2010–2019
Fihaonamben’ny Fiangonana: Manamafy Orina ny Finoana sy ny Fijoroana ho Vavolombelona
Oktobra 2013


Ny Fihaonamben’ny Fiangonana: Manamafy Orina ny Finoana sy ny Fijoroana ho Vavolombelona

Tena ilaintsika tokoa ny fihaonamben’ny Fiangonana! Amin’ny alalan’ny fihaonambe dia mihamafy orina ny finoantsika ary mihalalim-paka ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Misaotra anao ry Filoha Monson, noho ny fampianaranao sy ny ohatra asehonao amin’ny asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy ary ny iraka nataonao ho antsika rehetra mba ho misiônera. Mivavaka ho anao mandrakariva izahay.

Amin’izao fotoampitantanana iainantsika izao, dia nantsoin’i Jesoa Kristy Mpamonjy hoe “fihaonambe ko” ny fiaraha-mivory ataon’ireo Olomasina.”1

Na aiza na aiza misy antsika eto amin’izao tontolo izao, na ahoana na ahoana no hahazoantsika ny fampitana ity fihaonambe ity, dia mijoro ho vavolombelona aho fa tafavory amin’ny fihaonambeny isika. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa handre ny feony isika, satria nilaza Izy hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”2

Hatrizay dia hita tao anatin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy hatrany ny fihaonambe. Namory ny taranany i Adama ary naminany ny amin’ny zavatra ho avy. Namory ny Zanak’Isiraely i Mosesy ary nampianatra azy ireo ny didy izay noraisiny. Ny Mpamonjy dia nampianatra ny valalabemandry izay tafavory na tany amin’ny Tany Masina izany na tany amin’ny kaontinanta Amerikana. Namory ireo mpino tany Jerosalema i Petera. Roa volana monja taorian’ny fananganana ny Fiangonana no nanaovana ny fihaonambe voalohany tamin’izao andro farany izao ary mbola mitohy mandraka androany ireo fihaonambe.

Ireo fihaonambe ireo dia teo ambany fitarihin’ny Tompo hatrany, ary notarihin’ny Fanahiny.3 Tsy omena lohahevitra manokana izahay. Mandritra ny herinandro sy volana maro dia miandrandra ny Tompo izahay, matetika mandritra ny alina tsy ahitan-tory. Fantatray amin’ny alalan’ny fifadian-kanina, ny vavaka, ny fandalinana, ary ny fisaintsainana ny hafatra izay tiany hampitainay.

Mety misy manontany hoe: “Nahoana no tsy tonga mora foana sy haingana ny fitaomam-panahy?” Nampianatra an’i Oliver Cowdery ny Tompo hoe: “Tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany.”4 Tonga aminay aorian’ny fanomanana amim-bavaka, ary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo hafatry ny fihaonambe.

Marina io fitsipika io ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra rehefa miomana amin’ny fihaonamben’ny paroasy, sy ny an’ny tsatòka ary ny fihaonamben’ny Fiangonana isika. Mandalina ao an-tsaintsika izay zavatra ilaintsika sy iriantsika avy amin’ny Raintsika any an-danitra isika, ary mivavaka mba hahatakatra sy hampihatra izay nampianarina antsika. Rehefa tonga ny fotoan’ny fihaonambe dia ajanontsika ny zavatra hafa ataontsika, “[m]ahafoy ny zavatr’izao tontolo, [mba] hikatsaka ireo zavatry ny tontolo tsara kokoa.”5 Avy eo dia mamory ny fianakaviantsika isika mba hihaino ny tenin’ny Tompo, tahaka ny nataon’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina.6

Tian’ireo ankizy sy ireo zatovo ny famelana azy ireo hanatrika ny fihaonambe. Tena manao fahadisoana lehibe isika raha mihevitra fa tsy hahatakatra ny fihaonambe ny sain’izy ireo sy ny fanahiny. Ho an’ireo tanora mpikamban’ny Fiangonana dia mampanantena aho fa raha mihaino ianareo dia hahatsapa ny fitombon’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ao anatinareo. Hilaza aminareo izay tiany hataonareo amin’ny fiainanareo ny Tompo.

