2010–2019
Andao Hiaraka Aminay
Oktobra 2013


Andao Hiaraka Aminay

Misy toerana ho anao ato amin’ity Fiangonana ity, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainanao, sy ny tantaranao manokana, na ny tanjaky ny fijoroanao ho vavolombelona.

Indray andro dia nisy lehilahy iray nanofy hoe tao anatin’ny efitrano lehibe iray izy, izay nivorian’ny antokom-pivavahana rehetra manerana izao tontolo izao. Hitany fa nanana zavatra maro izay toa mampitsiriritra sy manan-danja ny fivavahana tsirairay avy.

Nihaona tamin’ny mpivady mahafinaritra izay nisolo tena Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ary nanontany hoe: “Inona no zavatra takianareo amin’ny mpikambana ao aminareo?”

“Tsy mitaky na inona na inona izahay,” hoy izy ireo namaly. “Fa ny Tompo dia mangataka anay hahafoy ny zava-drehetra.”

Notohizan’ireo mpivady izany tamin’ny fanazavana mikasika ny antso ato am-piangonana, ny fampianarana sy ny famangiana isan-tokantrano, ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno, ny takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro, ny asa ao amin’ny tempoly, ny asa fanasoavana sy fanampiana olona, ary ny fanomezana andraikitra hampianatra.

“Karamainareo ve ny olona ao aminareo amin’ny asa rehetra ataony?” hoy ilay lehilahy nanontany.

“Tsia!” hoy ireo mpivady nanazava. “Manome maimaimpoana ny fotoanany izy ireo.”

“Ary koa,” hoy ireo mpivady nanohy, “isaky ny enim-bolana dia mandany faran’ny herinandro iray ny mpikambana ao amin’ny Fiangonanay hanatrehana na hijerena fihaonamben’ny Fiangonana mandritra ny adiny 10.”

“Adiny folo hihainoana olona manao lahateny ve?” hoy ilay lehilahy nanontany sady tsy nino.

“Ary manao ahoana ireo fivoriam-piangonanareo isan-kerinandro? Maharitra adiny firy izy ireny?”

“Adiny telo isaky ny Alahady!”

“Marina hoe!” hoy ilay lehilahy. “Tena manao ny zavatra noteneninareo teo ve ny mpikambana ao amin’ny Fiangonanareo?”

“Eny, ary mbola misy fanampiny. Tsy mbola nolazainay akory aza ny tantaram-pianakaviana, ny lasin’ny zatovo, ireo fivoriana fampaherezam-panahy, ny fandalinana soratra masina, ny fanofanana mpitarika, ireo fiaraha-mientana ho an’ny zatovo, ny seminera isa-maraina, ny fikarakarana ireo trano Fiangonana, ary misy ihany koa mazava ho azy ny lalàn’ny Tompo mikasika ny fahasalamana, sy ny fifadian-kanina isam-bolana hanampiana ny mahantra, ary ny fahafolonkarena.”

Hoy ilay lehilahy hoe: “Tsy azoko izany! Dia inona koa no antony hanirian’ny olona iray hiditra ao amin’ny Fiangonana sahala amin’izany?”

Nitsiky ireo mpivady sady niteny hoe: “Niandry anao hanontany mihitsy izahay.”

Inona no antony hitiavan’ny olona hiditra ao amin’ny Fiangonana sahala amin’izany?

Amin’izao fotoana izao izay ahitana fihenana lehibe eo amin’ny isan’ny mpikambana ao amin’ny fiangonana maro manerana izao tontolo izao, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany—na dia bitika aza raha oharina amin’ny fiangonana maro—no anisan’ireo fiangonana miroborobo haingana indrindra eto amin’izao tontolo izao. Tamin’ny Septambra 2013 teo dia nisy mpikambana maherin’ny 15 tapitrisa tato amin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.

Maro ny antony mahatonga izany, fa afaka mizara vitsivitsy ve aho?

