2010–2019
Manakaiky Bebe Kokoa an’Andriamanitra
Oktobra 2013


Manakaiky Bebe Kokoa an’Andriamanitra

Tian’ny Tompo isika mba ho tena tia Azy ka ho tiantsika ny hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy.

Nila naka zavatra tao anaty fiara i Oli, ilay zafikelinay lahy vao enina taona, izay miantso ahy am-pitiavana hoe: “Poppy”. Avy tao an-trano ny rainy no nijoro, tsy tsikaritr’i Oli akory, ka nanokatra avy lavitra ny varavaran’ilay fiara raha nanatona izany i Oli, ary nanidy izany indray rehefa azon’ i Oli ilay zavatra nalainy tao. Dia nihazakazaka niditra tao an-trano i Oli avy eo sady nitsiky be!

Nanontany azy avokoa ny fianakaviana rehetra: “Ahoana no nahafahanao nanokatra ilay varavarana dia nanidy izany indray avy eo?” Nitsiky fotsiny i Oli.

Hoy ny reniny, ilay zanakay vavy, hoe: “Angamba mitovy amin’ny fanaon’i Poppy izany—angamba manana hery mahagaga toa azy ianao!”

Rehefa nitranga fanindroany izany minitra vitsy taty aoriana dia izao no navaliny ny amin’ireo fanontaniana betsaka kokoa mikasika ity fahaizany vaovao ity: “Mahagaga izany! Mieritreritra aho fa ny anton’izany dia noho ny fitiavan’i Poppy ahy, ary anisan’ireo tena namako izy, ary mikarakara ahy!”

Tena notahiana aho nahafantatra ireo zavatra tena mahagaga marina izay niseho teo amin’ny fiainan’ireo Olomasina mahatoky manerana an’i Afrika, sy Papousie Nouvelle Guinée, sy Australie, sy Nouvelle Zélande, ary ireo nosin’ny Pasifika. Miara-manaiky amin’i Oli aho—Mihevitra aho fa ny mahatonga izany dia satria mitovy amin’ny fahatsapan’i Oli momba ahy ny fahatsapan’ireo vahoaka mahatoky ireo mikasika ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy. Tia an’Andriamanitra ho tahaka ny namana akaiky izy ireo, ary mikarakara azy ireo Izy.

Ny mpikamban’ity Fiangonana ity dia manan-jo hahazo, ary maro no mahazo, fijoroana ho vavolombelona ara-panahy, ary manao fanekempihavanana masina hanaraka ny Tompo. Kanefa na izany aza, dia mandroso manatona Azy ny sasany raha toa ka tsy mandroso kosa ny hafa. Iza amin’ireo sokajy ireo no misy anao?

Andriamanitra no tokony ho manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika—izay tena tokony hifantohantsika ara-bakiteny. Izany tokoa ve Izy? Sa ve indraindray Izy lavitry ny eritrerintsika sy ny fikasan’ny fontsika? (jereo ny Môsià 5:13). Diniho fa tsy ny eritreritry ny fontsika fotsiny ihany no manan-danja fa ireo “finiavan’ny fontsika.” Ahoana no ahitana taratra ny fahitsian’ny finiavan’ny fontsika eo amin’ny fitondrantenantsika sy ny zavatra ataontsika?

I Ben, zanakay lahy, fony izy 16 taona ka nanao lahateny nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka dia nametraka fanontaniana hoe: “Ahoana no mety ho fahatsapanao raha toa ka misy olona iray mampanantena zavatra iray anao isan-kerinandro ary tsy mitana ilay fampanantenana na oviana na oviana?” Dia notohizany hoe: “Raisintsika am-pahamatorana tokoa ve ilay fampanantenana ataontsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika sy manao fanekempihavanana ny hitandrina ny didiny sy hahatsiaro Azy mandrakariva?

Omen’ny Tompo fomba isika hanampiana antsika hahatsiaro Azy sy ireo heriny izay manohana antsika. Ny fomba iray dia amin’ny alalan’ny fahoriana, izay zavatra iainantsika rehetra (jereo ny Almà 32:6). Rehefa mieritreritra ireo fotoan-tsarotra izay niainako aho dia mazava fa niteraka fivoarana sy fahatakarana ary fitserana teo amiko izy ireny. Nitondra ahy nanakaiky bebe kokoa ny Raiko any an-danitra sy ny Zanany izy ireny, miaraka amin’ireo traikefa sy fanadiovana avy amin’izy ireny izay nanjary ho ampahany lalina ato amiko.

