2010–2019
Fanapahan-kevitra ho an’ny Mandrakizay
Oktobra 2013


Fanapahan-kevitra ho an’ny Mandrakizay

Ny fampiasanao amim-pahendrena ny fahafahanao mandray ireo fanapahan-kevitry ny tenanao manokana dia tena ilaina ho an’ny fivoaranao ara-panahy, na amin’izao fiainana izao izany na any amin’ny mandrakizay.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, ny andro tsirairay dia andro andraisana fanapahan-kevitra. Nampianatra antsika ny Filoha Thomas S. Monson fa “ny fanapahan-kevitra raisintsika no mamaritra izay ho anjarantsika.”1 Ny fampiasanao amim-pahendrena ny fahafahanao mandray ireo fanapahan-kevitry ny tenanao manokana dia tena ilaina ho an’ny fivoaranao ara-panahy, na amin’izao fiainana izao izany na any amin’ny mandrakizay. Tsy misy hoe tanora loatra ka tsy afaka hianatra, ary tsy misy hoe antitra loatra ka tsy afaka hiova. Ny fanirianao hianatra sy hiova dia tonga avy amin’ny faniriana nomen’Andriamanitra ny hivoatra mandrakizay.2 Ny andro tsirairay dia manome fahafahana handray fanapahan-kevitra izay hiantraika aminao mandrakizay.

Mananaina mandrakizay isika—fanahy zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra. Ny Baiboly dia mirakitra hoe “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; … lahy sy vavy no namoronany azy.”3 Vao tsy ela aho no nandre amboaram-peon’ankizy nihira ilay hira tiantsika hoe “Zanaky ny Ray Aho.”4 Nanontany tena aho hoe: “Fa nahoana no tsy matetika kokoa no handrenesako izany hira izany hirain’ireo reny na ireo ray mahatoky?” Moa ve tsy zanak’Andriamanitra avokoa isika rehetra? Raha ny marina dia tsy misy na dia iray aza na oviana na oviana no afaka hitsahatra ny tsy ho zanak’Andriamanitra!

Amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika dia tokony hitia Azy amin’ny fontsika sy ny fanahintsika rehetra isika, mihoatra noho ny hitiavantsika ireo ray aman-drenintsika eto an-tany aza.5 Tokony hitia ireo mpiara-belona amintsika isika tahaka ireny hoe rahalahintsika sy anabavintsika ireny. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.6 Ary tokony hajaintsika hatrany ny lanjan’ny ain’olombelona, na aiza na aiza misy azy eo amin’ny dingana maro lalovany.

Ny soratra masina dia mampianatra fa ny vatana sy ny fanahy no atao hoe olona velona.7 Koa satria manana lafiny roa ianareo tsirairay avy, dia samy afaka misaotra an’Andriamanitra daholo noho ireo fanomezana tsy voavidim-bola nataony dia ny vatanao sy ny fanahinao.

Ny Vatan’ Olombelona

Ireo taona niasako tamin’ny naha-dokotera mpitsabo ahy dia nahafahako nanana fanajana lalina ho an’ny vatan’olombelona. Noharian’Andriamanitra mba ho fanomezana ho anao izy io ary tena mahatalanjona tanteraka! Eritrereto ange ireo masonao izay mahita, ireo sofinao izay mandre, ary ireo rantsantananao izay mahatsapa ireo zava-mahavariana rehetra manodidina anao. Ahafahanao mianatra sy mieritreritra ary misaina ny ati-dohanao. Tsy sasatra mitempo manosika ny ranao andro aman’alina ny fonao, izay zara raha tsapanao.8

Miaro tena ny vatanao. Ny fanaintainana dia toy ny fambara fa misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny ka tokony hifantohana. Indraindray dia tonga ny aretina ateraky ny otrikaretina, ary rehefa mitranga izany dia misy tsiri-fanefitra na anticorps miforona izay mampitombo ny hery hanoheran’ny vatanao ny otrikaretina aty aoriana.

Mahavita manamboatra tena ny vatanao. Mety sitrana ny ratra sy ny mangana. Afaka ho tonga mafy indray ny taolana tapaka. Santionany vitsy dia vitsy monja amin’ireo toetoetra maro mahatalanjona nomen’Andriamanitra ho an’ny vatanao ireo voalazako ireo.

