2010–2019
Matokia an’i Jehovah
Oktobra 2013


Matokia an’i Jehovah

Manolora tena hanao izay azonao atao mba hizarana ilay hafatra lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Niverina avy nanatanteraka andraikitra tany amin’ny firenena dimy tany Eorôpa izaho sy ny Rahavavy Ballard vao haingana. Nanana tombontsoa izahay tany nihaona tamin’ny maro amin’ireo misiônerantsika, izay angamba zanakalahinareo sy zanakavavinareo ny sasany tamin’izy ireo. Hatramin’ny nanaovan’ny Filoha Thomas S. Monson ilay fanambarana momba ny fampidinana ny taona hanompoan’ireo zatovolahintsika sy zatovovavintsika, dia nanana tombontsoa ny tenako nihaona tamin’ny 3.000 mahery tamin’izy ireo. Mamirapiratra eny amin’ny endrik’izy ireo ny hazavan’i Kristy, ary dodona ny hampandroso ilay asa izy ireo—hitady sy hampianatra, hanao batisa, hampavitrika, ary hanamafy orina sy hanangana ny fanjakan’Andriamanitra. Rehefa mihaona amin’izy ireo anefa aho dia avy hatrany dia mahafantatra fa tsy afaka manao io asa io irery izy ireo. Androany aho dia te hiresaka amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra, satria ilaina maika ny fandraisan’ny tsirairay amintsika anjara amin’ny fizarana ny filazantsara.

Araka ny efa naverina nolazaina imbetsaka dia nilaza ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Aorian’izay zavatra rehetra voalaza, ny andraikitra lehibe sy manan-danja indrindra dia ny mitory ny Filazantsara” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 330).

Nilaza an’izao ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ny taona 1974 hoe: “Angamba ny antony lehibe indrindra hanaovana ny asa fitoriana ny filazantsara dia ny hanomezana fahafahana ho an’izao tontolo izao mba handre sy hanaiky ny filazantsara. Feno didy sy fampanantenana ary antso sy valisoa amin’ny fampianarana ny filazantsara ao amin’ny soratra masina. Fanahy iniako ampiasaina ny teny hoe didy satria toy ny torolalana tsy an-kiato izay tsy azontsika tsirairay na isika rehetra, hialana izany” (“When the World Will Be Converted,” Ensign, Ôkt. 1974, 4)

Tamin’ny volana Jolay tamin’io taona io ihany, dia nandao ny zanakay izaho sy ny Rahavavy Ballard mba hitantana ny Misionan’i Kanadà Toronto. Nanakoako tao an-tsaiko ireo tenin’ny Filoha Kimball, indrindra rehefa niteny izy hoe: “Ry Rahalahiko, manontany tena aho hoe manao izay rehetra vitantsika ve isika? Moa ve isika afa-po amin’ny fomba entintsika mampianatra izao tontolo izao? Efa 144 taona izao no nanaovantsika asa fitoriana ny filazantsara. Moa ve isika vonona ny hampitombo ny ezaka ataontsika? Hijery lavitra kokoa?” (Ensign, Ôkt. 1974, 5).

Nangatahany ihany koa isika mba hanafaingana ny fomba fiasantsika, hiara-hiasa mba hananganana ny Fiangonana sy ny fanjakan’Andriamanitra.

Namerina izany antso izany, tsy nampiana ary tsy nanalana, tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny volana Jona lasa teo. Hoy ny Filoha hoe: “Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo misiônera, miara-miasa, [sy] miasa ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo mba hitondrana fanahy ho any Aminy. Efa nomaniny ireo fitaovana ahafahantsika mizara ny filazantsara amin’ny fomba maro, ary hanampy antsika Izy eo amin’ny asa ataontsika raha miasa amim-pinoana isika mba hanatanterahana ny Asany” (“Faith in the Work of Salvation” [lahateny natao tao anatin’ny fampitana manokana, Jona 23, 2013]; lds.org/broadcasts).

