2010–2019
Fantatsika Ve ny Zavatra Ananantsika?
Oktobra 2013


Fantatsika Ve ny Zavatra Ananantsika?

Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana … dia manome fahafahana hahazo ny fahafenoan’ireo fitahiana nampanantenain’Andriamanitra antsika, izay azo tanterahina noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Ao amin’ilay “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” dia manambara ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny olombelona rehetra—na lahy na vavy—dia nohariana araka ny endrik’Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’Andriamanitra.”1 Mba hanatratrarana io anjara araka an’Andriamanitra io dia mila ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanan’ny fisoronana ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra tsirairay.

Mila batisa isika. Rehefa asitrika ao anatin’ny ranon’ny batisa isika dia manao fanekempihavanana ny hitondra ny anaran’i Kristy eo amintsika, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ny hitandrina ny didiny, ary ny hanompo Azy hatramin’ny farany mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika.2

Mila ny fanomezana ny Fanahy Masina isika. Amin’ny alalan’io ôrdônansy io no ahafahantsika manana ny Fanahy ho namana lalandava. Nampianatra ny Filoha Wilford Woodruff hoe: “Ny lehilahy na vehivavy rehetra izay niditra tato amin’ny fiangonan’Andriamanitra sy vita batisa ho amin’ny famelan-keloka dia manana zo hahazo fanambarana, zo hanana ny Fanahin’Andriamanitra, hanampy azy ireo eo amin’ny asany, eo amin’ny fitaizany ny zanany, eo amin’ny fanomezany torohevitra ireo zanany sy ireo izay nampandraiketina azy. Tsy natao ho an’ny lehilahy irery, na ho an’ny apôstôly na mpaminany irery ny Fanahy Masina. Natao ho an’ny lehilahy sy vehivavy mahatoky rehetra, ho an’ny ankizy rehetra izay efa lehibebe ka afaka mandray ny filazantsaran’i Kristy Izany.3

Mila mandray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly isika. Hoy ny Loholona M. Russell Ballard hoe: “Rehefa mankany amin’ny tempoly ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy tafiana hery mitovy izy ireo, izay raha faritana dia ny herin’ny fisoronana. … Ny fanafiana masina dia fanomezana hery ara-bakiteny.”4

Mila ny ôrdônansin’ny famehezana isika, izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay, izay “lehibe indrindra amin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.”5 Lehilahy sy vehivavy miaraka ihany no afaka mahazo ity ôrdônansin’ny fisoronana ity. Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson hoe: “Naverina tamin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana mba hahafahana mamehy ny fianakaviana ho mandrakizay.”6

Mila ny fahafahana hanavao ireo fanekempihavanantsika ireo isika isan-kerinandro rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Nampianatra ireo apôstôly sy mpaminanin’ny Andro Farany fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana isika dia afaka manavao tsy hoe ny fanekempihavanan’ny batisa fotsiny ihany fa “ireo fanekempihavanana rehetra [nataontsika] tamin’ny Tompo koa.”7

Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana ireo dia manome fahafahana hahazo ny fahafenoan’ireo fitahiana nampanantenain’Andriamanitra antsika, izay azo tanterahina noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mamatsy hery ireo zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra izy ireo, dia ny herin’Andriamanitra izany8, ary manome antsika fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay—mba hiverina eo anatrehan’Andriamanitra sy hiara-hiaina Aminy ao anatin’ny Fianakaviany mandrakizay.

Vao haingana aho no niaraka tamin’ny mpitarika maromaro ao amin’ny fisoronana mba hitsidika ny tokantranon’ny vehivavy efatra tany Honduras. Ireo rahavavy ireo sy ny fianakaviany dia nila ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana, ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana ary ny hery sy ny fitahian’ny fisoronana.

Namangy rahavavy malala iray izahay, izay manambady ary manan-janaka roa tsara tarehy. Mahatoky izy, sy mazoto ato amin’ny Fiangonana, ary mampianatra ireo zanany hisafidy ny tsara. Manohana azy amin’ny fahazotoany ato am-piangonana ny vadiny, saingy tsy mpikambana io vadiny io. Matanjaka ny fianakavian’izy ireo saingy mba hananan’izy ireo hery lehibe kokoa dia mila fitahiana fanampiny avy amin’ny fisoronana izy ireo. Tian’izy ireo handray ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ilay raim-pianakaviana ary handray ny fisoronana. Ilain’izy ireo ilay herin’ny fisoronana izay afaka ho azo amin’ny alalan’ny fanafiana masina sy ny famehezana.

Tranon’ny rahavavy roa tsy manambady, izay vehivavy manam-pinoana lehibe, no novangianay manaraka. Manan-janaka lahy miomana ho amin’ny asa fitoriana ny rahavavy iray. Ilay rahavavy iray hafa dia manaraka fitsaboana fa voan’ny homamiadana. Rehefa ao anatin’ny fotoan’ny hakiviana sy ny famoizam-po izy ireo dia mahatsiaro ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary feno finoana sy fanantenana. Samy mila ireo fitahiana sy hery fanampiny izay azo amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly izy roa ireo. Namporisika azy ireo izahay hiaraka hiomana amin’ilay ho misiônera atsy ho atsy mba handray ireo ôrdônansy ireo.