Na dia izany aza, dia toa hita ao amin’ny fianakaviana rehetra, raha tsy ao amin’ny olona rehetra akory aza, fa misy ny aretina ara-batana izay ilana fikarakarana manokana.9 Lamina iray entina miatrika ny olana toy izany no nomen’ny Tompo. Hoy izy hoe: “Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; … fa raha manetry tena … izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”10

Ireo fanahy miavaka matetika no mitafy vatana tsy tanteraka.11 Ny fanomezana vatana toy izany dia tena afaka mampatanjaka ny fianakaviana iray rehefa manam-piniavana ireo ray aman-dreny sy ireo iray tampo hanova ny fiainan’izy ireo mba hikarakarana io zaza izay manana filana manokana io hatrany am-pahaterahana.

Ny fizotry ny fahanterana ihany koa dia fanomezana avy amin’Andriamanitra, toy izany koa ny fahafatesana. Ny fahafatesan’ny vatantsika mety maty izay hitranga indray andro any dia ampahany ilaina amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana izay an’Andriamanitra.12 Fa nahoana? Satria ny fahafatesana no ahafahan’ny fanahinao miverina mody any Aminy.13 Raha mijery ny mandrakizay dia tsy azo heverina ho tonga aloha loatra ny fahafatesana raha tsy ho an’ireo izay tsy vonona hihaona amin’Andriamanitra.

Noho ny vatanao izay ampahany manan-danja tahaka izany amin’ny drafitra mandrakizay an’Andriamanitra dia tsy mahagaga izany raha nofaritan’i Paoly Apôstôly hoe “tempolin’Andriamanitra.”14 Isaky ny mijery fitaratra ianao dia jereo ho toy ny tempolinao ny vatanao. Izany fahamarinana izany—izay tokony hananantsika fankasitrahana isan’andro—dia afaka misy fiantraikany tsara amin’ireo fanapahan-kevitra raisinao mikasika ny fomba hikarakaranao ny vatanao sy ny fomba hampiasanao azy. Ary ireo fanapahan-kevitra ireo no hamaritra ny anjaranao. Ahoana no hahatanteraka izany? Satria tempolin’ny fanahinao ny vatanao. Ary ny fomba ampiasanao ny vatanao dia hiantraika any amin’ny fanahinao. Ny sasany amin’ireo fanapahan-kevitra izay hamaritra ny anjaranao mandrakizay dia ahitana an’ireto:

  • Ahoana no hisafidiananao hikarakarana sy hampiasana ny vatanao?

  • Inona no toetra ara-panahy izay hofidianao mba hananana?

Ny Fanahin’ Olombelona

Ny fanahinao dia misy mandrakizay. Hoy ny Tompo tamin’i Abrahama Mpaminaniny: “Efa nofinidy ianao talohan’ny nahaterahanao.”15 Nilaza zavatra mitovitovy amin’izany ny Tompo tamin’i Jeremia16 sy ny maro hafa.17 Nilaza izany koa aza Izy mikasika anao.18

Efa nahafantatra anao nandritra ny fotoana ela be ny Rainao any An-danitra. Ianao, amin’ny maha zanany lahy na vavy anao dia nosafidiany ho tonga ety an-tany amin’izao fotoana izao indrindra, mba ho mpitarika iray ao amin’ity asany lehibe ity eto ambony tany.19 Nosafidiana ianao, tsy noho ny toetoetranao ara-batana fa noho ny toetoetranao ara-panahy, toy ny herimpo, ny risimpo, ny fahamarinan’ny fo, ny faniriana fahamarinana, ny faniriana fahendrena, ary ny faniriana hanompo ny hafa.

Talohan’ny nahaterahanao no nahazoanao ny sasany amin’ireo toetra ireo. Ny hafa indray dia azonao hianarana eto an-tany20 rehefa mikatsaka izany amim-paharetana ianao.21

