2010–2019
Mamikitra Mafy Hatrany
Oktobra 2013


Mamikitra Mafy Hatrany

Enga anie isika hamikitra hatrany amin’ilay anja-by izay mitondra mankeo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra.

Tsaroan’ny raiko ny andro, eny, ny ora mihitsy aza, izay nandaozan’ny fianakaviany—ny rainy sy ny reniny ary ny zanaka efatra—ny Fiangonana, ka maro no tsy niverina intsony nandritra ity fiainana ity. Telo ambin’ny folo taona izy tamin’izay, diakona, ary tamin’izany fotoana izany ireo mpianakavy dia manatrika ny Sekoly Alahady ny maraina ary avy eo dia ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny tolakandro. Tamin’ny andro iray kanto nandritra ny lohataona, taorian’ny nodiana avy nanatrika fotoam-pivavahana Alahady maraina, ary rehefa avy niara-nisakafo atoandro ny mpianakavy, dia nitodika tany amin’ny rainy ny reniny ary nanontany tsotra hoe: “Hono hoy aho ry malala, tokony handeha hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ve isika sa tokony hitondra ny fianakaviana hitsangantsangana any ambanivohitra?”

Tsy mbola tonga tao an-tsain’ny raiko mihitsy izany hoe misy safidy hafa ankoatra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izany, saingy naka toerana tsara daholo izy sy ireo zatovo telo iray tampo taminy ary nihaino tsara. Mety ho fiaraha-mientan’ny mpianakavy mahafinaritra tokoa io fitsangantsanganana Alahady tolakandro tany ambanivohitra io, saingy io fanapahan-kevitra kely io no lasa fiantombohan’ny sori-dalana iray vaovao, izay taty aoriana dia nitarika ny fianakaviany hanalavitra ny Fiangonana mbamin’ny fiarovana sy ny fitahiana entiny, ka handeha amin’ny lalana iray hafa.

Mba ho lesona ho an’ireo amin’izao androntsika izao, izay mety halaim-panahy hisafidy lalana hafa dia nizara fahitana iray tamin’ny fianakaviany i Lehia, ilay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, fahitana izay nahitany “andian’olona tsy hita isa …, ka ny maro taminy dia nibosesika mba hahazoany mihazo ny lalana izay nitondra nankeo amin’ny hazo izay nijoroa[ny] teo anilany.

“Ary … dia nandroso ireo ary nandray ny lalana izay nitondra nankeo amin’ny hazo.

“Ary … nisy zavon’ny haizina tonga; … hany ka very lalana ireo izay nanomboka ny diany, ka nirenireny ary very.”1

Avy eo i Lehia dia nahita andian’olona faharoa izay “nibosesika hatrany …, ary nandroso hatrany izy ary namikitra ny tendron’ny anja-by; ary dia nibosesika hatrany izy, namakivaky ilay zavon’ny haizina, nihazona tamin’ny anja-by na dia mandra-pahatongany ka nihinanany tamin’ny voan’ny hazo aza.” Indrisy anefa fa “rehefa avy nihinana tamin’ny voan’ny hazo izy dia nanopy ny masony manodidina toy ny menatra” noho ireo izay tao anatin’ny “trano iray mijoalajoala sy malalaka” izay “nanao fihetsika fanesoana … no sady nanondro tamin’ny rantsantanany ireo izay efa tonga … ka nihinana tamin’ny voan’ny hazo.” Ireo olona ireo avy teo dia “nianjera tany amin’ny lalana voarara … ka very.”2 Tsy vitan’izy ireo, na angamba tsy tian’izy ireo, ny haharitra hatramin’ny farany.

Nisy anefa andiany iray fahatelo izay tsy vitan’ny hoe tody soa aman-tsara teo amin’ilay hazon’aina; fa taty aoriana izy ireo dia tsy nianjera. Momba azy ireo no voalazan’ny soratra masina hoe ireo dia “nibosesika hatrany, nihazona mafy ny anja-by mandra-pahatongany sy nandohalihany ary nihinanany tamin’ny voan’ny hazo.”3 Ilay anja-by ho an’ity vondron’olona ity dia naneho ilay hany fiarovana sy antoka izay azon’izy ireo nianteherana, ary dia namikitra mafy izy ireo; tsy nanaiky ny hamotsotra, na dia hoe noho ny zavatra tsotra kely toy ny fitsangantsanganana iray ny Alahady tolakandro any ambanivohitra aza.