Tsara ry rahalahy sy anabavy ny misaintsaina ireo fampianaran’ireo mpaminany nanomboka tamin’ny andron’i Joseph Smith hatramin’izao fotoana izao. Namporisika sy nangataka ireo mpitarika sy mpikambana ao amin’ny Fiangonana izy ireo mba hazoto hirotsaka amin’ny fampitana ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra manerana izao tontolo izao.

Ny hafatro amin’izao tolakandro izao dia hoe ny Tompo dia manafaingana ny asany. Amin’izao fotoana iainantsika izao dia tsy ho vita izany raha tsy ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra no manampy amim-pitiavana mba hizara ireo fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Mila miara-miasa miaraka amin’ireo misiônerantsika am-perin’asa miisa 80.000 isika. Misy fampahafantarana mazava mikasika ity asa lehibe ity, indrindra ny andraikitr’ireo mpitarika ny filankevitry ny tsatòka na paroasy, ao amin’ny tranonkala LDS.org mitondra ny lohateny hoe “Hâter l’Oeuvre du Salut” (Manafaingana ny Asa Famonjena).

Fantatray avy amin’ny fikarohana nataonay fa ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny Fiangonana mazoto dia maniry ny hahazoan’ireo olon-kafa, izay tian’izy ireo, ny fitahian’ny filazantsara eo amin’ny fiainany, eny fa na ireo izay tsy mbola nihaona taminy mihitsy aza. Kanefa fantatray ihany koa fa maro ny mpikambana misalasala hanao asa fitoriana ny filazantsara sy hizara ny filazantsara noho ny antony roa lehibe.

  • Ny voalohany dia ny tahotra. Maro ireo mpikambana izay tsy mivavaka akory mba hahazo fahafahana hizara ny filazantsara, satria matahotra izy ireo sao maharay fitarihana avy any an-danitra izay hampanao azy ireo zavatra heveriny fa tsy ho vitany.

  • Ny antony faharoa dia ny tsy fahatakarana hoe inona moa no atao hoe asa fitoriana ny filazantsara.

Fantatsika fa rehefa misy olona mitsangana hanao lahateny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ka miteny hoe: “Androany aho dia hiresaka momba ny asa fitoriana ny filazantsara,” na angamba koa na rehefa ny Loholona Ballard aza no mitsangana amin’ny fihaonamben’ny fiangonana ka milaza izany zavatra izany, dia misy aminareo izay mihaino no mieritreritra hoe: “Izay indray; efa henonay izany.”

Fantatsika izao fa tsy misy olona te hahatsapa ho diso izany. Mety hahatsapa ianareo fa mety ho asaina hanao zavatra tsy azo tanterahina amin’ny fifandraisanareo amin’ny namanareo sy ny mpiara-monina aminareo. Mamelà ahy, miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo, hanaisotra izay tahotra rehetra mety anananareo na ananan’ny misiônerantsika amin’ny fotoana feno amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa.

Manapaha hevitra hanao izay nasain’i Jesoa Kristy hataontsika. Hoy ny Mpamonjy hoe:

“Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo:

“Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana.

“Ary iza moa aminareo, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato?

“Ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?

“Koa raha hianareo … mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy?” (Matio 7:7–11).

Ry rahalahy sy anabavy, hiova ho finoana sy fahatokiana ny tahotra rehefa mandohalika mivavaka sy mangataka amin’ny Tompo ireo mpikambana sy ireo misiônera amin’ny fotoana feno mba hanome azy ireo fahafahana mitory ny filazantsara. Avy eo dia tokony hampiasa ny finoantsika isika, sy mitady izay ahafahana mampahafantatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra, ary azo antoka fa ho tonga amintsika tokoa ireo fahafahana ireo. Ny fahafahana mitory ny filazantsara dia tsy mitaky na oviana na oviana vokany an-katerena na sarintsariny. Handeha ho azy izany satria vokatr’ilay fitiavantsika ny rahalahintsika sy anabavintsika. Manana fotsiny fisainana tsara, dia ho tsapan’ireo olona iresahanao ny fitiavanao. Tsy ho hadinon’izy ireo mihitsy izany fahatsapana izany na dia toa tsy mbola io aza no fotoana natao hanekeny ny filazantsara. Izany koa dia mety hiova any aoriana rehefa miova ny toe-javatra iainan’izy ireo.