Zava-dehibe ny fitarihan’ny Tompo sy ny torolalany. Nanampy ilay rahalahy mahatokin’i Jareda Izy tamin’ny famahana ny iray tamin’ireo olana roa nananany tamin’ Izy nanambara taminy ny fomba hahazoana rivotra madio ho ao anatin’ireo sambofiara izay naorina tamim-pahatokiana tokoa (jereo ny Etera 2:20). Kanefa, ny tena zava-dehibe dia tsy vitan’ny hoe navelan’ny Tompo ho tsy voahava aloha ilay olana teo amin’ ny fomba hitondrana hazavana ao anatin’ireo sambofiara. Saingy nataon’ny Tompo mazava tsara anefa avy eo fa Izy Tompo no hamela azy ireo hiaina ireo fahasarotana izay takiana amin’izy ireo mba hamahana ny olan’izy ireo. Izy Tompo no handefa ny rivotra sy ny ranonorana ary ny alondrano (jereo ny Etera 2:23–24).

Nahoana no hanao izany Izy? Ary nahoana Izy no mampitandrina antsika mba hanala ny tenantsika amin’ny loharanon’ny loza iray raha toa ka azony atao ny manakana tsotra fotsiny ilay loza mba tsy hitranga? Ny Filoha Wilford Woodruff dia nilaza ilay tantara tamin’ny nampitandremana azy ara-panahy mba hamindra ilay sarety izay natoriany niaraka tamin’ny vady aman-janany ka nahita avy teo fa nanongotra hazo lehibe iray ny tafio-drivotra ka nandatsaka izany teo amin’ilay toerana nipetrahan’ilay sarety teo aloha (jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Wilford Woodruff [2004], 47).

Tamin’ireo fotoana roa ireo dia azo natao ny nanova ny toetrandro mba hanafoanana ireo loza. Kanefa izao no tanjona—raha toa afaka manaisotra ilay olana ny Tompo dia tiany isika mba hanana ilay finoana izay hanampy antsika hiantehitra Aminy eo am-pamahantsika ny olantsika sy hahatoky Azy. Dia afaka mahatsapa ny fitiavany isika amin’ny fomba maharitra kokoa, sy mahery kokoa, ary mazava kokoa sy ho an’ny tena manokana kokoa. Manjary iray isika ao Aminy, ary afaka ho tonga toa Azy. Fa ny hahatongavantsika toa Azy no tanjony. Raha ny marina dia izany no voninahiny sy asany (jereo ny Mosesy 1:39).

Niezaka nampalama ilay toerana nisy vovoka tao ambadiky ny tranony ny zazalahy kely iray mba hahafahany milalao ny fiara kilalaony eo. Nisy vato lehibe iray nanakantsakana ny asany. Nanosika sy nisintona tamin’ny heriny manontolo ilay zazalahy fa tsy nihontsona ilay vato na niezaka toy ny inona aza izy.

Nijery elaela ny rainy ary nanatona ny zanany avy eo ka niteny hoe: “Mila mampiasa ny tanjakao rehetra ianao raha te hamindra vato lehibe toy ity.”

Namaly ilay zazalahy hoe: “Efa nampiasa ny tanjako rehetra aho!”

Nanitsy azy ny rainy: “Tsia, tsy nanao izany ianao. Tsy mbola nahazo fanampiana avy amiko ianao!”

Dia niara-niondrika izy ireo ary namindra mora foana ilay vato.

Nampianarina ihany koa ny rain’i Vaiba Rome namako, filohan’ny tsatòka voalohan’i Papouasie Nouvelle Guinée fa afaka mitodika any amin’ny Rainy any an-danitra izy ao anatin’ny fotoana ilàna izany. Tamin’ny voly izay novolen’izy ireo ihany no nahafahan’izy sy ireo mpiray tanàna taminy nivelona. Indray andro dia nandrehitra afo tamin’ny ampahany amin’ny tanimboliny tao an-tanàna izy mba hanaovana voly. Kanefa nialohavan’ny hain-tany naharitra ela izany afo izany, ary tena maina be ny voly. Dia nanjary toy ilay karazana afo noresahin’ny Filoha Monson tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana farany teo ilay afony (jereo ny “Mitondra Fitahiana ny Fankatoavana,” Liahona, Mey 2013, 89–90). Nanomboka niparitaka tamin’ny bozaka sy lobolobo izany, ary araka ny tenin’ny zanany lahy hoe niteraka “afo goavana toy ny biby mampatahotra” izany. Natahotra ho an’ireo mpiray tanàna taminy izy sy ny mety hahaverezan’ny volin’izy ireo. Raha toa ka ho ringana izany dia tsy maintsy handalo fitsaram-bahoaka izy. Nony tsy nahavita namono ilay afo izy dia nahatsiaro ny Tompo avy eo.