Mandritra ny fihaonambe no hahafa-hantsika mandray ny tenin’ny Tompo izay natao ho antsika manokana. Nisy mpikambana iray izay nijoro ho vavolombelona hoe: “Talanjona aho rehefa nihaino ny lahateny nataonao. … Fanambarana manokana mivantana avy amin’ny Tompo ho an’ny fianakaviako ny lahateny nataonao. Izaho dia tsy mbola niaina fisehon’ny Fanahy mahery vaika tahaka ny niseho tamin’ireo minitra vitsy ireo teo amin’ny fiainako rehefa niteny mivantana tamiko ny Fanahy Masina.”

Hoy ny mpikambana iray hafa hoe: “Tsy mbola nahatsapa lalina tahaka izany mihitsy aho fa hoe ny lahateny iray dia natao ho ahy.”

Afaka miseho izany satria ny Fanahy Masina dia mitondra ny tenin’ny Tompo mankao am-pontsika amin’ny fomba ahatakarantsika izany.7 Rehefa mandray an-tsoratra aho amin’ ny fihaonambe dia tsy manoratra ara-bakiteny izay lazain’ilay mpandaha-teny; fa manoratra kosa ny fitarihana natao ho an’ny tenako manokana izay omen’ny Fanahy Masina ahy.

Ny zavatra voalaza dia tsy manan-danja tahaka ny zavatra rentsika sy tsapantsika.8 Izany no antony hiezahantsika hiaina ny fihaonambe ao amin’ny toerana izay ahafahana mandre sy mahatsapa ary mahatakatra mazava tsara ny Fanahy Masina.

Tena ilaintsika tokoa ny fihaonamben’ny Fiangonana! Amin’ny alalan’ny fihaonambe dia mihamafy orina ny finoantsika ary mihalalim-paka ny fijoroantsika ho vavolombelona. Ary rehefa miova fo isika, dia mifankahery mba hijanona ho matanjaka ara-panahy eo anivon’ny zana-tsipìka mirehitra amin’izao andro farany izao.9

Tao anatin’ireo folo taona faramparany dia tsy voakasiky ny tsy fifankahazoana sy ny fanenjehana mahatsiravina izay niainan’ireo Olomasina taloha ny Fiangonana tamin’ny ankapobeny. Tsy ho toy izany foana no hitranga. Mihahaingana sy mihalavitra mihoatra ny teo aloha ny fihatahan’izao tontolo izao amin’ny Tompo. Mampiasa ny heriny sy ny fitaomany eto ambonin’ny tany ny fahavalo. Mba hahazoantsika fampitandremana mialoha sy fiarovana dia mijery, mihaino, mamaky, mandalina ary mizara ireo tenin’ny mpaminany isika. Ohatra hoe: “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia efa nomena elaela talohan’ny niainantsika ireo olana atrehan’ny fianakaviana ankehitriny. “Ilay Kristy Velona: Ny Fijoroana Vavolombelon’ireo Apôstôly” dia nomanina mialohan’ny fotoana izay tena ilantsika izany indrindra.

Mety tsy ho fantatsika avokoa ireo antony hiresahan’ireo mpaminany sy ireo mpandahateny amintsika momba ny lohahevitra sasany mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana, saingy mahafantatra izany ny Tompo. Ny Filoha Harold B. Lee dia nampianatra hoe: “Ny hany fiarovana ananantsika amin’ny maha-mpikambana antsika ato amin’ity fiangonana ity dia … ny fihainoana ireo teny sy ireo didy izay homen’ny Tompo amin’ny alalan’ny Mpaminaniny. Hisy ireo zavatra sasantsasany izay ilàna faharetana sy finoana. Mety tsy ho tianareo ny zavatra lazain’ireo manampahefana ambonin’ny Fiangonana. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo [manokana] izany. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo ara-piaraha-monina izany. Mety hanelingelina ny sasany amin’ny fiainanareo ara-piaraha-monina izany. Kanefa raha mihaino ireo zavatra ireo ianareo, toy ny hoe avy amin’ny vavan’ny Tompo mihitsy izany, amim-paharetana sy am-pinoana, ny fampanantenana dia hoe ‘tsy haharesy anareo ny vavahadin’ny helo; … ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny maizina eo anoloanareo, ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany’ (F&F 21:6).”10

Ahoana no nahafantaran’ny Filoha Lee izay zavatra ho atrehintsika amin’izao androntsika izao? Fantany satria mpaminany sy mpahita ary mpanambara izy. Ary raha mihaino sy mankatò ireo mpaminany isika amin’izao fotoana izao, anisan’izany ireo izay hiresaka amintsika mandritra ity fihaonambe ity, dia hahazo tanjaka sy fiarovana.

