2010–2019
Zava-madinika sy Tsotra
Oktobra 2013


Zava-madinika sy Tsotra

Andeha isika hanampy ny hafa amim-pinoana sy amim-pitiavana.

Ry rahalahy sy anabavy malala, vao herinandro vitsy lasa izay aho no tao amin’ny ivontoerana fanofanana misiônera tao Mexico City mba hizara hafatra tamin’ireo misiônera. Nanao kajikajy ny ho tonga ora maromaro mialoha izaho sy ny vadiko. Rehefa nitety ireo zaridaina tsara tarehy sy ireo lalana voakarakara tsara tao amin’ilay ivontoerana fanofanana misiônera izahay dia tsy sarotra taminay ny nahatsikaritra ny hafaliana nisoritra teny amin’ny endrik’ireo misiônera tanora lehilahy sy vehivavy an-jatony izay samy nifantoka tamin’ny fianarana mba hahaizana fiteny vaovao sy ny fianarana hankamamy kokoa ny tanjony amin’ny maha-misiônera azy.

Rehefa naka fotoana kely nandinihana tamim-pitandremana izany zavatra nahasondriana ny maso izany aho dia nisaintsaina ny tenin’i Almà, rehefa nandidy ny zanany lahy Helamàna izy hitahiry ny tantaran’ny olony ao anatin’ireo rakitsoratra izay nampiandraiketina azy, sy hihazona ireo rakitsoratra ireo ho masina mba hahafahan’izy ireo handeha ho any amin’ny firenena sy foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina indray andro any.

Dia hoy i Almà taminy tamin’izay hoe:

“Ankehitriny dia mety hoheverinareo fa izany dia fahadalana avy amiko; nefa indro, lazaiko aminao fa amin’ ny alalan’ ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe; ary ny zava-madinika, amin’ ny toe-javatra maro, dia mampangaihay ny hendry.

“Ary ny Tompo Andriamanitra dia miasa amin’ ny alalan’ ny fitaovana mba hanatanteraka ny fikasany lehibe sy mandrakizay; ary amin’ ny alalan’ ny zavatra tena madinika no ampangaihaizan’ ny Tompo ny hendry sy itondrany ny famonjena ho an’ ny fanahy maro” (Almà 37:6–7).

Ny tsy fananantsiny sy ny fahatanoran’ireo misiônerantsika dia ohatra tsara maneho fomban’ny Tompo—ka ireo izay manetry tena dia “[hanasa] ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana sy ny batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana Ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera [2004], 1).

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia afaka “[h]andresy lahatra ny maro ny amin’ ny hadisoan’ ny làlany” amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotran’ny tenantsika manokana isika ary hanampy amin’ny fitondrana azy ireo amin’ny “fahalalana an’ Andriamaniny ho famonjena ny fanahiny” (Almà 37:8).

Indray mandeha dia niaraka nitsidika mpikambana malaindaina iray niaraka tamin’ny filohan’ny tsatòka iray sy eveka iray aho. Nampianatra azy tamin’ny fomba tsotra dia tsotra mikasika ireo fitahian’ny Sabata izahay. Naneho ny fitiavanay azy tamin-kitsimpo izahay. Namaly izy hoe “Ny hany nilaiko dia ny hahatongavan’ny olona iray hanome ahy abrazo,” na hamihina ahy. Nitsangana avy hatrany aho ary namihina azy. Alahady ny ampitson’io. Tonga nanatrika ny fanasan’ny Tompo niaraka tamin’ny fianakaviany manontolo io rahalahy io.

Nandritra ny fitsidihana iray tao anatin’ny famangiana isan-tokantrano dia nilaza tamin’ny vadiko sy ny namana mpiara-mamangy aminy i Martha, izay mpikambana ao amin’ny paroasinay, ny mba tsy hiverenan’izy ireo intsony. Nanapa-kevitra ny tsy hiangona intsony izy. Nanontany an’i Martha ny iray tamin’ireo mpamangy isan-tokantrano raha toa izy ireo ka afaka miara-mihira hira iray ao amin’ny fihirana tamin’io fotoana farany io, dia nanaiky izy. Nisy zavatra niavaka nitranga teo am-pihiran’izy ireo. Nameno tsikelikely ilay efitrano ny Fanahy Masina. Samy nahatsapa izany izy ireo. Nanomboka nalefaka ny fon’i Martha. Namboraka ny tao am-pony tamin-dranomaso tamin’ireo mpamangy azy isan-tokantrano izy. Tamin’izay fotoana izay dia tsapany fa nahafantatra izy hoe marina ny filazantsara. Dia nisaotra ireo mpamangy azy isan-tokantrano indray izy ary nilaza tamin’izy ireo ny faniriany mba hiverenan’izy ireo. Hatramin’izay andro izay dia nandray azy ireo tamim-pifaliana izy.