Toetra ara-panahy iray tena manan-danja ny fananana fifehezan-tena—ny hery hanaovana safidy miankina amin’ny saina fa tsy miankina amin’ny faniriana. Manorina herintsaina matanjaka ny fifehezan-tena. Ary ny herintsainao no mamaritra ny fitondrantena asetrinao amin’ny toe-javatra sarotra sy maka fanahy ary mifono fitsapana. Ny fifadian-kanina dia manampy ny fanahinao hianatra handresy ny filan’ny vatana. Ny fifadian-kanina dia mampitombo ihany koa ny fahafahanao mandray ny fanampian’ny lanitra, satria mampitombo ny herin’ny vavaka ataonao. Nahoana no ilaina ny fifehezan-tena? Nametraka tato anatintsika filan-javatra mafy Andriamanitra mba hahafahana mamahana ny tena sy mitondra fitiavana izay iankinan’ny fitohizan’ny fianakavian’ny zanak’olombelona.22 Rehefa mifehy ny filantsika isika ao anatin’ny fetran’ny lalàn’Andriamanitra, dia afaka mankafy fiainana lava kokoa, sy fitiavana lehibe kokoa ary fifaliana tanteraka.23

Tsy mahagaga izany raha toa ka tonga amin’ny alalan’ny fampiasana ireo filana tena manan-danja nomen’Andriamanitra ireo amin’ny fomba tsy tokony ho izy ny ankamaroan’ny fakam-panahy hiala amin’ny drafitry ny fahasambarana an’Andriamanitra. Tsy mora hatrany ny fifehezana ny filantsika. Tsy misy na iray aza amintsika mahafehy azy ireo amin’ny fomba tonga lafatra.24 Mitranga ny fahadisoana. Atao izay tsy mety. Misy ny fahotana atao. Inona izany no azontsika atao? Afaka mianatra avy amin’izy ireny isika. Ary afaka mibebaka marina.25

Afaka manova ny fitondran-tenantsika isika. Na ny faniriantsika aza dia afaka miova. Amin’ny fomba ahoana? Fomba iray ihany no misy. Ny fiovana marina—ny fiovana maharitra—dia tsy afaka ny ho tonga raha tsy amin’ny alalan’ny hery manasitrana sy manadio ary mahatanteraka ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany.26 Tia anareo izy—ianareo tsirairay avy!27 Mamela anao hahazo ny heriny Izy rehefa mitandrina ny didiny ianao, amim-pahazotoana, sy amim-pahamatorana, ary araka ny tokony ho izy. Tsotra sy azo antoka toy izany ilay izy. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fiovana!28

Ny fanahin’olombelona iray matanjaka, izay mahafehy ny filan’ny nofo, dia mifehy ny fihetseham-po sy ny firehetam-po fa tsy andevozin’izy ireny. Izany karazana fahalalahana izany dia tena ilain’ny fanahy tsy misy hafa amin’ny ilan’ny vatana oxygène! Ny fahafahana amin’ny fanandevozan’ny tena ihany dia tena fahafahana marina!29

“Afaka [isika] na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana.”30 Rehefa mifidy ny lalana avo kokoa mankany amin’ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay isika, dia tafiditra amin’izany lalana izany ny fanambadiana.31 Ireo Olomasin’ny Andro Farany dia manambara fa “ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.” Fantatsika ihany koa fa “ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.”32

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia fototry ny fotopampianaran’ny Tompo ary tena ilaina indrindra ho an’ny drafitra mandrakizay an’Andriamanitra. Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no lamina nomen’Andriamanitra ho an’ny fahafenoan’ny fiainana eto an-tany sy any an-danitra. Tsy azo ampiasaina amin’ny tsy tokony ho izy ary tsy azo raisina amin’ny fomba diso ny lamina nomen’Andriamanitra mikasika ny fanambadiana.33 Tsy afaka hanao izany ianao raha mila fahasambarana marina. Ny lamin’Andriamanitra mikasika ny fanambadiana dia miaro ilay hery masin’ny fananahana sy ny fifaliana ateraky ny tena fiarahan’ny mpivady marina.34 Fantatsika fa i Adama sy Eva dia nampanambadian’Andriamanitra talohan’ny niainan’izy ireo ny fifaliana ateraky ny firaisan’ny mpivady.35

Amin’izao androntsika izao dia hifantohan’ny fitondram-panjakana amin’ny fomba miavaka ny fiarovana ny fanambadiana satria ny fianakaviana matanjaka no mandrafitra ny fomba tsara indrindra hikarakarana ny fahasalamana sy ny fanabeazana sy ny fahatomombanana ary ny firoboroboan’ireo taranaka vao misondrontra.36 Saingy hiharan’ny fitaoman’ny fironana eo amin’ny fiaraha-monina sy ny foto-pisainan’izao tontolo izao ireo fitondram-panjakana rehefa manoratra sy manitsy ary mampihatra lalàna. Na inona na inona lalàna sy fitsipika sivily mety ho tafapetraka, ny fotopampianaran’ny Tompo mikasika ny fanambadiana sy ny fitsipi-pitondrantena dia tsy azo ovaina.37 Tadidio: ny fahotana, na dia ataon’ny olombelona ho ara-dalàna aza, dia mbola fahotana foana eo imason’Andriamanitra!

