2010–2019
Mampianatra amin’ny Hery sy Fahefan’Andriamanitra
Oktobra 2013


Mampianatra amin’ny Hery sy Fahefan’Andriamanitra

Efa nomen’ny Tompo ny fomba ahafahan’ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay izay mendrika hampianatra amin’ny fomban’ny Mpamonjy.

Mihoatra noho ny fahafahanay maneho fankasitrahana no isaoranay an’ireo mpampianatra manerana ny Fiangonana. Tianay ianareo ary manana fahatokiana lehibe anareo izahay. Anisan’ny fahagagana lehiben’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ianareo.

Misy tsiambaratelo tokoa ny fahatongavana ho mpampianatra filazantsara mahomby, ny fampianarana amin’ny hery sy fahefan’Andriamanitra. Ny teny hoe tsiambaratelo no ampiasaiko satria ireo fitsipika izay iankinan’ny fahombiazan’ny mpampianatra iray dia tsy azon’iza na iza takarina raha tsy ireo izay manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny zavatra izay nitranga ny marainan’ny andro iray tsara sy nibaliaka, tamin’ny fiandohan’ny lohataona tamin’ny taona 1820.

Ho valin’ny vavaka feno fanetren-tena nataon’ny zazalahy iray 14 taona, dia nisokatra ny lanitra, niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay sy Jesoa Kristy Zanany ary niresaka taminy. Niantomboka ilay fampodiana ny zavatra rehetra izay efa nandrasana ela, ary napetraka ho maharitra mandrakizay ny fitsipiky ny fanambarana amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao. Azo fintinina amin’ny teny roa ny hafatr’i Joseph sy ny hafatra zaraintsika amin’izao tontolo izao: “Miteny Andriamanitra.” Niteny tamin’ny olona fahiny Izy, niteny tamin’i Joseph Izy, ary hiteny aminao Izy. Izany no mampiavaka anao amin’ny mpampianatra rehetra any amin’izao tontolo izao. Io no antony tsy maintsy ahombiazanao.

Nantsoina tamin’ny alalan’ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana ianao ary notokanana tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Inona no dikan’izany?

Voalohany, midika izany fa ny asan’ny Tompo no ataonao. Solontenany ianao, ary nahazo lalana sy nomena andraikitra ny hisolo tena Azy sy hanao zavatra eo amin’ny Toerany. Amin’ny maha-solontenany anao, dia manan-jo ianao hahazo ny fanampiany. Tsy maintsy manontany tena ianao hoe: “Inona no holazain’ny Mpamonjy raha toa ka mampianatra ny kilasy ampianariko Izy anio, ary ahoana no fomba hilazany izany?” Tsy maintsy manao toa izany koa ianao.

Io andraikitra io dia mety hahatonga ny olona sasany hahatsiaro tena ho tsy mahay na hatahotra mihitsy aza. Tsy sarotra ilay lalana. Efa nomen’ny Tompo ny fomba ahafahan’ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay izay mendrika hampianatra amin’ny fomban’ny Mpamonjy.

Faharoa, nantsoina hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao. Tsy mahazo mampianatra ny hevitrao na ny foto-pisainanao manokana ianao, na dia ampiarahina amin’ny soratra masina aza izany. Ny filazantsara dia “herin’Andriamanitra ho famonjena,”1 ary amin’ny alalan’ny filazantsara ihany no hamonjena antsika.

Fahatelo, nodidiana ianao hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara araka ny hita ao amin’ireo soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana, dia ny mampianatra ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’izao andro farany izao, ary ny mampianatra izay ampianarin’ny Fanahy Masina anao.

Noho izany, aiza no hanombohantsika azy?

Ny andraikitra lehibe indrindra ananantsika dia ny miaina amin’ny fomba izay ahafahantsika manana ny Fanahy Masina ho mpitarika sy ho namantsika. Rehefa nikatsaka ny handray anjara tamin’ity asan’ny andro farany ity i Hyrum Smith dia hoy ny Tompo hoe: “Indro izao no asanao, ny mitandrina ny didiko, eny, amin’ny herinao rehetra, ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra.”2 Io no teboka fanombohana. Ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Hyrum dia mitovy amin’ny torohevitra nomeny an’ireo Olomasina amin’ny fotoana rehetra.