Nanomboka nankany am-piangonana niaraka tamin’ny zanany vavy kely i Martha. Niangona tsy tapaka nandritra ny taona maro izy ireo ary tsy nanary toky mihitsy i Martha fa mety hisafidy ny hiaraka amin’izy ireo ny vadiny any aoriana any. Tonga ihany ny farany ilay andro izay nikasihan’ny Tompo ny fon’ilay vadiny, ary nanomboka nankany am-piangonana niaraka tamin’izy ireo izy, ary nanao toy izany koa ireo zanak’izy ireo vavy hafa taoriana kelin’izay. Nanomboka nahatsapa ny fifaliana marina izay tonga avy amin’ny fahazoana ireo fitahian’ny filazantsara tao an-tranony ity fianakaviana ity. Nanomboka tamin’izay i Martha dia nanompo tamim-pahatokiana tamin’ny naha filohan’ny Fikambanana Ifanampiana azy tao amin’ny paroasinay, ary ny vadiny dia nanompo tsara tamin’ny antso maro tao amin’ny tsatòka. Nanomboka tamin’ny fihirana hira iray tao amin’ny fihirana ireo zavatra rehetra ireo, zava-madinika sy tsotra izay nikasika ny fon’i Martha.

I Namàna dia komandin’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Syria, izay lehilahy nanan-kaja, nahery tamin’ny tanjaka sy ny herimpo, saingy boka ihany koa izy (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1). Rehefa tsy nahita fahombiazana tany amin’ny mpanjakan’i Isiraely mba hahasitranan’ny habokany i Namàna dia nandeha tany an-tranon’i Elisa mpaminany. Nandefa iraka ho any aminy i Elisa hilaza hoe:

“Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio hianao.

“Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankaty amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran’i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin’ny aretina ka hahasitrana ny boka. …

“Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain’ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio hianao?

“Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin’ny lehilahin’Andriamanitra, ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy” (2 Mpanjaka 5:10–11, 13–14).

Ny mpaminanintsika, ny Filoha Thomas S. Monson, dia nanasa antsika rehetra handeha ary hanavotra ireo rahalahintsika sy rahavavintsika. Hoy Izy hoe: “Mila ny fanampianareo izao tontolo izao. Maro ireo tongotra tokony hatanjahina, tanana tokony hosintonina, saina tokony hamafisina, fo tokony ho entanina ary fanahy tokony hovonjena. Miandry anareo ireo fitahian’ ny mandrakizay” (“To the Rescue,” Liahona, Jolay 2001, 57).

Mijoro ho vavolombelona aho fa maro amin’ireo izay mila ny fanampiantsika no miandry antsika. Vonona izy ireo ny hiandry ireo rahalahiny sy rahavaviny mahery fo hanampy sy hanavotra azy ireo amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra. Izaho manokana dia efa nandany ora maro namangiana mpikambana malaindaina ao amin’ny Fiangonana, izay efa nalefahan’ny Tompo ny fony, ary vonona ankehitriny ny handray ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny fanehoantsika fitiavana amin-kitsimpo. Rehefa manolo-tanana sy manasa azy ireo isika dia hiverina ao amin’ny Fiangonana tsy am-pisalasalana izy ireo.

Andeha isika hanampy ny hafa amim-pinoana sy amim-pitiavana. Aoka isika hahatsiaro ny fampanantenan’ny Tompo manao hoe:

“Ary raha toa aza ka miasa amin’ ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko!

“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko, akory ny ho halehiben’ ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!” (F&F 18:15–16).

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fitiavan’ny Tompo ny zanany rehetra. Fantatro fa velona Izy ary Izy no Mpanavotra antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.