Ny fitsidihanay farany dia tao an-tranon’ny rahavavy iray izay vao namoy ny vadiny tao anatin’ny loza iray nahatsiravina. Noho izy mbola mpikambana vaovao dia tsy takany fa afaka mahazo fanafiana masina ho an’ny tenany izy sy hofehezina amin’ny vadiny. Rehefa nampianatra azy izahay fa afaka mahazo ireo fitahiana ireo izy sy ny vadiny efa nodimandry dia feno fanantenana izy. Noho ny fahafantarany fa azo fehezina miaraka ny fianakaviany amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly dia manana finoana sy fahavononana izy hiatrika ireo fitsapana ho avy.

Miomana handray ny Fisoronana Aharôna ny zanak’ity rahavavy mananotena ity. Ho fitahiana lehibe ho azy sy ny fianakaviany ny fanokanana ny zanany lahy. Hanana mpihazona fisoronana ao an-tokantrano izy ireo. 

Rehefa nihaona tamin’ireo rahavavy mahatoky tany Honduras ireo aho dia hitako fa niezaka nihazona ny fianakaviany ho mazoto tao amin’ny filazantsara izy ireo. Izy ireo dia naneho fankasitrahana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay nitandrina ny fanekempihavanany ary nikarakara azy ireo tamim-pitiavana sy nanampy azy ireo tamin’ny zavatra nilain’izy ireo ara-batana sy ara-panahy. Kanefa ireo rahavavy ireo dia samy nanana zavatra nilaina izay tsy azon’izy ireo tamin’ny fahafenoany.

Tao amin’ny tsirairay tamin’ireo trano telo notsidihanay ireo dia nisy mpitarika hendry iray tao amin’ny fisoronana nanontany an’ireo rahavavy tsirairay raha toa ka efa nahazo tsodranon’ny fisoronana izy. Tsia hatrany no valiny azo. Nangataka tsodranon’ny fisoronana ny rahavavy tsirairay ary nahazo izany tamin’io andro io. Samy nitomany izy tsirairay rehefa naneho fankasitrahana noho ny fampiononana, sy ny fitarihana, sy ny famporisihana ary ny fitaomam-panahy azony avy amin’ny Rainy any an-danitra tamin’ny alalan’ny mpihazona fisoronana iray mendrika.

Nahazoako hevitra tsara ireo rahavavy ireo. Naneho fanajana an’Andriamanitra sy ny heriny ary ny fahefany izy ireo. Izaho koa dia feno fankasitrahana amin’ireo mpitarika ny fisoronana izay niara-nitsidika ireo tokantrano ireo tamiko. Rehefa nandao ny trano tsirairay izahay dia nanao filankevitra mikasika ny fomba hanampiana ireo fianakaviana ireo handray ireo ôrdônansy nilain’izy ireo mba hanohizan’izy ireo mitandrina ny fanekempihavanany amin’ny hoavy sy manamafy orina ny tokantranon’izy ireo.

Ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy tokoa amin’izao fotoana izao ny mampitombo ny fifanajana amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra azy ireo sy ny fanajana ny Raintsika any an-danitra sy ny fisoronany—ny heriny ary ny fahefany.

Manana drafitra ho antsika Izy ary rehefa mampihatra finoana sy matoky ny drafitra nataony isika dia hihamafy orina ny fanajantsika Azy sy ny fanajantsika ny hery sy ny fahefan’ny fisoronany.

Nandritra ny fanofanana ny mpitarika maneran-tany hoe Fanamafisana Orina ny Fianakaviana sy ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Fisoronana, dia nampianarina antsika fa ireo rahavavy izay tsy manana mpihazona fisoronana ao an-tokantranony dia tsy tokony hahatsapa ho irery mihitsy. Izy ireo dia voatahy sy mahazo hery amin’ny alalan’ireo ôrdônansy noraisiny sy ireo fanekempihavanana tandremany. Tsy tokony hisalasala mihitsy izy ireo ny hanatona rehefa mila fanampiana. Nampianatra ny Loholona M. Russell Ballard fa ny rahavavy tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia mila mahafantatra fa izy dia manana eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpampianatra isan-tokantrano, sy mpihazona fisoronana mendrika hafa izay azony ianteherana mba ho any an-tranony sy hanampy azy, ary “[h]anome tsodrano”9 araka izay nolazain-dRahavavy Rosemary M. Wixom.