Fiangonan’ny Mpamonjy

Voalohany dia i Jesoa Kristy mihitsy no namerina ity Fiangonana ity tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao. Ho hitanao ato ny fahefana hiasana amin’ny anarany—hanaovana batisa ho famelan-keloka, hanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina ary hamehezana ety an-tany sy any an-danitra.1

Ireo izay miditra ato amin’ity Fiangonana ity dia tia an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ary maniry ny hanaraka Azy. Izy ireo dia mifaly amin’ny fahalalana fa miresaka amin’ny olona indray Andriamanitra. Rehefa mandray ireo ôrdônansy masin’ny fisoronana izy ireo ary manao fanekempihavanana amin’Andriamanitra dia afaka mahatsapa ny heriny eo amin’ny fiainan’izy ireo.2 Rehefa miditra ao amin’ny tempoly masina izy ireo dia mahatsapa ho eo anatrehany. Rehefa mamaky soratra masina3 izy ireo sy miaina ny fampianaran’ireo mpaminanin’i Kristy dia manakaiky bebe kokoa an’ilay Mpamonjy izay mamin’izy ireo tokoa.

Finoana Arahan’asa

Antony iray hafa ny fanomezan’ny Fiangonana fahafahana hanao asa soa.

Mendri-piderana ny finoana an’Andriamanitra, kanefa ny ankamaroan’ny olona dia te hanao bebe kokoa noho ny mihaino lahateny mitaona fanahy na “manonofy fotsiny ihany momba ireo toerana [hisy azy ireo] any an-danitra.”4 Te hampihatra ny finoany izy ireo. Te hiasa izy ireo ary hirotsaka ao anatin’ity asa lehibe ity.

Ary izany no mitranga rehefa miaraka aminay izy ireo—manana fahafahana betsaka izy ireo hanovana ny talentany, sy ny fangorahany ary ny fotoanany ho lasa asa fanasoavana. Koa satria izahay tsy manana mpitondra fivavahana eo an-toerana mandray karama, eo anivon’ireo mpiara-mivavaka aminay manerana izao tontolo izao, dia ny mpikambana ihany no manao ny asa fanompoana. Antsoina amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy izy ireo. Indraindray izahay manolo-tena; ary indraindray dia “tendrena hanolo-tena.” Tsy mandray ny andraikitra ho toy ny enta-mavesatra izahay fa toy ny fahafahana hanatanteraka ireo fanekempihavanana izay ataonay amim-pifaliana mba hanompoana an’Andriamanitra sy ireo zanany.

Fitahiana Sarobidy

Antony iray fahatelo hidiran’ny olona ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana dia satria mitondra fitahiana sarobidy ny fiezahana hiaina tahaka ireo mpanara-dia an’i Kristy.

Raisinay ho toy ny toerana iaingana ny batisa eo amin’ny dianay amin’ny maha-mpanara-dia. Mitondra fiadanana sy tanjona eo amin’ity fiainana ity ary fifaliana lalina sy famonjena mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy ny dia ataonay isan’andro miaraka amin’i Jesoa Kristy.

Ireo izay manaraka io lalana io amim-pahatokiana dia tsy tratran’ny ankamaroan’ireo loza, sy alahelo ary nenina eo amin’ny fiainana.

Ny malahelo am-panahy sy ny manana fo marina dia mahita fahendrena sy rakitsoa lehiben’ny fahalalana ato.

Ireo mijaly sy malahelo dia mahita fanasitranana ato.

Ireo vesaran’ny ota dia mahita famelan-keloka sy fahafahana ary fitsaharana.

Ho an’ireo Izay Miala

Nitarika olona an-tapitrisany ho ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fitadiavana ny fahamarinana. Na izany aza dia ao ireo izay miala amin’ny Fiangonana, izay mamin’izy ireo teo aloha.

Mety misy olona hanontany hoe: “Raha tena mahafinaritra be toy izany ny filazantsara, nahoana no misy miala?”

