2010–2019
Herin’ny Tena Manokana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Oktobra 2013


Herin’ny Tena Manokana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Afaka ny ho tonga madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika tsirairay avy ary hoesorina ny vesatry ny fikomiantsika.

Vao haingana aho no nanana fahafahana hifankafantatra tamin’ny andian-jatovo mahatalanjona iray avy any amin’ny faritanin’i Idaho. Nanontany ahy ny zatovovavy iray feno hatsaran-toetra ny amin’ny zavatra izay tsapako fa manan-danja indrindra tokony hataon’izy ireo eo amin’ny fiainany amin’izao fotoana izao. Nanoro hevitra azy ireo aho mba hianatra hamantatra ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainany. Anio aho dia hanazava mikasika ny lafiny iray amin’izany hery izany dia ny herin’ny tena manokana azontsika raisina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny mikasika ny nampianaran’i Amôna sy ireo rahalahiny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny vahoaka izay “baribariana sy mafy fo ary lozabe.”1 Maro tamin’ny vahoaka no niova fo ary nisafidy ny tsy hamerina intsony ny fitondrantena feno fahotana nataon’izy ireo. Tena feno tokoa ny fiovam-pon’izy ireo ka dia nandevina ny fitaovam-piadiany izy ireo sy nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo fa tsy hampiasa izany intsony.2

Taty aoriana dia nanafika azy ireo ny maro tamin’ireo rahalahiny tsy niova fo ary nanomboka namono azy ireo. Ireo vahoaka lasa nahatoky dia nisafidy ny hanaiky hovonoina tamin-tsabatra fa tsy nanimba ny fiainan’izy ireo ara-panahy tamin’ny fandraisana fitaovam-piadiana hiarovan-tena. Vao mainka aza nanampy olona maro an’isa kokoa hiova fo sy hametraka ny fiadiany enti-mikomy ny ohatra tsara nasehon’izy ireo.3

Nitarika azy ireo ny Tompo, tamin’ny alalan’i Amôna, hialokaloka teo anivon’ny Nefita ary nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe vahoakan’i Amôna izy ireo.4 Niaro azy ireo nandritra ny taona maro ny Nefita, saingy taty aoriana dia nanomboka nihena ny miaramila Nefita ka tena nilaina tokoa ny miaramila fanampiny.5

Tao anatin’ny fotoana lehibe teo amin’ny fiainany ara-panahy ny vahoakan’i Amôna. Nahatoky tamin’ny fanekempihavanany ny tsy handray fitaovam-piadiana intsony izy ireo hatramin’izay. Kanefa izy ireo dia nahatakatra fa ny raim-pianakaviana dia tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny fianakaviany.6 Izany zavatra nilaina izany dia lehibe loatra tamin’izy ireo ka mendrika ny handinihana ny tokony handravana ny fanekempihavanany.7

I Helamàna, izay mpitarika hendrin’izy ireo ao amin’ny fisoronana, dia nahafantatra fa ny fandravana fanekempihavanana amin’ny Tompo dia tsy hahazo rariny mihitsy. Nanome sosokevitra feno fitaomam-panahy izy ho solon’izany. Nampahatsiahy azy ireo izy fa tsy mbola meloka tamin’izany fahotana izany ny zanak’izy ireo lahy ka noho izany dia tsy nila nanao izany fanekempihavanana izany.8 Na dia tanora dia tanora aza ireo zanakalahy ireo dia natanjaka ara-batana izy ireo, ary ny tena zava-dehibe dia marina sy madio izy ireo. Tonga mafy orina tamin’ny alalan’ny finoan’ny reniny ireo zanakalahy.9 Naka ny toeran’ny rain’izy ireo ireto zatovolahy ireto teo ambany fitarihan’ny mpaminany sady mpitarika azy ireo mba hiaro ny fianakaviany sy ny tokantranony.10