Hoy ny Fiadidiana Voalohany raha niresaka tamin’ireo mpampianatra ankehitriny hoe: “Ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny asa fanompoana ataonareo dia ny fiomananareo ara-panahy isan’andro, anisan’izany ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina ary ny fankatoavana ireo didy. Mamporisika anareo izahay mba hanoka-tena hiaina araka ny fampianaran’ny filazantsara amin’ny tanjona lehibe kokoa mihoatra noho ny tany aloha.”3

Tsara ho marihana fa tsy nilaza akory ny Fiadidiana Voalohany hoe ny ampahany manan-danja indrindra ho an’ny asa fanompoanao dia ny manomana tsara ny lesonao na ny mifehy tsara ireo fomba fampianarana isan-karazany. Mazava ho azy fa tsy maintsy manomana amim-pahazotoana ny lesona tsirairay ianao ary miezaka mianatra ny fomba ahafahanao mampianatra, izay ahafahanao manampy ireo mpianatra hampiasa ny fahafaha-misafidin’izy ireo ary hamela ny filazantsara hiantefa any amin’ny ati-panahiny indrindra, saingy ny ampahany voalohany sy manan-danja indrindra amin’ny asa fanompoanao dia ny fiomanana manokana sy ara-panahy ataonao. Raha toa ka manaraka io torohevitra io ianao dia mampanantena ny Fiadidiana Voalohany fa: “Ny Fanahy Masina no hanampy anao hahafantatra izay tokony hatao. Hitombo ny fijoroanao ho vavolombelona, hihalalina ny fiovam-ponao, ary hohatanjahina ianao amin’ny fiatrehanao ireo fanambin’ny fiainana.”4

Inona avy ireo fitahiana lehibe kokoa azon’ny mpampianatra iray iriana?

Manaraka izany, nandidy ny Tompo fa mialohan’ny hitoriantsika ny teniny, dia tsy maintsy mikatsaka ny hahazo izany aloha isika.5 Tsy maintsy tonga lehilahy sy vehivavin’ny fahalalana tsy misy tomika ianao amin’ny alalan’ny fandalinana amim-pahazotoana ny soratra masina, ary amin’ny firaketana izany ao am-ponao. Ary avy eo, rehefa mangataka ny fanampian’ny Tompo ianao, dia hitahy anao Izy amin’ny Fanahiny sy ny Teniny. Ary hanana ny herin’Andriamanitra ianao, ho fandresen-dahatra ny olona.

Nilaza tamintsika i Paoly fa tonga amin’ny olona amin’ny fomba roa ny filazantsara, dia amin’ny teny sy amin’ny hery.6 Voasoratra ao amin’ny soratra masina ny tenin’ny filazantsara, ary afaka mahazo ny teny isika amin’ny fandalinana izany amim-pahazotoana. Ny herin’ny filazantsara dia tonga ao amin’ny fiainan’ireo olona izay miaina amin’ny fomba izay ahafahan’ny Fanahy Masina ho naman’izy ireo, sy ireo izay manaraka ny bitsika izay voarainy. Ny sasany dia mampifantoka ny fijerin’izy ireo amin’ny fahazoana ny teny fotsiny ary lasa matihanina amin’ny fanomezana fampahalalana izy ireo. Ny hafa indray dia manao tsinontsinona ny fanomanan’izy ireo ary manantena fa somary hanampy azy ireo ny Tompo, noho ny hatsaram-pony, hahatontosa ny fotoana fampianarana. Tsy afaka manantena ny Fanahy ianao hampahatsiahy anao ny soratra masina sy ireo fitsipika izay tsy nohalalininao na nodinihanao. Mba hahafahana mampianatra amim-pahombiazana ny filazantsara, dia tsy maintsy sady manana ny teny ianao no manana ny herin’ny filazantsara eo amin’ny fiainanao.

Nahatakatra ireo fitsipika ireo i Almà raha nifaly tamin’ireo zanakalahin’i Môsià sy ny fomba nampianaran’izy ireo tamin’ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra. Mamaky isika hoe:

“Izy ireo dia olon’ny fahalalana tsy misy tomika ary efa nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina hahazoany mahalala ny tenin’Andriamanitra.

