2010–2019
Manafaingana ny Fanatanterahana ny Drafitry Enti-milalaon’ny Tompo!
Oktobra 2013


Manafaingana ny Fanatanterahana ny Drafitra Enti-milalaon’ny Tompo!

Isika tsirairay dia tokony handrafitra sy hampihatra ny drafitsika manokana enti-milalao mba hanompoana amim-pientanentanana miaraka amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno.

Nila niresaka tamin’ny vadin’ny iray tamin’ireo eveka tao amin’ny tsatòkako aho taona maro lasa izay, ka dia niantso azy an-tariby tany an-tranony aho. Ny zanak’izy ireo lahy mbola tanora no nandray ny telefaonina. Hoy aho hoe: “Manahoana ianao! Ao ve ny reninao?”

Hoy ny navaliny hoe: “Eny, ato izy! Handeha hantsoiko izy! Fa iza izao?”

Hoy aho namaly hoe: “Lazao izy hoe ny Filoha Nielsen.”

Dia nisy fahanginana kely ary avy eo aho dia nandre feo tena nientanentana nanao hoe: “Neny a! Ny Filoha Hinckley no ao amin’ny telefaonina!”

Tsy ho azoko an-tsaina izay mety ho noeritreretiny. Mety izay no dia an-tongotra lava indrindra nankeny amin’ilay telefaonina nataony hatramin’izay. Tena nandalo tao an-tsaiko ny eritreritra hoe: “Tokony mody hanao hoe Filoha Hinckley ve aho?” Tsy nanao izany aho, saingy nihomehimehy momba izany izahay. Ankehitriny rehefa mieritreritra izany aho dia mihevitra hoe mety ho tena diso fanantenana izy satria tsy iza fa izaho ihany no niresaka taminy.

Inona no hataonao raha toa ka tena miantso anao tokoa ny mpaminanin’ny Tompo? Raha ny marina dia efa niantso izy! Ny Filoha Thomas S. Monson, tahaka ny nataony indray aninkeheo maraina dia niantso antsika tsirairay mba hanao asa iray tena manan-danja. Hoy izy hoe: “Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo misiônera, miara-miasa, miasa ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo mba hitondrana fanahy ho any Aminy.” (“Finoana an’ilay Asa Famonjena,” [fampiofanana ireo mpitarika maneran-tany, 23 Jiona 2013, lds.org/broadcasts).

Moa ve isika mba nihaino?

Ny tsatòka sy distrika ary misiona manerana izao tontolo izao dia miaina fitomboan-kery vaovao noho ny fahatanterahan’ny fanambarana nataon’ny Mpamonjy tamin’i Joseph Smith tamin’ny 1832 manao hoe: “Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako” (F&F 88:73).

Ry rahalahy sy anabavy, izao izany fotoana izany! Tsapako izany ary azoko antoka fa mahatsapa izany koa ianareo.

Te hamadika ilay fientanentanako sy finoako an’i Jesoa Kristy ho asa aho. Rehefa nilalao football américain aho dia ny drafitra enti-milalao no nipetraka tao an-tsaiko. Tsy niahiahy izahay rehefa nandeha nilalao, satria rehefa niomana niaraka tamin’ilay drafitra hahatratrarana ilay tanjona ny ekipanay dia hahita fahombiazana izahay. Kanefa vao haingana aho izay no niresaka tamin’i LaVell Edwards izay mpanazatra malaza an’i BYU mikasika ilay drafitray enti-milalao, dia nilaza izy hoe: “Tsy noraharahiako izay tetikady tianao hampiharina fa rehefa nahafaty fotsiny ny ekipantsika dia izay no zava-dehibe amiko!” Amin’ny maha-iray tamin’ireo quart-arrière ahy tao amin’ny ekipany dia nieritreritra aho hoe ho sarotra kokoa noho izany ilay izy, kanefa ilay heviny tsotra angamba no antony nahatonga ilay kianja filalaovana iray lasa nitondra ny anarany.

Noho isika rehetra ao anatin’ny ekipan’ny Tompo, moa ve isika tsirairay manana drafitra antsika manokana mba handresena ao anatin’ilay lalao? Moa ve isika vonona ny hilalao? Raha toa isika mpikambana ka tena tia ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ireo izay mifanerasera amintsika dia tsy tokony hozaraintsika amin’izy ireo ve ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny?