Na dia tokony haka tahaka ny hatsaram-panahin’ny Mpamonjy sy ny fangorahany aza isika, na dia tokony hanisy lanja ny zo sy ny fihetseham-pon’ireo zanak’Andriamanitra rehetra aza isika, dia tsy afaka manova ny Fotopampianarany isika. Tsy anjarantsika ny manova izany. Anjarantsika ny mandalina sy mahatakatra ary miaro ny Fotopampianarany.

Tsara ny fomba fiainan’ny Mpamonjy. Tafiditra ao amin’ny fombany ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana ary fanajana tanteraka ao anatin’ny fanambadiana.38 Ny fomban’ny Tompo no hany fomba ahafahantsika miaina fahasambarana maharitra. Ny fombany dia manolotra fampiononana maharitra ho an’ny fanahintsika ary fiadanana tsy tapaka ho an’ny tokantranontsika. Ary ny tsara indrindra dia ity: ny Fombany dia mitondra antsika mody any Aminy sy ny Raintsika any An-danitra, any amin’ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana.39 Izany no ampahany ilaina indrindra ao amin’ny asan’Andriamanitra sy ny voninahiny.40

Ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, ny andro tsirairay dia andro handraisana fanapahan-kevitra, ary ny fanapahan-kevitra raisintsika no mamaritra izay ho anjarantsika. Indray andro any isika tsirairay dia hijoro eo anatrehan’ny Tompo mba hotsaraina.41 Handalo tafa sy diniky ny tena manokana miaraka amin’i Jesoa Kristy isika tsirairay.42 Ho adinina amintsika ireo fanapahan-kevitra izay noraisintsika mikasika ny vatantsika, sy ny toetoetrantsika ara-panahy, ary ny fomba nanajantsika ny lamin’Andriamanitra mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny mba hahafahantsika misafidy amim-pahendrena ny fanapahan-kevitra atao isan’andro ho an’ny mandrakizay no vavaka ataoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Decisions Determine Destiny” (Takariva amorom-patana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 6 Nôv. 2005), 3; speeches.byu.edu.

  2. Ilay hevitra hoe fivoarana mandrakizay dia voavoakan’i W. W. Phelps tsara ao amin’ny tonony nosoratany ho an’ilay fihirana hoe “Eternel est notre espace” (Cantique, no. 181). Ny andininy faha 4 dia manao hoe: Tsy misy fiafarana ny fahadiovana; / Tsy nisy fiafarana ny hery; / Tsy misy fiafarana ny fahendrena; / Tsy misy fiafarana ny fahazavana. / Tsy misy fiafarana ny firaisan-kina; / Tsy misy fiafarana ny fahatanorana; / Tsy misy fiafarana ny fisoronana; / Tsy misy fiafarana ny fahamarinana.” Ny andininy faha 5 dia mamarana manao hoe: “Tsy misy fiafarana ny voninahitra; / Tsy misy fiafarana ny fitiavana; / Tsy misy fiafarana ny fiainana; / Tsy misy fahafatesana any ambony any.”

  3. Genesisy 1:27; jereo ihany koa ny Kolosiana 3:10; Almà 18:34; Etera 3:15; Mosesy 6:9.

  4. “Zanaky ny Ray Aho,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 113.