Indraindray isika dia mihevitra fa miala izy ireo satria tohina na kamo na nanota. Ny tena marina dia tsy tsotra toy izany ilay izy. Raha ny marina dia tsy iray monja no antony izay mifandray amin’ireo toe-javatra iainana maro samihafa.

Ny sasany amin’ireo mpikambana malalantsika dia niady saina nandritra ny taona maro tamin’ny fametrahana fanontaniana raha toa izy ireo ka tokony hiala ny Fiangonana.

Ato amin’ity Fiangonana ity izay manaja mafy tokoa ny fahafahan’ny tena manokana misafidy, izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny zatovolahy iray izay nametra-panontaniana maro ka nitady valiny, dia hajaintsika ireo izay mikatsaka marina ny fahamarinana. Mety halahelo isika rehefa mitondra azy ireo hanalavitra ny Fiangonana izay tiantsika sy ny fahamarinana hitantsika ny dian’izy ireo, kanefa dia hajaintsika ny zon’izy ireo hitsaoka an’Andriamanitra Tsitoha araka izay heverin’izy ireo fa mety, tsy misy hafa amin’ny hitakiantsika izany tombontsoa manokana izany ho an’ny tenantsika ihany.5

Fanontaniana tsy Nahitam-baliny

Ny sasany dia sahiran-tsaina amin’ny fanontaniana tsy nahitam-baliny mikasika ireo zavatra efa natao na nolazaina tany aloha. Manaiky am-pahibemaso izahay fa tao anatin’ny tokotokony ho 200 taona teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana—niaraka tamin’ireo zava-nitranga tsy ankiato avy amin’ny fitaomam-panahy sy mendri-piderana ary masina—dia nisy ireo zavatra sasantsasany nolazaina sy natao ka mety nahatonga ny olona hametra-panontaniana.

Indraindray dia tonga ireo fanontaniana satria tsy mbola nahazo ireo fampahalalana rehetra isika ka mila faharetana bebe kokoa fotsiny ihany. Ary rehefa fantatsika ilay fahamarinana manontolo amin’ny farany dia hahazo fahafaham-po isika ka hahatakatra ireo zavatra tsy azontsika teo aloha.

Indraindray dia misy ny tsy fitovian-kevitra mikasika ny tena dikan’ireo “zava-misy.” Ny fanontaniana iray izay mahatonga ahiahy ao an-tsain’ny olona sasany dia afaka manorina finoana ao amin’ny olona hafa taorian’ny fanadihadiana natao tamim-pitandremana.

Fahadisoana nataon’ny Olona tsy Tanteraka

Ary amim-pahitsiana tanteraka no hilazako fa nisy ny fotoana izay nanaovan’ireo mpikambana na mpitarika ato amin’ny Fiangonana fahadisoana tsotra izao. Mety nisy ireo zavatra nolazaina na natao izay tsy nifanaraka tamin’ireo soatoavina sy fitsipika ary fotopampianarantsika.

Heveriko angamba fa tsy ho lavorary ny Fiangonana raha tsy olona efa lavorary no mitantana izany. Andriamanitra dia tanteraka ary madio tsy misy fangarony ny fotopampianarany. Saingy miasa amin’ny alalantsika Izy—ireo zanany izay tsy tanteraka—ary manao fahadisoana ny olona tsy tanteraka.

Hitantsika ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ny hoe: “Ary ankehitriny, raha misy hadisoana, dia hadisoan’ny olona izany; noho izany dia aza maniny ny zavatr’Andriamanitra mba ho hita tsisy pentina ianareo eo amin’ny toeram-pitsaran’i Kristy.”6

Efa toy izany ilay izy hatramin’izay ary mbola ho toy izany mandra-pahatongan’ilay andro tena lafatra izay i Kristy mihitsy no hanjaka ety an-tany.