Tsy afaka ny tsy hahomby isika raha toa manao izay tsara indrindra vitantsika rehefa manao ny iraky ny Tompo. Raha toa ny vokatra azo dia miankina amin’ny fampiasana ny fahafahana misafidin’ny tena, dia andraikitsika kosa ny fizarana ny filazantsara.

Matokia ny Tompo. Izy no ilay Mpiandry Tsara. Mahalala ny ondriny Izy, ary ny ondriny mahalala ny feony, ary ankehitriny dia ny feonareo sy ny feoko no feon’ilay Mpiandry Tsara. Ary raha tsy mirotsaka an-tsehatra isika, dia maro ireo olona tokony ho nandre ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny kanefa dia holalovana fotsiny. Raha tsorina dia ny finoantsika sy ny asa ataontsika no mitondra izany. Tsotra ihany ireo fitsipika—mivavaha, mitokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, mba hanana fahafahana hitory ny filazantsara. Nilaza ny Tompo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fa olona maro no tsy nahita ny fahamarinana “noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny” (F&F 123:12).

Tsy voatery ho olona mahay mifandray amin’ny hafa ianareo na mahay mandaha-teny na mpampianatra mahay mandresy lahatra. Raha toa ka manana fitiavana sy fanantenana mitoetra ao anatinareo ianareo, dia nampanantena ny Tompo fa raha toa ianareo ka “[manandratra] amin’ity vahoaka ity ny feonareo; [miteny] ny eritreritra izay hapetra[ny] ao am-ponareo, dia tsy hangaihay eo anoloan’ny olona ianareo;

“[Ary] homena anareo … amin’izany fotoana izany indrindra izay holazainareo” (F&F 100:5–6).

Ny Torio ny Filazantsarako dia mampahatsiahy antsika rehetra fa “tsy misy zava-mitranga amin’ny asa fitoriana ny filazantsara mandra-pahitan[tsika] olona. Miresaha amin’ny olona betsaka araka izay azonao atao isan’andro. Tsy mahagaga raha somary matahotra ianao raha hiresaka amin’olona, fa afaka mivavaka ianao mba hanana finoana sy hery ho sahy kokoa hanokatra ny vavanao hanambara ny filazantsara naverina amin’ny laoniny” ([2004], 201). Ianareo misiônera amin’ny fotoana feno, raha te hampianatra misimisy kokoa ianareo, dia tokony hiresaka amin’ny olona misimisy kokoa isan’andro. Hanao izany no nanirahan’ny Tompo ny misiônera hatramin’izay.

Fantatry ny Tompo isika. Fantany fa manana ny olantsika isika. Mahafantatra aho fa misy aminareo no mety mahatsapa ho mavesatra entana, kanefa mivavaka aho mba tsy hisy aminareo no hahatsapa fa ny fanatonana olona amin’ny fomba mandeha ho azy, sy mahafinaritra mba hizara ny filazantsara dia enta-mavesatra. Raha ny marina, dia tombontsoa aza izany! Tsy misy fifaliana lehibe kokoa noho ny fahazotoana mirotsaka amin’ny fanompoana ny Tompo eo amin’ny fiainana.

Ny dingana manan-danja indrindra dia ianao nahazo fitaomana avy amin’Andriamanitra, mangataka fitarihana avy Aminy ary avy eo mandeha sy manao araka ny nitaoman’ny Fanahy Masina anao. Rehefa raisin’ireo mpikambana ho toy ny andraikiny samirery ny asa famonjena, dia mety ho mampiahotra izany. Raha raisiny ho toy ny fanasana hanaraka ny Tompo amin’ny fitondrana fanahy ho any Aminy mba hampianarin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno kosa izany, dia mamelombelona ny fanahy, sy mampavitribitrika, ary mankahery.