  5. Jereo ny Matio 10:37.

  6. Jereo ny Marka 12:30–31.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15.

  8. Misy rafitra hafa nomen’Andriamanitra koa miasa ao amin’ny vatantsika. Ireo singa toa ny sodium, sy potassium ary calcium ary ireo akora toy ny rano sy glucose ary protéine dia iankinan’ny aina. Mikirakira entona toy ny oxygène sy dioksidana karbôna ny vatantsika. Manamboatra tsiry mpanentana izy, toa ny insuline sy adrénaline ary thyroxine. Ny fatran’izy tsirairay ireny sy ny zavatra hafa hita ao amin’ny vatantsika dia voarindran’ny vatana ho azy ho eo anelanelan’ny fetra voafaritra. Ny fifandraisana misy eo amin’ny taova samihafa ao amin’ny vatana dia vaofehy sy voarindra amin’ny fomba mandeha ho azy. Ohatra, ny hypophyse eo amin’ny fanambanin’ny ati-doha dia mamoaka tsiry mpanentana iray izay manaitra ny cortex (faritra ivelany) amin’ny surrénales mba hamokatra tsiry mpanentana cortico-surrénales. Ny fiakaran’ny tahan’ny tsiry mpanentana vokarin’io cortex io avy eo dia mampihena ny famoahan’ny hypophyse an’ilay tsiry mpanentana izay nanaitra ny surrénales, ary mifamadika amin’izay raha mihena. Ny hafanan’ny vatanao dia voatazona ho eo amin’ny 37˚C, na eny amin’ny fehiben’ny tany no misy anao na eny amin’ny tendron-tany avaratra.

  9. Ny toe-batana sasany dia mora hita; tsy miseho kosa ny sasany. Ny sasany manaraka; ny sasany tsia. Mora handairan’ny homa-miadana ny olona sasany, manana allergie na tsy fahazakana zavatra ny sasany, sy ny sisa. Isika tsirairay dia afaka mahafantatra ny sehatra mampahalemy azy manokana ary mianatra amim-panetren-tena izay tian’ny Tompo ampianarina antsika, mba hahafahan’ilay fahalemena ho lasa tanjaka.

  10. Etera 12:27.

  11. Ny toe-batana sasantsasany dia tsy ho voahitsy tanteraka raha tsy amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, rehefa “haverina amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana ny zava-drehetra” (Almà 40:23).

  12. Jereo ny Almà 42:8.

  13. Nanoratra ny mpanao Salamo hoe: “[Sarobidy] eo imason’i Jehovah ny fahafatesan’ny olony masina” (dikanteny ara-bakitenin’ny Salamo 116:15 ao amin’ny Baibolin’ny Mpanjaka James). Sarobidy ny fahafatesana satria ho an’ilay Olomasina dia fankalazana iray ny amin’ny “fiverenana mody” any amin’ny Tompo izany.

  14. 1 Korintiana 3:16; jereo ihany koa ny 6:19.

  15. Abrahama 3:23.

  16. Jereo ny Jeremia 1:5.

  17. Jereo ny Almà 13:2–3.

  18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:55–56.

  19. Jereo ny Almà 13:2–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:38–57.

  20. Ireo toetra hoe “ny finoana, ny fahatsaran-toetra, ny fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, ny toetra araka an’Andriamanitra, ny fiantrana, ny fanetren-tena ary ny zotom-po” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:6) dia anisan’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay azontsika ampitomboana ary azo omena antsika. Ny fankasitrahana dia toetra ara-panahy iray hafa izay azo ampitomboana. Misy fiantraikany amin’ny toe-po sy ny fahafahana manao asa amim-pahombiazana ny fankasitrahana. Ary rehefa avy “naterak’Andriamanitra ara-panahy” ianao dia afaka mandray amim-pankasitrahana ny endriny eny amin’ny tarehinareo (jereo ny Almà 5:14).

  21. Jereo ny 1 Korintiana 12; 14:1–12; Môrônia 10:8–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:10–29.

  22. Misy ny sasany izay halaim-panahy hihinan-kanina be loatra. “Nanjary olana lehibe maneran-tany ny hatavezana be loatra, ka farafahakeliny dia olona 2,8 tapitrisa isan-taona no maty vokatry ny fihoaran’ny lanja” (“10 Facts on Obesity,” Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana, Mar. 2013, www.who.int/features/factfiles/obesity/en). Ny hafa kosa dia halaim-panahy tsy hihinana afa-tsy hanina kely loatra. Ny anorexie sy ny boulimie dia mamotika ny fiainan’ny maro sy ny fanambadiana ary ny fianakaviana maro. Ary ny sasany dia voan’ny fakam-panahy amin’ny filan’ny nofo izay raran’ny Mpahary antsika. Misy fanazavana ao amin’ny Manuel 2: Administration de l’Eglise, izay milaza fa: “Ny lalàn’Andriamanitra mikasika ny fahadiovam-pitondran-tena dia ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo any ivelan’ny fanambadiana ara-dalana ary ny fifanajana ao anatin’ny fanambadiana. … Ny fanitsakitsaham-bady, ny fanaovana firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana, ny firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy, ary ny fomba fanao rehetra izay tsy masina, na tsy voa-janahary, na tsy madio dia fahotana.” Mbola milaza avy ao amin’ny Boky torolalana ihany: “Ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy dia mandika ny didin’Andriamanitra, mifanipaka amin’ny tanjon’ny firaisana ara-nofo eo amin’ny olombeona, ary manakana ny tsy hahazoan’ny olona ireo fitahiana izay mety ho hita ao amin’ny fiainam-pianakaviana sy ao amin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara izay manavotra. … Na dia manohitra ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy aza ny Fiangonana dia manolo-tanana izy, miaraka amin’ny fahatakarana sy fanajana, amin’ireo olona izay voasarik’ireo lahy na vavy mitovy aminy” ([2010], 21.4; 21.4. 6).

