lehibe ao anatin’ny asa fanompoanareo amin’ny maha-misiônera anareo.

Filohan’ny misiona tany Inde aho tamin’ny fotoana nanohanana ahy ho Manampahefana Ambony tamin’ny volana Aprily lasa teo. Hitako maso ny zavatra nolazain’ny filohan’ny misiona teo aloha iray hafa tamiko hoe: “Mahatalanjona tsotra izao ireo misiônera an’ity Fiangonana ity.”1

Iray tamin’ireo misiônera niavaka maro niara-nanompo taminay sy Rahavavy Funk i Elder Pokhrel avy any Népal. Rehefa feno roa taona monja ny naha mpikamban’ny Fiangonana azy dia voantso izy hanompo tao amin’ny Misionan’i Bengalore Inde, izay misiona mampiasa ny fiteny Anglisy. Hilaza aminao izy hoe tsy mbola niomana tsara tamin’izany. Tsy nahagaga izany. Tsy mbola nahita misiônera mihitsy izy raha tsy tamin’ny fotoana nahalasa misiônera ny tenany, satria tsy misy misiônera tanora manompo any Népal. Tsy nahay namaky teny Anglisy tsara izy tamin’izany mba hahafahany mahatakatra ireo torolalana voasoratra tao amin’ny taratasy fiantsoana azy. Rehefa tonga tany amin’ny ivontoerana fanofanana ny misiônera izy dia, raha toa ka tokony ho pataloha velon-drirana sy lobaka fotsy ary karavato no nentiny, dia, araka ny teny nampiasainy “pataloha jean dimy sy T-shirt maromaro ary gel be dia be fatao amin’ny volo”2 no nentiny.

Na taorian’ny nahazoany akanjo sahaza ho an’ny asa fitoriana aza dia nilaza izy fa nahatsapa ho tsy nahazo aina isan’andro nandritra ireo herinandro vitsivitsy voalohany. Hoy izy nitantara izany fotoana tamin’ny asa fitoriany izany hoe: “Tsy hoe ny teny Anglisy fotsiny no sarotra fa sarotra toy izany koa ny asa. … Ankoatra ireo olana ireo dia noana aho, sy reraka, ary te hody. … Na dia mafy aza ireo toe-javatra niainana dia tapa-kevitra aho. Nahatsapa ho nalemy sy tsy nahay aho. Nangataka ny Ray any an-danitra aho hanampy ahy tamin’izany fotoana izany. Isak’izay nivavaka aho dia nahazo fampiononana foana.”3

Na dia vaovao sy sarotra ho an’i Elder Pokhrel aza ny asa fitoriana dia nanompo tamim-pinoana sy fahatokiana lehibe izy, nikatsaka ny hahatakatra sy hanaraka ny zavatra nianarany avy amin’ny soratra masina sy ny Torio ny Filazantsarako ary avy amin’ireo mpitarika azy tao amin’ny misiona. Lasa mpampianatra ny filazantsara tena nahery izy—tamin’ny teny Anglisy—ary lasa mpitarika tena sangany. Taorian’ny asa fitoriana nataony, ary afaka fotoana vitsivitsy nijanonana tany Népal dia niverina tany Inde izy hanohy ny fianarany. Efa hatramin’ny volana Janoary izy no filohan’ny sampana ao New Delhi. Noho ny fivoarana azo notsapain-tanana niainany tamin’ny naha misiônera azy dia manohy mandray anjara amin’ny fivoarana azo tsapain-tanana an’ny Fiangonana any Inde izy.

Ahoana no nahatonga ny zatovolahy iray tsy mbola nahita misiônera mihitsy ho misiônera nanana tanjaka ara-panahy toy izany? Ahoana no hahazoanao hery ara-panahy amin’ny maha-misiônera anao mba hahafahana manokatra ireo varavarana sy ireo boaty fandraisana mailaka ary ny fon’ireo olona ao amin’ny misiona hanompoanao? Araka ny mahazatra dia ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ary apôstôly velona no ahitana ny valiny.

Raha vao notoriana tany Angletera ny filazantsara tamin’ny volana Jolay 1837 dia izao no nambaran’ny Tompo hoe: “Na zovy na zovy no hirahinareo amin’ny anarako, amin’ny alalan’ny feon’ny rahalahinareo, ny Roambinifololahy, feperanareo sy nomenareo fahefana ara-dalàna, dia hanan-kery hanokatra ny varavaran’ny fanjakako ho an’ny firenena rehetra izay hanirahanareo azy.”4

Na aiza na aiza no hanirahana anareo, na aiza na aiza no misiona handefasana anareo dia fantaro fa mpikambana iray ao amin’ny Roambinifololahy no nampanao izany fanendrena izany araka ny tokony ho izy ary nantsoin’ny mpaminanin’ny Tompo ianareo. Ianareo dia nantsoina tamin’ny alalan’ny “faminaniana sy [t]amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana.”5