Ireo zava-nitranga nifandray tamin’ity fanapahan-kevitra lehibe ity dia maneho ny fomba hitondran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy hery ho an’ny tena manokana eo amin’ny fiainan’ireo zanak’Andriamanitra. Eritrereto ny fiontanam-pon’ireo raim-pianakaviana ireo. Inona no tsy maintsy ho tsapan’izy ireo noho ny fahafantarana fa nanakana azy ireo tsy nahafahany niaro ny vady aman-janany amin’ny fotoana ilàna izany ny fiokon’izy ireo teo aloha? Tsy maintsy ho nitomany tany amin’ny mangingina izy ireo noho ny fahafantarany avy amin’ny zavatra niainany ny habibiana ho atrehin’ireo zanany tamin’izany. Ny ray, fa tsy ny zanaka, no natao hiaro ny fianakaviany!11 Tsy maintsy lalina tokoa ny alahelon’izy ireo.

Nahoana no natahoran’ny mpitarika azy ireo ao amin’ny fisoronana izay notaomim-panahy, ny eritreritr’izy ireo hoe handray ny fitaovam-piadiany, “fandrao … [izy ireo] hahavery ny fanahiny”?12 Izao no nambaran’ny Tompo hoe: “Indro, izay efa nibebaka tamin’ ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.”13 Efa ela tany aloha tany ireto raim-pianakaviana mahatoky ireto no nibebaka tamin’ny fahotany ary lasa nadio tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ka nahoana ary izy ireo no nanarina tsy hiaro ny fianakaviany?

Fahamarinana fototra manan-danja ny hoe afaka ny ho voadio isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Afaka ny ho tonga tsara toetra sy madio isika. Indraindray anefa dia mamela voka-dratsy maharitra eo amintsika ny safidy ratsy nataontsika. Anisan’ny dingana tena ilaina amin’ny fanatontosana hatramin’ny farany ny fibebahana ny mizaka ireo vokatra tsy maharitra na ireo vokatra maharitra ela avy tamin’ny fahotana vitantsika taloha. Ny safidy nataon’ireto raim-pianakaviana Amônita ireto tany aloha dia nahatonga azy ireo ho mora handairan’ny filana arak’izao tontolo izao, filana izay mety hiteraka fahalemena ao amin’izy ireo indray ka mety ho andraman’i Satana araraotina.

Hiezaka i Satana hampiasa ny fahatsiarovantsika izay mety ho fahamelohantsika teo aloha, mba hitaomana antsika hiverina ho ao ambany vahohony indray. Tsy maintsy mitandrina mandrakariva isika mba hialana amin’ny fitaomany. Tahaka izany no niseho tamin’ireo raim-pianakaviana Amônita. Na dia taorian’ny taona maro niainany tamim-pahatokiana aza dia tena nilain’izy ireo tanteraka ny niaro ny tenany ara-panahy teo anatrehan’izay hery rehetra mety nisintona nankany amin’ny fahatsiarovana ireo fahotana taloha.

Teo anelanelan’ireo fotoana maro nisian’ny ady dia nitarika ny fanamafisana ireo tanàna nalemy indrindra ny Kapiteny Môrônia. “Ary nataony izay hananganany rindrin-kazo teo amin’ ny lafiny anatiny tamin’ ny hadivory; ary natsipiny avy tamin’ ny hadivory hankeo amin’ ny rindrin-kazo ny tany … mandra-pamefeny manodidina ny tanàna … tamin’ ny rindrin-kazo sy tany izay avo izaitsizy.”14 Takatry ny Kapiteny Môrônia ny maha zava-dehibe ny fampatanjahana ny faritra malemy mba hahazoana hery.15

Tsy misy hafa amin’izany koa ny amin’ireto raim-pianakaviana Amônita ireto. Nila manda ara-panahy avo kokoa sy matevina kokoa izy ireo mba hampisarahana ny fiainan’izy ireo feno fahatokiana sy ny ny fitondrantena ratsin’izy ireo teo aloha. Ireo zanany lahy izay nampianarina fomban-drazana marina dia tsy mora nandairan’ny fakam-panahy toy izany tahaka azy ireo. Afaka niaro tamim-pahatokiana ny fianakaviany izy ireo ary tsy nampidi-doza ny fiadanan’izy ireo ara-panahy.

