2010–2019
Mitrakà
Oktobra 2013


Mitrakà

Izao no fotoana hitodihana any amin’ilay Loharanon’ny fahamarinana ary hakana antoka fa matanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Tamin’izaho valo taona, dia nirahina ho any amin’ny tanàna teo akaikinay izaho sy ny zanaka roa lahin’ny nenitoako mba hividy sakafo hohaninay mandritra ny 15 andro. Rehefa manao jery todika izany zavatra niainako izany aho dia gaga tamin’ny fahatokiana nananan’ny renibeko sy ny nenitoako ary ny dadatoako taminay. Nazava sy namirapiratra ny lanitry ny maraina raha nanainga hanao dia izahay niaraka tamin’ny soavaly telo.

Rehefa teny afovoan’ny tanety rakotr’ahitra izahay, dia nanana hevitra tsara be hoe hidina ny soavaly ka hilalao kanety. Dia nilalao naharitra tokoa izahay. Variana fatratra tamin’ilay kilalao nataonay izahay hany ka tsy nahita ireo “famantarana ny fotoana” teo ambony lohanay raha nandrakotra ny lanitra ny rahona mainty. Tamin’ny fotoana nahitanay ny zavatra nitranga, dia tsy nanana fotoana akory izahay hitaingenana ny soavalinay. Namely mafy anay ny orana ary nifafy teny amin’ny tavanay ny havandra hany ka ny sisa azonay noeritreretina hatao dia ny hanala ny laselin’ireo soavaly ary nifono tamin’ilay bodofotsy teo amin’izany lasely izany.

Nanohy ny dianay tsy nisy soavaly izahay sady lena sy nangatsiaka ary tamin’izay dia niezaka ny handeha faran’izay haingana vitanay. Rehefa nanakaiky ilay toerana halehanay izahay dia nahita fa tondraky ny rano ilay lalana lehibe miditra ao amin’ilay tanàna ka toy ny renirano nikoriana nankany aminay izany. Tamin’izay, ny hany safidy nanananay dia ny hamela ireo lamba nirakofanay ka hihanika ny fefin-tariby miranirany izay nanodidina ilay tanàna. Efa alina ny andro, ary reraka sy nararirary ary kotsa izahay raha nangataka mba hialoka tao amin’ny trano voalohany hitanay rehefa niditra ilay tanàna izahay. Ilay fianakaviana tsara fanahy tao no nanamaina anay sy nanome tsaramaso matsiro hohaninay ary nanome fandriana ho anay tao amin’ny efitrano iray natokany ho anay. Tsy ela dia tsikaritray fa mahitsy tsara ilay gorodona mihosom-bovoka tao amin’ilay efitrano ka dia nanana hevitra tsara be anankiray indray izahay. Nanao sarina faribolana teo amin’ny tany izahay ary nanohy ny lalao kanetinay mandra-paharesin-tory anay teo amin’ny tany teo.

Amin’ny maha ankizy anay dia tsy nieritreritra afa-tsy ny tenanay izahay. Tsy nieritreritra mihitsy ireo olon-tianay tany an-trano izay nitady mafy anay izahay—raha nieritreritra azy ireo izahay, dia tsy ho nanela ny dianay tamin’ny fanaovan-javatra tsy mahasoa toy ny nataonay. Ary, raha hendry kokoa izahay dia ho nijery ny lanitra, ka ho nahita ireo rahona niforona, ary nanafaingana ny dianay mba tsy ho tratran’ny oram-baratra. Amin’izao fotoana izay efa ananako traikefa bebe kokoa izao, dia ampahatsiahiviko foana ny tenako hoe, “Aza adino ny mitraka.”

Ilay zavatra niainako niaraka tamin’ireo zanaky ny nenitoako dia nampianatra ahy hifantoka amin’ireo famantarana amin’ny fotoana iainantsika. Isika dia miaina amin’ilay vanim-potoana feno oram-baratra sy tandindomin-doza izay nolazain’i Paoly hoe: “Fa ny olona ho tia tena, … tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, … mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, … tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra” (2 Timoty 3:2–4).