Ireo fitahiana lehibe indrindra izay azontsika amin’ny fihaonambe dia tonga amintsika rehefa tapitra ny fihaonambe. Tsarovy ilay modely arahina izay voasoratra matetika ao amin’ny soratra masina manao hoe: mivory isika mba hihaino ny tenin’ny Tompo, ary mody any an-trano isika mba hiaina izany.

Taorian’ny nampianaran’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany, dia “noravany ny valalabemandry, ary ny tsirairay dia samy niverina tany amin’ny isam-pianakaviany sy ny isan-tokantranony avy.”11 Tamin’ny andron’ny Mpanjaka Limia, dia nanao toy izany koa izy.12 Rehefa avy nampianatra sy nanao asa fanompoana tamin’ny vahoaka teo amin’ny tempolin’i Soafeno ny Mpamonjy dia nangataka tamin’ny vahoaka hoe: “Modia any an-tranonareo, ary saintsaino ny zavatra izay efa nolazaiko, ary anontanio amin’ny Anarako ny Ray, mba hahatakaranareo, ary omany ny sainareo ho amin’ny ampitso, ary hankatỳ aminareo indray Aho.”13

Manaiky ilay fanasana nataon’ny Mpamonjy isika rehefa misaintsaina sy mivavaka mba hahatakatra izay nampianarina antsika ary avy eo mandroso sy manao ny sitrapony. Tsarovy ireo tenin’ny Filoha Spencer W. Kimball manao hoe: “Nanapa-kevitra aho fa rehefa mody avy aty amin’ity fihaonambe [maneran-tany] ity … dia lafiny maro dia maro amin’ny fiainako no ho azoko hatsaraina. Nataoko lisitra ato an-tsaiko izy ireo, ary manantena aho fa hanomboka hiasa vantany vao vita ny ataontsika.”14 Vao haingana ny Filoha Monson no niteny hoe: “Manentana anareo aho mba hamaky … ireo lahateny ary hisaintsaina ny hafatra hoentin’izany. Tsapako teo amin’ny fiainako fa mahazo tombontsoa kokoa avy amin’ireo lahateny nentanim-panahy ireo aho rehefa mandalina azy ireo lalina kokoa.”15

Ankoatra ny fanasana antsika hanao fandalinana ny soratra masina samirery sy miaraka amin’ny fianakaviana, dia tian’ny Ray any an-danitra isika handalina hatrany sy hampihatra izay nianarantsika nandritra ny fihaonambe. Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo izay matoky an’i Jehovah sy manaraka ny toroheviny amin’ny finoana dia hahazo hery lehibe hitondra fitahiana ho azy ireo sy ho an’ireo fianakaviany ho an’ny taranaka maro mifandimby.

Nomen’ny Ray any an-danitra ny lalana. Amin’ity fihaonambe ity, dia 97 isan-jaton’ny Fiangonana no afaka mahare ireo hafatra ireo amin’ny fiteniny. Mpikambana an-tapitrisany maro any amin’ny firenena miisa 197 amin’ny fiteny miisa 95 no hijery ity fihaonambe ity. Afaka roa na telo andro monja dia ho hita ao amin’ny LDS.org ireo hafatra amin’ny teny Anglisy, ary afaka herinandro dia hanomboka hisy amin’ny fiteny miisa 52 izy ireo. Amin’izao fotoana izao isika dia maharay ny gazeti- bokin’ny Fiangonana natonta printy ao anatin’ny telo herinandro aorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana. Tsy mila miandry volana maro intsony isika handraisana ireo lahateny alefa paositra. Afaka mamaky, mihaino, mijery sy mizara ny fampianaran’ireo mpaminany eo amin’ny solosaina, na finday, na fitaovana elektrônika hafa isika. Amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra dia afaka manitatra ny fahalalantsika isika, afaka manamafy orina ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona, ary afaka miaro ireo fianakaviantsika sy mitarika azy ireo hody tsy azon-doza.