Nampianatra mikasika an’io vondron’olona io ny Loholona David A. Bednar nanao hoe: “Ny andian-teny manan-danja ao amin’io andininy io dia hoe ‘hatrany’ sy ‘nihazona mafy’ ny anja-by. … Angamba io andian’olona fahatelo io dia mety namaky sy nandalina ary namakafaka tsy tapaka ny tenin’i Kristy. … Io no vondrona izay tokony hiezahantsika hikambanana.”4

Ireo amintsika izay mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny dia nanao fanekempihavanana hanara-dia an’i Jesoa Kristy sy hankatò ireo didin’Andriamanitra. Tamin’ny batisa isika dia nanao fanekena fa hijoro ho vavolombelon’ny Mpamonjy,5 hamonjy ireo osa sy ireo sahirana,6 hitandrina ireo didin’Andriamanitra, ary hibebaka araka izay ilaina, satria araka ny fampianaran’i Paoly dia, “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra.”7

Manana fahafahana isika isan-kerinandro hanatrika fivorian’ny fanasan’ny Tompo, izay ahafahantsika manavao ireo fanekempihavanana ireo amin’ny alalan’ny fandraisana ny mofo sy ny rano amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Io fihetsika tsotra io dia ahafahantsika mamerina mianiana amin’ny tenantsika indray fa hanara-dia an’i Jesoa Kristy ary hibebaka raha toa ka solafaka. Ny fampanantenan’Andriamanitra amintsika ho tambin’izany dia ny Fanahy Masiny ho mpitari-dalana sy ho fiarovana.

Avy ao amin’ny Torio ny Filazantsarako no ampianaran’ireo misiônerantsika fa mandray fanambarana sy fijoroana ho vavolombelona isika rehefa manatrika ireo fivoriam-piangonana ny Alahady: “Rehefa manatrika ny fivoriam-piangonana isika ary miara-mivavaka dia mifankahery. Lasa olom-baovao isika amin’ny alalan’ny fiarahantsika amin’ny namana sy ny fianakaviana. Lasa matanjaka ny finoantsika rehefa mianatra soratra masina isika ary mianatra bebe kokoa ny filazantsara naverina amin’ny laoniny.”8

Mety misy hanontany hoe fa nahoana isika no manao fivoriana telo samy hafa ny Alahady ary nahoana no ilaina ny tsirairay amin’izany? Andeha hojerentsika fohy ireo fivoriana telo ireo:

  • Ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo dia manome fahafahana handray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Manavao ny fanekempihavanana nataontsika isika, sy mandray ny Fanahy bebe kokoa, ary mahazo fitahiana fanampiny amin’ny fampianaran’ny Fanahy Masina sy ny fampaherezany.

  • Ny Sekoly Alahady dia ahafahantsika “[mifampianatra] ny fotopampianaran’ny fanjakana”9 mba hahafahan’ny rehetra “samy mahazo hery sy miara-mifaly.”10 Hery lehibe sy fiadanan’ny tena manokana no azo rehefa mahatakatra ny fotopampianaran’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny isika.

  • Ireo fivorian’ny Fisoronana dia fotoana ahafahan’ny lehilahy sy ireo zatovolahy “hianatra ny andraikiny”11 ary mba ho azo “[ampianarina] misimisy kokoa,”12 ary ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana dia manome fahafahana ny vehivavin’ny Fiangonana hampitombo ny finoany …, sy hankahery ireo fianakaviany sy ny tokantranony, ary manampy ireo izay sahirana.”13

Torak’izany koa ireo zatovovavintsika sy ireo zanatsika madinika dia manana ny fivoriana sy kilasin’izy ireo manokana, izay ampianarana azy ireo ny filazantsara eo am-piomanany ho amin’ireo andraikitra manan-danja izay ho tonga amin’izy ireo. Mandritra ny tsirairay amin’ireo fivoriana ireo, izay mitokana kanefa mifandray, dia mianatra ny fotopampianarana isika, mahatsapa ny Fanahy, ary mifanompo. Na dia mety hisy aza ny toe-javatra maningana noho ny halavirana, na ny saram-pitaterana, na ny fahasalamana, dia tokony hiezaka isika hanatrika ireo fivoriantsika Alahady rehetra. Mampanantena aho fa ho tonga ireo fitahian’ny fananana fifaliana lehibe sy fiadanana noho ny fitsaohana amin’ny andro Sabata mandritra ny fandaharam-potoana adiny telo ataontsika ny Alahady.

Ny fianakavianay dia nanolo-tena ny hanatrika ireo fivoriantsika rehetra isaky ny Alahady. Hitanay fa manamafy orina ny finoanay izany ary manatevina ny fahatakaranay ny filazantsara. Nianatra izahay fa mahatsiaro ho mahazo aina izahay mikasika ny fanapahan-kevitray ny hanatrika ireo fivoriam-piangonana, indrindra fa rehefa iny tafaverina ao an-trano iny ka manohy mitandrina ny Sabata. Manatrika ireo fivoriana rehetra mandritra ny Alahady koa izahay na dia any am-pialan-tsasatra aza, na rehefa manao dia lavitra. Vao tsy ela akory izay ny iray amin’ireo zanakay vavy no nanoratra mba hilazana fa nankany am-piangonana izy tany amin’ny tanàna iray izay nandalovany ary avy eo nampiany hoe: “Eny, ry Dada, natrehiko avokoa ireo fivoriana telo fanao ny Alahady.” Fantatray fa notahiana izy noho izany fanapahan-kevitra tsara izany.