Indrisy fa ny sasany dia nianjera noho ny fahadisoana nataon’olombelona. Fa na dia eo aza izany dia tsy voaloto na nihena na simba ny fahamarinana mandrakizain’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izay hita ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy sy noho izaho nanatri-maso ireo filankevitra sy ireo asan’ity Fiangonana ity dia mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika aho fa tsy mbola nisy fanapahan-kevitra nanan-danja nisy fiantraikany tamin’ity Fiangonana ity na tamin’ireo mpikambana ao aminy ka hoe noraisina kanefa tsy nikatsahana tamim-pahamatorana ny fitaomam-panahy sy ny fitarihana ary ny fanomezan-dalan’ny Raintsika Mandrakizay. Fiangonan’i Jesoa Kristy ity. Tsy hamela ny Fiangonany hivily hiala amin’ny lalana tokony halehany Andriamanitra, na tsy ho tonga amin’ny anjarany masina.”

Misy Toerana ho Anao

Ho an’ireo izay nihataka tamin’ny Fiangonana dia milaza aminareo aho ry namako malala fa mbola misy toerana ho anareo ato.

Tongava ary ampifanampio amin’ny anay ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana ary ny herinareo. Samy ho tonga tsaratsara kokoa isika rehetra noho izany.

Mety hanontany ny sasany hoe: “Dia ahoana izany ireo ahiahiko?”

Voajanahary ny fananana fanontaniana—ny voa kelin’ny fangatahana amin-kitsimpo matetika dia nitsimoka ary nitombo ka lasa hazo lehiben’ny fahatakarana. Misy mpikambana vitsivitsy ato amin’ny Fiangonana izay tsy niady mafy nanontany tena nametraka fanontaniana lehibe na manohina, tao anatin’ny fotoana iray na ny fotoana hafa. Iray amin’ireo tanjon’ny Fiangonana ny mikolokolo sy mamboly ny voan’ny finoana—eny fa na dia ao anatin’ireo tany fasiky ny ahiahy sy ny tsy fahazoana antoka aza indraindray. Ny finoana dia fanantenana ny zavatra izay tsy hita nefa marina.7

Noho izany, ry rahalahiko sy anabaviko malala isany—ry namako malala isany—miangavy anareo aho hoe ny ahiahinareo aloha no ahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo.8 Tsy tokony hamela ny ahiahintsika mihitsy isika hanagadra sy hanakana antsika tsy hahazo ilay fitiavan’Andriamanitra sy ny fiadanany ary ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy.

Mety hiteny ny sasany hoe: “Tsy mety amiko fotsiny ny miaraka aminareo ry olona ato amin’ny Fiangonana.

Raha mba hitanao mantsy ny ao am-ponay dia tsy maintsy ho hitanao fa mety aminao mihoatra noho izay eritreretinao ny ao. Mety ho gaga ianao rehefa mahita fa manana faniriana mavaivay sy ady ary fanantenana tahaka ny anao izahay. Mety ho toa samy hafa amin’izay tsikaritrao eo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany maro ny tantaranao sy ny nitaizana anao, kanefa mety ho fitahiana izany. Ry rahalahy sy rahavavy, ry namana malala, mila ny talentanareo sy ny fomba fijerinareo tsy manan-tsahala izahay. Tanjaka ho an’ity Fiangonana ity ny fahasamihafana eo amin’ny olona tsirairay sy ny olona rehetra manerana ny tany.

Mety hiteny ny sasany hoe: “Tsy mino aho hoe afaka hiaina ireo fitsipika arahanareo aho.

Vao mainka izany antony iray hahatongavanao! Ny Fiangonana dia natao mba hikolokolo izay tsy tanteraka, izay manana ady ary reraka. Feno olona maniry amin’ny fony manontolo hitandrina ny didy ao, na dia tsy mbola mahafehy tanteraka ny fitandremana izany aza izy ireo.

Mety hiteny ny sasany hoe: “Mahafantatra mpikambana mpihatsaravelatsihy ao amin’ny Fiangonanareo aho. Tsy afaka ny hiditra ao amin’ny fiangonana izay ahitana mpikambana tahaka izany mihitsy aho.