Raha niresaka izany fotoana izany ny Loholona Dallin H. Oaks dia niteny izy hoe: “Sady mila miomana ara-nofo isika no miomana ara-panahy. … Ary ilay fiomanana mitady hatao tsinontsinona indrindra dia ilay fiomanana tsy hita maso kokoa ary sarotra kokoa—ny ara-panahy” (“Preparation for the Second Coming,” Liahona, Mey 2004, 9). Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe, aza atao tsinontsinona ny mitraka.

Noho ny hamehana amin’ny filana fiomanana ara-panahy mandritra ny fotoan’ny loza tahaka izany dia tiako ny mampitandrina mikasika ny famantarana iray amin’ny fotoana iainana izay tena misongadina tokoa. Mitàna anjara toerana lehibe ny teknôlôjia amin’ny asa ataoko ka noho izany dia miaiky aho fa manan-danja izany, indrindra amin’ny fifandraisana. Maro tokoa ireo fampahalalana noforonin’ny olombelona izay azo mora foana amin’izao fotoana izao. Saingy feno zavatra maloto sy mamitaka ihany koa anefa ny Internet. Mampitombo ny fahalalahantsika miteny ny teknôlôjia, kanefa mahatonga ny mpanao blaogy iray izay tsy ampy fahalalana ho lasa inoan’ny olona amin’ny tsy rariny noho ny hamaron’ireo izay mamaky ny blaoginy koa izany. Izany no antony tsy maintsy hitadidiantsika mafy dia mafy ity fitsipika mandrakizay ity amin’izao fotoana izao: “Ny voany no hahafantaranareo azy” (Matio 7:20).

Mampitandrina anareo aho indrindra indrindra ny tsy hijery sary maloto na ho liana amin’ireo mpanendrikendrika an’i Kristy sy ny Mpaminany Joseph Smith. Ny fanaovana ireo zavatra roa ireo dia miteraka vokatra mitovy: ny fahaverezan’ny Fanahy Masina sy ny heriny miaro sy manohana. Dia tonga aorian’izay foana ny fahotana sy ny tsy fahasambarana.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, raha toa ianareo mahita zavatra izay mahatonga anareo hisalasala amin’ny fijoroanareo ho vavolombelona ny amin’ny filazantsara, dia miangavy anareo aho mba hitraka. Mitodiha any amin’ilay Loharanon’ny fahendrena sy fahamarinana rehetra. Kolokoloy amin’ny tenin’Andriamanitra ny finoanareo sy ny fijoroanareo ho vavolombelona. Ao ireo olon’izao tontolo izao izay mikatsaka ny hanimba ny finoanareo amin’ny fampifangaroana ny lainga amin’ny saritsarim-pahamarinana. Izany no antony maha-zava-dehibe ny fijanonanareo ho mendrika mandrakariva ny Fanahy Masina. Ny fananana ny Fanahy Masina ho namanao dia tsy zavatra mahafinaritra fotsiny ihany—tena ilaina izany mba tsy hahafaty ny ara-panahinao. Raha toa ka tsy tehirizinao ao am-ponao ny tenin’i Kristy ary tsy mihaino tsara ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao, dia ho voafitaka (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:37). Tsy maintsy ataontsika ireo zavatra ireo.

I Jesoa Kristy, izay tanteraka, sy i Joseph Smith, izay nanaiky fa izy tenany aza dia tsy tanteraka, dia samy novonoin’ireo mpanendrikendrika izay tsy nanaiky ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa marina ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona—fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra ary i Joseph Smith dia mpaminany marina?