Nomen’ny Tompo avy eo ny fepetra hanatanterahana ity fampanantenana ity. Hoy Izy hoe: “Araka izay [izay midika fa ho tanteraka ilay fampanantenana raha] [1] [manetry] tena eo anoloako izy ireo [izany hoe ireo misiônera irahina] sy [2] [mitoetra] eo amin’ ny teniko ary [3] [mihaino] ny feon’ ny Fanahiko.”6

Mazava ireo fampanantenan’ny Tompo. Mba hahazoana ilay hery ara-panahy ilaina hanokafana ny varavaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ilay firenena hanirahana anareo dia tokony hanetry tena ianareo sy hankatò ary hanana fahafahana hihaino sy hanaraka ny Fanahy.

Mifamatotra akaiky ireo toetra telo ireo. Raha manetry tena ianareo dia hanana faniriana ny hankatò. Raha mankatò ianareo dia hahatsapa ny Fanahy. Tena ilaina ny Fanahy satria araka ny nampianarin’ny Filoha Ezra Taft Benson, “Raha tsy misy ny Fanahy dia tsy hahomby na oviana na oviana ianao na toy ny ahoana na toy ny ahoana talenta sy fahaiza-manao anananao.”7

Tamin’ny naha filohan’ny misiona ahy dia nisy fotoana indraindray izay nanaovako dinidinika tamin’ireo misiônera izay nanana olana noho izy ireo tsy mbola nadio tanteraka. Niaina ambanin’ny hery ara-panahy tokony ho nananany izy ireo. Na niasa mafy toy ny ahoana aza izy ireo, na betsaka toy ny ahoana aza ny zavatra tsara nataony dia tsy afaka nahatsapa fiadanana izy ireo ary tsy afaka nanana ny Fanahy Masina ho namana, mandra-panetrin’izy ireo ny tenany sy nibebahany tanteraka ary nandraisany ny famindrampo sy ny fahasoavan’ny Mpamonjy.

Mampianatra ny mpanompony hanetry tena ny Tompo satria ny dingan’ny fahasitranana ara-panahy dia manomboka amin’ny fo torotoro. Eritrereto ny zavatra tsara azo avy amin’ny zavatra torotoro na vaky: Hadiana ny tany hambolena varim-bazaha. Torotoroina ny varim-bazaha hanamboarana mofo. Vakiana ny mofo mba ho lasa tandindon’ny fanasan’ny Tompo. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ny olona iray izay mibebaka dia lasa sitrana izy.8 Rehefa mibebaka isika ka lasa sitrana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manana bebe kokoa ho atolotra ny Mpamonjy eo am-panompoana Azy. “Eny, manatòna Azy ary atolory ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahinareo.”9

Raha vesaran’ny ota ianao ka mila mibebaka dia iangaviako ianao hanao izany avy hatrany. Rehefa nanasitrana ireo izay ory ny Mpamonjy dia matetika Izy no nanasa azy ireo hitsangana. Voarakitra ao amin’ny soratra masina fa nanao izany teo no ho eo na avy hatrany izy ireo.10 Mba ho sitrana amin’ny fahorianao ara-panahy dia ekeo ny fanasany hitsangana. Aza mangataka andro fa miresaha amin’ny evekanao, na ny filohan’ny sampana na ny filohan’ny misiona ary atombohy izao ankehitriny izao ireo dingan’ny fibebahana.

Ny hery manasitran’ny Sorompanavotana dia hitondra fiadanana ho an’ny fanahinareo ary hahafahanareo mahatsapa ny Fanahy Masina. Tsy hay refesina ny sorona nataon’ny Mpamonjy fa ny fahotantsika kosa, na dia betsaka sy lehibe aza, dia azo isaina sy hibabohana, azo atsahatra ary azo avela. “Ary akory ny halehiben’ ny fifaliany amin’ ny olona izay mibebaka!”11

Mahery vaika ity fampanantenana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity: “Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra.”12 Rehefa miaina fiainana feno hatsaram-panahy ianao dia hahatsapa fahatokiana feno fiadanana eo amin’ny fahamendrehanao eo anatrehan’Andriamanitra ary hanana ny herin’ny Fanahy miaraka aminao.13

Ireo olona sasany izay mpikambana vaovao kokoa ato amin’ny Fiangonana na vao niverina nazoto indray dia mety hilaza hoe “Mendrika aho izao ary manana faniriana hanompo, kanefa tsy fantatro raha ampy ny fahalalako.” Tamin’ny volana Aprily dia nampianatra antsika ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Tonga eo amintsika ny fahalalana ny fahamarinana sy ny valin’ireo fanontaniana lehibe ananantsika rehefa mankatò ny didin’Andriamanitra isika.”14 Mampitony ery ny mahafantatra fa mahazo fahalalana isika amin’ny alalan’ny fankatoavantsika.