Tsy mitaky ny hanaovan’ny olona tsirairay izao rehetra izao izahay. Mangataka ny mpikambana rehetra fotsiny izahay mba hivavaka, fantatray fa raha ny mpikambana rehetra, na tanora na antitra, no hanatona olona “iray” monja mandra-pahatongan’ny Krismasy, dia an-tapitrisany ny olona hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy Tompo. Ary tena fanomezana tsara ho an’ny Mpamonjy tokoa izany.

Naharay taratasy avy amin’ny fianakaviana iray izay nahita fahombiazana tokoa tamin’ny fitoriana ny filazantsara aho enina herinandro lasa izay, ny fianakaviana Munns avy any Floride izany. Toy izao ny zavatra nosoratan’izy ireo:

“Ry Loholona Ballard, 30 minitra taorian’ny fampitana maneran-tany mikasika ny fanafainganana ny asa famonjena, dia nanao filankevitry ny fianakaviana mikasika ny asa fitoriana ny filazantsara izahay. Diboky ny hafaliana izahay raha nahita fa naniry ny hampandraisina anjara ireo zafikelinay zatovo. Faly izahay manao tatitra fa hatramin’ilay fivorian’ny filankevitray, dia nitombo 200 isan-jato ny isan’ny olona ampianarinay.

“Nitondra ireo namany tany am-piangonana ireo zafikelinay, ary niaraka nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo taminay ny sasany tamin’ireo namanay malaindaina, ary ireo olona vaovao niresahanay ny filazantsara dia nanao fanoloran-tena handray ireo lesona zarain’ny misiônera. Ny iray tamin’ireo rahavavy nalaina tao aminay dia tsy vitan’ny hoe niverina ho mazoto ao am-piangonana fa nitondra naman’ny fiangonana niaraka taminy ihany koa.

“Tsy nisy nandà ny fanasana handray ny lesona zarain’ny misiônera na iray aza. Tena mampientanentam-po ny hoe: mpikambana ao amin’ity Fiangonana ity amin’izao fotoana izao” (taratasin’olona manokana, 15 Aog. 2013).

Araho ireo fitaoman’ny Fanahy Masina. Mitalahoa amin’ny Tompo amin’ny vavaka amin-kafanam-po. Manolora tena hanao izay azonao atao mba hizarana ilay hafatra lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Hindrana ny tenin’i Clayton Christensen izay mpikambana iray hafa nahita fahombiazana teo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara aho: “Isaky ny mandray an-tanana olona iray ianao ka mampahafantatra azy an’i Jesoa Kristy, dia hahatsapa ny halalin’ny fitiavan’ny Mpamonjy anao sy ilay olona tantananao ianao” (The What and How of Sharing the Gospel [2013], 1).

Andriamanitra anie hitahy anareo ry rahalahy sy anabavy mba hahita ilay fifaliana lehibe azo amin’ny fiainana ireo fahagagana amin’ny alalan’ny finoanareo. Nampianarina isika ao amin’ny Môrônia toko faha-7 hoe:

“Efa niteny i Kristy hoe: Raha manam-pinoana Ahy ianareo dia hanana ny fahefana hanao na inona na inona zavatra mahasoa ao Amiko. …

“… Fa amin’ny finoana no anaovana fahagagana; ary amin’ny finoana no isehoan’ny anjely ka anompoany ny olona; koa, raha efa nitsahatra ireny zavatra ireny dia lozan’ny zanak’olombelona, fa izany dia noho ny tsy finoana, ary zava-poana ny rehetra” (Môrônia 7:33, 37).

Afaka mijoro ho vavolombelona aminareo avy amin’ny zavatra niainako manokana aho fa hihaino ny vavakareo ny Tompo ary hanana fahafahana maro ianareo amin’izao fotoana izao sy amin’ny taona maro ho avy ny hampahafantatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo zanaka sarobidin’ny Raintsika any an-danitra. Ry Filoha Monson, nihaino izahay. Hitady ilay iray avokoa izahay. Mivavaka aho mba hahatsapantsika rehetra ilay fifaliana lehibe azo avy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.