Nampianatra ihany koa ny Loholona Ballard hoe: “Malala-tanana amin’ny heriny ny Raintsika any an-danitra. Afaka mahazo io hery io avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ho fanampiana eo amin’ny fiainantsika manokana. Ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana masina tamin’ny Tompo sy manaja ireo fanekempihavanana ireo dia afaka mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana sy hotahiana amin’ny alalan’ny fanompoan’ny anjely [ary] afaka miombona amin’Andriamanitra.”10

Mila mifanampy isika. Mila ireo zanakavavin’Andriamanitra ireo zanakalahiny ary mila ireo zanakalahin’Andriamanitra ireo zanakavaviny.

Manana fanomezam-pahasoavana sy tanjaka samy hafa isika. Ny Korintiana Voalohany toko 12 dia manantitrantitra ny hilàntsika zanakalahy sy ny zanakavavin’Andriamanitra tsirairay manatanteraka ny anjara asantsika sy ny andraikitsika araka ny drafitry ny Tompo mba hahafahan’ny rehetra mahazo tombontsoa amin’izany.11

Ry zanakalahin’Andriamanitra, mba fantatrareo ve hoe iza ianareo? Fantatrareo ve ny zavatra anananareo? Mendrika ny hampiasa ny fisoronana sy handray ny hery sy ny fitahian’ny fisoronana ve ianareo? Manaiky ny anjara asanareo sy ny andraikitrareo amin’ny fanamafisana orina ny tokantrano ve ianareo amin’ny maha-ray, raibe, zanakalahy, anadahy na rahalahy ary dadatoa anareo? Maneho fanajana amin’ireo vehivavy ve ianareo sy ho an’ny toetra maha-vehivavy ary ny maha-reny?

Ry zanakavavin’Andriamanitra, mba fantatsika ve hoe iza isika? Fantatsika ve ny zavatra ananantsika? Mendrika ny handray ny hery sy ny fitahian’ny fisoronana ve isika? Moa ve raisintsika amim-pankasitrahana sy amim-pitiavana ary amim-pahamendrehana ireo fanomezam-pahasoavana omena antsika? Ekentsika ve ny anjara asantsika sy ny andraikitra sahanintsika eo amin’ny fanamafisana orina ny tokantrano amin’ny maha-reny, renibe, rahavavy na anabavy ary nenitoa antsika? Maneho fanajana ho an’ny lehilahy ve isika, sy ho an’ny toetra maha-lehilahy ary ny maha-ray?

Amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavy antsika ao amin’ny fanekempihavanana, moa ve isika mino ny Raintsika any an-danitra sy ny drafiny mandrakizay ho antsika? Mino an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ve isika? Moa ve isika mino fa manana toetra sy anjara araka an’Andriamanitra isika? Ary amin’ny ezaka ataontsika hahazoana io anjara io sy handray izay rehetra ananan’ny Ray,12 moa ve takatsika ny lanjan’ny fandraisana ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fanaovana sy fitandrovana ary fanavaozana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo?

Fanahy zanakalahy sy zanakavavy tian’ny ray aman-dreny any an-danitra isika, izay manana toetra sy anjara araka an’Andriamanitra. Tena tia antsika i Jesoa Kristy Mpamonjy ka nahafoy ny ainy ho antsika. Ny Sorompanavotany no manolotra fomba ahafahantsika mandroso eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fonenantsika any an-danitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny fisoronana.

Naverina teto an-tany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana ireo ary ankehitriny dia ny Filoha Thomas S. Monson no mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra ety an-tany.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “[Ato] amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ahitana ny fahefan’ny fisoronana hahafahana manatanteraka ireo ôrdônansy izay ahafahantsika miditra ao amin’ilay fanekempihavanana mamatotra miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny anaran’ny Zanany masina. … Hitandrina ny fampanantenany aminao Andriamanitra rehefa hajainao ny fanekempihavanana nataonao taminy.”13

Izany no ijoroako ho vavolombelona, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  2. Jereo ny Môrônia 4:3; 6:3.

  3. Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff (2004), 49.

  4. M. Russell Ballard, “Let Us Think Straight” (Brigham Young University Education Week devotional, 20 Aog. 2013); speeches.byu.edu.

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4.

  6. Russell M. Nelson, “Nurturing Marriage,” Liahona, Mey 2006, 37; na ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’Histoire et l’œuvre de la Société de secours (2011), 134.

  7. Delbert L. Stapley, ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1965, 14; voalaza ao amin’ny L. Tom Perry, “As Now We Take the Sacrament,” Liahona, Mey 2006, 41; jereo ihany koa ny Teachings of Gordon B. Hinckley (1997), 561; The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball (1982), 220.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22.

  9. Jereo ny M. Russell Ballard sy Rosemary M. Wixom, “Blessings of the Priesthood in Every Home,” ao amin’ny Fanamafisana Orina ny Fianakaviana sy ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Fisoronana (fanofanana ny mpitarika maneran-tany, Mar. 2013); lds.org/broadcasts.

  10. M. Russell Ballard, “Let Us Think Straight”; speeches.byu.edu.

  11. Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:9, 12.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38.

  13. D. Todd Christofferson, “Ny Herin’ny Fanekempihavanana,” Liahona, Mey 2009, 22.