“Ny voany no hahafantaranareo azy.” Moa ve ny hazo ratsy hamoa voa tsara? Fantatro fa ilay Mpanavotra ahy dia namela ny heloko ary nanafaka ahy tamin’ny ziogako manokana, ka nitondra ahy ho amin’ny toetry ny fahasambarana izay tsy fantatro hoe misy. Ary fantatro fa i Joseph Smith dia mpaminany satria nampihariko ilay fampanantenana tsotra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “[Anontanio] Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy” (Môrônia10:4). Raha tsorina dia hoe: mitrakà.

Mety hisy ireo izay hanome torohevitra fa tokony hanana porofo mivaingana ny olona iray mba hinoana ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty na ny fahamarinan’ny Filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Averiko lazaina amin’izy ireo ny tenin’i Almà tamin’i Kôrihôra, izay niezaka ny handresy lahatra ny hafa mba tsy hino manao hoe: “Efa manana famantarana ampy ianao; moa haka fanahy an’Andriamanitra va ianao? Moa hilaza va ianao hoe, anehoy famantarana iray aho, kanefa anananao ny fanambaran’ireo rahalahinao rehetra ireo ary koa ny an’ny mpaminany masina rehetra? Apetraka eo anoloanao ny soratra masina” (Almà 30:44).

Izaho sy ianao dia porofo velon’ny hery manavotry ny Mpamonjy. Isika dia porofo velon’ny asa fanompoana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fahatokian’ireo Olomasina taloha izay nitoetra ho mafy orina tamin’ny fijoroany ho vavolombelona. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’izao fotoana izao dia mivelatra manerana izao tontolo izao ary tsy mbola nitombo tahaka izao hatrizay—tahaka ny tamin’ny andron’i Kristy dia eken’ny olona manetry tena izay tsy mila mahita sy mikasika vao mino.

Tsy misy mahafantatra hoe rahoviana indray ny Tompo no ho avy. Saingy miaina ao anatin’ny fotoana mampidi-doza isika amin’izao fotoana izao. Izao no fotoana hitodihana any amin’ilay Loharanon’ny fahamarinana ary hakana antoka fa matanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Miverina amin’ilay tantarako indray aho, nifoha tao anatin’ny maraina nisy masoandro nibaliaka sy lanitra kanto izaho sy ireo zanaky ny nenitoako. Nisy lehilahy iray nandondòna tao am-baravarana hitady ankizilahy telo very. Nampitaingenany soavaly izahay, ary nanomboka nody namakivaky ilay tanety rakotr’ahitra. Tsy ho adinoko mihitsy ny zavatra hitanay teny amin’ny lalanay nody—olona marobe izay nitady anay nandritra ny alina, ka niraikitra tao anaty fotaka ny fiarabe sy ny tracteurs an’izy ireo. Nahita lasely sy soavaly niparitaka tetsy sy teroa izy ireo, ary rehefa nahita anay nandeha nody izy ireo dia tsapako fa afaka ny fitaintainany ary tsapako ny fitiavany. Rehefa niditra ny tanàna izahay dia olona maro be no niandry anay, ary teo alohan’izy ireo ny renibeko sy ny dadatoako ary ny nenitoako feno fitiavana. Namihina anay izy ireo ary nitomany, diboky ny hafaliana noho ny nahitany ireo zanany very. Fampahatsiahivana lehibe ho ahy izany hoe, mahafantatra antsika ny Raintsika any an-danitra feno fitiavana. Tsy andriny izay hodiantsika.

Eny, misy famantarana ny oram-baratra miforona manodidina antsika. Aoka isika hitraka ka hiomana. Miaro ny fananana fijoroana ho vavolombelona matanjaka. Aoka isika hikolokolo sy hanamafy ny fijoroantsika ho vavolombelona isan’andro.

Fantatro fa afaka miara-miaina mandrakizay amin’ny maha fianakaviana isika, ary ny Raintsika any an-danitra izay feno fitiavana dia miandry antsika zanany, amin’ny sandry vonona ny handray antsika. Fantatro fa velona i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika. Tahaka an’i Petera dia tsy ny nofo aman-dra no naneho ahy izany, fa ny Raiko izay any an-danitra (jereo ny Matio 16:15–19). Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.