Ny hafa kosa dia mety hahatsapa fa voafetra ny talenta na ny fahaiza-manao na ny traikefa azon’izy ireo atolotra. Raha manana olana toy izany ianareo dia tadidio ny zavatra niainan’i Elder Pokhrel. Miomàna tsara araka izay tratranareo ary fantaro fa hampivoatra ny ezaka feno fanetren-tena sy fankatoavana ataonareo ny Ray any an-danitra. Nanome ity torohevitra ity ny Loholona Richard G. Scott: “Rehefa mankatò ny didin’ny Tompo isika ary manompo ny zanany amim-pitiavana dia hery avy amin’Andriamanitra no vokatra mivoaka ho azy avy amin’izany—hery ahafahana manao zavatra bebe kokoa noho izay azon’ny tenantsika manokana atao. Mivelatra ny fahalalantsika sy ny talentantsika ary ny fahaiza-manaontsika satria mahazo tanjaka sy hery avy amin’ny Tompo isika.”15

Rehefa mahatoky ny Tompo sy ny hatsarany ianareo dia hitahy ireo zanany amin’ny alalanareo ilay Andriamanitra Tsitoha.16 Nianatra izany tany am-piandohan’ny asa fitoriany i Elder Hollings avy any Nevada. Ny ampitson’ny andro nahatongavany tany Inde dia nandeha niaraka taminay sy Rahavavy Funk izy ho any Rajahmundry, izay faritra niasany voalohany. Tamin’io tolakandro io dia nandeha nitsidika mpikamban’ny Fiangonana iray izay niaraka tamin’ny reniny i Elder Hollings sy Elder Ganaparam. Te hianatra mikasika ny Fiangonana ilay renim-pianakaviana satria hitany ny nitahian’ny filazantsara ny fiainan’ny zanany vavy. Niaraka tamin’izy ireo Rahavavy Funk mba ho namany. Koa satria hampianarina amin’ny teny Anglisy ny lesona, ary tsy nahay afa-tsy fiteny Telugu ilay renim-pianakaviana, dia niaraka taminay tao ny rahalahy iray tao amin’ny sampana mba handika ny zavatra nampianarina.

Ny andraikitr’i Elder Hollings nandritra ny fotoam-pampianarany voalohany dia ny hampianatra ny Fahitana Voalohany, amin’ny fampiasana ny tenin’ny Mpaminany Joseph. Tamin’izay fotoana izay nandritra ny lesona dia nitodika tany amin’ny Rahavavy Funk izy dia nanontany hoe: “Tokony hotononiko araka izay nilazana azy ve ilay izy?” satria fantany fa hadika ilay izy.

Namaly izy hoe: “Lazao araka izay nilazana azy ilay izy mba hahafahan’ny Fanahy mijoro ho vavolombelona ny amin’izay lazainao.”

Rehefa nampianatra tamin-kitsimpo ny Fahitana Voalohany ity misiônera vaovao ity, ka nampiasa ny tenin’ny Mpaminany, dia niova ny endrik’io rahavavy malala io. Latsa-dranomaso izy. Rehefa vitan’i Elder Hollings izany hafatra tena lehibe izany, ary raha tsy mbola vita akory ny fandikana ny zavatra nolazainy, dia nanontany tamin-dranomaso tamin’ny fitenin-drazany ilay renim-pianakaviana hoe: “Azo atao batisa ve aho? Ary afaka mampianatra ny zanako lahy ve ianareo?”

Ry tanora mpiara-manompo amiko, varavarana sy fo maro no mivoha isan’andro ho an’ny hafatry ny filazantsara—hafatra izay mitondra fanantenana sy fiadanana ary fifaliana ho an’ireo zanak’Andriamanitra manerana izao tontolo izao. Raha manetry tena ianareo, sy mankatò, ary mihaino ny feon’ny Fanahy dia hahita fahasambarana lehibe ao anatin’ny asa fanompoanareo amin’ny maha-misiônera anareo.17 Fotoana mahafinaritra izany maha-misiônera izany—fotoana izay hanafainganan’ny Tompo ny asany!

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny “didiny masina”18 izay manao hoe “mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra.”19 Fiangonany ity. Mitarika izany Izy amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly velona. Hampianatra antsika ny Fiadidiana Voalohany mandritra ny adiny iray manaraka. Enga anie isika ka ho “faingam-pandinika,”20 tahaka an’i Môrmôna, ka rehefa tonga ny antso dia ho mendrika isika ary ho afaka hanambara amin’ny herin’ny Fanahy manao hoe: “Indro, izaho dia mpianatr’ i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra. Efa nantsoiny aho hanambara ny teniny eo anivon’ ny vahoakany mba hahazoany manana ny fiainana maharitra mandrakizay.”21 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.