Isika tsirairay dia samy manana safidy maro ho atao mikasika ny fomba hitandremana ny andro Sabata. Tsy maintsy hisy foana ny zavatra atao izay “tsara” ka azo hafoy ary tokony hafoy mba hanaovana safidy tsara kokoa dia ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana. Raha ny marina dia iray amin’ireo fomba “hanambakan’ny [fahavalo] ny fanahin[tsika]” izany “ka hitarihiny [antsika] hidina any amin’ny helo.”14 Ampiasainy ireo zavatra atao izay “tsara” mba ho solon’ireo zavatra atao izay “tsara kokoa” na koa “tsara indrindra” mihitsy aza.15

Ny hoe mamikitra mafy hatrany amin’ilay anja-by dia midika fa manatrika ireo fivoriantsika Alahady rehetra isika raha mbola azo atao izany: ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ny Sekoly Alahady, ary ny fivorian’ny fisoronana na ny an’ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo zanatsika sy ireo zatovontsika dia manatrika ireo fivoriana tokony hatrehany avy, any amin’ny Kilonga sy ny Zatovolahy ary ny Zatovovavy. Tsy tokony hifantina na hisafidy mihitsy isika hoe iza amin’ireo fivoriana no ho atrehantsika. Mamikitra mafy fotsiny amin’ny tenin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fitsaohana sy fanatrehana ireo fivoriantsika mandritra ny Alahady.

Ny hoe mamikitra mafy hatrany amin’ilay anja-by dia midika fa miezaka isika ny hitandrina ireo didin’Andriamanitra rehetra, ny hanao vavaky ny tena manokana sy vavaky ny mpianakavy isan’andro, ary ny handalina soratra masina isan’andro.

Ny hoe mamikitra mafy dia anisan’ny fotopampianaran’i Kristy araka izay ampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, mibebaka amin’ireo fahotantsika, manova ny fontsika, ary avy eo dia manaraka Azy ao anatin’ny ranon’ny batisa ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay mpitari-dalana sy mpampahery. Ary avy eo, araka ny nampianarin’i Nefia, dia “mibosesika [m]androso, ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy” hatrany amin’ny faran’ny fiainantsika mihitsy.16

Ry rahalahiko sy anabaviko, vahoakan’ny fanekempihavanana isika. Manana finiavana hanao fanekempihavanana sy hitandrina izany isika, ary ny fitahiana ampanantenaina amin’izany dia ny hoe omena antsika “izay rehetra ananan’ny [Ray].”17 Rehefa mifikitra mafy hatrany amin’ilay anja-by isika amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika, dia hampatanjahana mba handresy ireo fakam-panahy sy loza ao amin’izao tontolo izao. Ho afaka hamakivaky izao fiainana an-tany izao isika miaraka amin’ireo zava-tsarotra rehetra misy ao anatin’izany mandra-pahatongantsika marina eny amin’ilay hazo misy ilay voa izay “tena sarobidy sy … tena mahatsiriritra indrindra noho ny voankazo hafa rehetra.”18

Tsara vintana ny raiko nanambady vehivavy tsara izay nandrisika azy hiverina any amin’ilay fiangonana nisy azy tamin’ny fahatanorany, ary hanomboka handroso indray eo amin’ilay làlana. Ny fiainan’izy ireo feno fahatokiana dia nitondra fitahiana ho an’ireo zanak’izy ireo rehetra, sy ny taranaka zafikely manaraka ary ankehitriny ireo zafiafy.

Tsy misy hafa amin’ny hoe ilay fanapahan-kevitra tsotra ny hanatrika na tsia ny iray tamin’ireo fivoriana fitsaohan’izy ireo ny andro Sabata no nanova zavatra goavana teo amin’ny fiainan’ny raibeko sy ny renibeko, ireo fanapahan-kevitra andavanandro raisintsika koa dia hisy fiantraikany amin’ny fiainantsika amin’ny fomba goavana. Fanapahan-kevitra iray toa bitika tahaka ny hoe hanatrika sa tsia ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray dia afaka manana fiantraikany lavitra dia lavitra, eny mandrakizay mihitsy aza.

Enga anie isika hisafidy ny hazoto sy hahazo ireo fitahiana lehibe sy ny fiarovana izay azo avy amin’ny fiarahana mivondrona sy ny fitandremana fanekempihavanana. Enga anie isika hifikitra hatrany amin’ilay anja-by izay mitondra mankeo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra, izany no vavaka ataoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.