Ny vaovao mahafaly ho an’izay rehetra maniry ny hiala amin’ny vokatry ny safidy ratsy natao taloha dia ny hoe tsy mitovy ny fijerin’ny Tompo ny fahalemena sy ny fikomiana. Raha toa ny Tompo ka mampitandrina fa hitondra fanasaziana ny fikomiana tsy nibebahana,16 dia feno famindram-po mandrakariva kosa Izy rehefa miresaka mikasika ny fahalemena.17

Azo antoka fa tokony ho nisy ny famindram-po satria nampianarina ny fomban-drazana dison’ireo ray aman-dreniny ireo raim-pianakaviana Amônita, saingy manana ny Fahazavan’i Kristy avokoa ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra rehefa tonga eto amin’ny fiainana an-tany. Na inona na inona antony nahatonga azy ireo nanota dia ny fitomboan’ny fahalemena ara-panahy no vokatr’izany, fahalemena izay ezahan’i Satana araraotina.

Soa ihany fa nampianarina ny filazantsara izy ireo, sy nibebaka, ary noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nanjary natanjaka ara-panahy mihoatra lavitra noho ny fitaoman’i Satana. Mety tsy nahatsapa ilay fakam-panahy nitaona azy ireo hiverina tamin’ny lasany feno hetraketraka izy ireo, kanefa noho ny fanarahan’izy ireo ny mpaminany mpitarika azy ireo dia tsy nanome fahafahana an’i Satana izy ireo “[hanambaka] … ny fanahiny, ka [hitarika] azy amim-pahamalinana hidina any amin’ ny helo.”18 Tsy hoe nanadio azy ireo tamin’ny fahotana fotsiny ihany ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, fa noho ny fankatoavan’izy ireo ny torohevitry ny mpitarika azy ireo tao amin’ny fisoronana dia afaka niaro azy ireo tamin’ny fahalemeny ny Mpamonjy ary afaka nampahery azy ireo. Ny fanoloran-tenan’izy ireo feno fanetren-tena sy nandritra ny androm-piainany ny tsy hamerina intsony ny fahotany dia niaro bebe kokoa ny fianakaviany raha ampitahaina amin’izay zavatra hafa mety ho azon’izy ireo natao tany amin’ny toeram-piadiana. Tsy nanakana azy ireo handray fitahiana ny fanoavan’izy ireo. Nampatanjaka azy ireo sy nitahy azy ireo ary nitahy taranaka maro nifandimby taty aoriana izany.

Ny fiafaran’ilay tantara dia maneho ny fomba nanaovan’ny famindram-pon’ny Tompo “ny zavatra malemy ho tonga matanjaka.”19 Naniraka ireo zanany lahy ireo raim-pianakaviana mahatoky ireo handeha hiady teo ambanin’ny fiahian’i Helamàna. Na dia niady tao anatin’ny ady loza be aza ireo zanakalahy ireo, ady izay nahazoan’izy rehetra ratra farafahakeliny, dia tsy nisy namoy ny ainy.20 Lasa loharanon-kery tena nilaina ho an’ny miaramila Nefita efa reraka ireo zatovolahy ireo. Nahatoky sy natanjaka ara-panahy kokoa izy ireo rehefa nody. Notahiana sy narovana ary nampatanjahana ny fianakavian’izy ireo.21 Amin’izao androntsika izao dia mpianatra maro mandalina ny Bokin’i Môrmôna no nahazo hery tamin’ny alalan’ny ohatra nasehon’ireto zanakalahy madio sy marina ireto.