Nandritra ny seminera ho an’ny filohan’ny misiona vaovao tamin’ny volana Jiona dia nandray torolalana farany talohan’ny nanombohan’izy ireo ny asa fanompoany ireo filoha vaovao miisa 173, izay isa faran’ny ambony indrindra hatramin’izay, niaraka tamin’ny vadin’izy ireo. Nandaha-teny teo anoloan’ity vondrona miavaka ity daholo ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay miisa 15.

Nitondra fanamarihana farany toy izao ny Loholona L. Tom Perry: “Vanim-potoana iray tena miavaka ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana izao. Izao dia zavatra iray mitovy lenta amin’ireo zava-niseho lehibe nitranga taloha tao anatin’ny tantara, toy ny Fahitana Voalohany, ny fanomezana ny Bokin’i Môrmôna, ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara ary toy ireo zavatra rehetra izay manorina ilay fototra ho antsika mba handrosoana sy hampianarana ao anatin’ny fanjakan’ny Ray any an-danitra” (“Lahateny Famaranana” [lahateny natao nandritra ny seminera ho an’ny filohan’ny misiona vaovao, 26 Jiona 2013], 1, Church History Library, Salt Lake City).

Isika dia mila tena mirotsaka an-tsehatra mihoatra noho ny hatramin’izay mba hitovy amin’ny fientanentanan’ireo mpitarika antsika sy ny fanoloran-tenan’ireo misiônerantsika manompo amin’ny fotoana feno koa ny antsika. Tsy handroso araka ny hitiavan’ny Tompo hanaovana azy ity asa ity raha tsy misy antsika! Hoy ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Nantsoina isika hiasa amim-piraisan-kina ao anatin’ilay asa fijinjany fanahy na firy taona isika na firy taona, na inona na inona fahazai-manao ananantsika na antsom-piangonana sahanintsika, ary na aiza na aiza misy antsika” (“Iray Isika,” Liahona, Mey 2013, 62).

Mamela ahy ianareo hizara drafitra enti-milalao iray izay tsapako fa tokony hampiasaina rehefa nivavaka sy namaky ny toko faha 13 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ary nisaintsaina ireo zavatra niainana taloha. Manasa anareo aho mba handinika ireo zavatra telo ireo rehefa mieritreritra ny drafitrareo manokana ianareo.

Voalohany, mivavaha mba hitondra olona hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy ny filazantsarany isan’andro. Afaka manao izany ianao amin’ny alalan’ny fandraisana ny olona rehetra ho toy ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra izay mifanampy ao anatin’ilay dian’izy ireo handeha hody. Eritrereto ireo namana vaovao izay ho azonao.

Faharoa, mivavaha isan’andro ho an’ireo misiônera izay manompo eo amin’ny faritra misy anao ary ireo naman’ny fiangonana ka tononina mihitsy ny anaran’izy ireo. Ny hany fomba ahafahana manao izany dia ny miarahaba azy ireo, mijery ny mari-pamantarana eo amin’ny tratrany, miantso azy ireo amin’ny anarany, manontany izay olona ampianarin’izy ireo. Nanampy tamim-pahendrena an’izao ny Loholona Russell M. Nelson: “Rehefa fantatrao ny anaran’ny olona iray sy ny endriny, izay vao afaka manampy anao hahafantatra ny ao am-pony ny Tompo.”

Nanatrika ny batisan’ny rahavavy mahafinaritra iray aho izay nizara ny fijoroany ho vavolombelona. Hotsaroako mandrakariva ilay zavatra nolazainy hoe: “Tsy mbola nahita velively olona maro dia maro nivavaka ho ahy toy izao aho ary tsy mbola nahatsapa velively fitiavana be toy izao! Fantatro fa marina ity asa ity!”

Fahatelo, manasà namana iray hanatrika zavatra karakaraina iray ao an-tranonao na any ivelany. Na aiza na aiza alehanao ary na inona na inona ataonao, dia eritrereto hoe iza no olona afaka ny hankafy izao zavatra karakaraina izao? Dia henoy ny Fanahy rehefa mitarika anao Izy.

Nampianatra ahy lesona nisoko mangina ny Mpamonjy tao anatin’ny fandalinako manokana ny filazantsara izay inoako fa tena azo ampiharina tsara amin’ilay “fanafainganana ny asa.” Rehefa miontam-po be momba ny zavatra iray aho dia hita ao anatin’ny zavatra soratako izany ary matetika mifarana amin’ny tsoraka izany izay raha faritana dia maneho “fahatsapan-javatra lehibe [na fanondroan-javatra manan-danja lehibe” (Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary, 11th ed. [2003], “exclamation point”).