Raha toa ianao ka mamaritra ny hoe mpihatsaravelatsihy ho toy ny olona tsy mahavita miaina tanteraka ny zavatra inoany dia mpihatsaravelatsihy avokoa izahay rehetra. Tsy misy tena manana toetra tahaka ny an’i Kristy araka izay fantatray fa tokony hahatongavanay izahay. Kanefa maniry amim-kitsimpo izahay ny handresy ireo fahadisoanay sy ny fironanay hanota. Amin’ny fonay sy ny fanahinay no hiezahanay ho lasa tsaratsara kokoa miaraka amin’ny fanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Raha izany no fanirianao dia misy toerana ho anao ato amin’ity Fiangonana ity, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainanao, sy ny tantaranao manokana, na ny tanjaky ny fijoroanao ho vavolombelona. Andao hiaraka aminay!

Andao Hiaraka Aminay!

Na dia eo aza ny tsy fahatanterahanay amin’ny maha-olombelona anay dia azoko antoka fa ho hitanao eo anivon’ireo mpikambana ao amin’ity Fiangonana ity ny maro amin’ireo fanahy tsara indrindra misy eto amin’ity tontolo ity. Toa mahasarika ny tsara fanahy sy ny tia miahy ary ny mahitsy fo sy ny tia miasa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Raha toa ianao ka manantena ny hahita olona tanteraka ato dia ho diso fanantenana. Kanefa raha mikatsaka ny fotopampianarana madion’i Kristy ianao, ny tenin’Andriamanitra “izay manasitrana ny fanahy maratra,”9 sy ny fitaomana manamasin’ny Fanahy Masina, dia hahita izany ato ianao. Amin’izao vanim-potoana mampihena ny finoana izao—amin’izao vanim-potoana izay hahatsapan’ny maro ho lavitry ny fitiavan’Andriamanitra izao—dia hahita olona maniry mafy ny hahafantatra sy hanatona akaiky kokoa ny Mpamonjin’izy ireo ianao ato amin’ity Fiangonana ity amin’ny alalan’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona, tahaka anao. Andao hiaraka aminay!

Hianareo koa va mba Te Hiala?

Tsaroako ny fotoana iray teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy rehefa navelan’ny olona maro ho irery Izy.10 Hoy i Jesoa nanontany ireo mpianany roa ambin’ny folo:

“Hianareo koa va mba te hiala?

“Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”11

Misy fotoana tsy maintsy hamaliantsika io fanontaniana io. Hiala koa ve isika? Sa hihazona mafy ny tenin’ny fiainana mandrakizay tahaka an’i Petera ve isika?

Raha mikatsaka fahamarinana sy lanjan’ny tena ary fomba hamadihana ny finoana ho asa ianao, raha mitady toerana hisy anao ianao dia: Andao hiaraka aminay!

Raha toa ianao ka nandao ilay finoana izay efa nekenao teo aloha dia: Andao hiverina indray. Miaraha aminay!

Raha toa ianao ka alaim-panahy hilavo lefona: Mijanona elaela kely ihany. Misy toerana ho anao ato.

Miangavy ireo rehetra mandre na mamaky ireto teny ireto aho: Andao hiaraka aminay. Andao hihaino ny antson’ilay Kristy malemy fanahy. Ento ny hazo fijalianao ary manaraha Azy.12

Andao hiaraka aminay! Satria hahita ny zava-tsarobidy tsy hay sandaina ianao ato amin’ity Fiangonana ity.

Mijoro ho vavolombelona aho fa hahita ny tenin’ny fiainana mandrakizay, ny fampanantenana ny fanavotana notahiana ary ny lalana mankany amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana ianao ato.

Mivavaka amin-kitsimpo aho mba hanaitra ao am-ponao ilay faniriana ho tonga sy hiaraka aminay ny fikatsahanao manokana ny fahamarinana. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.