Efa nisy ny fotoana nanaovantsika tsirairay safidy ratsy teo amin’ny fiainantsika. Samy mila mafy dia mafy ny hery manavotry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy avokoa isika rehetra. Tsy maintsy mibebaka amin’ny fikomiana rehetra nataontsika isika tsirairay avy. “Fa Izaho Tompo dia tsy afaka hijery ny fahotana amin’ ny hamoram-po faran’ izay bitika indrindra.”22 Tsy afaka Izy satria fantany ny zavatra ilaintsika mba hahafahantsika hitovy Aminy.

Maro amintsika no namela ny fahalemena hahazo vahana ao amin’ny toetrantsika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahantsika koa, tahaka ireo Amônita, manangana manda ara-panahy izay hampisaraka antsika amin’izay mety ho fahadisoana teo aloha ka ezahan’i Satana hampiasaina. Ireo fiarovana ara-panahy natsangana manodidina ireo raim-pianakaviana Amônita dia nitahy sy nampatanjaka ny tenan’izy ireo, sy ny fianakaviany, sy ny fireneny ary ireo taranaka nifandimby taty aoriana. Afaka miseho amintsika koa izany.

Koa ahoana ary no hananganantsika ireo fiarovana mandrakizay ireo? Ny dingana voalohany dia tsy maintsy fibebahana amin-kitsimpo sy marina ary feno. Afaka ny ho tonga madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika tsirairay avy ary hoesorina ny vesatry ny fikomiantsika. Tsarovy fa tsy famaizana akory ny fibebahana. Fa izany no lalana feno fanantenana mankany amin’ny hoavy feno voninahitra kokoa.

Nomen’ny Ray any an-danitra fitaovana isika, izay hanampy antsika hanangana fiarovana mampisaraka ny fahalementsika sy ny fahatokiantsika. Eritrereto ireto sosokevitra manaraka ireto:

  • Manaova fanekempihavanana ary mandraisa ôrdônansy ho an’ny tenanao manokana. Aorian’izay dia miasà tsy tapaka amim-pahazotoana mba hanaovana ôrdônansy any amin’ny tempoly ho an’ireo razambenao.

  • Mizarà filazantsara amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao na ireo namana izay tsy mpikambana na mpikambana malaina. Afaka mitondra hafanam-po vaovao eo amin’ny fiainanao ny fizarana ireo fahamarinana ireo.

  • Manompoa amim-pahazotoana amin’ireo antso rehetra ao amin’ny Fiangonana, indrindra fa ny nanendrena anao mikasika ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano. Azamanao mpampianatra na mpamangy isan-tokantrano mandritra ny 15 minitra isam-bolana fotsiny. Aleo mba manampy ny olona tsirairay ao amin’ilay fianakaviana. Fantaro tsirairay manokana izy ireo. Aoka ianao ho tena namana. Asehoy amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fihetsika feno hatsaram-panahy fa tena miraharaha ny tsirairay amin’izy ireo tokoa ianao.

  • Ny tena zava-dehibe indrindra dia manompoa ny olona ao amin’ny fianakavianao. Ataovy lohalaharana indrindra ny fivoaran’ny vadinao sy ny zanakao ara-panahy. Jereo akaiky ny zavatra azonao atao hanampiana ny tsirairay. Manomeza maimaim-poana amin’ny fotoananao sy ny fifantohanao.

Misy lohahevitra iraisana ao amin’ireo sosokevitra tsirairay ireo: fenoy fanompoana ny hafa ny fiainanao. Rehefa afantokao amin’ny fanompoana ireo zanaky ny Ray any an-danitra ny fiainanao,23 dia tsy manana hery eo amin’ny fiainanao ny fakam-panahin’i Satana.

Koa satria tena tia anao tokoa ny Rainao any an-danitra dia afaka manome izany hery izany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mahavariana e? Maro taminareo no efa nahatsapa ireo enta-mavesatry ny safidy ratsy, ary ianareo tsirairay dia afaka mahatsapa ilay hery mitaona fanahy avy amin’ny famelan-keloka sy ny famindram-po ary ny herin’ny Tompo. Nahatsapa izany aho, ary mijoro ho vavolombelona fa afaka mahazo izany avokoa ianareo tsirairay avy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.