  23. Jereo ny 1 Korintiana 6:9–20; Jakoba (ao amin’ny Testamenta Vaovao) 1:25–27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21. Ary tokony ho tsaroantsika mandrakariva fa “misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25).

  24. Ny fiainana an-tany dia fotoam-pitsapana, araka ny azavaina ao amin’ny soratra masina manao hoe: “Dia hosedraintsika amin’ izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ ny Tompo Andriamaniny azy ireo” (Abrahama 3:25).

  25. Jereo ny Môsià 4:10; Almà 39:9; Helamàna 15:7. Ny Manuel 2 dia ahitana izao hafatra izao: “ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy dia azo avela amin’ny alalan’ny fibebahana marina” (21.4.6).

  26. Azo vonjena ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:4; Ny Fanekem-pinoana 1:3).

  27. Jereo ny Etera 12:33–34; Môrônia 8:1.

  28. Jereo ny Môsià 5:2; Almà 5:12–14.

  29. Jereo ny Rômana 8:13–17; Galatiana 5:13–25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:86.

  30. 2 Nefia 2:27.

  31. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4.

  32. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  33. Jereo ny Matio 19:4–6; Môsià 29:26–27; Helamàna 5:2.

  34. Ny olona tsirairay dia teraka miaraka amin’ny maha-izy azy manokana, sy chromosome ary ADN (acide desoxyribonucléique). Ny ADN dia môlekiola iray izay mirakitra ireo torolalana génétiques ampiasaina eo amin’ny fitomboan’ ny sela velona iray sy ny fiasany. Ny ADN an’ny olona tsirairay dia miforona rehefa mitambatra ny ADN avy amin’ny ray sy ny reny mba hamoronana ny ADN an’ny olona iray vaovao—fiaraha-miasa eo amin’ny ray sy reny ary ny zanaka.

  35. Jereo ny Genesisy 2:24–25; 3:20–21; 4:1–2, 25.

  36. Nanoratra i Dr. Patrick F. Fagan hoe: “Ny fototra tena ilaina izay iankinan’ny haren’ny toe-karena [dia] ny ankohonana misy ray aman-dreny vita fanambadiana—indrindra ny fianakaviana izay misy zanaka izay mandeha mivavaka isan-kerinandro. … Ny fanambadiana rehetra dia manorina tokantrano iray vaovao, rafitra ara-toe-karena iray tsy miankina izay miteraka fidiram-bola sy fandaniambola ary manao tahiry sy manao petra-bola” (“The Family GDP: How Marriage and Fertility Drive the Economy,” The Family in America, vol. 24, no. 2 [Lohataona 2010], 136).

  37. Jereo ny Eksodosy 20:14; Levitikosy 18:22; 20:13; Deotoronomia 5:18; Matio 5:27–28; Marka 10:19; Lioka 18:20; Rômana 1:26–27; 13:9; Môsià 13:22; 3 Nefia 12:27–28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:24; 59:6.

  38. Jereo ny Gordon B. Hinckley, “This Thing Was Not Done in a Corner,” Ensign, Nôv. 1996, 49.

  39. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7.

  40. Jereo ny Mosesy 1:39.

  41. Jereo ny 2 Nefia 9:41, 46; Môsià 16:10.

  42. Hotsaraina isika arakaraka ny zavatra nataontsika sy ny fanirian’ny fotsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9; jereo ihany koa ny Hebreo 4:12; ny Almà 18:32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:16; 88:109).