Lasa saina aho rehefa nanomboka lasa nisongadina ireo soratra masina mikasika “ny fanangonana,” izay mifarana amin’ny mari-tsoratra, toy ny fitalahoan’i Almà tamin’ny fony: “Ô, inay anie aho anjely, ary nety nanana ny fanirian’ny foko mba hahazoako mandeha sy miteny miaraka amin’ny trompetran’Andriamanitra, amin’ny feo mampihorohoro ny tany sy miantsoantso fibebahana amin’ny vahoaka tsirairay!” (Almà 29:1).

Rehefa natao ny fikarohana dia andinin-tsoratra masina 65 no mampiseho ity karazana zavatra mampihetsi-po momba ny asa fitoriana ity, ka tafiditra ao anatin’izany ireto:

“Akory ny halehiben’ny fifaliany amin’ny olona izay mibebaka! …

“Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!

“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ny fanjakan’ny Raiko, akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!” (F&F 18:13, 15–16).

Ny fahafantarako ireo soratra masina miavaka ireo dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny andraikitra voalohany nampandraiketina ahy amin’ny maha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ahy. Somary sahiran-tsaina ihany aho rehefa nasaina ho naman’ny Apôstôly iray, Loholona Quentin L. Cook, tany amin’ny fihaonamben’ny tsatòka iray. Rehefa niditra ny biraon’ny filohan’ny tsatòka aho mba hanatanteraka ny fivoriana voalohany tamin’izay faran’ny herinandro izay, dia nahatsikaritra kiraro efa simba izay mivolona maintimanja teo amin’ny talantalan’ny fanaka iray tao ambadiky ny latabany niaraka tamin’ny soratra masina iray mifarana amin’ny tsoraka. Rehefa novakiako izany dia tsapako fa fantatry ny Tompo ny zavatra nohalaliniko ary novaliany ny vavaka nataoko ary tena fantany tsara ny zavatra nilaiko mba hampitoniana ilay foko feno ahiahy.

Nangatahiko ilay filohan’ny tsatòka mba hitantara amiko ny tantaran’ilay kiraro.

Hoy izy hoe:

“Kiraron’ny tovolahy iray niova fo tato amin’ny Fiangonana ireo, izay niaina tao anatin’ny fianakaviana sahirana iray. Tapa-kevitra anefa izy ny hanao asa fitoriana feno fahombiazana ka dia nanao izany tany Guatemala. Rehefa niverina izy dia nihaona taminy aho mba hanao ny fisaorana azy amim-boninahitra ary tsikaritro fa simba ny kirarony. Io tovolahy io dia nanolotra izay rehetra nananany, tsy nisy fanohanana, fa raha nisy dia kely, avy amin’ny fianakaviana, mba ho an’ny Tompo.

“Hitany aho fa nandinika ny kirarony ka nanontaniany hoe: ‘Misy olana angaha ry Filoha?’

“Novaliako hoe: ‘Tsia ry Elder, milamina ny zava-drehetra! Azonao omena ahy ve ireny kiraro ireny?’”

Notohizan’ilay filohan’ny tsatòka izany hoe: “Tena lehibe dia lehibe ny fanajako sy ny fitiavako io misiônera nahavita ny asany io! Tiako hitoetra izany zava-niseho izany ka nohamanjaiko ny hoditr’ireo kiraro. Izany dia mpampahatsiahy ahy isaky ny miditra ity biraoko ity mikasika ilay ezaka tsy maintsy ataontsika na inona na inona toe-javatra iainantsika. Avy ao amin’i Isaia ilay soratra masina: ‘Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena. Eny, izy manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!’ (Isaia 52:7).”

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mety niahiahy ny vadin’ilay eveka mahafinaritra iray hoe nahoana no niantso azy ny mpaminany. Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy mila miahiahy intsony izy sy isika rehetra—Faranako amin’ny TSORAKA izany!

Fantatro fa isika tsirairay dia tokony handrafitra sy hampihatra ny drafitsika manokana enti-milalao mba hanompoana amim-pientanentanana miaraka amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno—Faranako amin’ny TSORAKA izany!

Ampiako ny fijoroako ho vavolombelona ny an’ny Mpaminany Joseph Smith: “Ankehitriny aorian’ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia intỳ ny tenivavolombelona, ny farany amin’ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!” (F&F 76:22). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.