“Nefa tsy izay ihany; efa nanoka-tena ho amin’ny fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina izy ireo; noho izany dia nananany ny fanahin’ny … fanambarana.”7

Manaraka, tsy maintsy mianatra mihaino ianao. Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampianatra izao fitsipika izao tamin’ireo misiônera. Holazaiko ny zavatra nambaran’ny Loholona Holland, kanefa noraisiko tamim-panajana ny fahafahana hanova ireo teny hoe misiônera sy naman’ny Fiangonana, ho lasa hoe mpampianatra sy mpianatra: “Ny andraikitra faharoa ananan’ny [mpampianatra] manarakaraka ny fihainoana ny Fanahy Masina dia ny andraikitra ananan’izy ireo amin’ny fihainoana ny [mpianatra]. … Raha toa mihaino isika sady miantehitra amin’ny Fanahy …, dia [ny mpianatsika] no hiteny amintsika izay lesona ilain’izy ireo ho heno!”

Notohizan’ny Loholona Holland hoe: “Ny zava-misy momba izany dia mbola diso mifantoka loatra amin’ny fanomezana ny votoatin’ny lesona amim-pilaminana sy miverimberina fotsiny [ireo mpampianatra], fa tsy mifantoka amin’ireo mpianany tsirairay.”8

Rehefa avy niomana ianao sy nanomana ny lesonao tamin’ny fomba tsara indrindra vitanao, dia tsy maintsy mivonona hamela ny Fanahy hitarika anao amin’izay zavatra ampianarinao. Rehefa tonga ireo bitsika mangina an’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy manana fahasahiana ianao hamela ireo drafitra sy fandraisana an-tsoratra nataonao, ka mandeha any amin’izay hitondran’ireo bitsika ireo anao. Rehefa manao izany ianao dia tsy ho lesonao intsony no lesona omenao, fa lasa leson’ny Mpamonjy.

Rehefa manoka-tena amin’ny fiainana ny filazantsara miaraka amin’ny tanjona lehibe kokoa noho ny tany aloha ianao, ary mandalina ny soratra masina, sy mirakitra izany ao am-po, dia ny Fanahy Masina izay nanambara ireo teny ireo tamin’ny apôstôly sy ny mpaminany fahiny ihany no hijoro ho vavolombelona aminao ny amin’ny fahamarinan’izy ireo. Raha ny marina, dia hamerina hanambara azy ireny aminao indray ny Fanahy Masina. Rehefa mitranga izany dia tsy tenin’i Nefia na Paoly na Almà fotsiny intsony ireo teny izay vakianao fa lasa teninao. Ary rehefa mampianatra ianao avy eo, dia ho afaka hampahatsiaro anao ny zavatra rehetra ny Fanahy Masina. Eny tokoa, “omena anareo amin’izany ora izany indrindra, eny amin’izany fotoana izany indrindra izay ho lazainareo.”9 Rehefa mitranga izany, dia ho hitanao fa hiteny zavatra izay tsy nomaninao ho tenenina akory ianao. Ary raha mandinika ianao, dia hianatra zavatra avy amin’izay lazainao rehefa mampianatra. Hoy ny Filoha Marion G. Romney hoe: “Fantatro foana rehefa miteny eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina aho satria mianatra zavatra foana aho avy amin’izay nolazaiko.”10 Tadidio fa mpianatra ihany koa ny mpampianatra iray.

Farany, tsy maintsy mijoro ho toy ny vavolombelona mahaleo tena ianao ny amin’ireo zavatra izay ampianarinao, fa tsy mamerina fotsiny ireo teny voasoratra ao amin’ny boky fanomanana na ireo eritreritry ny hafa. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy ianao ary miezaka miaina ny filazantsara miaraka amin’ny tanjona lehibe kokoa noho ny hatramin’izay, dia ho asehon’ny Fanahy Masina aminao fa marina ireo zavatra izay ampianarinao. Izany no fanahin’ny fanambarana, ary io fanahy io ihany no hitondra ny hafatrao ho any amin’ny fon’ireo izay maniry sy manam-piniavana handray izany.

Andao isika izao hamarana teo amin’ny toerana nanombohantsika azy—tao amin’ilay Alakely Masina. Noho ny zavatra izay nitranga tamin’io maraina kanton’ny lohataona vao tsy ela loatra io, dia tokony hampianatra amin’ny hery sy fahefan’Andriamanitra ianao. Momba izany no hanolorako ny fijoroako ho vavolombelona manokana, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.