Hampidirina haingana ao amin’ny fandaharam-pianarana ho an’ireo zatovo ao amin’ny Internet ihany koa ireo hafatr’ity fihaonambe ity. Ry ray aman-dreny, afaka mahita ireo lesona ho an’ny zatovo ao amin’ny LDS.org ianareo. Fantaro ny zavatra ianaran’ny zanakareo, ary ataovy lohahevitra amin’ny fandalinanareo manokana, amin’ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy, amin’ny takarivan’ny mpianakavy, ny filankevitry ny fianakaviana, ary ny dinidinika manokana ataonareo amin’ny tsirairay amin’ireo zanakareo ny mikasika ny zavatra ilaina ampianarina ny tsirairay manokana.

Mamporisika ireo mpikambana rehetra aho mba hampiasa ireo loharano hita ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana sy ireo applications amin’ny solosaina ho an’ireo fitaovana elektrônika. Hatsaraina hatrany izy ireny mba hanamorana ny fampiasana azy sy mba ho azo ampiharina eo amin’ny fiainantsika. Hahita loharano maro ao amin’ny LDS.org ianao mba hanampiana anao handalina ny filazantsara, hanamafy orina ny tokantrano sy ny fianakavianao, ary hanompo amin’ny antsonao. Afaka mahita ireo razambenao izay mila ôrdônansin’ny tempoly ihany koa ianao sy ireo loharano izay hanampy anao amin’ny asa famonjena, anisan’izany ny fizarana ny filazantsara. Ireo ray aman-dreny dia afaka mitarika amin’ny fanomanana ireo zanany ho amin’ny batisa, amin’ny fisoronana, amin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno ary amin’ny tempoly. Afaka manampy antsika izy ireo handeha amin’ilay lalana ety sy tery mankany amin’ny fanaovana ireo ôrdônansy sy ny fanekempihavanan’ny tempoly ary hiezaka ny ho mendrika ny fitahian’ny fiainana mandrakizay.

Nandritra ny fihaonambe tamin’ny volana Aprily, nandritra ny fihaonamben’ny fisoronana, dia niresaka momba ny raiko aho, izay nanao sarina mpiady mpitaingin-tsoavaly manao akanjo fiarovana mba hampianarana ahy mikasika ny fanaovana ny fiadian’Andriamanitra manontolo sy ny fiarovana ara-panahy entin’izany.

Taorian’izany fivoriana izany, dia notantarain’ny raim-pianakaviana iray tamin’ny vady aman-janany ny zavatra nianarany. Rehefa notaomin’ny Fanahy Masina i Jason zanany lahy dia nanao fikarohana tao amin’ny LDS.org mba hihaino izany hafatra izany ho an’ny tenany. Andro vitsivitsy taty aoriana dia nizara ilay lesona tamin’ireo iray tampo aminy nandritra ny takarivan’ny mpianakavy izy. Io amin’ny sary io izy.

Sary
Jason

Hafatra tsotra tao amin’ny fihaonambe, avy amin’ny fitaomam-panahin’ny Tompo, voarain’ny ankizy iray no nampianarina ny fianakaviana iray tamin’ny fomba manokana sy nahery vaika. Tiako ny rariny notafiany ho fiarovan-tratra. Tiako ny finoany notanany ho ampinga mba hamonoana ny zana-tsipìka mirehitra alefan’ilay ratsy. Ireo no fitahiana azo avy amin’ny fihaonambe.

Ry rahalahy sy anabaviko, mizara ny fijoroako ho vavolombelona miavaka aho fa i Jesoa Kristy Tompo dia velona ary Izy no lohan’ity Fiangonana ity. Azy ity fihaonambe ity. Mampanantena anareo aho amin’ny Anarany fa raha toa ianareo ka mivavaka amin’ny faniriana amin-kitsimpo mba handre ny feon’ny Rainareo any an-danitra amin’ireo hafatr’ity fihaonambe ity dia ho hitanareo fa niteny taminareo Izy mba hanampiana anareo sy hampatanjahana anareo ary hitarihana anareo hiverina hody eo anatrehany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.