Ankehitriny aho dia hindrana ny tenin’ny zanany, ilay namako: “Nandohalika teo amin’ny havoana tao anaty lobolobo izy ary nanomboka nangataka tamin’ny Ray any an-danitra mba hampitsahatra ilay afo. Tampoka teo dia nisy rahona mainty lehibe iray teo ambonin’ilay toerana nivavahany, ary nirotsaka mafy ny orana—fa teo amin’ilay toerana nisy afo ihany. Rehefa nijery manodidina izy dia nisy lanitra manga teny rehetra teny ankoatra ny teo amin’izay nisy ilay afo nirehitra. Tsy nino izy hoe hamaly ny olona tsotra toa azy ny Tompo, ka dia nandohalika indray izy ka nitomany tahaka ny zaza. Hoy izy hoe izany no fahatsapana mamy indrindra” (jereo ny Almà 36:3).

Tian’ny Tompo isika mba ho tena tia Azy ka ho tiantsika ny hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy. Dia afaka mahatsapa ny fitiavany isika avy eo sy mahafantatra ny voninahiny. Dia afaka mitahy antsika araka ny sitrapony Izy avy eo. Nitranga tamin’i Nefia zanak’i Helamàna izany, izay tonga tamin’ny dingana izay nahatokisan’ny Tompo azy tanteraka, ka noho izany dia afaka nitahy azy Izy tamin’ny zavatra rehetra nangatahiny (jereo ny Helamàna 10:4–5).

Ao amin’ilay boky tantara hoe Life of Pi, nosoratan’i Yann Martel, dia milaza ny fahatsapany momba an’i Kristy ilay maherifo: “Tsy afaka tao an-dohako Izy. Hatramin’izao. Nandany telo andro manontolo aho nieritreretana momba Azy. Arakaraka ny niasako saina momba Azy no tsy nahafahako nanadino Azy. Ary arakaraka ny nianarako bebe kokoa momba Azy no vao mainka tsy te hiala Aminy aho” ([2001], 57).

Izany indrindra no tsapako momba ny Mpamonjy. Eo akaiky eo foana Izy, indrindra ao amin’ireo toerana masina sy amin’ny fotoana ilàna Azy; ary indraindray amin’ny fotoana tena tsy ampoiziko indrindra, toa mahatsapa aho hoe mikapoka mora eo amin’ny soroko Izy hampahafantarana ahy hoe tiany aho. Afaka mamerina izany fitiavana izany amin’ny fombako tsy tonga lafatra aho amin’ny alalan’ny fanolorako Azy ny foko (jereo ny F&F 64:22, 34).

Vao volana vitsy monja izay dia nipetraka niaraka tamin’ny Loholona Jeffrey R. Holland aho rehefa nanondro ireo toerana handehan’ireo misiônera hanao asa fitoriana izy. Rehefa handeha izahay dia niandry ahy Izy, ary rehefa namindra izahay dia nosakambininy teo amin’ny soroko aho. Nanao fanamarihana aho hoe efa nanao toy izany koa izy indray mandeha tany Australie. Hoy izy hoe: “Satria tiako ianao!” Ary dia fantatro fa marina izany.

Mino aho fa raha toa isika afaka manana tombontsoa hiaraka hamindra ara-bakiteny amin’ny Mpamonjy dia hahatsapa ny sandriny isika hamihina antsika eo amin’ny soroka tsy misy hafa amin’izany. Tahaka ireo mpianatra nitodi-doha ho any Emaosy dia “hangorakoraka” ao anatintsika ao ny fontsika (Lioka 24:32). Izao no hafany: “Avia, fa ho hitanareo” (Jaona 1:39). Ho an’ny tena manokana sy misy zava-mahasarika ary mitsena ny tena am-pitiavana ny ao anatin’izany fanasana hiara-hamindra Aminy izany, miaraka amin’ny sandriny misakambina antsika eo amin’ny soroka.

Enga anie isika hahatsiaro ho mahatoky tena tahaka an’i Enosa, araka ny hita taratra ao amin’ilay andininy farany ao amin’ny bokiny izay fohy nefa lalina: “Ary mifaly amin’ ny andro izay hitafian’ ny tenako mety maty ny tsy fahafatesana aho sy hijoroako eo anoloany; ary amin’ izany aho dia ho finaritra hahita ny tavany, ary Izy hiteny amiko hoe: Avia aty Amiko, ianao notahiana, fa efa misy toerana voavoatra ho anao ao an-tranon-dRaiko” (Enôsa 1:27).

Noho ny hamaroan’ireo zavatra niainana sy ny hery izay nanehoan’ny Fanahy ahy dia mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana tanteraka aho fa velona Andriamanitra. Tsapako ny fitiavany. Izany no fahatsapana mamy indrindra. Enga anie isika hanao izay ilaina mba hampifanarahana ny sitrapontsika amin’ny Azy ary mba ho tena tia Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.